Dans la mme rubrique

Rivo Rakotovao Mety ho sahirana atsy ho atsy...

28/10/2020

Berija, Rolly Mercia, Claudine Razaimamonjy, Mbola Rajaonah sy ny maro hafa, tratry ny haza lambo ireo mpiaradia tamin’ny fitondran’ny Hery vaovao ho an’I Madagasikara (HVM), raha ny fahitan'ny mpanara-baovao azy aloha.

Rivo Rakotovao Mety ho sahirana atsy ho atsy...

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina Lasa any Eoropa tokoa nijery an-janany

28/10/2020

Niteraka resabe ny fivoahan’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, any Eoropa ankehitriny.

Andry Rajoelina Lasa any Eoropa tokoa nijery an-janany

Hamaky ny tohiny...

Faritra Vakinakatra Hahazo trano iombonana hanodinana ny vatosoa

28/10/2020

“Fotodrafitrasa hahafahan` ny Malagasy miantsehatra ao anatin` ny harena an-kibon` ny tany entina hanodinana vatosoa no atsangana aty Vatofotsy izao” hoy

Faritra Vakinakatra Hahazo trano iombonana hanodinana ny vatosoa

Hamaky ny tohiny...

Betroka Voapetraka ara-pomba ofisialy ireo ben` ny tanàna

28/10/2020

Notontosaina omaly ny fametraha na ara-pomba ofisialy an` ireo ben` ny tanàna ao amin` ny distrikan`i Betroka.

Betroka Voapetraka ara-pomba ofisialy ireo ben` ny tanàna

Hamaky ny tohiny...

Fifanandrinana politika Iza no tena mahazo tombotsoa ?

26/10/2020

Tsy misy mandeha araka ny tokony ho izy intsony ny raharaham-pirenena, ankehitriny.

Fifanandrinana politika Iza no tena mahazo tombotsoa ?

Hamaky ny tohiny...

Plateau Mahafaly Mangataka ho faritra faha-24

26/10/2020

Raha an-dalana ny fametrahana ny faritra faha-23 amin` ny fizarana ho faritra roa Vatovavy sy Fitovinany dia mitohy hatrany ny fangatahana sasany amin` ny fametrahana faritra faha-24.

Plateau Mahafaly Mangataka ho faritra faha-24

Hamaky ny tohiny...

Hanitra Razafimanantsoa “Nalefa an-tsokosoko any Maorisy ny entan’ny Tiko”

26/10/2020

Misy tamin’ireo fitaovana tao amin’ny ozinin’ny TOP (Tiko Oil Product) sy ny Margarinerie Toamasina re fa lasa any amin’ny nosy Maorisy, hoy ny Depiote Hanitra Razafimanantsoa omaly nandritra ny fandaharana manokana nandeha tamin’ny haino aman-jery.Fitaoana avy any Allemagne izy ireo,

Hanitra Razafimanantsoa “Nalefa an-tsokosoko any Maorisy ny entan’ny Tiko”

Hamaky ny tohiny...


Politique

14 jolay teny Ivandry Ravalomanana no rôla

15/07/2017

Ankoatra ny lanonana ofisialy sy ny kabary ary ny dom-bera dia nampiavaka ny lanonana fankalazana ny fetim-pirenena frantsay teny amin’ny “Résidence de France” Ivandry omaly ny fahatongavan’i Marc Ravalomanana.

Nisesy niarahaba sy niresaka tamin’ny filoham-pirenena teo aloha daholo na ireo manampahefana sy olon-tsotra na ireo masoivoho vahiny voaasa nanatrika ny lanonana. Hita ho nilamina sy tao anaty tsikitsiky ny fifampiresahana ary ny mpanao gazety ihany koa avy hatrany tonga dia nifandrombaka nampiresaka an’i Marc Ravalomanana. Nisongadina teny Ivandry omaly fa tena mbola manana ny maha izy azy eto Madagasikara izy, tsy azo ihodivirana, tsy azo dinganina. Nandritra ny tafa nifanaovany tamin’ny mpanao gazety no nilazany fa tsy manana eritreritra hanakorontana fanjakana ny TIM. Tsy tahaka ireny no atao raha hanongam-panjakana fa fomba hafa, hoy izy. Nomarihany mazava tsara anefa fa tsy maintsy hankalaza ny faha-15 taonany eto Antananarivo Renivohitra ny TIM saingy mbola hifampiresahana ny fanatanterahana azy. Ankoatra, izay mampalahelo sady mahamenatra, hoy i Dadavalo fa tena ratsy endrika eo imason’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI) i Madagasikara, araka ny resaka nifanaovany tamin’ny solontenan’ny FMI eto Madagasikara. Lany andro izahay mandinika ny momba an’i Madagasikara, hoy ny FMI araka ny fitantaran’i Marc Ravalomanana omaly. Maro ny zavatra tsy mety eto ka mila fanitsiana hoy, izy. Anisan’ireo tazana niresaka nitokana taminy teny Ivandry moa omaly ny masoivoho Frantsay, Amerikanina, Japoney, teo ihany koa Atoa Pierrot Rajaonarivelo (loholona), Rachidy Mohammed (HVM).


RTT

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana