Dans la mme rubrique

Lavarangana nianjera teny Isotry Olona 7 no tototra tao ambany “beton”

23/10/2020

Nitrangana toe-javatra nampalahelo tetsy Isotry ampitan’ny BMH omaly maraina tokony ho tamin’ny 10 ora. Lavarangana amina trano lehibe iray miorina eny an-toerana no nihotsaka tampoka ka nifatratra tamin’ireo mpivarotra kitapo teo akaiky izay tsy nanampo na inona na inona.

Lavarangana nianjera teny Isotry Olona 7 no tototra tao ambany “beton”

Hamaky ny tohiny...

40 taona nigadrana tao Nosy lava Hody any amin’ny fianakaviany i Samuel Rakotoarivelo

23/10/2020

Tanteraka ara-bakiteny amin-dRakotoarivelo Samuel ilay hira ventesina any am-piangonana hoe : « Afaka aho, afaka ny gadrako…

40 taona nigadrana tao Nosy lava Hody any amin’ny fianakaviany i Samuel Rakotoarivelo

Hamaky ny tohiny...

Alfred Randriamanampisoa “Hahazo isa 10 amin’ny novambra no tanjona”

23/10/2020

Hahazo isa 10 amin’ny novambra no tanjona, hoy ny filohan’ny komity mpanatanteraka eo anivon’ny federasionina malagasin’ny baolina kitra, Alfred Randriamanampisoa.

Alfred Randriamanampisoa “Hahazo isa 10 amin’ny novambra no tanjona”

Hamaky ny tohiny...

Ady amin` ny kolikoly Hamafisina ny fandraisana fitorohana

23/10/2020

Nanatevim-pahalalahana tamin`ny alalan` ny atrikasa fiofanana amin`ny fomba mampahomby ny ady amin`ny kolikoly ny rantsan`ny tetikasa “Ho tantsoroka hahazoam-bokatra” ho an`ny seham-panjakana any amin`ny faritra (PAPSP).

Ady amin` ny kolikoly Hamafisina ny fandraisana fitorohana

Hamaky ny tohiny...

Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola Nanome rà maimaimpoana ireo mpiara-miasa

23/10/2020

« Izay manome rà, manome Aina ». Nanatanteraka izany an-tsitrapo ireo tompon’andraikitra ambony maro sy ny mpiara-miasa isan-karazany eo anivon’ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola.

Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola Nanome rà maimaimpoana ireo mpiara-miasa

Hamaky ny tohiny...

Fivadiham-pitokisana Tratra ilay tompona agence de voyage namitaka

22/10/2020

Lehilahy tompona agence de voyage mampiasa fiara Grand Starex miisa dimy no nivadika tamin’ireo olona nivarotany izany. Namidiny avokoa mantsy ireo fiarany ireo ny volana desambra 2019 ka mitentina 50.000.000 Ariary ny vidin’ny iray tamin’izany.

Fivadiham-pitokisana Tratra ilay tompona agence de voyage namitaka

Hamaky ny tohiny...

JIRAMA sy ny oniversiten’Antananarivo Hiara-kiasa hanara-maso ny fanjifana tsy ara-dalàna

22/10/2020

Hiara-kiasa manomboka izao ny orinasa JIRAMA sy ny oniversité-n’Antananarivo.

JIRAMA sy ny oniversiten’Antananarivo Hiara-kiasa hanara-maso ny fanjifana tsy ara-dalàna

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Minisitry ny serasera Miantso fifampidinihana amin’ny mpanao gazety

30/06/2017

Nanazava tamin’ny mpanao gazety ny fahitany ny fitsipahan’ny hetsika ho an’ny fahalalahana hiteny (MLE) ilay fifampidinihana an-databatra

 

boribory izay kasain’ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny serasera hapetraka manomboka anio ny minisitry ny serasera, Harry Laurent Rahajason (Rolly Mercia), omaly. Amin’ny maha tompon’andraikitra voalohany momba ny serasera ahy, hoy izy, dia mitsangana ho Raiamandreny aho, izany hoe, mitondra izay rehetra mpisehatra amin’ity tontolo ity, ho toy ny zanaka. Ho azonareo rahampitso (TTF : anio), hoy izy, ny mikasika io dinika kasaina hatao io ary afaka adidy amin’izay mitsipaka ny fifampidinihana ny tenako. Zava-dehibe ao anatin’ilay lalàna mifehy ny serasera vaovao ny fanafoanana ny famonjana mpanao gazety sy ny tsy maintsy hanatsarana ny fiveloman’ny mpanao gazety, izay tsy rariny raha mandray karama varimasaka lava izao, hoy ny fanazavany.Nanizingizina ingahy minisitra fa porofon’ny fisian’ny fahalalahana amin’ny asa fanaovan-gazety ny fahafahan’ireo mpanao gazety isan-tsokajiny miteny sy manao fanadihadiana amin’ny onjampeo isan’andro, anisan’izany ny mpanao gazety ao amin’ny MLE ka misy fotoana aza efa tena mihoa-pefy izy ireo ao koa ny milaza vaovao diso.Azo ifampiresahana tsara ny ministeran’ny serasera hoy Harry Laurent Rahajason saingy tsy terena kosa izay tsy vonona hiady hevitra.

Mirija

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana