Dans la mme rubrique

Fiara 4x4 sy fisotroan-dronono “Rariny” ny fitakianay, hoy ireo depiote

23/10/2020

Mitaky ny hanomezana azy ireo ny fiara tsy mataho-dalana 4x4 sy ny hahazoan`izy ireo fisotron-dronono ny solombavambahoakan`i Madagasikara.

Fiara 4x4 sy fisotroan-dronono “Rariny” ny fitakianay, hoy ireo depiote

Hamaky ny tohiny...

Marie Michel Robivelo “Fokonolona no fototra iaingan’ny fampandrosoana”

23/10/2020

Ny fokonolona amiko no fototra iaingan’ny fampandrosoana eto Madagasikara, hoy ny mpampianatra mpikaroka, Marie Michel Robivelo, izay mamita “doctorat” momba izany.

Marie Michel Robivelo “Fokonolona no fototra iaingan’ny fampandrosoana”

Hamaky ny tohiny...

Mpifidy vaventy Mety hiova ny lisitra

23/10/2020

Mitentina 1,8 miliara ariary ny tetibola ilaina amin` ny fanatanterahana ny fifidianana loholona amin`ny 11 desambra izao. Raha ireo tetiandro voaray hatrany dia ny 29 oktobra izao no mivoaka ny lisitra farany ireo kandidà izay miisa 14 hatreto.

Mpifidy vaventy Mety hiova ny lisitra

Hamaky ny tohiny...

Ramboasalama Emilien « Ampiharo ny tondrozotra »

23/10/2020

Araka ny voafaritra ao anatin` ny lalàmpanorenana ao amin`ny and. faha- 75 dia miroso amin`ny fandinihana sy fandaniana ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana ho amin`ny taona 2021 ny antenimiera roa tonta.

Ramboasalama Emilien « Ampiharo ny tondrozotra »

Hamaky ny tohiny...

Paul Rabary “Aoka izay ny fakan-tahaka”

22/10/2020

Misy fiantraikany lehibe teo amin’ny lafiny ekonomika sy sosialy iny Coronavirus iny, hoy ny mpahaifiarahamonina, Paul Rabary.

Paul Rabary “Aoka izay ny fakan-tahaka”

Hamaky ny tohiny...

Rivo Rakotovao “Avoahay ilay 1000 miliara Ariary …”

22/10/2020

Naneho ny heviny ny Filohan’ny Antenimierandoholona Rivo Rakotovao teo anatrehan’ny Filazan’ny Minisitry ny vola fa nalefa any Atsimo ny vola hiasan’io Andrim-panjakana io.

Rivo Rakotovao “Avoahay ilay 1000 miliara Ariary …”

Hamaky ny tohiny...

Solombavambahoaka Atao inona intsony fiara 4x4 ?

22/10/2020

Efa zary fomba fanaon` ireo solombavambahoaka eny Tsimbazaza no manao takalon` aina ny raharaham-pirenena. Anisan` ny fitakiana fiara tsy mataho-dalana 4x4 notakiany hatry ny ela ankoatra ny karama sy ny tambiny omena azy tsirairay, izay efa midangana be.

Solombavambahoaka Atao inona intsony fiara 4x4 ?

Hamaky ny tohiny...


Politique

Governemanta Tsy maintsy hoesorina ny praiminisitra

30/06/2017

Resaka mandeha any an-dapa amin’izao fotoana ny fanovana ny mpikamban’ny governemanta tsy ho ela, ka voaresaka ny tsy maintsy hanalana ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier.

 

Raha ny loharanom-baovao iray dia voalaza fa mety ho ny minisitry ny varotra sy ny fanjifana Tazafy Armand no hiakatra eo amin’ny toeran’ny praiminisitra. Mety hiverina ho minisitry ny atitany tsotra kosa i Mahafaly Solonandrasana Olivier na alefa masoivoho any ivelany.

Mbola adihevitra be anefa ny any an-dapa, araka ny loharanom-baovao iray, ary re fa mikendry mafy ny ho lasa masoivohon’i Madagasikara any Parisy Frantsa ny praiminisitra ankehitriny. Misy olona tena akaiky ny filoha ihany koa anefa maniry mafy io toerana io, ka zary lasa misy ankolafy mihitsy ny mpikamban’ny governemanta, raha ny resaka mivoaka avy any an-dapa hatrany.  Re fa mety homena io toerana io ny minisitry ny raharaham-bahiny Atallah Béatrice, izay namana akaikin-dRajaonarimampianina, ary efa niteraka resabe ny nanendrena azy ho minisitra. Tsiahivina fa izy no filohan’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana ho an’ny tetezamita (CENIT), ary voatendry ho minisitra avy eo. I Mahafaly Solonandrasana Olivier kosa anefa, dia efa ela no nandeha ny resaka amin’ny hanalana azy, saingy tsy nety tanteraka hatrany. Raha ny tantara rahateo no zohiana dia anisan’ny andry lehibe tamin’ny fanamafisana orina ny fitondrana Rajaonarimampianina sy ny HVM izy, ary azo lazaina ho valim-babena avy amin’ny filoham-pirenena ny nanendrena azy ho praiminisitra. Samy miandry izay hiseho ny mpanara-baovao. Mihorohoro tanteraka ihany koa ireo minisitra tsy dia tena akaiky ny filoham-pirenena noho ny tahotra ny ho very seza amin’ny fanovana governemanta. Na ny samy minisitra aza dia voalaza fa efa misy tsy mifankahazo noho ity resaka ity satria misy ny miezaka misolelaka an’ny filoha sy mahazo avara-patana ary ao ny mahatsapa tena atao anjorom-bala. Ary farany kanefa tsy bitika dia tsy afa-miala amin’ny raharaha Claudine Razaimamonjy i Solonandrasana Mahafaly izay minisitry ny atitany sy ny fanapariaham-pahefana. Lasa tahaka ny tsilo eo an-tongotry ny filoham-pirenena sy manaratsy endrika ny fitondram-panjakana iray manontolo ary mampiahotra ny mpamatsy vola ny fijanonany ao Mahazoarivo, araka izany.

Toky R

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana