Dans la mme rubrique

Fiara 4x4 sy fisotroan-dronono “Rariny” ny fitakianay, hoy ireo depiote

23/10/2020

Mitaky ny hanomezana azy ireo ny fiara tsy mataho-dalana 4x4 sy ny hahazoan`izy ireo fisotron-dronono ny solombavambahoakan`i Madagasikara.

Fiara 4x4 sy fisotroan-dronono “Rariny” ny fitakianay, hoy ireo depiote

Hamaky ny tohiny...

Marie Michel Robivelo “Fokonolona no fototra iaingan’ny fampandrosoana”

23/10/2020

Ny fokonolona amiko no fototra iaingan’ny fampandrosoana eto Madagasikara, hoy ny mpampianatra mpikaroka, Marie Michel Robivelo, izay mamita “doctorat” momba izany.

Marie Michel Robivelo “Fokonolona no fototra iaingan’ny fampandrosoana”

Hamaky ny tohiny...

Mpifidy vaventy Mety hiova ny lisitra

23/10/2020

Mitentina 1,8 miliara ariary ny tetibola ilaina amin` ny fanatanterahana ny fifidianana loholona amin`ny 11 desambra izao. Raha ireo tetiandro voaray hatrany dia ny 29 oktobra izao no mivoaka ny lisitra farany ireo kandidà izay miisa 14 hatreto.

Mpifidy vaventy Mety hiova ny lisitra

Hamaky ny tohiny...

Ramboasalama Emilien « Ampiharo ny tondrozotra »

23/10/2020

Araka ny voafaritra ao anatin` ny lalàmpanorenana ao amin`ny and. faha- 75 dia miroso amin`ny fandinihana sy fandaniana ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana ho amin`ny taona 2021 ny antenimiera roa tonta.

Ramboasalama Emilien « Ampiharo ny tondrozotra »

Hamaky ny tohiny...

Paul Rabary “Aoka izay ny fakan-tahaka”

22/10/2020

Misy fiantraikany lehibe teo amin’ny lafiny ekonomika sy sosialy iny Coronavirus iny, hoy ny mpahaifiarahamonina, Paul Rabary.

Paul Rabary “Aoka izay ny fakan-tahaka”

Hamaky ny tohiny...

Rivo Rakotovao “Avoahay ilay 1000 miliara Ariary …”

22/10/2020

Naneho ny heviny ny Filohan’ny Antenimierandoholona Rivo Rakotovao teo anatrehan’ny Filazan’ny Minisitry ny vola fa nalefa any Atsimo ny vola hiasan’io Andrim-panjakana io.

Rivo Rakotovao “Avoahay ilay 1000 miliara Ariary …”

Hamaky ny tohiny...

Solombavambahoaka Atao inona intsony fiara 4x4 ?

22/10/2020

Efa zary fomba fanaon` ireo solombavambahoaka eny Tsimbazaza no manao takalon` aina ny raharaham-pirenena. Anisan` ny fitakiana fiara tsy mataho-dalana 4x4 notakiany hatry ny ela ankoatra ny karama sy ny tambiny omena azy tsirairay, izay efa midangana be.

Solombavambahoaka Atao inona intsony fiara 4x4 ?

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fifidianana 2018 Velon’ahiahy ireo mpanao politika

30/06/2017

Efa tsy afa-po amin’ny fitantanan’ny “Hery Vaovao ho an’i Madagasikara” ny firenena intsony ny ampahany betsaka amin’ny vahoaka Malagasy.

 

Tsy mitsahatra maneho hevitra momba izany ireo antoko politika sy fikambanana samihafa eo anivon’ny fiarahamonina sivily na koa ny sehatra tsy miankina. Teboka iombonan’ny rehetra kosa anefa ny tsy maintsy hirosoana amin’ny fifidianana amin’ny taona 2018. Voakasika manokana ireo antoko politika vonona handray anjara amin’ny fakana fahefana manaja ny fenitra demokratika. Manampy betsaka amin’izany rahateo ny dinika karakarain’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na ny Ceni. Manana ny heviny amin’ny fiatrehana io fotoan-dehibe io rahateo ireo solontenan’ny antoko politika. Hoy indrindra izy ireo :

Raharinavalona Mamy Mamonjy (TIM) : «Tsy tokony hiverina intsony ireo olana mpitranga isan-karazany toy ny fampiasana kara-pifidianana hosoka, ny tsy fanomezana ny delegen’ny antoko politika ny tatitry ny fizotran’ny fifidianana na koa ny fanodinkodinana voka-pifidianana amin’ny endriny samihafa».

Razafimahefa Herimanana (MAPAR) : «Ho mailo tanteraka izahay, indrindra mialoha ny fifidianana. Manjaka mantsy ny fanilikilihana ireo antoko tsy mitovy hevitra amin’ny mpitondra amin’ny famolavolana ny lisi-pifidianana. Ny 60%-n’ny hosoka dia tranga mpiseho matetika mandritra ny fikirakirana ny lisi-pifidianana rahateo».

Toto Alphonse (LEADER FANILO) : «Gidragidra foana ny fifidianana eto Madagasikara tao anatin’ny 20 taona mahery izao. Zava-dehibe ny fitovian’ny antoko politika eo amin’ny lafiny famatsiam-bola. Tsara ho an’ireo tsy ampy hoenti-manana ny tsy mandray anjara toy izay hibata 0,... %. Betsaka ny nifampiresahana tamin’ny Ceni ka anjaran’ny fanjakana ny manatontosa ny andraikitra tandrify azy». 

Nangonin-dRamano F.


 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana