Dans la mme rubrique

Fiara 4x4 sy fisotroan-dronono “Rariny” ny fitakianay, hoy ireo depiote

23/10/2020

Mitaky ny hanomezana azy ireo ny fiara tsy mataho-dalana 4x4 sy ny hahazoan`izy ireo fisotron-dronono ny solombavambahoakan`i Madagasikara.

Fiara 4x4 sy fisotroan-dronono “Rariny” ny fitakianay, hoy ireo depiote

Hamaky ny tohiny...

Marie Michel Robivelo “Fokonolona no fototra iaingan’ny fampandrosoana”

23/10/2020

Ny fokonolona amiko no fototra iaingan’ny fampandrosoana eto Madagasikara, hoy ny mpampianatra mpikaroka, Marie Michel Robivelo, izay mamita “doctorat” momba izany.

Marie Michel Robivelo “Fokonolona no fototra iaingan’ny fampandrosoana”

Hamaky ny tohiny...

Mpifidy vaventy Mety hiova ny lisitra

23/10/2020

Mitentina 1,8 miliara ariary ny tetibola ilaina amin` ny fanatanterahana ny fifidianana loholona amin`ny 11 desambra izao. Raha ireo tetiandro voaray hatrany dia ny 29 oktobra izao no mivoaka ny lisitra farany ireo kandidà izay miisa 14 hatreto.

Mpifidy vaventy Mety hiova ny lisitra

Hamaky ny tohiny...

Ramboasalama Emilien « Ampiharo ny tondrozotra »

23/10/2020

Araka ny voafaritra ao anatin` ny lalàmpanorenana ao amin`ny and. faha- 75 dia miroso amin`ny fandinihana sy fandaniana ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana ho amin`ny taona 2021 ny antenimiera roa tonta.

Ramboasalama Emilien « Ampiharo ny tondrozotra »

Hamaky ny tohiny...

Paul Rabary “Aoka izay ny fakan-tahaka”

22/10/2020

Misy fiantraikany lehibe teo amin’ny lafiny ekonomika sy sosialy iny Coronavirus iny, hoy ny mpahaifiarahamonina, Paul Rabary.

Paul Rabary “Aoka izay ny fakan-tahaka”

Hamaky ny tohiny...

Rivo Rakotovao “Avoahay ilay 1000 miliara Ariary …”

22/10/2020

Naneho ny heviny ny Filohan’ny Antenimierandoholona Rivo Rakotovao teo anatrehan’ny Filazan’ny Minisitry ny vola fa nalefa any Atsimo ny vola hiasan’io Andrim-panjakana io.

Rivo Rakotovao “Avoahay ilay 1000 miliara Ariary …”

Hamaky ny tohiny...

Solombavambahoaka Atao inona intsony fiara 4x4 ?

22/10/2020

Efa zary fomba fanaon` ireo solombavambahoaka eny Tsimbazaza no manao takalon` aina ny raharaham-pirenena. Anisan` ny fitakiana fiara tsy mataho-dalana 4x4 notakiany hatry ny ela ankoatra ny karama sy ny tambiny omena azy tsirairay, izay efa midangana be.

Solombavambahoaka Atao inona intsony fiara 4x4 ?

Hamaky ny tohiny...


Politique

Rajaonarimampianina tao amin’ny France 24 Nandokandoka an’i Frantsa fotsiny

30/06/2017

Vahiny tao amin'ny fahitalavitra frantsay France 24, ny filohan'ny Repoblika taorian’ny fihaonany tamin’ny filoha Frantsay Emmanuel Macron ny 28 jona teo.

Niezaka nanasoaso ny fiaraha-miasa amin’ny Frantsay ny filoham-pirenena, ka na efa mahazo laka eto aza ny firenen-kafa toy ny sinoa dia nilaza ny tenany fa manana ny lanjany lehibe ny Frantsay amin’ny alalan’ireo orinasa matanjaka toy ny Bouygues, Colas sy Airport Paris, izay nahazo ny asa amin'ny fanitarana ny seranam-piaramanidina Ivato. Niaiky ny filoha Rajaonarimampianina fa sady mpiara-miasa voalohany amin’i Madagasikara ny Frantsay no eo foana amin’ny zava-drehetra. Misy ny fomba mahazatra amin’ny resaka fitadiavana mpamatsy vola toy ny AFD, fa zava-dehibe ihany koa ny fiantsoana ny mpampiasa vola tsy miankina Frantsay ho avy aty Madagasikara, izay misokatra ho an'ny rehetra, hoy izy. Mikasika ny zava-misy eto Madagasikara, dia notsipihin-dRajaonarimampianina fa ilaina ny mahafantatra ny dingana nizoran’ny firenena. Notsiahivin’i Hery Rajaonarimampianina ny kabariny tamin’ny 26 jona fa nisy 13 ny filoham-pirenena teto nandritra ny 57 taona, ary 6 ihany no voafidy. Ho valin'ny fiantraikan'ny krizy nifanesy teo amin'ny toekarena, indrindra ny sosialy, dia ilaina ny fanafainganana ny ezaka amin’ny fampandrosoana sy ny fananana fomba fijery mitsinjo ny ho avy. Mazava ho azy fa ambany ny tahan’ny fandrosoana, saingy tsy maintsy ekena satria tsy vita iray andro ny zava-drehetra, hoy Rajaonarimampianina, izay toa miala bala amin’ny tsy fahombiazany. Momba ny fambolena, dia mbola tranainy ny fomba famokarana, ka mila mivoaka amin’ny fomba nentim-paharazana ary miroso amin’ny fanodinana. Nilaza i Hery Rajaonarimampianina fa 4% ny tahan’ny fitomboan’ny harin-karena ary tanjona ny hampiakarana azy ho 6%. Momba ny resaka kolikoly, dia tsy maintsy miady manohitra ny kolikoly amin'ny ambaratonga rehetra, nefa koa hanana ny fomba fanabeazana. Ny lehibe indrindra, dia tsy maintsy hatrehana ny fampandrosoana, ny ady amin'ny fahantrana, ny fanampiana ny vahoaka. Resaka ambony latabatra aloha no betsaka hatreto.Mbola nivahiny tao amin’ny TV5 Monde ihany koa moa ny filoha Malagasy halina.


Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana