Dans la męme rubrique

Fandraharahan’ny tanora Zava-dehibe ny famokarana sy fanondranana

18/10/2019

Ny ambasady Frantsay no nanapa-kevitra amin’ny fikarakarana ny alakamisy fahatelo isam-bolana mahakasika ny fandraharahana.

Fandraharahan’ny tanora Zava-dehibe ny famokarana sy fanondranana

Hamaky ny tohiny...

Fandraharahan’ny tanora Zava-dehibe ny famokarana sy fanondranana

18/10/2019

Ny ambasady Frantsay no nanapa-kevitra amin’ny fikarakarana ny alakamisy fahatelo isam-bolana mahakasika ny fandraharahana.

Fandraharahan’ny tanora Zava-dehibe ny famokarana sy fanondranana

Hamaky ny tohiny...

Vondron’ny mpampiasa Frantsay Mitsirika mafy ny fandraharahana eto

10/10/2019

Nihaona tamin'ireo mpisehatra lehibe anatin’ny fandraharahana ara-toekarena eto Madagasikara indray omaly ny delegasionin’ny MEDEF (Mouvement des Entreprises de France)

Vondron’ny mpampiasa Frantsay Mitsirika mafy ny fandraharahana eto

Hamaky ny tohiny...

Fiaraha-miasa sy fandraharahana Mazoto hampiasa vola eto Madagasikara ny Frantsay

08/10/2019

Tonga eto Madagasikara amin’izao fotoana izao ny avy amin’ny MEDEF (Mouvement des Entreprises de France),

Fiaraha-miasa sy fandraharahana Mazoto hampiasa vola eto Madagasikara ny Frantsay

Hamaky ny tohiny...

Festival de fibre naturelle Hivondronan’ny mpandraharaha vehivavy

08/10/2019

Hivondrana ho iray ao amin'ny minisiteran'ny raharaham-bahiny ny 10 hatramin'ny 13 oktobra izao ireo vehivavy mpandraharaha amin'ny asa tanana amin'ny alalan'ny festival de fibre naturelle.

Festival de fibre naturelle Hivondronan’ny mpandraharaha vehivavy

Hamaky ny tohiny...

Fandraharahana Mbola malalaka ny lalana amin’ny “cacao”

04/10/2019

Ho an’ny eto Madagasikara dia haharitra 5 andro ny fankalazana ny andro iraisam-pirenana ho an’ny cacao sy ny sokola izay atao eny amin’ny musee de la photo Andohalo.

Fandraharahana Mbola malalaka ny lalana amin’ny “cacao”

Hamaky ny tohiny...

Mpandraharaha Malagasy Vonona ny tanora saingy…

04/10/2019

Tsy ampy mihitsy ny fampiofanana mpandraharaha raha ny eto Antananarivo, mainka moa ny any amin’ny faritany.

Mpandraharaha Malagasy Vonona ny tanora saingy…

Hamaky ny tohiny...


Toekarena

Fitrandrahan’ny Sinoa “gaz” ao Sakaraha Ahiana hivadika gidragidra

14/03/2017

Tsy eken’ireo vahoaka ny fanitarana tany ataon’ireo sinoa mitrandraka etona natoraly mankany amin’ny faritra fanajariana razana alohan’ny toeram-pandevenana.

Nanizingizina ireo vahoaka tamin’ny fanambarana nataon’izy ireo tamin’ny fidinana ifotony nataon’ny Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao Sakaraha Tinoka Roberto, nijery ny zava-misy taorian’ny fitarainan’ny vahoaka sy ny avy ao amin’ny foko Tesomangy (tompon’ny toeram-pandevenana) ary Ben’ny tanànan’i Mahaboboka, ny faramparan’ny herinandro iny, fa “ lavinay hatramin’ny farany ny hakana sy hitrongisana an’ireo toerana masina misy ny fasanay.“. Maro amin’ireo fifanarahana nifanaovana tamin’ny sinoa mpitrandraka no tsy tanteraka mandrak’ankehitriny, toy ny fananganana sekoly, hopitaly ary ny fanomezana rano fisotro madio. “ Tsy misy tombontsoa azonay mihitsy amin’ity fitrandrahana ity. Na ny vola onitra amin’ny tanimbarinay nosimbana sy nopotehina aza tsy azo. In-dray nandeha ihany izahay nomen’ny sinoa vola, raha tokony ho isan-taona ny fandoavana izany, araka ny fifanarahana nisy sy natao. Rahonana sy fitapitahina ary ampihorohoroana foana izahay vahoaka raha vao mitaky ny volanay “.

 Baikon’ny minisitra

 Raha tian’ireo sinoa, hoy ny rodoben’ireto vahoaka, ny hitohizan’ny fitrandrahana etona eto, dia tokony hotanterahina aloha ireo fampanantenana natao. Raha ny fanazavana azo hatrany, tsy hajain’ireto sinoa mitrandraka etona ao Mahaboboka ihany koa ny voasoratra ao anatin’ny bokin’andraikitra. Raha nanontaniana kosa ny ampahany amin’ireo sinoa mpiandry raharaha tao amin’ity toeram-pitrandrahana ity, dia nilaza fa tsy mahafantatra na inona na inona. “ Any amin’ny minisitra ianareo manontany fa mpanatanteraka baiko fotsiny  izahay eto “, hoy ireo sinoa. Ahiana ho toy ny tranga niseho tao Soamahamanina ny zavatra hisy any amin’ny kaominina ambanivohitr’i Mahaboboka, any amin’ny distrikan’i Sakaraha, faritra Atsimo Andrefana, raha tsy voalamin’ny tompon’andraikitra mahefa haingana ny toe-draharaha misy any an-toerana ankehitriny.


 

 

Eric R.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana