Dans la męme rubrique

67 Ha Avaratra Nirehitra tampoka ilay fiara

28/10/2020

Fiara iray BMW X5 no nirehitra tampoka omaly atoandro teny amin’ny 67 ha avaratra raha iny avy nodiovina nosasana tsara iny.

67 Ha Avaratra Nirehitra tampoka ilay fiara

Hamaky ny tohiny...

Herinaratry ny Jirama Manimba zavatra maro

28/10/2020

Mba tsy hilazana hoe manimba fiainam-bahoaka mihitsy dia aleo tsorina amin’ny hoe manimba zavatra maro ity tsy fahatomombanan’ny orinasa Jiro sy rano Malagasy ity.

Herinaratry ny Jirama Manimba zavatra maro

Hamaky ny tohiny...

Fitoroana heloka an’habaka Azo atao no manantona zandarimaria avy hatrany

28/10/2020

Tonga nizara ny fahaiza-manaony sy ny zavatra hitany sy ireo efa nampiharina hatrizay ny iraky ny Foibem-pibaikoana ny Zandarimaria sampana Ady amin'ny fandikan-dalàna an’habaka (Service des luttes contre la cybercriminalité)

Fitoroana heloka an’habaka Azo atao no manantona zandarimaria avy hatrany

Hamaky ny tohiny...

Mponina eny Ivato Mifoha amin’ny 12 ora alina haka rano

28/10/2020

Tena mijaly rano fisotro madio ny mponina eny Ivato na dia izy aza no vavahadin’Antananarivo mifandray amin’ireo tanana manodidina. Mifoha amin’ny 12 ora alina isan’andro mantsy ny mponina mandeha milaha-drano eny amin’ny paompy.

Mponina eny Ivato Mifoha amin’ny 12 ora alina haka rano

Hamaky ny tohiny...

Manarintsoa Atsinanana Trano 200 may kila, 700 no traboina

26/10/2020

Nitrangana haintrano goavana teo amin'ny Fokontany Manarintsoa Atsinanana, ao anatin'ny Boriboritany voalohany ny sabotsy 24 oktobra 2020. Atoandro be nanahary no nanomboka ny afo, niainga tamina trano hazo iray noho ny fandrehetana fatana saribao tany ambony rihana raha ny fitantaran’ny mponina teny an-toerana.

Manarintsoa Atsinanana Trano 200 may kila, 700 no traboina

Hamaky ny tohiny...

Fanodikodinam-bolan’ny ORTM Nohadihadiana koa ireo talen` ny TVM sy RNM teo aloha

26/10/2020

Raha notazomina am-ponja vonjimaika ao Antanimora nanomboka ny zoma lasa teo ny tale jeneralin` ny ORTM teo aloha, Johary Ravoajanahary, noho ny fanodinkodinam-bola tao anatin’ireny fifidianana filoham-pirenena tamin’ny 2018, izay anejehana azy,

Fanodikodinam-bolan’ny ORTM Nohadihadiana koa ireo talen` ny TVM sy RNM teo aloha

Hamaky ny tohiny...

Tapitra ny dia an-tongotra lavareny Hianatra amin’izay ireo zanak’i Zoto

26/10/2020

Tapitra ny dia an-tongotra lavareny Hianatra amin’izay ireo zanak’i Zoto

Hamaky ny tohiny...


Actualités

TSENA ETSY ANOSIBE Hananganana "pavillon" vaovao miisa 40

01/02/2017

Vinavinaina hampiditra vola hatrany amin’ny 1 miliara Ar any ho any ny tsenan’Anosibe amin’ity taona vaovao 2017 ity raha toa ka vita soa aman-tsara avokoa ny asa fanatsarana sy fanavaozana kasain’ny kaominina Antananarivo Renivohitra tanterahina ao an-toerana.

Efa natomboka tamin’ity herinandro ity izany tamin’ny alalan’ny fanamboarana ireo pavillon vaovao miisa 40 manamorona ny arabe, izay hivarotana ireo karazan-damaody toy ny akanjom-behivavy…Fampanantenana efa nataon’ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana fony izy kandida izy io raha araka ny fanazavan-dRamarosandy Landry, lehiben’ny tsena ao Anosibe. Ankoatra izay dia fikasany ihany koa ny hanome toerana ireo mpivarotra tsy manana  izany ao Anosibe izay tena maro an’isa tokoa. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny kaominina amin’ny sehatra tsy miankina no hanatontosana ny asa, haharitra enina herinandro. Nomarihiny manokana moa fa ireo mpivarotra ao  Anosibe  tsy mbola nahazo toerana hatramin’izay ihany  no hahazo ireto toerana vaovao ireto raha eo anelanelan’ny 38.000 Ar ka hatramin’ny 150.000 Ar isam-bolana no hofan’ny pavillon iray, miankina amin’ny habeny sy ny toerana misy azy.

Pati


 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana