Dans la męme rubrique

Rivo Rakotovao Mety ho sahirana atsy ho atsy...

28/10/2020

Berija, Rolly Mercia, Claudine Razaimamonjy, Mbola Rajaonah sy ny maro hafa, tratry ny haza lambo ireo mpiaradia tamin’ny fitondran’ny Hery vaovao ho an’I Madagasikara (HVM), raha ny fahitan'ny mpanara-baovao azy aloha.

Rivo Rakotovao Mety ho sahirana atsy ho atsy...

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina Lasa any Eoropa tokoa nijery an-janany

28/10/2020

Niteraka resabe ny fivoahan’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, any Eoropa ankehitriny.

Andry Rajoelina Lasa any Eoropa tokoa nijery an-janany

Hamaky ny tohiny...

Faritra Vakinakatra Hahazo trano iombonana hanodinana ny vatosoa

28/10/2020

“Fotodrafitrasa hahafahan` ny Malagasy miantsehatra ao anatin` ny harena an-kibon` ny tany entina hanodinana vatosoa no atsangana aty Vatofotsy izao” hoy

Faritra Vakinakatra Hahazo trano iombonana hanodinana ny vatosoa

Hamaky ny tohiny...

Betroka Voapetraka ara-pomba ofisialy ireo ben` ny tanĂ na

28/10/2020

Notontosaina omaly ny fametraha na ara-pomba ofisialy an` ireo ben` ny tanĂ na ao amin` ny distrikan`i Betroka.

Betroka Voapetraka ara-pomba ofisialy ireo ben` ny tanĂ na

Hamaky ny tohiny...

Fifanandrinana politika Iza no tena mahazo tombotsoa ?

26/10/2020

Tsy misy mandeha araka ny tokony ho izy intsony ny raharaham-pirenena, ankehitriny.

Fifanandrinana politika Iza no tena mahazo tombotsoa ?

Hamaky ny tohiny...

Plateau Mahafaly Mangataka ho faritra faha-24

26/10/2020

Raha an-dalana ny fametrahana ny faritra faha-23 amin` ny fizarana ho faritra roa Vatovavy sy Fitovinany dia mitohy hatrany ny fangatahana sasany amin` ny fametrahana faritra faha-24.

Plateau Mahafaly Mangataka ho faritra faha-24

Hamaky ny tohiny...

Hanitra Razafimanantsoa “Nalefa an-tsokosoko any Maorisy ny entan’ny Tiko”

26/10/2020

Misy tamin’ireo fitaovana tao amin’ny ozinin’ny TOP (Tiko Oil Product) sy ny Margarinerie Toamasina re fa lasa any amin’ny nosy Maorisy, hoy ny Depiote Hanitra Razafimanantsoa omaly nandritra ny fandaharana manokana nandeha tamin’ny haino aman-jery.Fitaoana avy any Allemagne izy ireo,

Hanitra Razafimanantsoa “Nalefa an-tsokosoko any Maorisy ny entan’ny Tiko”

Hamaky ny tohiny...


Politique

Andry Rajoelina Tsy maintsy hosamborina ?

01/02/2017

Nandeha be ny resaka omaly antoandro manodidina ny tamin’ny 1 ora sy sasany fa nosamborina i Andry Rajoelina.

 Nifamahofaho tanteraka ny resaka. Nisy nanaparitaka tamin'ny alalan'ny sms sy tao anaty facebook fa feno miaramila eny Ambatobe manakaiky ny fonenan'ny filohan'ny tetezamita teo aloha.  Re avy eo fa teny Ambodivona i Andry Rajoelina ary nisy ny fotoana somary nampikoropaka azy ka nialany tao. Nialoha ity raharaha ity moa dia nisy ny fisamborana vehivavy iray 50 taona teny Mahamasina ny alahady lasa teo, izay voalaza fa akaiky an’i Kolonely Lylison sy Alain Ramaroson, izay samy mpanao politika akaikin-dRajoelina. Saika hikotrika asa fampihorohoroana sy ra mandriaka no voalaza fa antony nisamborana ilay vehivavy. Hampidirina ao anatin’izany raharaha izany ihany koa ve i Andry Rajoelina ?

         Fomban’ny mpanao politika ihany koa anefa ny manomana toe-javatra mafana mba hampalaza azy  ary mety hitombina ihany koa ny hoe ilay mpanao politika ihany na ny mpomba azy no  mamorona vaovao mba hiverenana eo amin’ny tontolo politika amin’ny alalan’ny fanamarinana na fandisoana ny vaovao nivoaka. Fanaon’ny mpitondra ankehitriny ihany koa anefa ny misotasota sy mandranitra ary mamorona atsanga tsy aman’orana hanasoketana ny hafa ho anton’ny tsy fahaombiazana, ka ambara ho vokatry ny fanohintohinana ataon’ireo tsy mitovy hevitra amin’ny tena ny fitotonganan’ny firenena. Tsy misy aloha hatreto ny didy fampisamborana ofisialy an'i Andry Rajoelina raha araka ny fanamarinam-baovao natao saingy fantatra kosa fa tsy levon'ny vavonin'ireo manampahefana eto amintsika ny niverenany sy ny fikasany hitoetra maharitra eto Madagasikara, Andry Rajoelina rahateo dia hatry ny ela no efa nilaza fa amin'ny 2018 mifankahita.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana