Dans la męme rubrique

Fiara 4x4 sy fisotroan-dronono “Rariny” ny fitakianay, hoy ireo depiote

23/10/2020

Mitaky ny hanomezana azy ireo ny fiara tsy mataho-dalana 4x4 sy ny hahazoan`izy ireo fisotron-dronono ny solombavambahoakan`i Madagasikara.

Fiara 4x4 sy fisotroan-dronono “Rariny” ny fitakianay, hoy ireo depiote

Hamaky ny tohiny...

Marie Michel Robivelo “Fokonolona no fototra iaingan’ny fampandrosoana”

23/10/2020

Ny fokonolona amiko no fototra iaingan’ny fampandrosoana eto Madagasikara, hoy ny mpampianatra mpikaroka, Marie Michel Robivelo, izay mamita “doctorat” momba izany.

Marie Michel Robivelo “Fokonolona no fototra iaingan’ny fampandrosoana”

Hamaky ny tohiny...

Mpifidy vaventy Mety hiova ny lisitra

23/10/2020

Mitentina 1,8 miliara ariary ny tetibola ilaina amin` ny fanatanterahana ny fifidianana loholona amin`ny 11 desambra izao. Raha ireo tetiandro voaray hatrany dia ny 29 oktobra izao no mivoaka ny lisitra farany ireo kandidĂ  izay miisa 14 hatreto.

Mpifidy vaventy Mety hiova ny lisitra

Hamaky ny tohiny...

Ramboasalama Emilien « Ampiharo ny tondrozotra »

23/10/2020

Araka ny voafaritra ao anatin` ny lalĂ mpanorenana ao amin`ny and. faha- 75 dia miroso amin`ny fandinihana sy fandaniana ny lalĂ na mifehy ny tetibolam-panjakana ho amin`ny taona 2021 ny antenimiera roa tonta.

Ramboasalama Emilien « Ampiharo ny tondrozotra »

Hamaky ny tohiny...

Paul Rabary “Aoka izay ny fakan-tahaka”

22/10/2020

Misy fiantraikany lehibe teo amin’ny lafiny ekonomika sy sosialy iny Coronavirus iny, hoy ny mpahaifiarahamonina, Paul Rabary.

Paul Rabary “Aoka izay ny fakan-tahaka”

Hamaky ny tohiny...

Rivo Rakotovao “Avoahay ilay 1000 miliara Ariary …”

22/10/2020

Naneho ny heviny ny Filohan’ny Antenimierandoholona Rivo Rakotovao teo anatrehan’ny Filazan’ny Minisitry ny vola fa nalefa any Atsimo ny vola hiasan’io Andrim-panjakana io.

Rivo Rakotovao “Avoahay ilay 1000 miliara Ariary …”

Hamaky ny tohiny...

Solombavambahoaka Atao inona intsony fiara 4x4 ?

22/10/2020

Efa zary fomba fanaon` ireo solombavambahoaka eny Tsimbazaza no manao takalon` aina ny raharaham-pirenena. Anisan` ny fitakiana fiara tsy mataho-dalana 4x4 notakiany hatry ny ela ankoatra ny karama sy ny tambiny omena azy tsirairay, izay efa midangana be.

Solombavambahoaka Atao inona intsony fiara 4x4 ?

Hamaky ny tohiny...


Politique

Jean Nirina -filohan’ny HAFARI Navoaka hitsabo tena ivelan'ny fonja

21/12/2016

Navoaka hitsabo tena ivelan'ny fonja ny filoha nasionalin'y fikambanana HAFARI Malagasy Rafanomezantsoa Jean Nirina, taorian'ny baikon'ny lehiben'ny fampanoavana etsy amin'ny Fitsarana Anosy

. Taorian'ny fizahana nataon'ny dokotera ao amin'ny hôpitaly Befelatanana ka nahitan'ny  lehiben'ny mpitsabo eny anivon'ny fonja ny fihomboan'ny aretiny no antony nandraisana izany fanapahan-kevitra izany. Naiditra hôpitaly ety ivelany araka izany ny tenany ka ireo mpikambana ao amin'ny HAFARI avokoa no hiantoka ny lany rehetra amin'izany. Ankoatra ity filoha nasionalin'ny HAFARI Malagasy ity dia fantatra fa betsaka amin'ireo voafonja ao Antanimora no mila fanaraha-maso akaiky ety ivelany ny toe-pahasalamany. Efa tena tsy ampy mantsy ireo karazam-panafody tonga eny amin'ny fonja ankoatra ny fahateren'ny foto-drafitrasa izay efa  tena tsy mifanaraka amin'ny filàn'ny voafonja tsirairay intsony. Vavaka andro aman'alina araka izany no hasetrin'ireo voafonja izany mba hanomezan'ny filoham-pirenena azy ireo famotsoran-keloka faobe amin'izao ankatoky ny fetin'ny Krismasy sy ny faran'ny taona izao, indrindra fa ireo gadrabe. Raha araka ny fantatra hatrany mantsy dia tsy mba nisitraka izany mihitsy ireto farany hatramin'izay. Hangatahin'izy ireo ihany koa  ny hanomezana alalana ny voafonja mba hiasa ety ivelany ho an'ny voatsara ny fanomezana fahafahana arahina fepetra ho an'ireo voafonja nahaefa ny an-tsasaky ny saziny izay marihina fa làlana velona misy eto amin'ny firenena.

Pati

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana