Dans la męme rubrique

Fiara 4x4 sy fisotroan-dronono “Rariny” ny fitakianay, hoy ireo depiote

23/10/2020

Mitaky ny hanomezana azy ireo ny fiara tsy mataho-dalana 4x4 sy ny hahazoan`izy ireo fisotron-dronono ny solombavambahoakan`i Madagasikara.

Fiara 4x4 sy fisotroan-dronono “Rariny” ny fitakianay, hoy ireo depiote

Hamaky ny tohiny...

Marie Michel Robivelo “Fokonolona no fototra iaingan’ny fampandrosoana”

23/10/2020

Ny fokonolona amiko no fototra iaingan’ny fampandrosoana eto Madagasikara, hoy ny mpampianatra mpikaroka, Marie Michel Robivelo, izay mamita “doctorat” momba izany.

Marie Michel Robivelo “Fokonolona no fototra iaingan’ny fampandrosoana”

Hamaky ny tohiny...

Mpifidy vaventy Mety hiova ny lisitra

23/10/2020

Mitentina 1,8 miliara ariary ny tetibola ilaina amin` ny fanatanterahana ny fifidianana loholona amin`ny 11 desambra izao. Raha ireo tetiandro voaray hatrany dia ny 29 oktobra izao no mivoaka ny lisitra farany ireo kandidĂ  izay miisa 14 hatreto.

Mpifidy vaventy Mety hiova ny lisitra

Hamaky ny tohiny...

Ramboasalama Emilien « Ampiharo ny tondrozotra »

23/10/2020

Araka ny voafaritra ao anatin` ny lalĂ mpanorenana ao amin`ny and. faha- 75 dia miroso amin`ny fandinihana sy fandaniana ny lalĂ na mifehy ny tetibolam-panjakana ho amin`ny taona 2021 ny antenimiera roa tonta.

Ramboasalama Emilien « Ampiharo ny tondrozotra »

Hamaky ny tohiny...

Paul Rabary “Aoka izay ny fakan-tahaka”

22/10/2020

Misy fiantraikany lehibe teo amin’ny lafiny ekonomika sy sosialy iny Coronavirus iny, hoy ny mpahaifiarahamonina, Paul Rabary.

Paul Rabary “Aoka izay ny fakan-tahaka”

Hamaky ny tohiny...

Rivo Rakotovao “Avoahay ilay 1000 miliara Ariary …”

22/10/2020

Naneho ny heviny ny Filohan’ny Antenimierandoholona Rivo Rakotovao teo anatrehan’ny Filazan’ny Minisitry ny vola fa nalefa any Atsimo ny vola hiasan’io Andrim-panjakana io.

Rivo Rakotovao “Avoahay ilay 1000 miliara Ariary …”

Hamaky ny tohiny...

Solombavambahoaka Atao inona intsony fiara 4x4 ?

22/10/2020

Efa zary fomba fanaon` ireo solombavambahoaka eny Tsimbazaza no manao takalon` aina ny raharaham-pirenena. Anisan` ny fitakiana fiara tsy mataho-dalana 4x4 notakiany hatry ny ela ankoatra ny karama sy ny tambiny omena azy tsirairay, izay efa midangana be.

Solombavambahoaka Atao inona intsony fiara 4x4 ?

Hamaky ny tohiny...


Politique

Mananontanona ny fanonganam-panjakana Mitampikitra amin’ny tafika Rajao

21/12/2016

Tsy kisendrasendra ny fanondrotana grady ireo miaramila maro be tamin’ny alalan’ny filankevitry ny minisitra ny alatsinainy 20 desambra lasa teo, ka 62 be izao no nakarina galona. Kolonely 17 kolonely nasondrotra ho general de brigade.

 Nahazo ny galona general de division kosa ny jeneraly 45. Nosinganina manokana ireo jeneraly efa mitazona andraikitra ka nitombo grady, ary anisan’ireny ny jeneraly Florens Rakotomahanina lehiben’ny fari-piadidian’ny zandarimariam-pirenena ho an’Analamanga. Mahagaga ihany ny fanapahan-kevitry ny filoham-pirenena, izay tompon’ny teny farany amin’ny fampiakarana galona toy izao. Raha ny fahitan’ny mpanara-baovao azy mantsy dia toa tsy dia manaraka ny dingana ara-dalàna sy ara-drariny ny ankamaroan’ny fampiakarana laharam-boninahitra, raha tsy hilaza afa tsy ny jeneraly Rakotomahamanina Florens, izay vao ny taona 2014 no kolonely kanefa efa tafakatra “general de division” sahady noho ny fiarovana ny fanjakana HVM. Efa mivoaka tsikelikely ny vaovao ankehitriny fa hisedra olana goavana ny fanjakana ny taona 2017, anisan’izany ny mety hisian’ny fanonganam-panjakana. Efa malaza amin’ny fandravana hetsi-bahoaka sy mpiaro mahatoky ny fitondrana ny ankamaroan’ireo vao nakarina galona, ka mba ho fampirisihana azy ireo hiaro hatrany ny fitondrana no tanjona. Efa manomboka mivoaka rahateo ny vaovao fa mety hafampana ny toe-draharaha vao migadona eo ny taom-baovao ary mety ho tonga any amin’ny fanonganam-panjakana mihitsy ny tantara noho ity fitondrana ity efa tsy te hahalala ny hevitry ny mpanohitra noho ny fahatokisan-tena sy fizahozahoana diso tafahoatra.

Toky R.

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana