Dans la męme rubrique

Fiara 4x4 sy fisotroan-dronono “Rariny” ny fitakianay, hoy ireo depiote

23/10/2020

Mitaky ny hanomezana azy ireo ny fiara tsy mataho-dalana 4x4 sy ny hahazoan`izy ireo fisotron-dronono ny solombavambahoakan`i Madagasikara.

Fiara 4x4 sy fisotroan-dronono “Rariny” ny fitakianay, hoy ireo depiote

Hamaky ny tohiny...

Marie Michel Robivelo “Fokonolona no fototra iaingan’ny fampandrosoana”

23/10/2020

Ny fokonolona amiko no fototra iaingan’ny fampandrosoana eto Madagasikara, hoy ny mpampianatra mpikaroka, Marie Michel Robivelo, izay mamita “doctorat” momba izany.

Marie Michel Robivelo “Fokonolona no fototra iaingan’ny fampandrosoana”

Hamaky ny tohiny...

Mpifidy vaventy Mety hiova ny lisitra

23/10/2020

Mitentina 1,8 miliara ariary ny tetibola ilaina amin` ny fanatanterahana ny fifidianana loholona amin`ny 11 desambra izao. Raha ireo tetiandro voaray hatrany dia ny 29 oktobra izao no mivoaka ny lisitra farany ireo kandidĂ  izay miisa 14 hatreto.

Mpifidy vaventy Mety hiova ny lisitra

Hamaky ny tohiny...

Ramboasalama Emilien « Ampiharo ny tondrozotra »

23/10/2020

Araka ny voafaritra ao anatin` ny lalĂ mpanorenana ao amin`ny and. faha- 75 dia miroso amin`ny fandinihana sy fandaniana ny lalĂ na mifehy ny tetibolam-panjakana ho amin`ny taona 2021 ny antenimiera roa tonta.

Ramboasalama Emilien « Ampiharo ny tondrozotra »

Hamaky ny tohiny...

Paul Rabary “Aoka izay ny fakan-tahaka”

22/10/2020

Misy fiantraikany lehibe teo amin’ny lafiny ekonomika sy sosialy iny Coronavirus iny, hoy ny mpahaifiarahamonina, Paul Rabary.

Paul Rabary “Aoka izay ny fakan-tahaka”

Hamaky ny tohiny...

Rivo Rakotovao “Avoahay ilay 1000 miliara Ariary …”

22/10/2020

Naneho ny heviny ny Filohan’ny Antenimierandoholona Rivo Rakotovao teo anatrehan’ny Filazan’ny Minisitry ny vola fa nalefa any Atsimo ny vola hiasan’io Andrim-panjakana io.

Rivo Rakotovao “Avoahay ilay 1000 miliara Ariary …”

Hamaky ny tohiny...

Solombavambahoaka Atao inona intsony fiara 4x4 ?

22/10/2020

Efa zary fomba fanaon` ireo solombavambahoaka eny Tsimbazaza no manao takalon` aina ny raharaham-pirenena. Anisan` ny fitakiana fiara tsy mataho-dalana 4x4 notakiany hatry ny ela ankoatra ny karama sy ny tambiny omena azy tsirairay, izay efa midangana be.

Solombavambahoaka Atao inona intsony fiara 4x4 ?

Hamaky ny tohiny...


Politique

Augustin Andriamananoro Naverina eny am-ponja

21/12/2016

Nitana ny sain’ny maro ny raharaham-pitsaran’ny minisitry ny paositra sy ny fifandraisan-davitra tamin’ny andron’ny tetezamita Augustin Andriamananoro notanterahina teny Anosy omaly. Tsy nivoaka teo no ho eo ny didy fa amin’ny zoma 23 desambra izao.

Tsy nahazo fahafahana vonjimaika ihany koa ny tenany fa naverina any amin’ny fonjan’Antanimora mandra-pivoakan’ny didim-pitsarana. Tsy nahafaly ireo mpomba azy efa tonga teny an-toerana io ka raikitra ny horakoraka hoe “Sambory ihany koa i Claudine”, izay malaza amin’ny kolikoly eto amin’ny firenena. Vesatra hanenjehana azy ny fitarihana fihetsiketsehana tsy nahazoana alalana, fanohintohinana filaminam-bahoaka, fandorana tanety, halatra basy. Toa mibahan-toerana anefa ny lonilony politika nisy tany aloha, ka ny filoham-pirenena sy ireo manodidina azy mihitsy no mandentika azy, raha ny resaka mandeha. Voalaza fa anisan’ny olona mpanery sy mpanao didy jadona amin’ny fitakiana sy famoaham-bola tao amin’ny minisiteran’ny vola i Augustin Andriamananoro fony nitantana io minisitera io ny filoha ankehitriny, ary nahavita nanevateva sy nirehareha fatratra ho akaiky kokoa an’i Andry Rajoelina izy. I Hery Rajaonarimampianina kosa natao saribakoly sy mpanaraka baiko ary irakiraka fotsiny. Raha tsiahivina, fotoana fohy taorian’ny nahalany an’i Hery Rajaonarimampianina dia nodakana teo amin’ny toerany ireo voalaza fa nampijaly azy toa an’i Haja Resampa Sekretera jeneralin’ny prezidansa sy ny tale jeneralin’ny OMERT, Augustin Andriamananoro. Tombanan’ny mpanara-baovao politika fa valifaty politika ny zava-misy ankehitriny. Efa nisy ny vaovao fa nivoaka hosamborina i Haja Resampa noho ny fanohintohinana ny fitondrana saingy nahay niala ary toa efa tsy eto Madagasikara intsony. Nandritra ny raharaha Soamahamanina ihany koa dia nisy ny vaovao nivoaka fa nanao teny marary tamin’ny Tale kabinetran’ny vadin’ny filoha ny tenany. Afak’omaly dia nitsidika an’i Augustin Andriamananoro teny Antanimora ny Masoivohon’i Frantsa Véronique Vouland saingy tsy nisy nipika kosa ny resaka.


Toky R.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana