Dans la mÍme rubrique

Fadin-tseranana Toamasina Hatao lavanty ireo entana mameno toerana

26/10/2020

Hanatanteraka lavanty ho an`ny daholobe (vente aux enchères publiques) ny fadin-tseranana ny 09 novambra izao any Toamasina.

Fadin-tseranana Toamasina Hatao lavanty ireo entana mameno toerana

Hamaky ny tohiny...

Fanitsiana ny tetibolam-panjakana Vonon-kihaino ny sehatra tsy mainkina ireo parlemantera

11/05/2020

‚Äú55%n` ny harinkarena faobe (PIB) dia hiantohan` ny sehatra tsy miankina dia ny ambiny ny sehatra miankina amin` ny fanjakana sy ireosehatra tsy ara-dal√†na‚ÄĚ araka ny nambaran` ny minisitry ny toekarena sy ny vola.

Fanitsiana ny tetibolam-panjakana Vonon-kihaino ny sehatra tsy mainkina ireo parlemantera

Hamaky ny tohiny...

Amboary tsara !

27/03/2020

Mino aho fa salama tsara ianareo ry jean isany ; tena ady tokoa ity hatrehana eto amin’ny tanana ity e.Na ny manodidina aza tonga dia hita hoe hafahafa be ihany fa tsy tahaka ny mahazatra.Azoko sary an-tsaina fa miasa

Amboary tsara !

Hamaky ny tohiny...

Mangingina a

10/03/2020

Toa mangingina,sa mikotrika zavatra tsy ampoizina? Misy resabe tiana hajanona, sa misy vaovao tiana hovoizina? Tsy hay intsony fa izay angamba ilay politika Tsy ankiteny ny marina fa tsy maintsy be fikafika.

Mangingina a

Hamaky ny tohiny...

Tsy hatao tandrametaka kosa e

06/02/2020

Miraradraraka ny IST na ny tsy fahazoana mivoaka Asa inona no antony fa dia gaga izahay vahoaka ? Sa ho fisorohana ny tsy ahavoa an'ilay areti-mandringana ? Sao hevi-politika, mifono fingampingana ?

Tsy hatao tandrametaka kosa e

Hamaky ny tohiny...

Miandrandra fivoarana

31/01/2020

Fomba fijery samy manana ny azy Fitondrana firenena tsy kilalao na vazivazy Izay tsara nataon'ny teo aloha aoka mba hitohy Ary ireo fomba ratsy kosa , ario , fongaro tsy hisy intsony.

Miandrandra fivoarana

Hamaky ny tohiny...

Hafatra

18/09/2019

Ho anareo mpifaninana ho ben'ny tanàna anio Antananarivo madio, no tanjona ka tadidio

Hafatra

Hamaky ny tohiny...


Taratasy hoan'i jean

Tranom-pody no vitaníny vava e !

19/12/2016

Miarahaba ry Jean a ! Faly tokoa ny tena naheno ilay fanambarana miezinezina hoe ho tapitra hatreo ny delestazy, ka dia tehaka mirefodrefotra no setriny taminíiny fotoana iny.

  Fa ny ampitson’iny ihany dia nivonto orona ny tena nahita sy nandre fa mbola toy ny isan’andro ihany ny zava-misy tany amin’ny faritra maromaro, ka dia ompa variraraka indray no niseho e ! Dia lasa ny saina hoe sao dia kabary natao “kopi kole” toy ilay nataon-dRafôrsa teny Mahamasina fony izy nandray fahefana voalohany aza iny niseho iny. Fa iza mihitsy ry Jean no mpanoro vohony anareo mianakavy ao ? Sa dia hararaotinareo mihitsy hoe efa andron’ny demokrasia izao, ka samy afaka miteny sy mampiesona avokoa ? Aiza ve ka terenareo fotsiny hoe mijanona hatreo ny haizim-pito, kanefa ny fomba hahatontosana izany mbola baraingo. Ny tranom-pody, hono, no vitan’ny vava. Mba araho asa ihany lahy ity fampandriana adrisa sy resaka ambony latabatra ataonareo ity. Sa kosa efa nahazo fanomezam-pahasoavana ianareo ka vao miteny ny vava dia tanteraka izay lazaina ? Dia mbola ho vitanareo ihany ve no hijery anay milomano anaty rano be sy hanao an-kiletika anaty haizim-pito amin’izao fahavaratra izao ? Mivavaka ho anareo mba ho tonga saina ka hahatontosa izay nampanantenaina izahay e !

Marco

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana