Dans la męme rubrique

Fanambaran’ny Papa François Na nisy na tsia, mampisavorovoro ihany

28/10/2020

Nampisavorovoro izao tontolo izao, indrindra, ny Kristianina na tiana na tsy tiana ny resaka fanambaran’ny Papa François mikasika ny fiarahan’ny vavy samy vavy sy ny lahy samy lahy farany teo na dia efa nandiso ny vaovao niniana naparitaka momba izany aza ny olobe mpitondra fivavahana eo anivon’ny EKAR.

Fanambaran’ny Papa François Na nisy na tsia, mampisavorovoro ihany

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana birao foiben`ny FLM Tsy misy resaka kandidĂ m-panjakana izany

23/10/2020

Ho tanterahina amin`ny herinandro voalohany ny volana novambra izao any Mahajanga ny fifidianana birao foiben` ny Fiangonana Loteriana Malagasy (FLM).

Fifidianana birao foiben`ny FLM Tsy misy resaka kandidĂ m-panjakana izany

Hamaky ny tohiny...

Finoana Advantista Feno 20 taona ny Radio Oasis

23/10/2020

Nahazo birao vaovao ny federasionan’ny fiangonana Advantista Madagasikara afovoany ( FMC). Ao Soamanandrariny no misy izany izay notokanana tamim-pomba ôfisialy omaly.

Finoana Advantista Feno 20 taona ny Radio Oasis

Hamaky ny tohiny...

Tiana Randrianasolo Arimino “Mila ahetsika hampandroso firenena ny Fiangonana”

15/10/2020

Nisokatra omaly tetsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina ny fanangonana ny atao hoe Harambaton-kevitra noho ny faha 62 taonan’ny repoblika Malagasy, izay haharitra 10 herinandro, ary hanorenana ny faha 100 taonan’ny firenena malagasy.

Tiana Randrianasolo Arimino “Mila ahetsika hampandroso firenena ny Fiangonana”

Hamaky ny tohiny...

Antso fiarahamonina Kristianina “Tsy fitantanana io atao eto io”

05/10/2020

“Tsena mampiray aina sy mampisy firaisan’aina”, izay indray no boky faha efatra navoakan-drizareo avy eo anivon’ny fikambanana Antso Fiarahamonina Kristianina na AFK ary nosoratan’ny filoha mpanorina azy, Ricky Andriamparany.

Antso fiarahamonina Kristianina “Tsy fitantanana io atao eto io”

Hamaky ny tohiny...

Andron’i Md Misely Hetsika maro samihafa no natao teny Ivato

30/09/2020

Nankalazaina omaly teny amin’ny 1RFI Ivato ny andron’ny Masina Misely, mpiahy ny mpilatsaka an’elon’aina, izay fanao isan-taona eo anivon’ny Tafika, ka tamin’ity taona ity dia nanome voninahitra izany lanonam-pankalazana izany ny Praiminisitra,

Andron’i Md Misely Hetsika maro samihafa no natao teny Ivato

Hamaky ny tohiny...

Frère Abel « Efa anaty lamina vaovao maneran-tany isika »

09/09/2020

Misy teny ao amin’ny bokin’ny Daniela ao hoe izay mamerina ny maro ao amin’ny fahamarinana, izany mamerina ilay fahamarinana hahafahan’ny maro miverina, Rivo Abel Rovatiana na Frère Abel,

Frère Abel « Efa anaty lamina vaovao maneran-tany isika »

Hamaky ny tohiny...


Finoana

Ravalomanana sy ny FJKM Matotra ny fiaraha-miasa

19/12/2016

Na dia tsy be resaka firy aza ny Fjkm dia fantatra fa mandeha tsara ny asa fanorenana eny amin’ny kolejy Teolojika Ivato izay tsangambaton’ny faha-50 taonan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara.

Zava-dehibe ny fahavitan’io tetikasa goavana mitentina hatrany amin’ny 7 tapitrisa dolara io satria tafiditra ao anatin’ny vinan’ny Fjkm dia ny fanapariahana ny filazantsara manerana an’i Madagasikara. Filoha mitarika ny komity fankalazana ny faha-50 taona Atoa Marc Ravalomanana izay miezaka mitety ireo Synoda 37 sy manazava hatrany amin’ny mpino tafahaona amin’ny  maha zava-dehibe ity tetikasa goavana ity. Nifampitaona teny amin’ny Fjkm Ambohimalaza Firaisana Kanàna Vaovao ny sabotsy lasa teo ny filohan’ny Fjkm ny mpitandrina Irako Ammi Andriamahazosoa sy ny filohan’ny komity faha-50 taona Marc Ravalomanana, nampiseho ny fahavononan’ny mpitarika sy ny fanamafisana hatrany ny fahamatoran’ny fiaraha-mientana. Fotoana nankalazana ny faha-20 taonan’ny Synodam-paritany Antananarivo Atsinanana (SPAA 12) moa tamin’io sabotsy io koa dia tafaray teny ny tia sy ny manina. Manamafy hatrany ny maha goavana ny herin’ny finoana i Marc Ravalomanana nandritra ny fandraisam-pitenenana nataony nisarika ny sain’ny mpino Fjkm ihany koa mba hiray hina sy hifanohana hatrany amin’ny asa rehetra atao. Ny 15 janoary 2017 moa no hanatanteraka fanompoam-pivavahana lehibe eny amin’ny Coliseum Antsonjombe ny Fjkm ho fitrotroana am-bavaka ny filohany Irako Ammi Andriamahazosoa mianakavy sy ho fanombohana ny taom-piasana 2017. Madagasikara mbola firenena Kristianina afaka 100 taona no tanjona goavan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara taorian’ny Synoda lehibe notanterahana farany teo tany Antsirabe. Marihina fa anisan’ny antokom-pinoana manana olona maro indrindra eto Madagasikara ny Fjkm ary ahitana ny olony avokoa na any amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana, ny sehatry ny fandraharahana sy ny resaka diplaomasia.

RTT


 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana