Dans la męme rubrique

Tankina sy fotsy rora

23/10/2020

Samy maha valalanina ankehitriny ny zava-misy eto amin’ny firenena sy eo amin’izao tontolo izao.

Tankina sy fotsy rora

Hamaky ny tohiny...

Miandry mpihaino

22/10/2020

Tsikera mpahazo ny mpanohitra ny fitondrana avy amin’ireo mpiaradia amin’ny mpitondra matetika moa ny hoe tsy mba mandroso vahaolana fa mitsikera foana.

Miandry mpihaino

Hamaky ny tohiny...

Migebona…

21/10/2020

Folo volana latsaka herinandro izay no nitsanganan’ny Governemanta faharoan’ny Praiminisitra Ntsay Christian izay narafitra manokana ho taratry ny fisokafana sy ny fahaiza-manaon’ny zanaka Malagasy rehetra tsy ankanavaka, na ny eto an-toerana na ny avy any ivelany,

Migebona…

Hamaky ny tohiny...

Hiazakazaka sa handeha lavitra ?

20/10/2020

Raha tiana ny hiazakazaka dia aleo mandeha irery, hoy ny olo-malaza iray izay. Raha tiana kosa ny andeha lavitra dia ilaina ny miara-dalana.

Hiazakazaka sa handeha lavitra ?

Hamaky ny tohiny...

Midoka tena toa papelika

19/10/2020

Manga ny lanitra, nahomby ny ezaka, tena nahay ny mpitondra ankehitriny tamin’ny pakaidy nentiny niatrehana ny krizy, raha ny valan-dresaky ny filoham-pirenena omaly.

Midoka tena toa papelika

Hamaky ny tohiny...

EDITO Efa tena mifamono…

16/10/2020

Lavitra ny kitay ny afo amin’ny hisian’ny fampihavanana, fa mifamono sy mifamotika ny mpanao politika. Mifanagadra, ka ifandimbiasana ny fidirana any Antanimora na Tsiafahy, raha izao fizotry ny tantara izao.

EDITO Efa tena mifamono…

Hamaky ny tohiny...

Mila mpanangana

15/10/2020

Maromaro ihany izay mpanao politika sy mpitondra fanjakana teo aloha nanambara ny mbola tsy fitsanganan’ny firenena Malagasy izay.

Mila mpanangana

Hamaky ny tohiny...


Edito

Mila mijery fitaratra

19/12/2016

Mimenomenona ireo mpanao politika efa ela nietezantsika rehefa ataon’ny naman’izy ireo hoe dinozaoro kanefa ny fihetsika sy ny resaka atao dia mbola mirona any amin’ny fiezahana ny famerenana ireo fitantanana efa tsy nahomby tamin’ny fotoan’andron’izy ireo hatrany

. Herintaona latsaka kely sisa izao no andrasana, raha ny tokony ho izy, hirosoana amin’ny fifidianana rejionaly eto amintsika. Ny mahagaga dia amin’izao fotoana izao no misy olobe teo amin’ny tontolo politikantsika mbola manolo-kevitra ihany fa anisan’ny vahaolana amin’ny hisian’ny fifidianana mangarahara ny fandatsaham-bato amin’ny alalan’ny fitaovana elektronika. Dia tsy mba manara-baovao ve na farafaharatsiny na atoron’ny mpanolotsaina azy ireny ry zareo mpanao politika tranainy ka tsy ahalala fa etazonia izay anisan’ny firenena matanjaka eto ambonin’ny tany dia nampiasa io fomba fandatsaham-bato lazainy io tamin’ny fifidianana filoham-pirenen’izy ireo farany teo ? Na dia efa niomana fatratra tamin’ny fikarakarana aza anefa ny tany an-toerana dia ahiana mafy amin’izao fotoana izao ny fisian’ny fangalarana tamin’iny fifidianana iny. Mainka moa fa isika efa ambivitry ny 2018 izao. Mila manokana fotoana fohy isan’andro mihitsy isika mianakavy angamba aloha hijerena fitaratra kely dia samy manontany ny tenany avy hoe inona moa no mba efa vitako nanasoavana ity fireneko ity mialoha ny itenenana satria efa ho 60 taona isika no nahaleotena saingy nahantra foana ary dia maro tamin’ireo nandray anjara tamin’ny fampahantrana no mbola manolotra vahaolana manahirana toy izany hatrany.

Mirija

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana