Dans la męme rubrique

Fiara 4x4 sy fisotroan-dronono “Rariny” ny fitakianay, hoy ireo depiote

23/10/2020

Mitaky ny hanomezana azy ireo ny fiara tsy mataho-dalana 4x4 sy ny hahazoan`izy ireo fisotron-dronono ny solombavambahoakan`i Madagasikara.

Fiara 4x4 sy fisotroan-dronono “Rariny” ny fitakianay, hoy ireo depiote

Hamaky ny tohiny...

Marie Michel Robivelo “Fokonolona no fototra iaingan’ny fampandrosoana”

23/10/2020

Ny fokonolona amiko no fototra iaingan’ny fampandrosoana eto Madagasikara, hoy ny mpampianatra mpikaroka, Marie Michel Robivelo, izay mamita “doctorat” momba izany.

Marie Michel Robivelo “Fokonolona no fototra iaingan’ny fampandrosoana”

Hamaky ny tohiny...

Mpifidy vaventy Mety hiova ny lisitra

23/10/2020

Mitentina 1,8 miliara ariary ny tetibola ilaina amin` ny fanatanterahana ny fifidianana loholona amin`ny 11 desambra izao. Raha ireo tetiandro voaray hatrany dia ny 29 oktobra izao no mivoaka ny lisitra farany ireo kandidĂ  izay miisa 14 hatreto.

Mpifidy vaventy Mety hiova ny lisitra

Hamaky ny tohiny...

Ramboasalama Emilien « Ampiharo ny tondrozotra »

23/10/2020

Araka ny voafaritra ao anatin` ny lalĂ mpanorenana ao amin`ny and. faha- 75 dia miroso amin`ny fandinihana sy fandaniana ny lalĂ na mifehy ny tetibolam-panjakana ho amin`ny taona 2021 ny antenimiera roa tonta.

Ramboasalama Emilien « Ampiharo ny tondrozotra »

Hamaky ny tohiny...

Paul Rabary “Aoka izay ny fakan-tahaka”

22/10/2020

Misy fiantraikany lehibe teo amin’ny lafiny ekonomika sy sosialy iny Coronavirus iny, hoy ny mpahaifiarahamonina, Paul Rabary.

Paul Rabary “Aoka izay ny fakan-tahaka”

Hamaky ny tohiny...

Rivo Rakotovao “Avoahay ilay 1000 miliara Ariary …”

22/10/2020

Naneho ny heviny ny Filohan’ny Antenimierandoholona Rivo Rakotovao teo anatrehan’ny Filazan’ny Minisitry ny vola fa nalefa any Atsimo ny vola hiasan’io Andrim-panjakana io.

Rivo Rakotovao “Avoahay ilay 1000 miliara Ariary …”

Hamaky ny tohiny...

Solombavambahoaka Atao inona intsony fiara 4x4 ?

22/10/2020

Efa zary fomba fanaon` ireo solombavambahoaka eny Tsimbazaza no manao takalon` aina ny raharaham-pirenena. Anisan` ny fitakiana fiara tsy mataho-dalana 4x4 notakiany hatry ny ela ankoatra ny karama sy ny tambiny omena azy tsirairay, izay efa midangana be.

Solombavambahoaka Atao inona intsony fiara 4x4 ?

Hamaky ny tohiny...


Politique

Famahana ny delestazy Mila miala izay tsy mahavita azy

19/12/2016

Tsaroan’ny Malagasy tsara ny tenin’i Hery Rajaonarimampianina hoe “Telo volana ihany dia mivaha ny olan’ny delestazy” fony izy kandida filoham-pirenena, saingy 3 taona aty aoriana vao mainka nahery vaika.

Nilaza indray ny praiminisitra Mahafaly Olivier ny zoma 15 desambra lasa teo fa ho tapitra hatreo izany. Inona no fepetra tokony horaisina raha tsy tanteraka izany, izay midika fa fampanantenana poakaty sy tsy fanajana vahoaka ankitsirano ? Any ivelany dia mahatsapa tena mametra-pialana ny tompon’andraikitra tsy nahefa ny andraikiny. Eto amintsika kosa mifampiaro ny mpitondra, ka na efa hita izao aza fa olona manao ny tsy mety dia harovana, izay midika ho fanomezan-drariny sy fanomezana vahana azy hamotika ny firenena. Tsy mba hisy eto Madagasikara mihitsy ve ny kolontsain’ny asa sy ny fahavitan-javatra ka rehefa hita fa tsy mahavita azy dia manaja tena ka mametra-pialana ? Ny vahoaka etsy an-daniny efa tsy voafehin’izany lalàna izany intsony, fa samy manao izay tian-katao. Tsy mba misy intsony ny finiavana hanaja lamina ka rehefa mikorontana sy rotiky ny tsy fikorontanana ny fiarahamonina dia any amin’ny mpitondra ihany no ailika ny rihatra rehetra. Tsy ny mpitondra mihitsy, ohatra, no nanary fako eraky ny tanàna na tsy nanaja ny drafi-panajariana ny tanàn-dehibe, ka mahatsentsina ny tatatra amin’ny fotoam-pahavaratra, ka mahatonga ny toerana maro ho traboina. Ilay finiavana hivoatra mihitsy no tsy misy fa samy haetrin’ny foto-pisainana isika, ka lany andro mifanome tsiny lava eto.

Toky R.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana