Dans la męme rubrique

Fiara 4x4 sy fisotroan-dronono “Rariny” ny fitakianay, hoy ireo depiote

23/10/2020

Mitaky ny hanomezana azy ireo ny fiara tsy mataho-dalana 4x4 sy ny hahazoan`izy ireo fisotron-dronono ny solombavambahoakan`i Madagasikara.

Fiara 4x4 sy fisotroan-dronono “Rariny” ny fitakianay, hoy ireo depiote

Hamaky ny tohiny...

Marie Michel Robivelo “Fokonolona no fototra iaingan’ny fampandrosoana”

23/10/2020

Ny fokonolona amiko no fototra iaingan’ny fampandrosoana eto Madagasikara, hoy ny mpampianatra mpikaroka, Marie Michel Robivelo, izay mamita “doctorat” momba izany.

Marie Michel Robivelo “Fokonolona no fototra iaingan’ny fampandrosoana”

Hamaky ny tohiny...

Mpifidy vaventy Mety hiova ny lisitra

23/10/2020

Mitentina 1,8 miliara ariary ny tetibola ilaina amin` ny fanatanterahana ny fifidianana loholona amin`ny 11 desambra izao. Raha ireo tetiandro voaray hatrany dia ny 29 oktobra izao no mivoaka ny lisitra farany ireo kandidĂ  izay miisa 14 hatreto.

Mpifidy vaventy Mety hiova ny lisitra

Hamaky ny tohiny...

Ramboasalama Emilien « Ampiharo ny tondrozotra »

23/10/2020

Araka ny voafaritra ao anatin` ny lalĂ mpanorenana ao amin`ny and. faha- 75 dia miroso amin`ny fandinihana sy fandaniana ny lalĂ na mifehy ny tetibolam-panjakana ho amin`ny taona 2021 ny antenimiera roa tonta.

Ramboasalama Emilien « Ampiharo ny tondrozotra »

Hamaky ny tohiny...

Paul Rabary “Aoka izay ny fakan-tahaka”

22/10/2020

Misy fiantraikany lehibe teo amin’ny lafiny ekonomika sy sosialy iny Coronavirus iny, hoy ny mpahaifiarahamonina, Paul Rabary.

Paul Rabary “Aoka izay ny fakan-tahaka”

Hamaky ny tohiny...

Rivo Rakotovao “Avoahay ilay 1000 miliara Ariary …”

22/10/2020

Naneho ny heviny ny Filohan’ny Antenimierandoholona Rivo Rakotovao teo anatrehan’ny Filazan’ny Minisitry ny vola fa nalefa any Atsimo ny vola hiasan’io Andrim-panjakana io.

Rivo Rakotovao “Avoahay ilay 1000 miliara Ariary …”

Hamaky ny tohiny...

Solombavambahoaka Atao inona intsony fiara 4x4 ?

22/10/2020

Efa zary fomba fanaon` ireo solombavambahoaka eny Tsimbazaza no manao takalon` aina ny raharaham-pirenena. Anisan` ny fitakiana fiara tsy mataho-dalana 4x4 notakiany hatry ny ela ankoatra ny karama sy ny tambiny omena azy tsirairay, izay efa midangana be.

Solombavambahoaka Atao inona intsony fiara 4x4 ?

Hamaky ny tohiny...


Politique

Minisitra HVM manao propagandy Ny asa tsy misy mandeha ?

19/12/2016

Velezo ny vy dieny mafana ! Tontosa ny Comesa, tanteraka ny Frankôfônia, nampanantena hanome 10,4 miliara dolara an’i Madagasikara ny mpamatsy vola.

Mitohy ny havoriana ho an’ny antoko eo amin’ny fitondrana, tsy misy fahanginana ara-politika izany ny azy na amin’izao ankatoky ny fiavian’ny Mpamonjy izao aza. Nanatanteraka zaikabem-paritra voalohany tao Fianarantsoa ny Hery Vaovaon’i Madagasikara (HVM) ny sabotsy 17 desambra 2016 teo, nanehoany ny heriny. Nireharehan’ny minisitry ny fambolena sy fiompiana sady filoha nasionalin’ny antoko Rivo Rakotovao mihitsy fa antoko matanjaka voalohany eto Madagasikara ny HVM na eo aza ny tsikera maro. « Hiasa isika fa tsy hiandry ny 2018 ; isika rahateo manana olom-boafidy be indrindra eran’i Madagasikara, ny fananantsika fandresena amin’ny fifidianana no tanjona », hoy izy nanohy. Nahatonga solontena tamin’ity zaikabe tao amin’ny kianja mitafo Ambatomena ity ny faritany enina, niaraka tamin’ireo telo isaky ny kaominina 91 mandrafitra ny faritra Matsiatra Ambony. Anisan’ny hetahetan’ny mpizaika tao amin’ny vaomiera politika ny hirotsahan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina amin’ny fifidianana 2018, ny hananan’ny HVM gazety sy radio ary televiziona azy manokana. Asa tanamaro nanadiovana ny lalam-pirenena faha-7 manodidina ny Paositra ambany mihazo an’Ankazondrano notarihan’ny Senatera sady filoha lefitry ny Antenimierandoholona Riana Andriamandavy VII sy ilay mpandraharaha tompon’ny hotely A&C Raizamamonjy Claudine no nisantaran’ny HVM ny hetsika ny zoma. Tazana tany an-toerana avokoa ireo minisitra HVM mafana fo tahaka ny minisitry ny fampianarana ambaratonga ambony, ny minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena … Maika ery manao propagandy nefa ny asan’izy ireo andavanandro tsy hita akory izay mandeha sy misongadina.

Jean D.


 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana