Dans la męme rubrique

Andry Rajoelina Manilika ireo ekipa taloha

23/02/2018

Misy mahatsiaro tena voailika sy somary ataon-dRajoelina ambanin-javatra ireo ekipany fahiny tao anatin’ny tetezamita, indrindra indrindra ireo nanampy azy tamin’ny fanonganam-panjakana ka nahatonga azy ho Filohan’ny tetezamita tamin’ny taona 2009.

Andry Rajoelina Manilika ireo ekipa taloha

Hamaky ny tohiny...

Norbert Lala Ratsirahonana Tsy fantatra indray izy ho tohanany…

23/02/2018

Tsy mbola niteny aloha fa mody nipoipoitra tetsy sy teroa fotsiny. Ny mpanara-baovao kosa anefa etsy ankilany miandry izay higadonany, hoy ny fitenenana, ary dia hanongilan-tsofina tsy ho ela hihaino indray izay hametrahan’ny filohan’ny antoko Asa vita no hifampitsarana na ny AVI, Norbert Lala Ratsirahonana, indray.

Norbert Lala Ratsirahonana Tsy fantatra indray izy ho tohanany…

Hamaky ny tohiny...

Antoko tsy manan-katolotra Hanohana an-dRavalo sy Rajoelina

23/02/2018

Hatreto, raha ny fanadihadiana sy ny tombatombana taratra amin’ny valintenin’ireo antoko na vondrona politika heverina ho salantsalany na madinika mihitsy aza ny sasany mikasika ny mety ho tohanan’izy ireo amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena amin’ity taona ity dia tsy hita tabilao loatra ny antokon’ny fitondrana na ny Hery vaovao ho an’i Madagasikara.

Antoko tsy manan-katolotra Hanohana an-dRavalo sy Rajoelina

Hamaky ny tohiny...

Kandida ho filoha Tokony hamoaka vina avokoa, hoy ny antoko Maitso

23/02/2018

Mikorontana ny tontolo politika ankehitriny. Tsy fantatra intsony hoe iza no manohana an’iza, hoy ny filohan’ny antoko politika Maitso, Georget Alexandre, raha naneho ny heviny mikasika ny fahitany ny zava-misy ankehitriny teny amin’ny biraony eny Ambohitsoa omaly.

Kandida ho filoha Tokony hamoaka vina avokoa, hoy ny antoko Maitso

Hamaky ny tohiny...

LalĂ na mifehy ny antoko politika Fototry ny olana eto Madagasikara

23/02/2018

Hatramin’izay mihitsy no tsy mety nazava ary toy ireny niniana tsy nazavaina ireny ny lalàna mifehy ny antoko politika eto Madagasikara.

LalĂ na mifehy ny antoko politika Fototry ny olana eto Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Fitondrana HVM Nanaiky fitsirihana sy fitrandrahana solika maro be

23/02/2018

Amin’ireo Blocs pétroliers 100 eny amin’ny ranomasina izay ananantsika dia 40 amin’ireo no nanaovana « appel d’offres » amin’ity taona 2018 ity. Ny 36 kosa efa namoahana didim-panjakana ny amin’ny fanomezan-dalana hitrandraka azy tamin’ny alalan’ny OMNIS ny taona 2017 ka anisan’izany Mahajanga avaratra sy atsimo, Cap Saint André ary Ampasindava.

Fitondrana HVM Nanaiky fitsirihana sy fitrandrahana solika maro be

Hamaky ny tohiny...

Fampandrosoana ara-toekarena Manadala ny Malagasy Rajoelina

23/02/2018

Mbola mahatonga adihevitra eny rehetra eny ilay vina Initiative Emergence Madagascar nataon’ingahy Andry Rajoelina hatramin’izao.

Fampandrosoana ara-toekarena Manadala ny Malagasy Rajoelina

Hamaky ny tohiny...


Politique

Didier Ratsiraka Vonona hiatrika fifidianana

12/12/2016

« Vonona hiatrika ny fifidianana ho avy rehetra eo ny Arema saingy tokony hovaina ny lalampanorenana misy amin’izao hisian’ny fifidianana malalaka sy mangarahara ».

Tamin’ny teny hentira no nanaovan’ny filoham-pirenena teo aloha sady filoha mpanorina ny Arema, Amiraly Didier Ratsiraka, io fanambarana io tany Toliara io ny sabotsy 10 desambra 2016, nandritra ny famaranana ny fankalazana ny faha-40 taona nijoroan’ny antoko. Ny Parlemanta dia mahavita izany fa tsy ilàna fitsapa-kevi-bahoaka, hoy izy. Antony anisan’ny hanovana io lalampanorenana io, raha ny fanazavan’ny Amiraly Didier Ratsiraka dia ny fahasahiranana mahazo ny filoham-pirenena rehefa hanendry izay ho Praiminisitra izy. Ilaina ihany koa ny fanovana ny fitantanana eo amin’ny CENI na Vaomieram-pirenena mahaleotena momba ny fifidianana, koa tokony hisy solontena isaky ny Faritra mipaka any amin’ny Distrika mba tena hahaleotena, hoy hatrany izy nanohy ny fanazavana. Foany any koa ny biletà tokana fa ndao hampiasa “vote électronique” tsy hisian’ny hosoka, hoy izy. Nasiany tsindrim-peo manonkana ny tokony hanatanterahana ny fampihavanam-pirenena. Niantso ny rehetra hifanome tanana hanavotana ny orinasam-panjakana Air Madagascar sy ny Jirama ihany koa ny tenany. Tonga maro ny vahoakan’i Toliara nanotrona ny Amiraly Didier Ratsiraka tao amin’ny efitrano malalaky ny Père Barré Sanfily, sy ireo nitsena azy teny amin’ny seranam-piaramanidina Andranomena Toliara, ka nampihetsi-po ny filoha teo aloha mivady izany. “Mbola tsy mahafoy ahy i Toliara”, hoy i Deba.

Eric R.


 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana