Dans la męme rubrique

Andry Rajoelina Manilika ireo ekipa taloha

23/02/2018

Misy mahatsiaro tena voailika sy somary ataon-dRajoelina ambanin-javatra ireo ekipany fahiny tao anatin’ny tetezamita, indrindra indrindra ireo nanampy azy tamin’ny fanonganam-panjakana ka nahatonga azy ho Filohan’ny tetezamita tamin’ny taona 2009.

Andry Rajoelina Manilika ireo ekipa taloha

Hamaky ny tohiny...

Norbert Lala Ratsirahonana Tsy fantatra indray izy ho tohanany…

23/02/2018

Tsy mbola niteny aloha fa mody nipoipoitra tetsy sy teroa fotsiny. Ny mpanara-baovao kosa anefa etsy ankilany miandry izay higadonany, hoy ny fitenenana, ary dia hanongilan-tsofina tsy ho ela hihaino indray izay hametrahan’ny filohan’ny antoko Asa vita no hifampitsarana na ny AVI, Norbert Lala Ratsirahonana, indray.

Norbert Lala Ratsirahonana Tsy fantatra indray izy ho tohanany…

Hamaky ny tohiny...

Antoko tsy manan-katolotra Hanohana an-dRavalo sy Rajoelina

23/02/2018

Hatreto, raha ny fanadihadiana sy ny tombatombana taratra amin’ny valintenin’ireo antoko na vondrona politika heverina ho salantsalany na madinika mihitsy aza ny sasany mikasika ny mety ho tohanan’izy ireo amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena amin’ity taona ity dia tsy hita tabilao loatra ny antokon’ny fitondrana na ny Hery vaovao ho an’i Madagasikara.

Antoko tsy manan-katolotra Hanohana an-dRavalo sy Rajoelina

Hamaky ny tohiny...

Kandida ho filoha Tokony hamoaka vina avokoa, hoy ny antoko Maitso

23/02/2018

Mikorontana ny tontolo politika ankehitriny. Tsy fantatra intsony hoe iza no manohana an’iza, hoy ny filohan’ny antoko politika Maitso, Georget Alexandre, raha naneho ny heviny mikasika ny fahitany ny zava-misy ankehitriny teny amin’ny biraony eny Ambohitsoa omaly.

Kandida ho filoha Tokony hamoaka vina avokoa, hoy ny antoko Maitso

Hamaky ny tohiny...

LalĂ na mifehy ny antoko politika Fototry ny olana eto Madagasikara

23/02/2018

Hatramin’izay mihitsy no tsy mety nazava ary toy ireny niniana tsy nazavaina ireny ny lalàna mifehy ny antoko politika eto Madagasikara.

LalĂ na mifehy ny antoko politika Fototry ny olana eto Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Fitondrana HVM Nanaiky fitsirihana sy fitrandrahana solika maro be

23/02/2018

Amin’ireo Blocs pétroliers 100 eny amin’ny ranomasina izay ananantsika dia 40 amin’ireo no nanaovana « appel d’offres » amin’ity taona 2018 ity. Ny 36 kosa efa namoahana didim-panjakana ny amin’ny fanomezan-dalana hitrandraka azy tamin’ny alalan’ny OMNIS ny taona 2017 ka anisan’izany Mahajanga avaratra sy atsimo, Cap Saint André ary Ampasindava.

Fitondrana HVM Nanaiky fitsirihana sy fitrandrahana solika maro be

Hamaky ny tohiny...

Fampandrosoana ara-toekarena Manadala ny Malagasy Rajoelina

23/02/2018

Mbola mahatonga adihevitra eny rehetra eny ilay vina Initiative Emergence Madagascar nataon’ingahy Andry Rajoelina hatramin’izao.

Fampandrosoana ara-toekarena Manadala ny Malagasy Rajoelina

Hamaky ny tohiny...


Politique

Augustin Andriamananoro Nosamborina teny am-pasana

12/12/2016

Vitan’ny fitondrana Rajaonarimampianina ny COMESA, tontosany ny Frankôfônia, ary farany teo dia nahazo fampanantenana famatsiam-bola mitentina 10 miliara dôlara avy amin’ny mpamatsy vola, dia io fa mamboly korontana nefa vao eo no niantsoantso sy nitalaholaho fitoniana.


 Nampisamboriny ny zandary teny am-pandevenana i Augustin Andriamananoro. Nandevina rafozam-bavy teny Ambohijanamasoandro Itaosy izy ny sabotsy 10 desambra izay natokan’ny Firenena Mikambana ho Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’olombelona, no nanaovan’ny ira-panjakana rodobe nosamborina. Zara raha nahavita teny fisaorana ireo mpanotrona tamin’ny fandevenana ity minisitry ny tetezamita sady filoha lefitry ny vondrona MAPAR ity no nalain’ireo be basy, tsy nampiseho taratasy mikasika izany fisamborana izany. Nisahotaka ny olona, tohina mafy ihany ny fianakaviana satria mbola tena tao anatin’ny fahoriana tanteraka ka saika nisy ny fifandonana teo amin’ny roa tonta. Tsy nanda ny fisamborana azy anefa i Augustin Andriamananoro saingy nangataka izy ny mba hahafahany nandeha amin’ny fiarany miaraka amin’ny mpisolovavany. Vao tafiditra teo Anosizato Andrefana anefa dia nafindran’ny zandary tao anatin’ny fiara 4x4 « Emmo-Sécurité » ity ministra teo aloha ity ary nentina niazo an’i Miarinarivo nanaovana ny fanadihadiana azy, raha nihevitra ny maro fa hoentina eny Fiadanana. Tamin’ny tafa fohy nataon’i Augustin Andriamananoro no nilazany fa tohin’ny raharaha Soamahamanina izay efa nanenjehana azy teny amin’ny foiben’ny haino aman-jery VIVA eny Ambodivona ny 23 septambra 2016 izao fisamborana azy izao. Nambarany fa fiarovana ny tanindrazany no antony nahatongavany sy nanohanany ny mponin’i Soamahamanina saingy dia navadiky ny mpitondra ho fikasana hanongam-panjakana izany. Ny faran’ny herinandro iny ihany dia sesilany ny fanehoan-kevitra nivoaka manodidina ity fisamborana an’i Augustin Andriamananoro ity. Ho an’ireo mpomba an’i Marc Ravalomanana, nitondra faisana tamin’ny tetezamita dia tsy mahagaga azy ireo iny tranga iny, fa ifandimbiasana io ary valin’ny natao, ho an’ny mpiaradia amin’ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina indray dia fihantsiana no ataon’ny mpitondra HVM, na ny nisamborana an’i Augustin Andriamananoro ny ankatoky ny tsingerintaona faha-6 nahaterahan’ny Repoblika faha-IV fotsiny aza, izy rahateo filoha lefitry ny MAPAR sady filoha mpiara-mitantana ny komitin’y ENY tamin’ny fitsapan-kevi-bahoaka ny 10 desambra 2010. Nanameloka iny fisamborana iny ity vondrona politika ity omaly, tamin’ny fanambarana nataony teny Ambodivona. Tetsy ankilany ny Mpisolovava isany Andrianasolo Andry Fiankinana sy Rabelaza Aldine Andriamisetra dia nandefa taratasy any amin’ny komandin'ny vondrom-pileovan'ny zandary Itasy, omaly, mangata-panazavana amin’ity farany ny antony nisamborana sy nitazomana an’i Andriamananoro Augustin satria tsy naharay taratasy mikasika izany izy ireo, raha tsy izany dia mitaky ny hamotsorana azy avy hatrany ireto mpisolovava ireo satria fitazonana olona tsy ara-dalàna izao mitranga izao. Nanao rodove nidina tany Miarinarivo nijery ny azy ny delegasiona MAPAR omaly tolakandro. Hatreo dia tsy mbola nisy taratasy mazava nisamborana azy, tsy mbola natao fanadihadiana, fa dia tazomina amin’izao fotsiny mampatsiahy ny tetezamita, saingy voakarakara tsara. Ny fianakaviany kosa miahiahy sao tetika ankolaka hanilihana an’i Augustin Andriamananoro izao.

Pati


 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana