Dans la męme rubrique

Sendikan’ny mpiasan’ny ministeran’ny tontolo iainana Mitaky ny hanovana ny ekipan’ny minisitra

18/07/2018

Mbola mitohy hatrany ny fitokonana tanterahin’ireo sendika eo anivon’ny minisiteran’ny tontolo iainana eto amintsika.

Sendikan’ny mpiasan’ny ministeran’ny tontolo iainana Mitaky ny hanovana ny ekipan’ny minisitra

Hamaky ny tohiny...

Kolikoly avo lenta Depiote 7 hosamborina…

18/07/2018

Nalaza fa nahatratra hatrany amin’ny 50 tapitrisa ariary isan’olona ny kolikoly ho sandan’ny fananganan-tanana nandaniana ny lalàm-pifidianana ny 3 aprily, ary misoko miadana ny fanadihadian’ny Bianco.

Kolikoly avo lenta Depiote 7 hosamborina…

Hamaky ny tohiny...

Fiarahamonina Malagasy Difotry ny kolikoly

18/07/2018

Anisan’ny teny filamatry ny avy eo anivon’ny Eglizy Katolika Romanina eto Madagasikara na EKAR ny hoe « Reseo amin’ny soa ny ratsy ! ».

Fiarahamonina Malagasy Difotry ny kolikoly

Hamaky ny tohiny...

DGI sy SAMIFIN Hanakana ny vola maloto tsy hivezivezy

18/07/2018

Omaly talata 17 jolay tetsy amin’ny biraon’ny SAMIFIN Ankasina no nanaovana ny fifanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa amin’ny fitantanana ankapoben’ny hetra (DGI) sy ny sampandraharaha Malagasy iadiana amin’ny famotsiam-bola sy ny famatsiam-bolan’ny fampihorohoroana.

DGI sy SAMIFIN Hanakana ny vola maloto tsy hivezivezy

Hamaky ny tohiny...

Entan’ny Tiko tao Toamasina An-tapitrisany Euro norobain’ny fitondrana tetezamita

17/07/2018

Nanamarika ny fanonganam-panjakana 2009 ny fandrobana ka anisan’izany ny fitaomana ny vary, lafarinina an’ny Tiko sy Mana an’i Marc Ravalomanana tao Toamasina ny 4 aprily hatramin’ny 31 aogositra 2009.

Entan’ny Tiko tao Toamasina An-tapitrisany Euro norobain’ny fitondrana tetezamita

Hamaky ny tohiny...

Anosibe-Anosy-Mahamasina Tena maloto, nodiovina tanteraka

17/07/2018

Anisan’ny faritra tena maloto ny eny Mahamasina, Anosy ary Anosibe raha oharina amin’ireo faritra hafa eto an-drenivohitra.

Anosibe-Anosy-Mahamasina Tena maloto, nodiovina tanteraka

Hamaky ny tohiny...

Hery Rajaonarimampianina Nandrahona ireo mpampianatra mitokona

16/07/2018

Hentitra ary hita tena nasiaka mihitsy ny filoha Hery Rajaonarimampianina tany Toamasina ary nampitandrina ireo mpampianatra mitokona, hoy indrindra izy. “Aza saziana noho ny fitivan-tenanareo mpampianatra ny mpianatra Malagasy.

Hery Rajaonarimampianina Nandrahona ireo mpampianatra mitokona

Hamaky ny tohiny...


Actualités

Aretina diabeta Hisy fitiliana maimaimpoana anio eny Analakely

30/11/2016

Efa tafakatra 387 tapitrisa ireo olona diabetika manerana izao tontolo izao ny taona 2014 ary mety hiakatra hatrany amin’ny 592 tapitrisa amin’ny taona 2035.

 

Io no fanazavana nomen’ny dokotera Haja Andriamamonjisoa, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny AMADIA( Andiana Malagasy Miady Amin’ny DIAbeta). Manoloana izany dia hifarimbona ny avy eo anivon’ny PHARMADIFF na ny ivontoeram-pitiliana tsy miankina iray anisan’ny mamantatra ny mikasika ny diabeta sy ity andiana Malagasy ity hanatanteraka fitiliana maimaimpoana etsy amin’ny lapan’ny tanànan’Analakely anio alarobia 30 novambra manomboka amin’ny 9 ora maraina mba hitsinjovana ireo olom-pirenena tsy an-kanavaka hamantaran’izy ireo ny mety ho fananany na tsia izay toe-tena diabetika izay. Araka ny fanazavana dia toe-tena fa tsy aretina akory ny diabeta ary vokatry ny tsy fahafehezana ny tahan-tsiramamy miditra amin’ny vatan’olombelona no miteraka azy. Fitiliana, izay hivaly eo no ho eo sady maimaimpoana izy io, hoy ny mpikarakara, raha handoavana sarany 5.000 ariary isan’olona  kosa amin’ny andavanandro. Izay hita fa manana izay toe-tena diabetika izay moa dia horaisin’ny PHARMADIFF an-tanana ny fanaraha-maso ny fitsaboana, hoy ny mpikarakara. Miara-miasa akaiky ity tetikasa ity moa ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo renivohitra.

Mirija

  

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana