Dans la męme rubrique

Dian’i Didier Ratsiraka tany Rosia Misy ifandraisany amin’ny “Iles Eparses” ?

18/07/2018

Mifoha indray ny fitakiana ny “Iles Eparses” ary tsy vao ela no nisy kandidà ho filoham-pirenena iray nametraka fitoriana mitaky ny hamerenana ireo nosy Malagasy ireo an`i Madagasikara teny amin`ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana.

Dian’i Didier Ratsiraka tany Rosia Misy ifandraisany amin’ny “Iles Eparses” ?

Hamaky ny tohiny...

Rivo Rakotovao Olana lehibe ho an’ny fitondrana

18/07/2018

Tsikaritra ho tena olana lehibe ho an’ny fitodrana Rajaonarimampianina i Rivo Rakotovao, filohan’ny antenimierandoholona sady Filoha nasionalin’ny HVM, sokajiana ho laharana faharoa eto amin’ny firenena.

Rivo Rakotovao Olana lehibe ho an’ny fitondrana

Hamaky ny tohiny...

CENI Madagascar Zava-dehibe ny famolavolana sarintany

18/07/2018

Hifarana anio ny atrikasa fampiofanana niarahan`ny sampandraharahan`ny Firenena Mikambana momba ny fampandrosoana (PNUD) sy ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (PNUD) mahakasika ny fanangonam-baovao amin`ny famolavolana ny voka-pifidianana. Atoa

CENI Madagascar Zava-dehibe ny famolavolana sarintany

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana filoham-pirenena Misy kandida tiana hailika mafy

17/07/2018

Nivoaka iny ny fepetra henjana takiana amin’ireo kandida filoha sy ny fampitandreman’ny filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) Jean Eric Rakotoarisoa, izay tsikaritra fa Ravalomanana no mety kendrena hofinganina amin’io.

Fifidianana filoham-pirenena Misy kandida tiana hailika mafy

Hamaky ny tohiny...

Mpitondra sy mpitolona Ady sarotra aravona

17/07/2018

Efa nazava hatrany am-boalohany, raha mijery ny kabarin’ny praiminisitra vaovao, Ntsay Christian, hatramin’ny nandraisany fahefana fa tsy hamaha ny olan’ireo sendika marobe “mitolona” etsy sy eroa mihitsy akory no iraka nampanaovina azy fa ny hahatanteraka fifidianana.

Mpitondra sy mpitolona Ady sarotra aravona

Hamaky ny tohiny...

Fanimbazimbana ny HCC Sinema sy fambolena gidragidra ?

17/07/2018

Tsy rony tsy ventiny teo, dia raikitra ny karazana fanenjehana ny Filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC Jean Eric Rakotoarisoa sy io andrim-panjakana tantaniny io, voizin’ny gazety sy haino aman-jery mpanohana fitondrana amin’izao fotoana.

Fanimbazimbana ny HCC Sinema sy fambolena gidragidra ?

Hamaky ny tohiny...

Justice et Paix sy KMF/KNOE Hitambatra hanara-maso akaiky ny fifidianana

17/07/2018

Omaly alatsinainy 16 jolay no natao tetsy amin’ny Episcopat Antanimena ny fanaovan-tsonia fifanarahana fiaraha-miasa amin’ny KMF/KNOE sy ny Komisiona Episkopaly JUSTICE ET PAIX (JEP).

Justice et Paix sy KMF/KNOE Hitambatra hanara-maso akaiky ny fifidianana

Hamaky ny tohiny...


Politique

Claudine A&C Miafina eny Iavoloha ?

30/11/2016

Mivoatra ny raharaha kolikoly goavana tany Ambohimahamasina, Ambalavao.

 

 Efa hatry ny alahady teo no notanan’ny Bianco ny ben’ny tanàna Tsabo Pierre raha toa ka tsy namaly ny fampiantsoana azy i Claudine Razaimamonjy tompon’ny hotely A & C. Vola manodidina ny 260 tapitrisa ariary no voalaza fa natokana tamin’ny fananganana biraon’ny kaominina ka i Claudine Razaimamonjy no nahazo ny tsena, saingy tsy arakaraka izay ny asa vita. Nandeha be ny resaka fa hosamborina hatao fanadihadiana Ramatoa Claudine rehefa tsy mamaly ny fiantsoana azy. Omaly tolakandro anefa dia mbola tazana teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ity mpandraharaha izay akaiky dia akaiky ny filoham-pirenena ity, tsy fantatra na nila vonjy na nandamin-dresaka na niafina tsotra izao mba tsy hiharan’ny fisamborana na sarika am-pandriana tampoka. Fantatra koa izao fa misy tale tao amin’ny minisiteran’ny atitany sy mpandraharaha hafa voasaringotra amin’ity raharaha ity. Hatolotra ny fampanoavana anio alarobia ny raharaha. Mbola misy anefa ny fanadihadiana tsy vita. Tena hivoaka ve ny marina ka ho fantatra izay tena atidohan’ilay fanodinkodinam-bola sa sanatria ireo irakiraka no hadoboka am-ponja fa afaka hatrany ireo tena tompon’ny afera maizina ?

 Toky R.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana