Dans la męme rubrique

Jean Eric Rakotoarisoa “Tsy azo ahemotra ny fifidianana”

25/09/2018

Tsy maintsy hajaina ny daty napetraky ny lalàmpanorenana, hoy ny filohan’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) omaly,

Jean Eric Rakotoarisoa “Tsy azo ahemotra ny fifidianana”

Hamaky ny tohiny...

Volom-boasary milaza ho mpandresy sahady Mahafaly ny mpivoy adim-poko, hoy ny Fitoniana Tour

25/09/2018

Vonona hiatrika fifidianana izahay, hoy ry zareo avy eo anivon’ny fikambanana Fitoniana Tour tamin’ny alalan’ny filohany, Sambahita.

Volom-boasary milaza ho mpandresy sahady Mahafaly ny mpivoy adim-poko, hoy ny Fitoniana Tour

Hamaky ny tohiny...

Diso amin’ny lisi-pifidianana Noho ny olana ara-pitaovana ?

25/09/2018

Nandritra ny atrikasa nanaovana tombana tamin`ireo ezaka efa vita mahakasika ny fikarakarana fifidianana dia nilaza ny OIF fa vita soa aman-tsara ny fanisana sy fanaraha-maso na “audit” fa ara-dalàna izany.

Diso amin’ny lisi-pifidianana Noho ny olana ara-pitaovana ?

Hamaky ny tohiny...

Fikambanana OHT Manohana an`i Mahafaly Olivier

25/09/2018

Hanohana ny kandidĂ  Solonandrasana Mahafaly Olivier, izay mitondra ny laharana 22, ny fikambanana Olon`ny Hasin`ny Tany (OHT) mandritra ny safidim-bahoaka ny 07 novambra ho avy izao.

Fikambanana OHT Manohana an`i Mahafaly Olivier

Hamaky ny tohiny...

Fikambanana OHT Hanampy tosika an`I Mahafaly Olivier

25/09/2018

Hanohana ny kandidĂ  Mahafaly Olivier, izay mitondra ny laharana 22, ny fikambanana Olon`ny Hasin`ny Tany (OHT) mandritra ny safidim-bahoaka ny 07 Novambra ho avy izao..

Fikambanana OHT Hanampy tosika an`I Mahafaly Olivier

Hamaky ny tohiny...

Tetezamitan-dRajoelina Tena namotika firenena

25/09/2018

Misy amin’izao fotoana ny totoafon-tserasera ezahana atao mba hampisongadinana indray ireo olona namotika ny firenena, noho ny fanonganam-panjakana natao teto ka nitarika ny fijoroan’ny fitondrana tetezamita (2009-2013).

Tetezamitan-dRajoelina Tena namotika firenena

Hamaky ny tohiny...

Ravalomanana ho filoha Manetsika ny Malagasy maneran-tany

25/09/2018

Manetsika ny mpomba azy sy ireo mpanohana azy na ny eto an-toerana na ny any ivelany ny kandida laharana faha-25 Marc Ravalomanana.

Ravalomanana ho filoha Manetsika ny Malagasy maneran-tany

Hamaky ny tohiny...


Politique

Frankofonia 2016 Ny hevitr’izy ireo

29/11/2016

Tontosa ny fanambin’i Madagasikara nampiantrano ny fihaonana an-tampon’ny Frankofonia 2016 izay niteraka resabe sy fanehoan-kevitra samihafa manoloana ny fahantrana mianjady amin’ny vahoaka Malagasy.

Nilaza ho afa-po tamin’ny fandraisana sy fikarakarana amin’ny ankapobeny ny OIF na ny fikambanan’ireo tany miteny frantsay ampahany na manontolo nandritra ny lanonana famaranana teny amin’ny CCI (Centre de Conférence Internationale) Ivato ny alahady folakandro teo tamin’ny alalan’ny sekretera jeneraliny Michaelle Jean. Manana ny fomba fijeriny azy iny ihany koa anefa ireto tompon’andraikitra vitsivitsy ireto :

Maharante Jean de Dieu (Minisitry ny asam-panjakana) : «Tombony lehibe ny fahatongavan’ireo filoham-pirenena matanjaka toa an’i Frantsa,  ny praiminisitra Kanada na koa i Senegaly teto Madagasikara. Nanampy tosika ny fahafantaran’izao tontolo izao ny firenena Malagasy ny Frankofonia 2016 izay tena ilaintsika. Teboka goavana ihany koa ny hafatra manerantany nataon’ny filoha frantsay François niainga teto Antananarivo».

Rajaonson Mamy (Depioten’i Madagasikara) : «Vokatsoa azo eritreretina ho an’ny firenena Malagasy ny fahitan’ireo tany mpikambana frankofonina ny fampiantranoantsika iny fihaonana tampony andiany faha-16 iny. Hampitombo ny fitokisan’izy ireo an’i Madagasikara ny zavatra vita na dia eo amin’ny lafiny fandraharahana fotsiny aza». 

Rakotonirina Gérard (Filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety) : «Fotoan-dehibe ho an’ny mpanao gazety Malagasy ny fitrandraham-baovao mandritra ny fihaonana iraisampirenena toy ny fampiantranoantsika iny Frankofonia 2016 iny, indrindra ho an’ireo izay tsy mbola niatrika izany. Ilaina hatrany mantsy ny fampitomboana ny traikefa sy ny fisokafan’ny serasera amin’ireo mpanao gazety vahiny».

Nangonin-dRamano F.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana