Dans la męme rubrique

Groupe Vidy Varotra Hanitatra ny orinasany any Afrika

20/04/2018

Nankalazaina teny amin’ny hotely Carlton Anosy tamin’ny fomba manetriketrika, izay nafanain’I Bodo sy Rija Ramanantoanina, ny Tambour Gasy ary ny tarika mpanao soradia Dih’vin ny alarobia 18 aprily lasa teo ny faha 15 taonan’ny gazety Vidy Varotra; orinasa Malagasy, manao loha laharana ny foto-kevi-dehibe 4, dia ny asa fanaovan-gazety sy ny haino aman-jery, ny fanabeazana, ny teknolojia vaovaon’ny fifandraisana ary ny fisokafana amin’ny any ivelany ny “Groupe Vidy Varotra”.

Groupe Vidy Varotra Hanitatra ny orinasany any Afrika

Hamaky ny tohiny...

Fiaraha-miasa amin’ny FAO Tombony ho an’ny tontolo ambanivohitra

20/04/2018

Omaly no natao tetsy amin’ny Hotel Carlton ny hetsika fampahafantarana sy fanaovan-tsonia ny tahirin-kevitra CPP (Cadre de Programation de Pays) momba ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy ny FAO (sampan-draharahan’ny firenena mikambana momba ny sakafo) manomboka ny taona 2018 hatramin’ny 2021.

Fiaraha-miasa amin’ny FAO Tombony ho an’ny tontolo ambanivohitra

Hamaky ny tohiny...

Salon HR TROPHY Hanampy ny tanora mba hanana asa mendrika

20/04/2018

Nosokafana tamim-pomba ôfisialy omaly etsy amin’ny garan’i Soarano hifarana anio zoma 20 Aprily ilay Salon HR Trophy andiany karakarain’ny World Trade Center sy ny “syndicat autonome des inspecteurs de travail” .

Salon HR TROPHY Hanampy ny tanora mba hanana asa mendrika

Hamaky ny tohiny...

Kaontenera 1000 mihitsoka ao Toamasina Efa mamoaka fofona ireo vary lo

20/04/2018

Nitsidika an’i Toamasina ny alarobia tapak’andro maraina ny praiminisitra niaraka tamin’ireo minisitry ny vola sy teti-bola, ny minisitry ny varotra sy ny fanjifana, ny minisitry ny fitaterana, notronin’ireo mpandraharaha sy ny mpitatitra ary ny ekipan’ny lehiben’ny faritra atsinanana.

Kaontenera 1000 mihitsoka ao Toamasina Efa mamoaka fofona ireo vary lo

Hamaky ny tohiny...

Fanajariana ny tany eny Ampitatafika Antoky ny fampandrosoana ny kaominina

20/04/2018

Nankatoavin`ny Fanjakana Malagasy, araka ny didim-panjakana nivoaka teo anivon`ny Filan-kevitry ny ministra ny alarobia 18 Aprily lasa teo, ny drafitra hanajarian`ny Tany na Plan d`Urbanisme de DĂ©tail (PUDĂ©) ho an`ny lemaka ao amin`ny Kaominina Ampitatafika.

Fanajariana ny tany eny Ampitatafika Antoky ny fampandrosoana ny kaominina

Hamaky ny tohiny...

Ministeran’ny asa vaventy Fividianana fiara “4x4” miisa 25 ve no tena laharampahamehana

20/04/2018

Nanolotra fiara miisa 25 ho an'ny Ministeran'ny Asa Vaventy ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina omaly maraina teny.

Ministeran’ny asa vaventy Fividianana fiara “4x4” miisa 25 ve no tena laharampahamehana

Hamaky ny tohiny...

Fanjakana sy ny Katolika Vaky tanteraka ny ady?

19/04/2018

Tsapa ho tratry ny antsojain’ny fanjakana Rajaonarimampianina ny fiangonana katolika, raha dinihina ny zava-niseho tato ho ato, izay toa manamafy ny efa nisy tany aloha. Mahatsapa ho tsy mahazo rirany amin’ity fiangonan-dehibe ity angamba ny fanjakana, ka toa miseho ny endrika antsojay na filam-baniny samihafa mivantana na ankolaka.

Fanjakana sy ny Katolika Vaky tanteraka ny ady?

Hamaky ny tohiny...


Actualités

Manarintsoa afovoany Porofon’ny fahantran’ny Malagasy

29/11/2016

Ankoatra an’i La Réunion kely etsy Ampefiloha izay ahitana fianakaviana manodidina ny 400 isa mipetraka amin’ny trano sachet dia anisan’ny ahitana taratra ny fahantrana lalina mianjady amin’ny Malagasy ihany koa ny etsy Manarintsoa afovoany, andrefan’i La Réunion kely.

 

Fianakaviana an-jatony koa izy ireo no mivelona amin’ny asa fivarotana ireo korontan’entana sy kojakoja  efa tsy ilaina intsony  any an-tokantrano, hamidy manomboka amin’ny 50 Ar ka hatramin’ny 5.000 Ar ny farany  ambony indrindra. Raha araka ny fanazavan-dRaharisoa Vololomboahangy anisan’ireo renim-pianakaviana mpivarotra eny an-toerana dia eny amin’ny bakan-jaoridira izy ireo no maka ny entana amidiny. Efa samy manana ny toerana fakany entana avokoa ny mpivarotra tsirairay. azy dia eny Antsahavola no fakany entana, asa tsy maintsy hatao isan-kariva manomboka amin’ny 6 ora sy sasany ka hatramin’ny 8 ora sy sasany alina. Tsy manasa intsony izy ireo aorian’izay fa avy hatrany dia mivarotra. Mahazo 6.000 Ar isan’andro ny mpivarotra iray rehefa tena mandeha ny tsena, 2.000 Ar rehefa tena maina. Ankoatra ny tavoahangy plastika, ireo karazana boaty kely azo averina atao boatin-tsavoka, ny kiraro tonta, ny pôketra, ny akanjo, ireo fitaovam-pianarana efa tsy ilaina intsony toy ny tapaka crayon de couleur, karazana piesy fanamboarana radio na fiara, ny rice coocker efa maty, ny finday….hita eny ihany koa ireo tapaka tafon-trano, vy fanamboaran-trano, …efa tsy ilaina intsony. Araka ny fanadihadiana natao hatrany dia olona mitovy amin’ireo mpivarotra ihany ny ankamaroan’ireo mpanjifa tonga  eny an-toerana, izany hoe tena sahirana amin’ny fiainana. Asa raha mba mahalala ny fisian’io toerana io ihany ny fitondram-panjakana na tsia ? Tsara mirotsaka eny mihitsy ny filoha Rajaonarimampianina raha mitady porofo mivaingana fa hoe tena mahantra fadiranovana marina ny Malagasy maro an’isa a !

Pati


 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana