Dans la męme rubrique

Famoriam-bahoaka eny Analakely Alefa handoto ny hetsika ireo “gros bras”

20/04/2018

Mafampana ny toe-draharaha, ary miandry izay hiseho rahampitso eny anoloan’ny Lapan’ny tanàna Analakely, hisian’ny famoriam-bahoakan’ny depiote mpanohitra ny rehetra. Malaza fa kotrehina hokorontanina izany, ary efa mandeha ny fanangonana vatan-dehilahy na “gros bras” handrava sy handoto ny hetsika.

Famoriam-bahoaka eny Analakely Alefa handoto ny hetsika ireo “gros bras”

Hamaky ny tohiny...

Guy Maxime Ralaiseheno “Aoka tsy ho sakanana ny hetsiky ny depiote”

20/04/2018

Aza sakantsakanana amin’ny famoriam-bahoaka hanaovany tatitra mikasika ny zava-misy eto amin’ny firenena ny solombavambahoaka na iza izy na iza hoy Rahaiseheno Guy Maxime, mpanao pôlitika, omaly. Hiantohan’ny lalampanorenana sy ny lalana mifehy ny olom-boafidy, indrindra ny lalana mifehy ny antoko mantsy ny fanaovan’ny solombavambahoaka izany hoy izy.

Guy Maxime Ralaiseheno “Aoka tsy ho sakanana ny hetsiky ny depiote”

Hamaky ny tohiny...

Antoko politika ABA Miainga amin’ny fianakaviana ny fampandrosoana

20/04/2018

Omaly no nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny foibeny Antsahabe ny fitsanganan’ny Antoko politika ABA (Antokom-Bahoaka Malagasy).

Antoko politika ABA Miainga amin’ny fianakaviana ny fampandrosoana

Hamaky ny tohiny...

Depiote mpanohitra Nihaona tamin’ny Amerikanina sy Frantsay

20/04/2018

Mandeha ny rahom-bava avy amin’ny fitondram-panjakana momba ny hanakanana ny famoriam-bahoaka hataon’ny depiote TIM, MAPAR, MMM, aryny tsy miankina hanao tatitra amin’ny vahoaka eny anoloan’ny Lapan’ny Tanàna Analakely rahampitso sabotsy.

Depiote mpanohitra Nihaona tamin’ny Amerikanina sy Frantsay

Hamaky ny tohiny...

Ravalomanana sy Rajoelina Hany mbola misongadina

20/04/2018

Ny filohan’ny antoko Tiako i Madagasikara, Marc Ravalomanana, izay efa nanambara tamin’ny fomba ofisialy ny filatsahan-kofidiany ho filoham-pirenena sy ny filoha nasionalin’ny vondrona politika MAPAR, Andry Rajoelina, hatreto no hita hany mbola misongadina amin’ny fihetsiketsehana maneho ny fahavononany hiatrika fifidianana na dia mbola tsy nanambara ny filatsahany aza moa itsy farany.

Ravalomanana sy Rajoelina Hany mbola misongadina

Hamaky ny tohiny...

Miaramila misotro ronono Tsy maintsy hanohana kandida

20/04/2018

Efa 10 taona mahery izao no nitakian’ireo miaramila misotro ronono ny zo tokony nisitrahany nanomboka ny tetezamita no nankaty, raha ny fanazavan’ny filoha nasionalin’ny fikambanan’izy ireo, Jean Solo Randrianasimanana.

Miaramila misotro ronono Tsy maintsy hanohana kandida

Hamaky ny tohiny...

Mpanao politika Malagasy Donton’ny fitiavan-tseza

20/04/2018

Tsy azo iadian-kevitra, fa ny mpanao politika no tena mpamotika ity firenentsika ity. Ny vahoaka etsy andaniny, toa nohabadoina sy nampahantraina hatrany, ka tsy mahalala izay tokony hataony intsony.

Mpanao politika Malagasy Donton’ny fitiavan-tseza

Hamaky ny tohiny...


Politique

Gaby Vakiniadiana Miantso fahatongavan-tsain’ny tsirairay

14/11/2016

Lesona goavana no azo tsoahana tamin’ny tenin’ny filoham-pirenena amerikanina vaovao, hoy i Gaby Vakiniadiana, izay mpanao politika sady sekretera jeneralin’ny antoko Vahoaka Miray na VAMI, izay ao anatin’ilay vondron’ny mpanohitra rodoben’ny vahoaka tia tanindrazana ho amin’ny fanorenana ifotony (RMTF).

 

 Midika zava-dehibe, hoy izy, ilay tenin’ity filoham-pirenena ity hoe “Etazonia ho an’ny Amerikanina”. Midika izany fa tsy misy harem-pirenena azo avela ho gaboraraka any. Tokony ho tonga saina koa isika, raha ny fanehoan-keviny, ka mba hametraka fa “Madagasikara ho an’ny Malagasy”. Izany hoe, tsy omena ny vahiny toy izao mitranga any Soamahamanina sy ny maro hafa izao ny tany. Antso avo ho an’ny mpitondra, indrindra ho an’ny vahoaka Malagasy, hoy ny fanazavany, ka anjarantsika rehetra no mandray ny andraikitra tandrify azy avy.

Mirija


 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana