Dans la męme rubrique

Dian’i Didier Ratsiraka tany Rosia Misy ifandraisany amin’ny “Iles Eparses” ?

18/07/2018

Mifoha indray ny fitakiana ny “Iles Eparses” ary tsy vao ela no nisy kandidà ho filoham-pirenena iray nametraka fitoriana mitaky ny hamerenana ireo nosy Malagasy ireo an`i Madagasikara teny amin`ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana.

Dian’i Didier Ratsiraka tany Rosia Misy ifandraisany amin’ny “Iles Eparses” ?

Hamaky ny tohiny...

Rivo Rakotovao Olana lehibe ho an’ny fitondrana

18/07/2018

Tsikaritra ho tena olana lehibe ho an’ny fitodrana Rajaonarimampianina i Rivo Rakotovao, filohan’ny antenimierandoholona sady Filoha nasionalin’ny HVM, sokajiana ho laharana faharoa eto amin’ny firenena.

Rivo Rakotovao Olana lehibe ho an’ny fitondrana

Hamaky ny tohiny...

CENI Madagascar Zava-dehibe ny famolavolana sarintany

18/07/2018

Hifarana anio ny atrikasa fampiofanana niarahan`ny sampandraharahan`ny Firenena Mikambana momba ny fampandrosoana (PNUD) sy ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (PNUD) mahakasika ny fanangonam-baovao amin`ny famolavolana ny voka-pifidianana. Atoa

CENI Madagascar Zava-dehibe ny famolavolana sarintany

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana filoham-pirenena Misy kandida tiana hailika mafy

17/07/2018

Nivoaka iny ny fepetra henjana takiana amin’ireo kandida filoha sy ny fampitandreman’ny filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) Jean Eric Rakotoarisoa, izay tsikaritra fa Ravalomanana no mety kendrena hofinganina amin’io.

Fifidianana filoham-pirenena Misy kandida tiana hailika mafy

Hamaky ny tohiny...

Mpitondra sy mpitolona Ady sarotra aravona

17/07/2018

Efa nazava hatrany am-boalohany, raha mijery ny kabarin’ny praiminisitra vaovao, Ntsay Christian, hatramin’ny nandraisany fahefana fa tsy hamaha ny olan’ireo sendika marobe “mitolona” etsy sy eroa mihitsy akory no iraka nampanaovina azy fa ny hahatanteraka fifidianana.

Mpitondra sy mpitolona Ady sarotra aravona

Hamaky ny tohiny...

Fanimbazimbana ny HCC Sinema sy fambolena gidragidra ?

17/07/2018

Tsy rony tsy ventiny teo, dia raikitra ny karazana fanenjehana ny Filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC Jean Eric Rakotoarisoa sy io andrim-panjakana tantaniny io, voizin’ny gazety sy haino aman-jery mpanohana fitondrana amin’izao fotoana.

Fanimbazimbana ny HCC Sinema sy fambolena gidragidra ?

Hamaky ny tohiny...

Justice et Paix sy KMF/KNOE Hitambatra hanara-maso akaiky ny fifidianana

17/07/2018

Omaly alatsinainy 16 jolay no natao tetsy amin’ny Episcopat Antanimena ny fanaovan-tsonia fifanarahana fiaraha-miasa amin’ny KMF/KNOE sy ny Komisiona Episkopaly JUSTICE ET PAIX (JEP).

Justice et Paix sy KMF/KNOE Hitambatra hanara-maso akaiky ny fifidianana

Hamaky ny tohiny...


Politique

Faneva Raholdina Mendrika alain-tahaka ny fotokevitr’Atoa Donald Trump

12/11/2016

Tokony hiainan’ny mpanao politika malagasy mieritreritra ny hitondra sy ireo efa mitondra ankehitriny, hoy Atoa Faneva Raholdina mpandalina politika, ny fotokevitr’Atoa Donald Trump.

« Ny Amerikanina aloha vao ny hafa », hoy izy. Nanohina ny fon’ny  vahoaka amerikanina ary nankatoavin’izy ireo ilay fokokevitra matoa marobe izy ireo no tonga nifidy ary nahalany ity kandidàn’ny Repoblikanina ity.  Ilaina hita taratra  ara-piarahamonina sy ara-tsosialy anefa ilay hevitra. Eo amin’ny resaka fandraharahana dia mazava ny hevitr’Ingahy Trump fa tsy maintsy ny mpandraharaha amerikanina aloha no homen-danja vao mijery ireo mpandraharaha vahiny. Ohatra akaiky amin’izany ny tokony hijeren’ny eto amintsika ny orinasa Malagasy TIKO akaiky aloha vao manome lanja an’ireo orinasa vahiny mitovy lenta aminy. Eo amin’ny sehatry ny fanomezana tanim-panjakana dia tokony hisitraka aloha ny teratany Malagasy tompontany ary hahazo fiarovana vao mijery ireny mpandraharaha sinoa sy vahiny hafa ireny ny fitondram-panjakana Malagasy. Raha izay no tanteraka dia azo antoka ny hahafahan’ny mpitondra mamita “mandat” roa farafaharatsiny, hoy i Faneva Raholdina. Efa nanao ity fihetsika ity ny filohan’ny TIM, Marc Ravalomanana, tamin’ny taona 2002 raha nitondra ny teny filamatra : “ ‘Ndeha hiara-dia, ny mandroso no tanjona”. Be dia be ny Malagasy resy lahatra tamin’izany ka tonga nandatsa-bato ary dia lany ho filoham-pirenena ny lehilahy. Zava-nisy ireny ka sarotra adinoina fa tsy hoe fanindraindrana olona fotsiny.

Ntsoavina Evariste


 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana