Dans la męme rubrique

Andry Rajoelina Manilika ireo ekipa taloha

23/02/2018

Misy mahatsiaro tena voailika sy somary ataon-dRajoelina ambanin-javatra ireo ekipany fahiny tao anatin’ny tetezamita, indrindra indrindra ireo nanampy azy tamin’ny fanonganam-panjakana ka nahatonga azy ho Filohan’ny tetezamita tamin’ny taona 2009.

Andry Rajoelina Manilika ireo ekipa taloha

Hamaky ny tohiny...

Norbert Lala Ratsirahonana Tsy fantatra indray izy ho tohanany…

23/02/2018

Tsy mbola niteny aloha fa mody nipoipoitra tetsy sy teroa fotsiny. Ny mpanara-baovao kosa anefa etsy ankilany miandry izay higadonany, hoy ny fitenenana, ary dia hanongilan-tsofina tsy ho ela hihaino indray izay hametrahan’ny filohan’ny antoko Asa vita no hifampitsarana na ny AVI, Norbert Lala Ratsirahonana, indray.

Norbert Lala Ratsirahonana Tsy fantatra indray izy ho tohanany…

Hamaky ny tohiny...

Antoko tsy manan-katolotra Hanohana an-dRavalo sy Rajoelina

23/02/2018

Hatreto, raha ny fanadihadiana sy ny tombatombana taratra amin’ny valintenin’ireo antoko na vondrona politika heverina ho salantsalany na madinika mihitsy aza ny sasany mikasika ny mety ho tohanan’izy ireo amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena amin’ity taona ity dia tsy hita tabilao loatra ny antokon’ny fitondrana na ny Hery vaovao ho an’i Madagasikara.

Antoko tsy manan-katolotra Hanohana an-dRavalo sy Rajoelina

Hamaky ny tohiny...

Kandida ho filoha Tokony hamoaka vina avokoa, hoy ny antoko Maitso

23/02/2018

Mikorontana ny tontolo politika ankehitriny. Tsy fantatra intsony hoe iza no manohana an’iza, hoy ny filohan’ny antoko politika Maitso, Georget Alexandre, raha naneho ny heviny mikasika ny fahitany ny zava-misy ankehitriny teny amin’ny biraony eny Ambohitsoa omaly.

Kandida ho filoha Tokony hamoaka vina avokoa, hoy ny antoko Maitso

Hamaky ny tohiny...

LalĂ na mifehy ny antoko politika Fototry ny olana eto Madagasikara

23/02/2018

Hatramin’izay mihitsy no tsy mety nazava ary toy ireny niniana tsy nazavaina ireny ny lalàna mifehy ny antoko politika eto Madagasikara.

LalĂ na mifehy ny antoko politika Fototry ny olana eto Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Fitondrana HVM Nanaiky fitsirihana sy fitrandrahana solika maro be

23/02/2018

Amin’ireo Blocs pétroliers 100 eny amin’ny ranomasina izay ananantsika dia 40 amin’ireo no nanaovana « appel d’offres » amin’ity taona 2018 ity. Ny 36 kosa efa namoahana didim-panjakana ny amin’ny fanomezan-dalana hitrandraka azy tamin’ny alalan’ny OMNIS ny taona 2017 ka anisan’izany Mahajanga avaratra sy atsimo, Cap Saint André ary Ampasindava.

Fitondrana HVM Nanaiky fitsirihana sy fitrandrahana solika maro be

Hamaky ny tohiny...

Fampandrosoana ara-toekarena Manadala ny Malagasy Rajoelina

23/02/2018

Mbola mahatonga adihevitra eny rehetra eny ilay vina Initiative Emergence Madagascar nataon’ingahy Andry Rajoelina hatramin’izao.

Fampandrosoana ara-toekarena Manadala ny Malagasy Rajoelina

Hamaky ny tohiny...


Politique

Lalao Ravalomanana Hosoloina PDS ?

12/11/2016

Miharihary ny antsojay sy ny politika maloto entina hamotehana ny ben’ny tanŕna Lalao Ravalomanana.

Salovanin’ny fanjakana foibe ny asan’ny kaominina ka tsy omena vola sy atao fahirano mihitsy ny mpitantana ny renivohitra. Salovanin’ny fanjakana amin’ny alalan’ilay programa ambara ho tetikasan’ny filoham-pirenena izay asa tokony hataon’ny kaominina toy ny fanamboaran-dalana, zaridaina ... Mitazam-potsiny anefa ny fanjakana manoloana ny fikorontanan’ny tanàn-dehibe ka dia miady irery ny mpitantana ny renivohitra. Efa tena hamaivanin’ny fitondrana ny fahefan’ny ben’ny tanàna ary porofon’izany ny tsy fanomezana hasina an-dRtoa Lalao Ravalomanana nandritra ny fivorian’ny Comesa izay nanaovana vava be hoe asehoy aloha ny “invitation”. Nisy ny fiara tsy manara-dalàna notazonina teny Anosipatrana ary milisy mitam-piadiana nalefan’ny fanjakana no namoaka izany an-keriny teny an-toerana sady tamin’ny andro alina. Izao indray dia miaramilan’ny Capsat sy ny  RAS no tonga manafika ny CUA fa hoe nisy vadina miaramila voadaroka. Mivoaka ny feo fa minisitra no nanome baiko hoe mandehana faizo kely aloha ny kaominina. Ny resaka varotra amoron-dalana dia tsikaritra ho feno mpikarama an’ady ary ahiana ho ny mpitondra ihany no manakarama azy ireny. Kotrehina ny paikady maloto isan-karazany ka korontanina, tsy omena vola, hanaovana tsindry isan-karazany ary tsy avela miasa tsara ny kaominina. Kendrena izay hampatezitra ny vahoaka amin’i Lalao Ravalomanana ka tsy hanohana azy intsony ary dia hosoloina Prezidan’ny delegasionina manokana na PDS ny tenany aorian’izay ka hambara fa tsy mahavita azy. Kendrena amin’izany ny hampihena ny lanja ara-politikan’ny antoko Tiako I Madagasikara (TIM) rehefa tsy ben’ny tanàna intsony i Lalao Ravalomanana. Efa nisy fotoana rahateo saika nosoloina PDS ny tenany fa tsy tanteraka izany. Vao mainka maharomotra ny fanjakana foibe ny naha lasa mpanolotsaina manokana an’i Marc Ravalomanana. Atahoran’ny HVM rahateo izy sy ny antoko TIM tarihiny ka ezahina ny hanapotehana azy dieny izao. Anisan’izany ny fanalana ny tanànan’Antananarivo tsy ho olona avy amin’ny antokon’ny filoha teo aloha no hitantana azy.

Toky R.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana