Dans la męme rubrique

Andry Rajoelina Manilika ireo ekipa taloha

23/02/2018

Misy mahatsiaro tena voailika sy somary ataon-dRajoelina ambanin-javatra ireo ekipany fahiny tao anatin’ny tetezamita, indrindra indrindra ireo nanampy azy tamin’ny fanonganam-panjakana ka nahatonga azy ho Filohan’ny tetezamita tamin’ny taona 2009.

Andry Rajoelina Manilika ireo ekipa taloha

Hamaky ny tohiny...

Norbert Lala Ratsirahonana Tsy fantatra indray izy ho tohanany…

23/02/2018

Tsy mbola niteny aloha fa mody nipoipoitra tetsy sy teroa fotsiny. Ny mpanara-baovao kosa anefa etsy ankilany miandry izay higadonany, hoy ny fitenenana, ary dia hanongilan-tsofina tsy ho ela hihaino indray izay hametrahan’ny filohan’ny antoko Asa vita no hifampitsarana na ny AVI, Norbert Lala Ratsirahonana, indray.

Norbert Lala Ratsirahonana Tsy fantatra indray izy ho tohanany…

Hamaky ny tohiny...

Antoko tsy manan-katolotra Hanohana an-dRavalo sy Rajoelina

23/02/2018

Hatreto, raha ny fanadihadiana sy ny tombatombana taratra amin’ny valintenin’ireo antoko na vondrona politika heverina ho salantsalany na madinika mihitsy aza ny sasany mikasika ny mety ho tohanan’izy ireo amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena amin’ity taona ity dia tsy hita tabilao loatra ny antokon’ny fitondrana na ny Hery vaovao ho an’i Madagasikara.

Antoko tsy manan-katolotra Hanohana an-dRavalo sy Rajoelina

Hamaky ny tohiny...

Kandida ho filoha Tokony hamoaka vina avokoa, hoy ny antoko Maitso

23/02/2018

Mikorontana ny tontolo politika ankehitriny. Tsy fantatra intsony hoe iza no manohana an’iza, hoy ny filohan’ny antoko politika Maitso, Georget Alexandre, raha naneho ny heviny mikasika ny fahitany ny zava-misy ankehitriny teny amin’ny biraony eny Ambohitsoa omaly.

Kandida ho filoha Tokony hamoaka vina avokoa, hoy ny antoko Maitso

Hamaky ny tohiny...

LalĂ na mifehy ny antoko politika Fototry ny olana eto Madagasikara

23/02/2018

Hatramin’izay mihitsy no tsy mety nazava ary toy ireny niniana tsy nazavaina ireny ny lalàna mifehy ny antoko politika eto Madagasikara.

LalĂ na mifehy ny antoko politika Fototry ny olana eto Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Fitondrana HVM Nanaiky fitsirihana sy fitrandrahana solika maro be

23/02/2018

Amin’ireo Blocs pétroliers 100 eny amin’ny ranomasina izay ananantsika dia 40 amin’ireo no nanaovana « appel d’offres » amin’ity taona 2018 ity. Ny 36 kosa efa namoahana didim-panjakana ny amin’ny fanomezan-dalana hitrandraka azy tamin’ny alalan’ny OMNIS ny taona 2017 ka anisan’izany Mahajanga avaratra sy atsimo, Cap Saint André ary Ampasindava.

Fitondrana HVM Nanaiky fitsirihana sy fitrandrahana solika maro be

Hamaky ny tohiny...

Fampandrosoana ara-toekarena Manadala ny Malagasy Rajoelina

23/02/2018

Mbola mahatonga adihevitra eny rehetra eny ilay vina Initiative Emergence Madagascar nataon’ingahy Andry Rajoelina hatramin’izao.

Fampandrosoana ara-toekarena Manadala ny Malagasy Rajoelina

Hamaky ny tohiny...


Politique

Savorovoro teny Analakely Tetika hanesorana an’i Neny ?

12/11/2016

Rehefa natao ny fanadihadiana rehetra dia nahafantatra tsara ny zavatra nataony ireo andiana miaramila tonga teny amin’ny lapan’ny tanŕna Analakely ny alarobia hariva lasa teo.

Nisy mihitsy ny fihetsika natao mba nanindriana aloka ny kaominin’Antananarivo Renivohitra. Ny mpitantana no tena lasibatra teto. Tsy niitatra be tahaka iny mantsy ny fifandirana teo amin’ny polisy monisipaly izay manao ny asany ara-dalàna sy ilay vadina miaramila ambara fa voakasi-tanana. Ny miaramila avy ao amin’ny Capsat Soanierana sy ny RAS Ampahibe no nanao be fiavy teny amin’ny lapan’ny tanàna Analakely, soa fa teo ihany ny Emmo reg nanelanelana sy nisoroka ny mety fifandonana hitranga. Miha mazava ankehitriny ny raharaha. Tsy tongatonga ho azy ireny fa fanararaotana tranga iray mba hanaratsiana endrika tsotra izao ny kaominin’Antananarivo Renivohitra sy ireo mpitantana azy. Raha tsorina, ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana mihitsy no ezahan’ny sasany hosoketaina fa manome baiko ny polisy monisipaly hikasi-tanana ny mivarotra amoron-dalana.

Hosoloina PDS ?

Mazava tsara anefa ny resaka fa olon’ny fifampiresahana sy ny fifandeferana i Lalao Ravalomanana fa ireo izay mety mahita tombontsoa amin’ny faminganana azy no be resaka etsy sy eroa. Paikady tsy vahiny amin’ny mahalala ny tontolo politika iny natomboka tamin’ny alarobia hariva eny Analakely iny fa dia tafiditra ao anatin’ireo dingana handrodanana ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana ka hametrahana PDS indray eto an-drenivohitr’i Madagasikara. Miafina any ambadik’ireo milaza ho mpivarotra amoron-dalana ireo olona mivoy io resaka io. Misy efa fantatra ihany moa izy ireo fa hanohy ny fanadihadiana ny mpanao gazety ary tsy maintsy avoaka eo ihany marina satria tsy mety ny mifamitaka sy mifampiesona.Misy koa ny manampahefana ambony mijapy ny raharaha tahaka izao  ary tsy maintsy ho fantatra eny ihany izy io satria tsy misy governemanta maharitra mandrakizay izany eto e !


RTT

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana