Dans la męme rubrique

Fifidianana eto Iarivo Miketrika mafy ny karana …

18/11/2019

Kihon-dalana farany ho an’ny fampielezan-kevitry ny fifidianana ben’ny tanàna ity herinandro ity. Amin’ny heriny anio dia ny alatsinainy 25 novambra no hikatona tanteraka izany.

Fifidianana eto Iarivo Miketrika mafy ny karana …

Hamaky ny tohiny...

Constant Raveloson « Mbola manjaka ny kiantranoantrano eto e ! »

18/11/2019

Nitondra ny heviny mahakasika ny fiainam-pirenena ny mpanao politika, Constant Raveloson.

Constant Raveloson « Mbola manjaka ny kiantranoantrano eto e ! »

Hamaky ny tohiny...

Fitakiana ireo Nosy Malagasy Tsy mora fa tsy maintsy atao

18/11/2019

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny sabotsy teo ny antoko politika Otrikafo manoloana ny fisian’ny fihaonana eo amin’ireo

Fitakiana ireo Nosy Malagasy Tsy mora fa tsy maintsy atao

Hamaky ny tohiny...

Imbiki Herilaza « Ho avy ny fihantsiana sy ady an-kolaka”

18/11/2019

Anio ny fihaonana voalohany eo amin'ny an-daniny Malagasy sy ny an-kilany Frantsay handinihana ny famerenana ny Nosy Malagasy ao amin'ny ranomasimbe indiana.

Imbiki Herilaza « Ho avy ny fihantsiana sy ady an-kolaka”

Hamaky ny tohiny...

Fitakiana ny “Iles Eparses” Ho fandresena tahaka ny an’ny Barea ve ?

18/11/2019

Nanentana ny fitondram-panjakana fa tokony hanangana ny sainam-pirenena fotsy, mena, maitso ny Malagasy rehetra anio alatsinainy 18

Fitakiana ny “Iles Eparses” Ho fandresena tahaka ny an’ny Barea ve ?

Hamaky ny tohiny...

Fananganana tanàna vaovao Azo atao tsara any amin’ny RN1

15/11/2019

Raha tsy maintsy hanao tanĂ na vaovao ihany, andao apetraka ny fotodrafitrasa mifanandrify amin` izany.

Fananganana tanàna vaovao Azo atao tsara any amin’ny RN1

Hamaky ny tohiny...

Tetikasa Tanà-masoandro Manomboka milavo lefona Rajoelina…

15/11/2019

Napetraka omaly ny vatofototry Akademiam-pirenena ho an’ny Kolontsaina sy ny zava-kanto Malagasy na ny ANAC (Academie Nationale des Arts et de la Culture)

Tetikasa Tanà-masoandro Manomboka milavo lefona Rajoelina…

Hamaky ny tohiny...


Politique

Antoko politika madio Hanova ny fomba fanaovana politika eto Madagasikara

18/01/2016

Hanova ny fomba fanaovana politika eto Madagasikara Rakotoarisoa Faniry Alban, fantatry ny maro amin’ny anarana Gangstabab.

 

 Tafatsangana tamim-pomba ofisialy ny sabotsy teo ny fikambanana tarihiny “Antoko Politika Madio” izay notsindriany fa efa nomanina hatramin’ny 19 septambra taona 2015. Tsy azo vidim-bola no sady tsy azo tampenam-bava ireo mpikambana ao aminy  manoloana ireo karazana kiana tokony hatao amin’ny fitondram-panjakana. Tsy misy miditra any anaty  vilanin’ny vahoaka ny fivarotan’ny fanjakana  amin’ny vahiny ny tanin’ny Malagasy, hoy izy.  Tsy misy miditra any am-bilanin’ny vahoaka ihany koa ireo karazana fanondranana an-tsokosoko toy ny andramena sy ny sokatra tratra, ny fisian’ireo sambo lehibe manondrana tsy miato ny harem-pirenena. Tsy eken’ny APM ny fisian’ireo rehetra ireo, Malagasy izay tokony hanankarena tokoa noho ny harena mihoapampana ananany saingy terena hampahantraina noho ny fitiavan-tenan’ny sasany. Nanome hafatra manokana ireo vahiny mbola manjakazaka eo amin’ny tanintsika Rakotoarisoa Alban nandritra izany toy ny hoe : aoka izay ny fanararaotana sy ny fanandevozana. Atsaharo ny fakana ny taninay niampy ny hoe : foano tanteraka ny farasisam-panjanahana. Tanjon’ny APM moa ny hanova ny fomba fanaovana politika eto Madagasikara hanjary ho taratry ny fikambanana hafa.

 

Pati


 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana