Tsindrio eto raha haneho fitarainana

Mpitandro filaminana/Zandarmaria/Polisy

Fakana vola amin'ny tsy rariny

tamin'ny 2016-01-24, navoaka ny 2016-02-24

Mitodika any amin'ny Ministeran'ny Ati-tany,ny Procureur-n'ny Repoblika ao Morondava, ary ny solombavam-bahoaka ny antso ataoko, amin'ny fisamborana tsy an-drariny nataona zandary 1 izay nilaza fa misy omby maloto tao amiko.

Rehefa nosavana anefa ny kahier na omby dia tsy nahitana izany resaka maloto izany; na izany aza tsy navelany raha tsy nanome vola be. Nisy ny famoahana ny ombiko 9 an-tery izay nanaovany taratasy ihany koa; noho ireo malahelo ny tenako ka apetrako aminareo tompon'andraikitra ny hijery akaiky ity zava-mitranga ity.


<< hiverina >>

Copyright 2009 Tia Tanindrazana