Tsindrio eto raha haneho fitarainana

Mpitandro filaminana/Zandarmaria/Polisy

Gendarme Manotra

tamin'ny 2016-02-15, navoaka ny 2016-02-19

Efa tena tsy rariny intsony ny ataon'ireto gendarme ao Mahitsy @ RN4 fa ny maraina be @ 5ora dia manotra eo ireo gendarme andiany voalohany ary miala eo ireo @ 7 ora maraina dia misolo hafa indray ary dia manotra ihany koa.

Rehefa mba tafaresaka tamin'ny iray tamin-dreo ny tenanay dia voalazan'ity gendarme ity fa  ny lehiben-dry zareo mihitsy no tsy manaiky fa tsy maintsy manenjika versement ho azy ka zay no mahatonga ny gendarme hiovaova @zay raha hafa indray ny eo dia tsy maintsy mandrotsaka 1000ar indray ny taxi brousse.

Tsy hanome ilay 1000ar ianao dia ahitany zavatra hitazonana ny papier foana ary dia mailaka ry zareo miteny oe fourriere. Raha mitondra gony misy entana na kesika voatabia ny fiara dia faingana ry zareo manakana maika haka ilay 1000ar, ary aza asiana vola eo anie ao anaty papier e! fa dia ahita ny sarin'i jakoba enao fa tsy afaka eo raha tsy 15.000ar no sady tanisainy eo daolo ty karazana lalana mba hamelezany anao.

Tsy ny taxi brousse ihany fa hatramin'ny BAJAJ sy ny mpivarokena ataon'io tompon'andraikitra io maita faisana avokoa.

Eo Mahitsy eo Bemandomba misy PR ary eo no tena manotra sy miovaova be anatin'ny andro iray.

Gendarme 3 ry zareo no tena manotra eo amin'io faritra io.


<< hiverina >>

Copyright 2009 Tia Tanindrazana