Fil d'actualités du 04/06/2020

  • 04/06/2020 - 17:00 : AFERA BONBONS SUCETTES: Nesorina tamin'ny toerany androany ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena Rijasoa Andriamanana Josoa noho ilay raharaha mahasaringotra azy dia ilay afera 8,4 miliara malaza ho nividianana "bonbons sucettes". Ny minisitry ny fampianarana ambony no miandraikitra vonjimaika ny toerany.

  • 30/05/2020 - 13:30 : CORONAVIRUS: Niampy iray ny maty nampiakatra ny isa ho 6 eto amintsika. 60 kosa ny tranga androany.

  • 29/05/2020 - 17:00 : RAHARAHA BONBONS SUCETTES: Tsy mbola navoaka tao amin’ny kitapom-bolam-panjakana ilay vola 8 miliara ariary. Tsy mpangalatra na mpanao ny tsy mety izahay, olon’ny asa aho ary tany amin’ny tany misy dolara no nody aty amin’ny tany mandray Ariary, hoy ny Minisitry ny Fanabeazana Rijasoa Andriamanana.

  • 29/05/2020 - 16:30 : AMBOLOKANDRINA; Lehilahy anankiroa, 27 sy 43 taona no amoy ny ainy nianjeran'ny tany ny maraina teo. Ora maro no nikarohana ny razana.

  • 29/05/2020 - 14:30 : CORONAVIRUS: 42 ny tranga vaovao notaterina androany. Tafiakatra 698 ny voa rehetra hatramin'izay. 529 mbola tsaboina, ka ny 9 ahiana mafy ny ainy.

  • 29/05/2020 - 14:00 : CORONAVIRUS-VAOVAO LEHIBE: Olona 3 no namoy ny ainy tao Toamasina omaly, ka nampiakatra ny isa ho 5 hatramin'izay nidiran'ny covid-19 teto Madagasikara, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta.

  • 19/05/2020 - 13:25 : COVID-19: Olona 4 vaovao indray no notaterina fa voa androany, ka 2 tany Toamasina, ary 2 teto Antananarivo. 326 ny fitambaran'ny voa hatramin'izay. Nihatsara ilay "forme grave" iray teny Anosiala, ary efa tsy ampiasana "oxygène" intsony.

  • 19/05/2020 - 13:15 : COVID-19: Nohamafisin'ny CCO Covid-19 tamin'ny alalan'ny Pr Vololontiana Hanta ny fahafatesan'ilay Filipianina tao Ambatovy. Tsy notsaboina tamin'ny alalan'ny CVO izy io, hoy ity Profesora ity.

  • 18/05/2020 - 23:00 : VAOVAO LEHIBE-CORONAVIRUS: Teratany Filipianina iray antsoina hoe Ryan Reyes namoy ny ainy tany Ambatovy androany 18 may. Ny taona 2012 izy no nanomboka niasa tao.

  • 17/05/2020 - 12:40 : VAOVAO LEHIBE-CORONAVIRUS: Olona iray 57 taona tao Toamasina no namoy ny ainy vokatry ny coronavirus. Iray tamin'ireo tena natahorana na "formes graves" izy ary nisy tosidrà sady voan'ny diabeta.

Voir plus d'infos...

//

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20200622

Misongadina

Mampihoro-koditra ny coronavirus Tranga vaovao 115 teto Antananarivo…

22/06/2020

Vehivavy iray 54 taona no lavon'ny Coronavirus ny sabotsy 20 jona 2020 teo tany amin’ny Hopitaly Analankininina Toamasina, ka 14 izany ireo rehetra namoy ny ainy hatramin’izao. Nisy tosidra no sady diabetika izy io, raha ny tatitra nataon’ny Pr Vololontiana Hanta omaly.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Gerard Ramamimampionona Tokony hifanatona ny mpanohitra sy ny mpitondra

22/06/2020

Manoloana ny filazana an-gazety ny faran’ny herinandro teo fa miantso ny mpitondra hanatona ny mpanohitra ny filoha lefitry ny filankevitry ny fampihavanana Malagasy, Gerard Ramamimampionona, dia nasiany fanitsiana fa fifanatonana eo amin’ny roa tonta no ilaina.

Hamaky ny tohiny...

Tovonanahary Rabetsitonta « Fotoana hidiran’ny tsy ara-dalàna ho amin’ny ara-dalàna izao »

22/06/2020

Amin’izao fotoan’ny hamehana ara-pahasalamana izao no tokony hanararaotan’ny fanjakana hisarihana ireo sehatra tsy ara-dalàna hiditra amin’ny ara-dalàna hoy ny mpandraharaha Tovonanahary Rabetsitonta.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Angovo maitso Mandeha amin’ny ampombo sy akofa ny fatana Atiala

22/06/2020

Fatana Atiala miisa 1200 no vokarina orinasa kely iray isam-bolana ary hamidy etsy Ampandrana ho fandraisana anjara amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Raha ny fanazavana,

Hamaky ny tohiny...

Malagasy 130 avy any Maorisy Tsy maintsy mihiboka mandritra ny 14 andro

22/06/2020

Malagasy miisa 130 no nigadona tamin’ny fiaramanidin’ny Air Mauritius teny Ivato ny sabotsy lasa teo.Olona niasa tany amin’ity nosy rahavavy ity , na namita iraka, na namangy olona, na nitsabo tena izy ireo ka tavela tany rehefa nampiharina ny fihibohana tanteraka.

Hamaky ny tohiny...

Bonbons sucettes 8 milara ariary Sarotra ny fikarohana ny tena marina

22/06/2020

Miha sarotra ny raharaha « Bonbons sucettes 8 miliara Ar » raha ny vokatry ny fanadihadiana teny amin` ny PAC ny zoma lasa teo.Olona 7 moa no nampidirina am-ponja vonjimaika. Raha ny fanambarana nataon` i Me Willy Razafinjatovo na Maitre Olala,

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo renivohitra Mpitandro ny filaminana 3000 no indray hahetsika

22/06/2020

Vonona tanteraka amin’ny fandraisana ny tsingerin-taona faha-60 niverenan’ny fahaleovantena ny kaominina Antananarivo renivohitra.

Hamaky ny tohiny...

Finoana

Pasitera Fabrice Rabenjarisolo “Tsangambaton’ny teny Malagasy ny baiboly”

22/06/2020

Feno 185 taona katroka omaly alahady 21 jona ny baiboly Malagasy izay zokiny indrindra aty Afrika tamin’ny fandikana azy tamin’ny tenim-pirenena. 55 taona kosa ny Fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy na ny FMBM.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Fantanjahantena an-tsekoly Mbola miato hatrany aloha hatreto

22/06/2020

Na dia efa nisy andiana mpianatra niditra an-tsekoly aza ankehitriny eto amintsika dia ireo izay hanala ny fanadinam-panjakana amin’ity taona ity dia mbola mihatra

Hamaky ny tohiny...

Edito

Mihenjan-droa ny tady

22/06/2020

Mihenjan-droa ny tady saingy fihenjanana hafa kely tsy toy ireo izay nisy hatramin’izay no misy eo amin’ny fitondrana Malagasy sy ireo any ivelan’ny fitondrana.

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana

Antananarivo renivohitra Taxi 100 no efa nahazo ilay “Licence” nomerika

22/06/2020

Natomboka tamin'ny fomba ofisialy ny faran’ny herinandro teo ny fanaovana fahazoan-dalana na “Licence” nomerika ho an'ny mpitondra fiara karetsaka na “Taxi” eto Antananarivo renivohitra.

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana Be loatra ny mpitondra “moto” maty

22/06/2020

Sesilany ny lozam-pifamovoizana tato ho ato ary ny mpitondra “moto” no tena sendra ny loza. Raha tamin` ity farany herinandro ity dia niisa telo ny loza vokatry ny fandehanana mafy teny amin` ny lalàm-pirenena voalohany ary maty avokoa ireo mpamily “moto”.

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana

Fitsaboana Hopitaly manara-penitra 13 no hajoro amin` ity taona ity

22/06/2020

Tamin` ny taona 2019, hopitaly manarapenitra CHRD miisa 13 no natomboka. . CSB II niisa 13 ihany koa no natsangana saingy eo ampamarana ny telo ambiny any Ambodirano (Vondrozo), Bekodoka (Besalampy) ary Manja.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Drafitra Marshall Tsy hita ao ny tena laharam-pahamehana

22/06/2020

Tsy tokony haka tahaka be fahatany ny any ivelany ny fitondram-panjakana tamin’ny famolavolana ny drafi-panarenana ara-toekarena « plan Marshall » hoy ny loholon’i Madagasikara Rafidiarison Remi,

Hamaky ny tohiny...

Vokadratsin’ny coronavirus Latsa-bidy ny ankamaroan’ireo voly fanondrana

22/06/2020

Vokatry ny mbola fisian’ny valan’aretina coronavirus dia tsy mitsaha-mitotongana ny vidin’ny voly fanondrana amin’izao fotoana izao.

Hamaky ny tohiny...

kolontsaina

Siosion-dresaka diabe Tsara ambina ny Rova

22/06/2020

Rakotra mpitandro filaminana niatrana am-bava basy tetsy anoloan’ny kianjan’ny Demokrasia Ambohijatovo ny sabotsy teo, ary tahaka izany ihany koa ny teny amin’ny manodidina ny Rovan’i Manjakamiadana.

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

Ambohidratrimo Zaza 9 taona, maty main’ny herinaratra

22/06/2020

Zava-doza ny andrin-jiro mitondra herinaratra rehefa midaraboka amin’ny tany. Zazalahikely iray vao 09 taona no maty main’ny herinaratra tao Antsaingona, fokontany Ambohijatovo,

Hamaky ny tohiny...

Fahamamoana an-dalambe Mety hampiditra “violon” sy handoavan-tsazy

22/06/2020

Nanambara ry zareo ao amin’ny Kaomisiona nasionaly miady amin’ny alikaola eto Madagasikara fa maro ireo lalàna manididina ny fisotroana zava-pisotro misy alikaola mbola manankery hatramin’izao eto amintsika ka an’isan’izany ny hoe : -

Hamaky ny tohiny...

Fitsarana Anosy Tsy misy déferrement intsony isaky ny sabotsy

22/06/2020

Nofoanana ny fampakarana fampanoavana ireo olona manan-draharaha entin’ny mpitandro ny filaminana eny amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany eny Anosy rehefa, sabotsy faran’ny herinandro.

Hamaky ny tohiny...

Fofona maimbo eny Andraharo Matahotra amin’ny fahasalamany ny mponina

22/06/2020

Misy fofona manempotra ireo mponina miparitaka efa ho volana maromaro izao eny Andraharo eny. Sady maimbo izy io no mahery vaika ary mamoaka rano maintimainty be toy ny misy akora simika rehefa ety ivelany hoy ny mponina.

Hamaky ny tohiny...

Ramamonjisoa Haja Mbola mila fanatsarana ilay lalàna momba ny toaka gasy

22/06/2020

Tsy mitsipaka ny tolo-dalàna mikasika ny Toaka Gasy vao nolanian’ireo sololmbaavmbahoakan’i Madagasikara tamin’ny herinandro lasa teo araka ny tolotra avy amin’ny depiote vaofidy tany Ikongo izahay,

Hamaky ny tohiny...

Ambatondrazaka Mandeha miadana ny fandidiam-bary ankehitriny

22/06/2020

Efa tapitra lasa avokoa ireo olona mpandidy vary avy any amin’ny Faritr’i Vakinankaratra sy Matsiatra Ambony ka niasa taty Ambatondrazaka tamin’ity taom-pamokarana ity,

Hamaky ny tohiny...

Moramanga Tovolahy iray hita faty tao anaty tohodrano

22/06/2020

Ny sabotsy maraina teo tokony ho tamin’ny 08 ora sy fahefany vao hita ny nofo mangatsiakan’ilay tovolahy iray antsoina hoe :

Hamaky ny tohiny...

Famokarana saribao ekolojika Mbola malalaka ny tsena

22/06/2020

Isan’ny mampirisika ny famokarana sy fanjifana saribao ekolojika, ankoatran’ny minisiteran’ny tontolo iainana ny ankamaroan’ireo mpisehatra eo amin’izany tontolo iainana izany ankehitriny.

Hamaky ny tohiny...

Fetin'ny ray - akany Ambatolampy Kamboty 69 mianadahy notolorana fanampiana

22/06/2020

Ny ankamaroan'ny ankizy tezaina ao amin'ny akany fitaizana zaza kamboty ao Ambatolampy dia tsy manana izany atao hoe "Dada" izany intsony indrindra amin'izao fankalazana ny fetin'ny Ray izao.

Hamaky ny tohiny...

Covid 19

Fitsaboana ny Coronavirus Tsy re intsony ilay tsindrona CVO…

22/06/2020

Nandeha ny tambavy. Nolazaina fa maro ireo tsy nahazaka azy ka noho izany tsy maintsy miditra amina dingana vaovao i Madagasikara dia ny fanindromana. Teo ny hoe fampiasana ihany koa ireo fikarohana avy amin’ireo namana avy any dilambato hidirana amin’izay resaka tsindrona na “injection”.

Hamaky ny tohiny...

Miantso ny fanjakana ny depiote Todisoa Misesy ny faty olona eny Anosivavaka

22/06/2020

Nanaitra ny mponinao ao Anosivavaka, Boriborintany fahaenina Ambohimanarina Antananarivo ny fisiana faty olona nifanesisesy niseho ny faramparan’ny herinandro iny.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana