Fil d'actualités du 04/06/2020

  • 04/06/2020 - 17:00 : AFERA BONBONS SUCETTES: Nesorina tamin'ny toerany androany ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena Rijasoa Andriamanana Josoa noho ilay raharaha mahasaringotra azy dia ilay afera 8,4 miliara malaza ho nividianana "bonbons sucettes". Ny minisitry ny fampianarana ambony no miandraikitra vonjimaika ny toerany.

  • 30/05/2020 - 13:30 : CORONAVIRUS: Niampy iray ny maty nampiakatra ny isa ho 6 eto amintsika. 60 kosa ny tranga androany.

  • 29/05/2020 - 17:00 : RAHARAHA BONBONS SUCETTES: Tsy mbola navoaka tao amin’ny kitapom-bolam-panjakana ilay vola 8 miliara ariary. Tsy mpangalatra na mpanao ny tsy mety izahay, olon’ny asa aho ary tany amin’ny tany misy dolara no nody aty amin’ny tany mandray Ariary, hoy ny Minisitry ny Fanabeazana Rijasoa Andriamanana.

  • 29/05/2020 - 16:30 : AMBOLOKANDRINA; Lehilahy anankiroa, 27 sy 43 taona no amoy ny ainy nianjeran'ny tany ny maraina teo. Ora maro no nikarohana ny razana.

  • 29/05/2020 - 14:30 : CORONAVIRUS: 42 ny tranga vaovao notaterina androany. Tafiakatra 698 ny voa rehetra hatramin'izay. 529 mbola tsaboina, ka ny 9 ahiana mafy ny ainy.

  • 29/05/2020 - 14:00 : CORONAVIRUS-VAOVAO LEHIBE: Olona 3 no namoy ny ainy tao Toamasina omaly, ka nampiakatra ny isa ho 5 hatramin'izay nidiran'ny covid-19 teto Madagasikara, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta.

  • 19/05/2020 - 13:25 : COVID-19: Olona 4 vaovao indray no notaterina fa voa androany, ka 2 tany Toamasina, ary 2 teto Antananarivo. 326 ny fitambaran'ny voa hatramin'izay. Nihatsara ilay "forme grave" iray teny Anosiala, ary efa tsy ampiasana "oxygène" intsony.

  • 19/05/2020 - 13:15 : COVID-19: Nohamafisin'ny CCO Covid-19 tamin'ny alalan'ny Pr Vololontiana Hanta ny fahafatesan'ilay Filipianina tao Ambatovy. Tsy notsaboina tamin'ny alalan'ny CVO izy io, hoy ity Profesora ity.

  • 18/05/2020 - 23:00 : VAOVAO LEHIBE-CORONAVIRUS: Teratany Filipianina iray antsoina hoe Ryan Reyes namoy ny ainy tany Ambatovy androany 18 may. Ny taona 2012 izy no nanomboka niasa tao.

  • 17/05/2020 - 12:40 : VAOVAO LEHIBE-CORONAVIRUS: Olona iray 57 taona tao Toamasina no namoy ny ainy vokatry ny coronavirus. Iray tamin'ireo tena natahorana na "formes graves" izy ary nisy tosidrà sady voan'ny diabeta.

Voir plus d'infos...

03/07/2020

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20200616

Misongadina

Rivo Rakotovao Hanarona ny vitan-dRajao ve no mahamaika eto ?

16/06/2020

Fanatsarana ve sa fanakonana ny teo aloha no atao ? hoy ny Filohan’ny Antenimierandoholona mahakasika ny fikitihana ny fotodrafitrasa nataon’ny fanjakana Rajaonarimampianina, toy ny ao Mahajanga.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Andry Rajoelina Maro ny zavatra mifanipaka ambarany…

16/06/2020

Voafehy ny valanaretina coronavirus eto Madagasikara, raha ny nambaran’ny Filoha Rajoelina ny alahady teo.

Hamaky ny tohiny...

Praiminisitra Ntsay Christian Laharampahamena ny ady amin` ny kolikoly

16/06/2020

Ny Andininy faha-101 ao amin’ny Lalàmpanorenana dia milaza fa anjaran’ny governemanta no manao tatitra ny asa vitany eto anatrehanareo solombavambahoaka

Hamaky ny tohiny...

Fanehoan-kevitra tao amin’ny facebook Hitory vadina minisitra ny RMDM

16/06/2020

ny volana aprily teo, tao anaty tambazotran-tseraserany dia nanapa-kevitra ny avy eo anivon’ny Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara na RMDM fa hitory azy.

Hamaky ny tohiny...

Fomba fiasa sy fitantanana Nokianin’ny firaisamonim-pirenena ny filoha

16/06/2020

Ny filoha no tokony tsaraina sy tombanana amin’ny asa vitany. Tsy manana fahalalahana ny praiminisitra sy ny governemanta, fa voabahan’ny Filoha, hoy ny Firaisamonim-pirenena Voifiraisana.

Hamaky ny tohiny...

Asam-panjakana Teknolojia vaovao no handrindrana azy

16/06/2020

Nambaran` ny praiminisitra hatrany fa momba ny paik'ady amin'ny “E-gouvernance” hanatsarana ny fampandehanana ny asa rehetra dia efa ampiasaina amin’izao fotoana izao ny rindrambaiko “AUGURE” itantanana ny mpiasam-panjakana.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Fianarantsoa Saika niharan’ny fitsaram-bahoaka ilay mpanary zaza

16/06/2020

Tsy hay intsony na fakana an-keriny na fanarian-janaka no nataona lehilahy iray tratra nanary zaza iray tao Mandalahy ao Fianarantsoa omaly tolakandro. Mpifanolo-bodirindrina no mailo

Hamaky ny tohiny...

Manandriana Lehilahy iray tratra tsy nanao arotava nanindron’antsy polisy

16/06/2020

Polisy iray niampy olon-tsotra iray no notsindrona lehilahy iray tratra tsy nanao aron-tava tamin’ny antsy tany amin’ny kaominina ambanivohitra Anjomanakona, Ambovombe Centre,

Hamaky ny tohiny...

TOLIARA I Handraisana fepetra ireo tokantrano tsy manangan-tsaina

16/06/2020

Mbola tsy misy manangan-tsaina hatreto ny ankamaroan’ireo tokantrano ao Toliara I na dia 11 andro eo ho eo aza sisa dia hankalaza ny tsingerin-taona faha-60 niverenan’ny fahaleovantena isika.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Fampanantenana efa ho lava !

16/06/2020

Mirarakopana hatrany ny fampanantenan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina isaky ny fotoana hanaovany valandresaka ho an’ny vahoaka Malagasy. Tena betsaka sy tsy tambo isaina, ary matetika misy zava-baovao isaky ny tapa-bolana.

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana

Minisitry ny atitany “Afaka mandeha malalaka ny zotra rejionaly”

16/06/2020

Nanamafy ny voalazan’ny Filoham-pirenena ny minisitry ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana sady Filohan’ny CCO Covid-19 fa ny distrika rehetra ankoatra an’i Toamasina I, Toamasina II, Moramanga, Fenoarivo Atsinanana ary ny Faritra Analamanga dia noezahina hiverina amin’ny laoniny ny fiainana andavanandro.

Hamaky ny tohiny...

Fivezivezena amin’ny lakan-dranon’i Pangalana Hentitra ny fanaraha-maso any Mananjary

16/06/2020

Araka ny vaovao voaray avy any an-toerana dia entitra dia entitra tokoa ny tompon’andraikitra mahefa any amin’ny distrikan’i Mananjary

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Oniversitem-panjakana Hampiditra mpampianatra 600 isa

16/06/2020

Miisa 1 028 823 ny mpianatry ny oniversitem-panjakana eto Madagasikara, raha ny tatitry ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa. 17 66

Hamaky ny tohiny...

Sekoly tsy miankina Tsy voajery mihitsy…

16/06/2020

Ireo mpianatra tsy manala fanadinam-panjakana (classes intermediaires) dia tsy mbola miverina an-tsekoly. Nanamafy moa ny minisitry ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana no sady filohan` ny CCO COVID-19, Tianarivelo Razafimahefa, fa “ny fiverenan` ireo mpianatra an-tsekoly dia natokana ho an` ireo mpianatra manala fanadinana.

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana

Ady amin’ny fiparitahan’ny viriosy Manana ny lanjany ny fitsaboana amin’ny zava-maniry

16/06/2020

Mbola tena ao anatin’ny ady hatao amin’ny fiparitahan’ny tsimok’aretina COVID 19 isika ankehitriny.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Fitrandrahana drakaka Misy orinasa Sinoa mampiahiahy any Toliara

16/06/2020

Namoaka fampitam-baovao ny Vovonam-pirenena momba ny jono sy ny arena anaty rano, ny SANSAFA Madagascar (Southern African Non-State Actors Platformes in Fisheries and Aquaculture) sy ny RENAFEP Madagascar (Réseaux National des Femmes de la pêche,

Hamaky ny tohiny...

Fizahan-tany anatiny “Miandry ny fanokafana ny fifamevezivezena”

16/06/2020

Efa miroso amin` ny fametrahana sahady ny fampiroboroboana ny sehatry ny fizahan-tany ny ministeran` ny fitatera sy ny fizahan-tany ankehitriny. Tsy maintsy tsinjovana dieny izao ity sehatra ity hahafahan` ireo mpisehatra miarina ao anatin` izao fahamehana ara-pahasalamana izao,

Hamaky ny tohiny...

Tsena-barom-panjakana isam-paritra Ho voafehy ve ny kolikoly ?

16/06/2020

Nanambara ny Praiministra Ntsay Christian omaly manoloana ireo depiote fa anisan’ny fiovana goavana hatomboka amin’ity taona ity ny famindrana ny fitantanana ny tsena-baro-panjakana any amin’ny faritra toy ny fananganana sekoly sy tsena ary biraom-panjakana isan-karazany.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Fametrahana ny fandriampahalemana Basy 921 tratra, vahiny 55 noroahina,…

16/06/2020

Novatsiana fiaramanidina fitaterana CASA iray, fiaramanidina kely CESSNA dimy, angidim-by efatra, fiara tsy mataho-dalana 140 ary moto amam-polony ny mpitandro filaminana ny taona 2019, araka ny tatitry ny Praiminisitra Ntsay Christian tamin’ny solombavambahoaka omaly.

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

TANORA MALAGASY Resy lahatra amin’ny Fitsaboana nentim-paharazana ny ankamaroany

16/06/2020

Fomba fitsaboana iray nahazo vahana teto amintsika hatramin’ny niparitahan’ny tsimok’aretina COVID 19 ny fitsaboana nentim-paharazana na dia efa ela aza no nisiany.

Hamaky ny tohiny...

Faktiora midangan’ny Jirama Ahiana hampitroatra vahoaka…

16/06/2020

Mampikaikaika ny faktioran’ny Jirama amin’izao fotoana izao, izay roa na telo no tonga ao anatin’ny iray volana noho ilay fomba fiasa vaovao « facturation par lots ».

Hamaky ny tohiny...

Fanampiana ara-tsakafo Miala any ny Kaly Tsinjo

16/06/2020

Nanambara ny filoha Rajoelina omaly fa hisy ny fametrahana ny atao hoe Kaly Tsinjo na Kaly Mora ho an` Antananarivo, Toamasina, Ambovombe, Tsihombe, Beloha, Bekily, Amboasary, Betroka, Ampanihy.

Hamaky ny tohiny...

Covid 19

IPM sy fitondram-panjakana Efa milamina ny resaka ?

16/06/2020

1 volana izay no lasa. Nisavorovoro ny sain’ny mpanara-baovao satria tsy nitovy ny antontan’isana mararin’ny Covid 19 navoakan’ny fanjakana Malagasy izay 35 isa sy ny sampan-draharahan’ny firenena mikambana misahana ny fahasalamana, 67 isa.

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus Manakaiky ny 1300 ny voa …

16/06/2020

Niampy 18 ireo marary vaovao ka nampiakatra ny isan’ireo voa hatrizay ho 1290, izany hoe 10 sisa dia ho tratra ny 1300. 7 tamin’ireo tranga vaovao no teto Antananarivo, 10 tany Toamasina, 1 tany Analanjirofo izay ao anatin’ny faritanin’i Toamasina ihany, ary ny 1 tany Ihorombe.

Hamaky ny tohiny...

Toamasina Maro no mitaraina ho tsy maheno tsiron-kanina…

16/06/2020

Maro be ny olona aty amin’izao no milaza fa tsy maheno fofona sy tsy maheno tsiron-kanina, hoy ny loharanom-baovao iray avy any Toamasina. Efa anisan’ny soritraretin’ny coronavirus io, hoy ny fanehoan-kevitra na valin-teny avy amin’ny mpitsabo.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana