Fil d'actualités du 04/06/2020

  • 04/06/2020 - 17:00 : AFERA BONBONS SUCETTES: Nesorina tamin'ny toerany androany ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena Rijasoa Andriamanana Josoa noho ilay raharaha mahasaringotra azy dia ilay afera 8,4 miliara malaza ho nividianana "bonbons sucettes". Ny minisitry ny fampianarana ambony no miandraikitra vonjimaika ny toerany.

  • 30/05/2020 - 13:30 : CORONAVIRUS: Niampy iray ny maty nampiakatra ny isa ho 6 eto amintsika. 60 kosa ny tranga androany.

  • 29/05/2020 - 17:00 : RAHARAHA BONBONS SUCETTES: Tsy mbola navoaka tao amin’ny kitapom-bolam-panjakana ilay vola 8 miliara ariary. Tsy mpangalatra na mpanao ny tsy mety izahay, olon’ny asa aho ary tany amin’ny tany misy dolara no nody aty amin’ny tany mandray Ariary, hoy ny Minisitry ny Fanabeazana Rijasoa Andriamanana.

  • 29/05/2020 - 16:30 : AMBOLOKANDRINA; Lehilahy anankiroa, 27 sy 43 taona no amoy ny ainy nianjeran'ny tany ny maraina teo. Ora maro no nikarohana ny razana.

  • 29/05/2020 - 14:30 : CORONAVIRUS: 42 ny tranga vaovao notaterina androany. Tafiakatra 698 ny voa rehetra hatramin'izay. 529 mbola tsaboina, ka ny 9 ahiana mafy ny ainy.

  • 29/05/2020 - 14:00 : CORONAVIRUS-VAOVAO LEHIBE: Olona 3 no namoy ny ainy tao Toamasina omaly, ka nampiakatra ny isa ho 5 hatramin'izay nidiran'ny covid-19 teto Madagasikara, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta.

  • 19/05/2020 - 13:25 : COVID-19: Olona 4 vaovao indray no notaterina fa voa androany, ka 2 tany Toamasina, ary 2 teto Antananarivo. 326 ny fitambaran'ny voa hatramin'izay. Nihatsara ilay "forme grave" iray teny Anosiala, ary efa tsy ampiasana "oxygène" intsony.

  • 19/05/2020 - 13:15 : COVID-19: Nohamafisin'ny CCO Covid-19 tamin'ny alalan'ny Pr Vololontiana Hanta ny fahafatesan'ilay Filipianina tao Ambatovy. Tsy notsaboina tamin'ny alalan'ny CVO izy io, hoy ity Profesora ity.

  • 18/05/2020 - 23:00 : VAOVAO LEHIBE-CORONAVIRUS: Teratany Filipianina iray antsoina hoe Ryan Reyes namoy ny ainy tany Ambatovy androany 18 may. Ny taona 2012 izy no nanomboka niasa tao.

  • 17/05/2020 - 12:40 : VAOVAO LEHIBE-CORONAVIRUS: Olona iray 57 taona tao Toamasina no namoy ny ainy vokatry ny coronavirus. Iray tamin'ireo tena natahorana na "formes graves" izy ary nisy tosidrà sady voan'ny diabeta.

Voir plus d'infos...

03/07/2020

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20200611

Misongadina

Coronavirus Niampy iray indray ny maty

11/06/2020

Vehivavy iray 61 taona, notsaboina tao amin'ny hopitaly manarapenitra CHU Morafeno Toamasina no namoy ny ainy. Diabetika no sady nisy tosidra ambony ity vehivavy ity, raha ny tatitra nataon’ny Pr Vololontiana Hanta.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Christine Razanamahasoa Tsy hanaiky lembenana amin` ny fanesorana azy

11/06/2020

“Amin` ny maha solombavambahoaka ahy, lany tamin` ny 2è “mandat” aho. Voafaritra fa efa tsy maintsy mivonona hatrany misedra amin` izany

Hamaky ny tohiny...

Solon’i Thierry Rakotonarivo CENI Nahemotra indray ny fifidianan’ireo depiote

11/06/2020

Tafiditra ao anatin’ny lahadiniky ny Antenimieram-pirenena amin’izao fivoriana ara-potoana izao ny fifidianana izay hisolo ny toerana banga ao amin’ny Vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI).

Hamaky ny tohiny...

Fanonganana ny mpikambana ao amin'ny birao maharitra Fanakorontanana fotsiny hoy ireo depiote

11/06/2020

Naneho ny heviny ny solombavambahoakan'i Sambava mivondrona ao amin'ny GPR fa mbola mahavita ny asany ny Birao maharitra.

Hamaky ny tohiny...

Vaomiera misahana ny fampianganana eny amin`ny HCJ Tsy raikitra ihany koa ny fifidianana teny amin’ny CCI

11/06/2020

Fandaharam-potoana tafiditra teo amin` ny Antenimieram-pirenena ny solontenan` izy ireo eo amin` ny Fitsarana ambony (HCJ).

Hamaky ny tohiny...

Lalàna mifehy ny fanoherana Ny 25 jona izao no handaniana azy

11/06/2020

Adihevitra tsy mety vita ny mahakasika ny lalàna mifehy ny fanoherana eto amin’ ny firenena.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Tsarafasina Moramanga 7 andro anio niaina ao anaty haizina

11/06/2020

Miditra amin’ny andro faha-7 anio alakamisy11 jona 2020 ny fiaiainan’ny mponina ao amin’ny fokontanin’i Tsarafasina distrikan’i Moramanga Faritra Alaotra Mangoro noho ny fahamaizan’ny “Transfo”

Hamaky ny tohiny...

Etazonia Lany andro ny pasipaoron’ireo Malagasy 2000

11/06/2020

Malagasy miisa 2000 any Etazonia no lany andro ny pasipaoron’izy ireo, kanefa tsy afaka mody aty an-tanindrazana,

Hamaky ny tohiny...

Lalàna mifehy ny Toaka Gasy Miandry ny Antenimierandoholona

11/06/2020

Efa vita ny anjara asa ny Antenimieram-pirenena mikasika ny tolo-dalàna lah. faha 03-2019/PL mikasika ny famokarana sy famarotana ny toaka gasy. Amin’ ny 19 jona izao no mandalo asam-baomiera eo anivon’ ny

Hamaky ny tohiny...

Sport

Romain Metanire Ankafizin’ny mpanao gazety amerikanina

11/06/2020

Araka ny fandaharan’ny mpanao gazety eo anivon’ny Major soccer league news na ny gazety natokana ho an’ny fifaninanam-pirenena amerikanin’ny baolina kitra dia ilay malagasy, Romain Metanire,

Hamaky ny tohiny...

Roger Federer Amin’ny 2021 vao hiverina hilalao

11/06/2020

Taorian’ny nandidiana ny lohaliny indray dia nanambara tamin’ny tambazotran-tserasera omaly alarobia 10 jona 2020 ilaympilalao tenisy Soisa kalaza mitana ny laharana faha-4

Hamaky ny tohiny...

Ligin’ny baolina kitra - Matsiatra Ambony Nahatsiaro manokana an’ireo andriambavilanitra

11/06/2020

Amin’ny maha-vehivavy mpitantana ny baolina kitra ao amin’ny ligin’i Matsiatra Ambony azy dia tsy nanadino velively an’ireo renim-pianakaviana toa azy ny filohan’ity rafitra ity,

Hamaky ny tohiny...

Edito

Ho sangany amin’ny inona marina ?

11/06/2020

Raharaha nafana teto amin’ny firenena ny tetikasa fananganana ny tanàna vaovao Tanamasoandro, izay nisiana fifanjevoana tamin’ireo mponina.

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana

Zotra nasionaly Nolavin’ny minisitra ny fangatahana hiasa

11/06/2020

Mbola tsy azo sokafana ny nasionaly sy ny rejionaly noho ny zavatra mitranga, mbola tena misy sy mitombo ny valanaretina, hoy ny Minisitry ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro Joel Randriamandranto.

Hamaky ny tohiny...

Ankazondandy Misy lalana simba atahorana hampidi-doza

11/06/2020

Lalam-pirenena faha 3, eo amin’ny manodidina ny PK45, anatin’ny kaominin’Ankazondandy,

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana

Faritra Atsinanana Nametrahana ivontoerana ara-pahasalamana manokana

11/06/2020

Tonga nijery ifotony ny fametrahana ny ivon-toerana ara-pasalamana manokana momba ny fahamehana ara-pahasalamana ho an’ny faritra Atsinanana omaly ireo tomponandraiki-panjakana any an-toerana.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Fizahan-tany anatiny Sehatra azo trandrahana tsara

11/06/2020

Anisan’ny sehatrasa mizaka ny tsy eran’ny aina ary potika tanteraka noho ny fipariahan’ny covid-19 maneran-tany ny tontolon’ny fizahantany. Maloka tanteraka, araka izany, ny hoavin’ny fizahantany hatreto noho ny “coronavirus”.

Hamaky ny tohiny...

kolontsaina

Olobe eto Madagasikara Manameloka ny fananganana ny “Colisée”

11/06/2020

Niray feo tamin’ny alalan’ny Antenimieran’ny olobe eto Madagasikara (AOM) ireo olobe manerana ny nosy manoloana ny fananganana Colisée eny anatirova. Nanambara ny AOM fa mitana haren-tsaina sarobidy ny rova.

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

FI.TRA.MA Hanokatra hopitaly hitsaboana ireo mararin’ny AVC

11/06/2020

Ny 35 %-n’ny Malagasy tamin’ny taona 2015 no fantatra fa tratry ny aretina AVC na ny fahatapahan’ny lalan-drà araka ny fanadihadiana nataon’ny Association de Médecine Physique et de Réadaptation à Madagascar ( AMPR).

Hamaky ny tohiny...

Imerintsiatosika Olona 11 nafenina tao anaty kamiao

11/06/2020

Kamiao mpanangom-bokatra hiakatra ho aty Antananarivo no fantatra omaly fa tra-tehaky ny Polisy tetsy Imerintsiatosika.

Hamaky ny tohiny...

Namontana Hampidirina ao anaty tsena avokoa ny mpivarot ra

11/06/2020

Nidina ifotony teny amin’ny tsenan’Anosibe omaly ny Ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra Naina Andriantsitohaina.

Hamaky ny tohiny...

Federasionin’ny mpanao asa tanana “Ho laharam-pahamehana ny fametrahana azy”

11/06/2020

Ho atao laharam-pahamehana ny fametrahana ny federasionin’ny mpanao asa tanana izay mamondrona ireo seha-pihariana miisa 114 miompana amin’izay resaka asa tanana izay,

Hamaky ny tohiny...

Miarinarivo Zazalahy 16 taona nanolana zaza 8 taona

11/06/2020

Tovolahy iray, 16 taona monja no tra-tehaky ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’i Miarinarivo rehefa avy nanolana zaza vavikely iray vao 8 taona Alatsinainy 08 jona teo tao amin’ny tsenan’i Miarinarivo.

Hamaky ny tohiny...

Alaotra Mangoro Miaramila iray matin’ny tazomoka

11/06/2020

Miaramila iray no nodimandry vokatry ny tazomoka mahery nahazo azy tany Ambatondrazaka omaly maraina. Miasa amin’ny barazy na ny sakana ao Ranofotsy amin’iny làlam-pirenena faha-44 iny izy io.

Hamaky ny tohiny...

Mpivarotra sainam-pirenena Mahavita dia an-tongotra 15 km isan’andro

11/06/2020

Nanomboka ny 01 Jona lasa teo no mandehandeha mitety tanana ireo mpivarotra sainam-pirenena ho fankalazana ny tsingerin-taona faha-60 niverenan’ny fahaleovantena.

Hamaky ny tohiny...

Antsirabe Milamindamina ny fiainam-bahoaka

11/06/2020

Milamindamina ihany amin’ny ankapobeny ny fiainam-bahoaka ao an-tanànan’Antsirabe Faritr’i Vakinankaratra raha ny vaovao voaray avy any an-toerana amin’ny ankapobeny.

Hamaky ny tohiny...

Madagasikara 16 tapitrisa no mbola tsy mahazo rano fisotro madio

11/06/2020

Nanatanteraka famelabelaran-kevitra narahina adihevitra teny amin’ny Antenimierandoholona ny “WaterAid” omaly 10 jona 2020. Fiaraha-monim-pirenena miandraikitra ny rano ny “WaterAid”

Hamaky ny tohiny...

Toetry ny andro Hiakatra kely ny maripana manomboka anio

11/06/2020

Mbola hamirifiry ny hatsiaka rehefa maraina ato anatin'ny telo andro ho avy, raha ny fanazavan’ny sampan-draharaha mpamanatra ny mety ho toetry ny andro.

Hamaky ny tohiny...

Covid 19

Mararin’ny covid-19 ny toekarena Tafiakatra 4 308,47 Ar ny Euro iray

11/06/2020

Tafiakatra 4 308,47Ar ny sandan’ny 1euro omaly 12 jona, izay midika fa mitotongana tanteraka ny sandam-bola Malagasy. Tarehimarika tsy mbola fahita io hatramin’izay, izay midika fa ao anatin’ny fitotongan’ny toekarena tanteraka ny firenena Malagasy.

Hamaky ny tohiny...

Antanety II Ivontovorona 8 mianaka ahiana ho tratry ny Covid 19

11/06/2020

Olona 8 mianaka amin’ny 13 no ahiana ho tratry ny Covid 19 ao Antanety II, Fokontany Ivontovorona, kaominina Alakamisy Fenoarivo.

Hamaky ny tohiny...

Voan’ny Coronavirus Olona 100 karohana…

11/06/2020

Manohitra sy tsy mety hoentina any amin’ny Hopitaly ny ankamaroan’ireo olona voamarina fa voan’ny coronavirus any Toamasina, raha ny fampitam-baovao avy any an-toerana.

Hamaky ny tohiny...

Repoblikan’i Tchad Naka CVO 20 000 indray, hanandrana ilay tsindrona

11/06/2020

Taorian’ny fahombiazan’ny fampiasana ny Tambavy CVO tamin’ny fitsaboana ireo mararin'ny coronavirus tao aminy, dia namerina nandefa fiaramanidina manokana teto Madagasikara ny Repoblikan’i Tchad,

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana