Fil d'actualités du 04/06/2020

  • 04/06/2020 - 17:00 : AFERA BONBONS SUCETTES: Nesorina tamin'ny toerany androany ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena Rijasoa Andriamanana Josoa noho ilay raharaha mahasaringotra azy dia ilay afera 8,4 miliara malaza ho nividianana "bonbons sucettes". Ny minisitry ny fampianarana ambony no miandraikitra vonjimaika ny toerany.

  • 30/05/2020 - 13:30 : CORONAVIRUS: Niampy iray ny maty nampiakatra ny isa ho 6 eto amintsika. 60 kosa ny tranga androany.

  • 29/05/2020 - 17:00 : RAHARAHA BONBONS SUCETTES: Tsy mbola navoaka tao amin’ny kitapom-bolam-panjakana ilay vola 8 miliara ariary. Tsy mpangalatra na mpanao ny tsy mety izahay, olon’ny asa aho ary tany amin’ny tany misy dolara no nody aty amin’ny tany mandray Ariary, hoy ny Minisitry ny Fanabeazana Rijasoa Andriamanana.

  • 29/05/2020 - 16:30 : AMBOLOKANDRINA; Lehilahy anankiroa, 27 sy 43 taona no amoy ny ainy nianjeran'ny tany ny maraina teo. Ora maro no nikarohana ny razana.

  • 29/05/2020 - 14:30 : CORONAVIRUS: 42 ny tranga vaovao notaterina androany. Tafiakatra 698 ny voa rehetra hatramin'izay. 529 mbola tsaboina, ka ny 9 ahiana mafy ny ainy.

  • 29/05/2020 - 14:00 : CORONAVIRUS-VAOVAO LEHIBE: Olona 3 no namoy ny ainy tao Toamasina omaly, ka nampiakatra ny isa ho 5 hatramin'izay nidiran'ny covid-19 teto Madagasikara, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta.

  • 19/05/2020 - 13:25 : COVID-19: Olona 4 vaovao indray no notaterina fa voa androany, ka 2 tany Toamasina, ary 2 teto Antananarivo. 326 ny fitambaran'ny voa hatramin'izay. Nihatsara ilay "forme grave" iray teny Anosiala, ary efa tsy ampiasana "oxygène" intsony.

  • 19/05/2020 - 13:15 : COVID-19: Nohamafisin'ny CCO Covid-19 tamin'ny alalan'ny Pr Vololontiana Hanta ny fahafatesan'ilay Filipianina tao Ambatovy. Tsy notsaboina tamin'ny alalan'ny CVO izy io, hoy ity Profesora ity.

  • 18/05/2020 - 23:00 : VAOVAO LEHIBE-CORONAVIRUS: Teratany Filipianina iray antsoina hoe Ryan Reyes namoy ny ainy tany Ambatovy androany 18 may. Ny taona 2012 izy no nanomboka niasa tao.

  • 17/05/2020 - 12:40 : VAOVAO LEHIBE-CORONAVIRUS: Olona iray 57 taona tao Toamasina no namoy ny ainy vokatry ny coronavirus. Iray tamin'ireo tena natahorana na "formes graves" izy ary nisy tosidrà sady voan'ny diabeta.

Voir plus d'infos...

//

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20200608

Misongadina

Nidangana ny isa ho an’Antananarivo Niampy 2 ny matin’ny coronavirus

08/06/2020

Niampy roa ireo namoy ny ainy vokatry ny valanaretina coronavirus eto Madagasikara.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Alban Rakotoarisoa Nanakiana mafy dia mafy an-dRajoelina

08/06/2020

Tapitra ny 100 andro, efa fanovana governemanta fanintelony na faninefany no nisy, kanefa nireharehany ny hoe hitady “cerveaux” na avy eto an-toerana na avy any ivelany, ka tsy nisy “cerveau” daholo ve ireo tao ireo?

Hamaky ny tohiny...

Fanakianana ny fanjakana Rajoelina Nadoboka eny Antanimora i Berija

08/06/2020

Nadoboka am-ponja vonjimaika eny Antanimora ny sabotsy lasa i Berija Ravelomanantsoa taorian’ny fitazonana azy teny amin’ny Borigady misahana ny heloka bevava eny Fiadanana nanomboka ny alahady 31 mey lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Antoko Fanorolahy Ny ady amin’ny coronavirus izao no tena maika

08/06/2020

Ny ady amin’ny fahavalo iombonana dia ny coronavirus amin’izao no tena maika ho an’ny antoko Fanorolahy, tarihin’ny filoha nasionaliny JoséRandrianary.

Hamaky ny tohiny...

Depiote Naivo Raholdina Lasa mpamono afon’ny fitondrana

08/06/2020

Tsapa indray tato ato fa ampiasain’ny fitondrana hamono afo fotsiny ny Solombavam-bahoakan’ny Boriborintany faha-5 Naivo Raholdina.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Antananarivo renivohitra Miverina amin’ny laonina ny fiainana…

08/06/2020

Efa azo ambara ho miverina amin’ny laoniny ny fiainan’ireo mponina eto Antananarivo renivohitra, raha mijery ny zava-mitranga eny amin’ny

Hamaky ny tohiny...

COI Nahemotra ny fihaonambe amin` ny 25 jona

08/06/2020

Fotoan-dehibe hafa foana indray. Nisy ny filankevitry ny ministra mpikambana eo anivon` ny vaomieran` ny Ranomasimbe Indianina (COI) ny zoma lasa teo ka tapaka fa hahemotra amin` ny fotoana manaraka ny fihaonamben` ireo filoham-pirenena sy governemanta, andiany fahadimy,

Hamaky ny tohiny...

Ampamoaka any anaty gazety Mifampitady i Lola R sy Lalatiana A

08/06/2020

Vaky ny ady eo amin’ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo, sy ny mpanolontsain’ny minisitry ny tetibola, Lola Rasoamaharo.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Tsy maha taitra intsony

08/06/2020

Efa tsy maha taitra intsony ny fiarahamonina Malagasy amin’ny ankapobeny ny fanapahan-kevitra raisin’ny fitondram-panjakana ao anatin’izao hahamehana ara-pahasalamana izao.

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana

Mpianaka voadonan’ny kamiao Niparitaka ny atidohan’ilay zaza

08/06/2020

Lozam-piarakodia mahatsiravina no nitranga teny Avaradoha, akaikin’ny Institut Pasteur, ny sabotsy teo,

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Ranomasimbe Indianina Hamporisihana hanjifa ny « Vita Malagasy»

08/06/2020

Nandritra ny fivorian` ny filankevitry ny ministra eo anivon` ny COI ny zoma lasa teo dia nanao ny tatitra momba ny ezaka nataon` i Madagasikara tamin` ny ady amin` ny “coronavirus” ny ministry ny raharaham-bahiny, Tehindrazanarivelo Djacoba A. S. Liva.

Hamaky ny tohiny...

kolontsaina

Jean Eric Rakotoarisoa “Hajao Andriamanitra, hajao ny Razanao!”

08/06/2020

Misy zavatra iray tsara ho fantatrareo. Ireo izay mahalala ny tantaran’i Madagasikara, ny tantara tena izy fa tsy ny tantara ôfisialy, dia mahafantatra fa ity taona 2018 ity dia fotoana tokony hamerenana ny hasim-piandrianan’ny Fanjakana Malagasy very sy novonoina ary nofafàna tamin’ny fanjanahantany.

Hamaky ny tohiny...

Misaona ny tontolon’ny sarimihetsika Nodimandry i Thomas Raoelijaona

08/06/2020

Misaona ny tontolon’ny sarimihetsika Malagasy satria dia nodimandry ny marainan’ny sabotsy teo ny mpilalao sarimihetsika,

Hamaky ny tohiny...

Fananganan-tsaina Maro no tsy mivaky loha intsony

08/06/2020

Vanim-potoana miavaka ho an’ny firenena Malagasy ny volana jona hisian’ny fananganan-tsaina noho izy manamarika ny fetim-pirenena. Tsikaritra amin’izao fotoana izao fa maro ny trano sy tokantrano tsy marisika sy tsy mahatsapa tena.

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

Fampiatoana ny «Tanàmasoandro » Nifaly ny mponin’Ambohitrimanjaka

08/06/2020

Naneho ny hafaliany teo anatrehan’ny fiovan-kevitry ny fanjakana amin’ny fanatanterahana ny tetikasa Tanàmasoandro eny Ambohitrimanjaka ny mponina ny sabotsy teo.

Hamaky ny tohiny...

Malagasy niasa tany Koweit Ho tonga eny Ivato anio

08/06/2020

Anisan` ireo Malagasy misedra fahasahiranana taorian` ny fampiatoana ny sidina ana habakabaka sy an-dranomasina ireo nila ravinahitra tany Koweit.

Hamaky ny tohiny...

Tsiroanomandidy Nodorana velona niaraka tamin’ny zafikeliny ilay dadabe

08/06/2020

Efa tena mivadika ho biby ny olombelona. Dadabe iray niaraka tamin’ny zafikeliny roa tany Iaboketraka atsinanana kaominina ambanivohitra Ambararatabe distrikan’i Tsiroanomandidy ny alarobia lasa teo no nodoran’ny vinantolahiny velona tao an-tranony.

Hamaky ny tohiny...

Malagasy tavela any ivelany Miomana hampody azy ireo ny fanjakana

08/06/2020

Namoaka fampitam-baovao omaly ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny Malagasy fa hampody ireo Malagasy any ivelany maniry ny hiverina an-tanindrazana.

Hamaky ny tohiny...

Maternité Alasora Nozaraina couette ireo reny vao tera-bao

08/06/2020

Noho ny fatongavan'ny fetin’ny reny omaly alahady 07 Jona dia tonga niarahaba ireo reny vao tera-bao tao amin’ny maternité

Hamaky ny tohiny...

Vehivavy mpitandro filaminana ao Toamasina Nizara voninkazo sy arotava tamin’ny vahoaka

08/06/2020

Tsy nanadino ny mponina ao Toamasina ireo vehivavy mpitandro ny filaminana any an-toerana omaly alahady nankalazana ny fetin’ny reny.

Hamaky ny tohiny...

Imerinafovoany Talatamaty Raikitra ihany koa ny ankisisika Tosika fameno

08/06/2020

Nitohy ny ankisisika Tosika fameno toy ireo efa fahita tamina fokontany samihafa hatramin’ny niatombohan’izao hahamehana ara-pahasalamana izao,

Hamaky ny tohiny...

Mpampianatra Fram maty tany Ihosy Iray andro maninjitra vao vita ny taratasy hitondrana azy mody

08/06/2020

Mpampianatra Fram iray miasa ao Ihosy ny maty tampoka noho ny fiakaran’ny tosi-dràny naheno fa anisan’ireo tafiditra ho voaray ho mpisam-panjakana izy tamin’ny herinandro lasa teo (alakamisy 04 jona 2020).

Hamaky ny tohiny...

Sakafo madio sy ara-pahasalamana Mbola mila ezaka be i Madagasikara

08/06/2020

Hitarafana ny fandrosoan’ny firenena iray ny fananany sakafo madio sy ara-pahasalamana. Raha ny eto amin’ny firenena dia mbola mila ezaka be ny fanarahana ny fenitry ny sakafo ara-pahasalamana

Hamaky ny tohiny...

Covid 19

Nidangana ny isa ho an’Antananarivo Niampy 2 ny matin’ny coronavirus

08/06/2020

Niampy roa ireo namoy ny ainy vokatry ny valanaretina coronavirus eto Madagasikara.

Hamaky ny tohiny...

Ady atao amin’ny Covid 19 Mitaky fanadihadiana parlemantera ny HVM

08/06/2020

Miantso fanadihadiana parlemantera mikasika ny fitantanana ny ady atao amin’ny valanaretina coronavirus ny antoko HVM. Mangataka ihany ny mangarahara mahakasika ny tambavy CVO sy ny tsindrona ity antoko ity.

Hamaky ny tohiny...

Ambatondrazaka Nohenjanina ny fepetra amin’ny fihibohana

08/06/2020

Mitohy ny asa ataorehetra any Ambatondrazaka Faritra Alaotra Mangoro toy ny fanamboarana ny RN 44 sy ny ao Manainga Zipo manokana ary ny

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana