Fil d'actualités du 04/06/2020

  • 04/06/2020 - 17:00 : AFERA BONBONS SUCETTES: Nesorina tamin'ny toerany androany ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena Rijasoa Andriamanana Josoa noho ilay raharaha mahasaringotra azy dia ilay afera 8,4 miliara malaza ho nividianana "bonbons sucettes". Ny minisitry ny fampianarana ambony no miandraikitra vonjimaika ny toerany.

  • 30/05/2020 - 13:30 : CORONAVIRUS: Niampy iray ny maty nampiakatra ny isa ho 6 eto amintsika. 60 kosa ny tranga androany.

  • 29/05/2020 - 17:00 : RAHARAHA BONBONS SUCETTES: Tsy mbola navoaka tao amin’ny kitapom-bolam-panjakana ilay vola 8 miliara ariary. Tsy mpangalatra na mpanao ny tsy mety izahay, olon’ny asa aho ary tany amin’ny tany misy dolara no nody aty amin’ny tany mandray Ariary, hoy ny Minisitry ny Fanabeazana Rijasoa Andriamanana.

  • 29/05/2020 - 16:30 : AMBOLOKANDRINA; Lehilahy anankiroa, 27 sy 43 taona no amoy ny ainy nianjeran'ny tany ny maraina teo. Ora maro no nikarohana ny razana.

  • 29/05/2020 - 14:30 : CORONAVIRUS: 42 ny tranga vaovao notaterina androany. Tafiakatra 698 ny voa rehetra hatramin'izay. 529 mbola tsaboina, ka ny 9 ahiana mafy ny ainy.

  • 29/05/2020 - 14:00 : CORONAVIRUS-VAOVAO LEHIBE: Olona 3 no namoy ny ainy tao Toamasina omaly, ka nampiakatra ny isa ho 5 hatramin'izay nidiran'ny covid-19 teto Madagasikara, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta.

  • 19/05/2020 - 13:25 : COVID-19: Olona 4 vaovao indray no notaterina fa voa androany, ka 2 tany Toamasina, ary 2 teto Antananarivo. 326 ny fitambaran'ny voa hatramin'izay. Nihatsara ilay "forme grave" iray teny Anosiala, ary efa tsy ampiasana "oxygène" intsony.

  • 19/05/2020 - 13:15 : COVID-19: Nohamafisin'ny CCO Covid-19 tamin'ny alalan'ny Pr Vololontiana Hanta ny fahafatesan'ilay Filipianina tao Ambatovy. Tsy notsaboina tamin'ny alalan'ny CVO izy io, hoy ity Profesora ity.

  • 18/05/2020 - 23:00 : VAOVAO LEHIBE-CORONAVIRUS: Teratany Filipianina iray antsoina hoe Ryan Reyes namoy ny ainy tany Ambatovy androany 18 may. Ny taona 2012 izy no nanomboka niasa tao.

  • 17/05/2020 - 12:40 : VAOVAO LEHIBE-CORONAVIRUS: Olona iray 57 taona tao Toamasina no namoy ny ainy vokatry ny coronavirus. Iray tamin'ireo tena natahorana na "formes graves" izy ary nisy tosidrà sady voan'ny diabeta.

Voir plus d'infos...

03/07/2020

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20200514

Misongadina

Mihazakazaka ny fihanaky ny Covid 19 15 tao Toamasina, 3 tao Moramanga...

14/05/2020

Notaterin’ny Pr Vololontiana Hanta omaly fa olona 20 be izao no voamarina fa tratry ny Coronavirus tamin’ny fitiliana natao ny afak’omaly 12 mey tamin’ny 8ora maraina hatramin’ny 6 ora hariva.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Rinah Rakotomanga Misy manozongozona ny toerany ?

14/05/2020

Nahoraka omaly fa tsy misahana ny andraikitra maha talen’ ny serasera azy eo anivon’ny fiadidiana ny repoblika intsony Ramatoa Rinah Rakotomanga.

Hamaky ny tohiny...

Maitre Willy Razafinjatovo “Efa azo hatramin’ireo nosy manodidina raha…”

14/05/2020

Resaka mizana tsindrian’ila teo amin’ny fomba fitondrana ny samy mpianatra mpikaroka teny Ankatso sy Befelatanana no antony nampimpoaka ny tolon’ny 13 mey 1972,

Hamaky ny tohiny...

Pasitera Lanto Rabeharivelojaona "Iles Eparses aux Malagasy" no dikan’ny IEM

14/05/2020

Tao amin’ny fivahinianany tao amin’ny fandaharana manokana isan’andro novokarin’ny haino aman-jery iray eto an-drenivohitra no nanambaran’i Pasitera Lanto Rabeharivelojaona

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Fahatapahan-jiro Efa lasa fanampin-tsakafo

14/05/2020

Efa mba velom-panantenana ery ireo mpanjifan’ny Jirama 2 na 3 andro teo izay hoe mety mba hita soritra angamba ny vahaolana azo hisorohana ity fahatapahan-jiro lavareny ity.

Hamaky ny tohiny...

Madagasikara Nihovitra ny tany

14/05/2020

Tsy honohono fa tena nihetsika ny tany omaly 13 mey 2020 tamin'ny 10 ora sy 2 minitra alina teto Madagasikara, nahare azy tsara ny mponina teto Antananarivo sy ny manodidina.4,8 amin'ny maridrefin'i Richter ny tanjany,

Hamaky ny tohiny...

Fiainan’i Zoto 5 mianaka Raikitra ny adihevitra sy fifamaliana

14/05/2020

Nambarana manamboninahitra iray tao amin’ny tambajotran-tserasera ny ahiahiany momba an’i Zoto 5 mianaka izay sao sanatria ho mpisoloky i Zoto mampiasa ireo zaza mba hitserana azy?

Hamaky ny tohiny...

Edito

Faly sahirana

14/05/2020

Mifamahofaho eto amin’ny tany sy ny firenena ny lafin-javatra maro, izay ao ny toa mamohafoha ny afon’ny fanantenana, saingy eo ihany koa ny toe-javatra toa mahavalaketra ny ambanilanitra.

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana

Hopitaly HJRA Natoka-monina ny mpiasan’ny Service Oncologie...

14/05/2020

Marary iray avy tany Toamasina no niditra hopitaly ny alakamisy 7 mey teny amin’ny amin’ny Hopitaly HJRA ary maty 9 mey, raha ny vaovao azo. Mikatona 5andro izao ny Service Oncologie nisy azy, ka misy mpiasa sy marary arympiambina marary mihiboka tsy mahazo mivoaka ao,

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Fanarenana ny toekarena “Tsy tokony omena tombony ny banky”

14/05/2020

92%n` ny Malagasy dia mandray latsaky ny 250 dolara isam-bolana. Ireo firenena niray laharana tamin`i Madagasikara anefa dia niala amin`ny fahantrana (pays émergents).

Hamaky ny tohiny...

Fandoavan-ketra Mila mazava tsara amin’ny rehetra

14/05/2020

Tokony hahemotra faran’ny volana jona ny ankamaroan’ny fandoavan-ketra araka ny fangatahan’ireo mpandoa hetra.

Hamaky ny tohiny...

kolontsaina

World Music Trophy Ho fantatra anio ny tohin’ny dian’ny solontena Malagasy

14/05/2020

Taorian’ny naha tafiakatra tamin’ny dingana manaraka ny mpanakanto solotenan’ny malagasy amin’ilay fifaninanana iraisam-pirenena World music trophy ny alahady teo dia efa raikitra omaly indray ny fifidianana ireo izay hiatrika ny dingana manaraka.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Kaominin’Androhibe-Atsimondrano Nandravarava sy naka an-keriny ny dahalo

14/05/2020

Ny alin’ny 12 mey hifoha omaly 13 mey dia nisy fanafihan-dahalo nitranga tao amin'ny kaominina Androhibe Atsimondrano.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Fanaovana Kidnapping Maty voatifitry ny zandary i Lama sy ny zandriny

14/05/2020

Nambaran’ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena tamin’ny alalan’ny Jeneraly Andriantsarafara Rakotondrazaka Kaomandin’ny fari-piadiadiana iraisam-paritry ny zandarimaria Antananarivo omaly hariva fa maty i Norber Ramandiamanana na Lama, jiolahy nokarohina hatry efa 20 taona.

Hamaky ny tohiny...

Jiolahy nirongo basy teny Ambodivona Voaroba ny vola 7 tapitrisa ariary

14/05/2020

Atoandro be nanahary tokony tamin` ny 12 ora sy sasany no nanafihan` ireo jiolahy miisa efatra mirongo fitaovam-piadiana tranombarotra mpivarotra kodiarana iray tetsy Ambodivona.

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

Ankazotoho Anosizato Nariana tao ambany sarety ilay zaza menavava

14/05/2020

Zaza menavava iray tombanana ho herinandro latsaka an-tany eo ho eo no nisy nanary tao ambany sarety mijanona ary hitan’ny fokonolona afaka omaly Talata tokony ho tamin’ny 7 ora hariva.

Hamaky ny tohiny...

Ambohidahy Ankadindramamy Tsy manaiky ny fanesorana tsy ara-drariny ireo mpivarotra

14/05/2020

Manao antso avo amin’ny manam-pahefana isan-tsokajiny ireo mpivarotra etsy amin’ny tsenan’Ambohidahy Ankadindramamy mba hijery azy ireo manoloana ny fikasana ataon’olon-tokana hanaisotra azy ireo amin’ny tsenany.

Hamaky ny tohiny...

Fahapahan-jiro matetika Fitarainana 800 isan’andro no voarain’ny JIRAMA

14/05/2020

Mahatratra 800 isan’andro ny fitarainana voarain’ny orinasa JIRAMA mikasika ny fahapatahan’ny jiro sy rano eto an-drenivohitra sy ny manodidina isan’andro. Manoloana izany dia nitondrana fanazavana misimisy kokoa Atoa

Hamaky ny tohiny...

Betafo Antsirabe Mbola lafo be ny vidin-drano

14/05/2020

Mbola hitarainan’ny mponina ao Betafo Antsirabe foana ankehitriny ny vidin-drano any amin’ity tanàna ity vokatry ny fanomezana ny fitantanana izany ho

Hamaky ny tohiny...

Firavan’ny tsena vao maraina Fitangoronana tsy nisy ohatr'izany teny Andravoahangy

14/05/2020

Aretina tsy hifindra amin’ireny tsy hifindra intsony. Tampoka tamin’ireo mpivarotra isak’alarobia tetsy Andravoahangy ny fandrarana azy ireo tsy hivarotra omaly noho ny fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana hisorohana ny

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo renivohitra Tsy azo atao intsony ny tsenabe isan-kerinandro

14/05/2020

Tampoka tamin’ireo mpivarotra isaky ny tsenan’Alarobia etsy Andravoahangy ny fandrarana tsy hamelatra entana nataon’ny CUA azy ireo omaly.

Hamaky ny tohiny...

Ihosy Tafakatra 500 Ar ny kapoakan’ny vary

14/05/2020

Tafakatra ho 500 Ar ankehitriny ny kapoakan’ny vary any Ihosy Faritra Ihorombe, araka ny vaovao

Hamaky ny tohiny...

Fitsinjarana ny Tosika fameno Fitarainana miisa 5101 no voaray

14/05/2020

Lasa miteraka resabe eny anivon’ny fiarahamonina tato ho ato ilay resaka Tosika Fameno, hanomezan’ny Fitondram-panjakana ilay lela-vola 100.000 Ar ho an’ireo fianakaviana tena marefo manerana ireo faritra lasibatry ny

Hamaky ny tohiny...

Andralanitra Olon-dratsy ny 10%-n’ny mponina

14/05/2020

Olon-dratsy avokoa ny 10 %-n’ireo mponina ao amin’ny Akamasoa eny Andralanitra.

Hamaky ny tohiny...

Covid 19

Pr Rafatro Herintsoa "Mafy hery fiarovana ny Malagasy"

14/05/2020

Mafy toto ny Malagasy ary mahery ny hery fiarovantsika amin’io aretina covid-19 io. Efa maro ihany koa ny aretina nisy, toy ny gripa H1N1 fa tsy nisy Malagasy maty, hoy ny Pr Rafatro Herintsoa.

Hamaky ny tohiny...

Fitiliana mampiahiahy nataon'ny Institut Pasteur Mbola mitohy ny fanadihadiana lalina

14/05/2020

Tsy mbola afa-po ny fanjakana Malagasy tamin'ny fanadihadiana tapany voalohany natao teo anivon'ny Institut Pasteur de Madagascar [IPM] mahakasika ilay vokatra fitiliana Covid 19 nahitana "cas positif".

Hamaky ny tohiny...

Mpiraki-draharaha voan` ny Covid-19 Mikatona ny fitsarana any Toamasina

14/05/2020

Voakasiky ny aretina coronavirus ny tontolon` ny fitsarana. Mpiraki-draharaha vitsivitsy no tratran` ny aretina ankehitriny.

Hamaky ny tohiny...

Miparitaka ny Covid-19 Mihorohoro i Moramanga

14/05/2020

Mihorohoro tanteraka ny mponina ao Moramanga noho ny resaka coronavirus. Olona 87 no nahiana ho nifindran’ity valanaretina ity noho ny fifampikasohana tamin’ilay olona iray efa voamarina fa voa.

Hamaky ny tohiny...

Solontenan'ny OMS eto Madagasikara "Fanampiny ihany ny fitsaboana nentim-paharazana"

14/05/2020

Nilaza ny solontenan’ny sampandraharahan'ny firenena mikambana misahana ny fahasalamana na OMS eto Madagasikara, Charlotte Faty Ndiaye,

Hamaky ny tohiny...

Zanak’i Toamasina monina eto Antananarivo “Asio fitiliana faobe isaky ny fokontany ”

14/05/2020

Manoloana ny Covid 19 mihanaka eto Antananarivo dia manambara izahay solontenan’ny zanak’i Toamasina monina eto Antananarivo,

Hamaky ny tohiny...

Ambohimandroso-Amparafaravola Nodarohana vodi-basy ireo tsy nanao arotava

14/05/2020

Re avy any Ambohimandroso Amparafaravola Faritra Alaotra Mangoro fa niharan’ny fandarohan’ny mpitandro filaminana vodi-basy ireo olona tratra tsy nanao arotava tamin’ny talata 12 mey 2020 lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Rivo Rakotovao “Mitaky paikady mazava ny fitrosana lehibe"

14/05/2020

Nandritra ny fakan-kevitra niarahana tamin` ireo mpahay toekarena eto Madagasikara omaly dia nanambara ny Filohan’ny Antenimierandoholona Rivo Rakotovao

Hamaky ny tohiny...

Anosizato Andrefana Manara-maso ireo tsy manao arotava ny Komity Loharano

14/05/2020

Hentitra ny fepetra raisin’ny kaominina Anosizato Andrefana manoloana ny fiparitahan’ny tsimok’aretina COVID 19 eto amintsika.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana