Fil d'actualités du 04/06/2020

  • 04/06/2020 - 17:00 : AFERA BONBONS SUCETTES: Nesorina tamin'ny toerany androany ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena Rijasoa Andriamanana Josoa noho ilay raharaha mahasaringotra azy dia ilay afera 8,4 miliara malaza ho nividianana "bonbons sucettes". Ny minisitry ny fampianarana ambony no miandraikitra vonjimaika ny toerany.

  • 30/05/2020 - 13:30 : CORONAVIRUS: Niampy iray ny maty nampiakatra ny isa ho 6 eto amintsika. 60 kosa ny tranga androany.

  • 29/05/2020 - 17:00 : RAHARAHA BONBONS SUCETTES: Tsy mbola navoaka tao amin’ny kitapom-bolam-panjakana ilay vola 8 miliara ariary. Tsy mpangalatra na mpanao ny tsy mety izahay, olon’ny asa aho ary tany amin’ny tany misy dolara no nody aty amin’ny tany mandray Ariary, hoy ny Minisitry ny Fanabeazana Rijasoa Andriamanana.

  • 29/05/2020 - 16:30 : AMBOLOKANDRINA; Lehilahy anankiroa, 27 sy 43 taona no amoy ny ainy nianjeran'ny tany ny maraina teo. Ora maro no nikarohana ny razana.

  • 29/05/2020 - 14:30 : CORONAVIRUS: 42 ny tranga vaovao notaterina androany. Tafiakatra 698 ny voa rehetra hatramin'izay. 529 mbola tsaboina, ka ny 9 ahiana mafy ny ainy.

  • 29/05/2020 - 14:00 : CORONAVIRUS-VAOVAO LEHIBE: Olona 3 no namoy ny ainy tao Toamasina omaly, ka nampiakatra ny isa ho 5 hatramin'izay nidiran'ny covid-19 teto Madagasikara, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta.

  • 19/05/2020 - 13:25 : COVID-19: Olona 4 vaovao indray no notaterina fa voa androany, ka 2 tany Toamasina, ary 2 teto Antananarivo. 326 ny fitambaran'ny voa hatramin'izay. Nihatsara ilay "forme grave" iray teny Anosiala, ary efa tsy ampiasana "oxygène" intsony.

  • 19/05/2020 - 13:15 : COVID-19: Nohamafisin'ny CCO Covid-19 tamin'ny alalan'ny Pr Vololontiana Hanta ny fahafatesan'ilay Filipianina tao Ambatovy. Tsy notsaboina tamin'ny alalan'ny CVO izy io, hoy ity Profesora ity.

  • 18/05/2020 - 23:00 : VAOVAO LEHIBE-CORONAVIRUS: Teratany Filipianina iray antsoina hoe Ryan Reyes namoy ny ainy tany Ambatovy androany 18 may. Ny taona 2012 izy no nanomboka niasa tao.

  • 17/05/2020 - 12:40 : VAOVAO LEHIBE-CORONAVIRUS: Olona iray 57 taona tao Toamasina no namoy ny ainy vokatry ny coronavirus. Iray tamin'ireo tena natahorana na "formes graves" izy ary nisy tosidrà sady voan'ny diabeta.

Voir plus d'infos...

06/07/2020

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20200513

Misongadina

Tafiakatra 192 ny voan’ny Covid-19 Mampivarahontsana ny any Toamasina

13/05/2020

Olona miisa 213 no natao fitiliana ny 11 mey teo, ka 193 ny teto Antananarivo izay tsy nisy olona voa. Ny 20 kosa tany Toamasina, ka nahitana tranga vaovao 6 be izao, nampiakatra ny isa manontolo ho 192.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Ankerana Avaratra - Bongolava Tsy eken'ny vahoaka ny fanagadrana ny ben'ny tanàna

13/05/2020

Naiditra am-ponja vonjimaika ny sabotsy 09 mey lasa teo ao amin’ny fonjaben’i Tsiroanomandidy Atoa Rabearisoa Ben'ny tanàna voafidy ao amin'ny kaominina ambanivohitra Ankerana Avaratra, Faritra Bongolava.

Hamaky ny tohiny...

RMDM Toliara “Omeo fahefana feno ny Fokonolona”

13/05/2020

Be loatra ny tsy fandriampahalemana ao atsimo ao amin’izao fotoana izao, raha ny nambaran’ny rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia na RMDM Toliara tetsy Bel’air omaly.

Hamaky ny tohiny...

Antenimieran-doholona Tapitra amin`ny volana jona izao ny tetibola…

13/05/2020

Mitaraina amin`ny tsy fananam-bola ny Antenimierandoholona amin` izao fotoana iza araka ny fanazavan` ny filohany , Rivo Rakotovao.

Hamaky ny tohiny...

Raharaha "Iles Eparses" Namaly bontana avy hatrany ny Frantsay

13/05/2020

Efa nampoizin'ny mpanara-baovao fa tsy maintsy hamaly bontana ilay fanambaran'ny filoha Rajoelina tao amin'ny France 24 sy ny RFI ny fanjakana

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Fanolanana sy fibodoabana fananana teny Ivato Hiakatra fitsarana anio ny raharaha

13/05/2020

Hiakatra fitsarana anio eny amin’ny tribonaly etsy Anosy amin’ity anio ity ilay raharaha fibodoana fananan’olona nitohy tamin’ny fanolanan-jaza nitranga teny Mandrosoa Ivato ka nampitaraina ny renim-pianakaviana isan’ny lasibatra tao anatin’izany ny 8 martsa teo

Hamaky ny tohiny...

Faritra SAVA Kamiao iray tratra nitondra hazo tsy ara-dalàna

13/05/2020

Tratran’ireo tompon’andraikitra Mitohy hatrany ny ezaka hataon’ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ireo miparitaka eny ifotony amin’ny fanaraha-maso ny

Hamaky ny tohiny...

Tonga eto Iarivo ry Zoto 5 mianaka 12 000km natao herintaona…

13/05/2020

Nigadona teto Antananarivo omaly 12 mey, ry Zoto 5 mianaka, rehefa avy namakivaky tanàna maro niainga tany Vangaindrano. Randrianarison Maurice na « Zoto » mivady, dia avy any Vangaindrano fa monina any Antsiranana.

Hamaky ny tohiny...

Finoana

FJKM Merimanjaka Fiderana Mikorontana nidiran’ny « viriosy » ny fiainam-piangonana

13/05/2020

Mikorontana ary anaty savorovoro tanteraka ny fiainam-piangonana ao amin’ny FJKM Merimanjaka Fiderana, Synaodam-paritany Antananarivo Atsimo amin’izao fotoana izao.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Baolina kitra -Matsisatra Ambony Namoy mpiara-miasa zokiolona indrindra

13/05/2020

Tamin’ny harivan’ny alakamisy 7 mey 2020 teo no nidaosin’ny fahafatesana i Ralaivao Timothe antsoin'ny rehetra hoe Doyen ,CE “Mpikambana ao amin’ny komity mpanatanteraky ny baolina kitra teo anivon'ny ligim-paritry ny Baolina kitra Matsiatra Ambony”.

Hamaky ny tohiny...

Lionnel Messi Nanolotra 500 000 euros ho an’ny fondation Garrahan

13/05/2020

Manoloana ny fihanaky ny coronavirus maneran-tany ary taorianan’ny nanolorany 1 tapitrisa euros ho an’ny hopitaly

Hamaky ny tohiny...

Edito

Tia fihetsiketsehana

13/05/2020

Fahatsiarovana ny antsoina hoe tolom-panafahana 1972 moa ity anio ity. Azo lazaina ho niatomboka tamin’izany fotoana izany ny noheverina fa tena

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana

Mpitatitra ao Fianarantsoa Manome 72 ora ny fanjakana hikaroham-bahaolana

13/05/2020

Efa ho roa volana izao no tsy afaka niasa intsony ireo mpitatitra amin’ny zotra rezionaly sy nasionaly ao Fianarantsoa.

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana

Aretina Dengue- Mahajanga Tafiakatra 1 212 ireo tranga voamarina

13/05/2020

Mandripaka tanteraka ny aretina Dengue amin` izao fotoana izao. Miha-mavesatra ny tarehimarika teo anelanelan` ny 04 may hatramin` ny 10 may lasa teo satria tafiakatra 1 212 trangan'aretina Dengue voamarina.

Hamaky ny tohiny...

Fambolena ara-biolojika Famporisihana ireo tantsaha hiditra amin’ny sehatra matihanina

13/05/2020

Notanterahan’ny solombavambahoaka omaly ny fandinihana sy fandaniana ny Volavolan-dalana laharana 010/2019 tamin’ny 28 novambra 2019 mikasika ny famokarana ara-biolojika (agriculture biologique) eto Madagasikara.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Sehatra harena an-kibon’ny tany Azo ianteherana aorian’ny krizy

13/05/2020

Nanamafy ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika, Fidiniavo Ravokatra nandritra ny fihaonana tamin’ireo orinasa lehibe sy ireo mpandraharaha Malagasy

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Fanadinam-panjakana Hisy vaomiera manokana handinika ny daty

13/05/2020

Hisy ny "commission spéciale" handinika ny daty mety tokony hanatanterahana ny fanadinam-panjakana CEPE sy BEPC araka ny fanazavan'ny Ministry ny fanambeazam-pirenena, Rijasoa Andriamanana.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Fanendahana sy fifohana rongony Mpianatra tsy ampy taona ny roa tamin'ireo jiolahy

13/05/2020

Olona miisa 08 no voasambotry ny polisim-pirenena avy ao amin’ny CSP1 Analakely nandritra ny hetsika manokana natao hiadiana amin’ny tsy fandriam-pahalemana eny amin’ny faritra Analakely sy ny manodidina iny ny fiandohan’ny volana mey teo.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

67 HA Tratra ilay lehilahy mpanendaka vehivavy

13/05/2020

Lehilahy 19 taona indray no voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria boriborintany fahafito etsy 67 Ha ny alatsinainy,

Hamaky ny tohiny...

Kidnapping Votsotra i Anil Karim

13/05/2020

Votsotra omaly takariva ilay karana Anil Karim izay nisy naka an-keriny teny Ambatobe ny 28 aprily, raha ny loharanom-baovao avy amin'ny mpitandro filaminana.

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

Tapitra ny fizarana vatsy tsinjo Mponina 295 000 no nisitraka izany

13/05/2020

Tapitra tanteraka ny fizarana vatsy tsinjo, araka ny fanambarana nataon’ny Ministeran’ny mponina. 295 000 ireo mponina nisitraka izany, ka 225 000

Hamaky ny tohiny...

Orinasa Star sy ny fondation Coca Cola Nanampy ireo hopitalim-panjakana

13/05/2020

Nanolotra fanampiana ho an’ireo hopitalim-panjakana telo eto amintsika ny orinasa Star ny fondation Coca Cola amin’ny fiatrehana ny tsimok’aretina Coronavirus. Fitaovam-pitsaboana mitentina 300.000 dolara no natolony ho an’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka, omaly.

Hamaky ny tohiny...

Miantso vonjy Amboasary Atsimo Lafo ny vary, lasa mora ny omby

13/05/2020

Tafiakatra 700 Ar ny kapoakan’ny vary any Amboasary Atsimo amin’izao fotoana izao, raha 500 Ar teo aloha.

Hamaky ny tohiny...

Basket FIBA Afrique Hanolotra fiofanana ho an’ny mpanazatra sy mpitsara

13/05/2020

Ankoatra ny fiofanana hampitain-davitra andiany faharoa nomena an’ireo « officiels techniques de table » nanomboka ny 27 aprily ka hatramin’ny 27 mey

Hamaky ny tohiny...

Covid 19

Dr Kolo Roger “Misy kasinga feno otrikaina ny CVO”

13/05/2020

Nanao antso miantefa amin’izao tontolo izao omaly ny loholona sady mpitsabo, ny Dr Kolo Roger, fa misy amin’ireo fanafody hafa izay nisy fiantraikany

Hamaky ny tohiny...

Holafitry ny mpanao gazety Nanamafy fa malalaka ny fivezivezen’ny mpanao gazety

13/05/2020

Taorian’ny fepetra vaovao nivoaka momba ny fifamoivoizana ampiharina nanomboka ny 11 mey 2020 teo dia nanamafy omaly ny avy eo anivon’ny olafitry ny mpanao gazety, tarihin’ny filohany,

Hamaky ny tohiny...

Loholona manohana ny fitondrana Mampirisika mafy amin’ny fisotroana CVO

13/05/2020

Areti-mandoza eran-tany ny COVID 19 ary vao isika malagasy no nahita fanefitra mahomby aminy satria mbola tsy nisy teto hatreto namoy ny ainy, hoy ireo loholona manohana ny fitondrana, omaly, nampirisika mafy amin’ny fisotroana CVO tetsy amin’ny Motel Anosy omaly.

Hamaky ny tohiny...

Covid-19 any Toamasina Mpiasan’ny fahasalamana 4 lasibatra

13/05/2020

Mpiasan’ny fahasalamana miisa 4 no tratry ny coronavirus ao Toamasina. Teo amin’ny sakana ara-pahasalamana no nahavoa ny iray.

Hamaky ny tohiny...

Fitantanana ny volabe hiatrehana ny Covid-19 Nanakiana mafy ny fitondrana ireo firaisamonim-pirenena

13/05/2020

Nampiaka-peo ireo fikambanana mivondrona ao anaty firaisamonim-pirenena manoloana ny fitantanana tsy mangarahara eto amin’ny firenena amin’izao krizy ara-pahasalamana izao.

Hamaky ny tohiny...

Sekoly FJKM Maro ireo nampiato ny fampianarana

13/05/2020

Mitombo isa hatrany ireo olona mitondra ny tsimok’aretina coronavirus eto amintsika.

Hamaky ny tohiny...

Jean Jacques Ratsietison Atsaharo ny fihibohana raha tena mahomby ny CVO

13/05/2020

Rehefa maraina eto Madagasikara dia miaina ohatran’ny andavanandro, mifanitsa-kitro, mifampitakosona, ka miparitaka io izany rehefa maraina ka tsy misy dikany ny fihibohana, hoy ny mpahay toekarena Jean Jacques Ratsietison.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana