Fil d'actualités du 04/06/2020

  • 04/06/2020 - 17:00 : AFERA BONBONS SUCETTES: Nesorina tamin'ny toerany androany ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena Rijasoa Andriamanana Josoa noho ilay raharaha mahasaringotra azy dia ilay afera 8,4 miliara malaza ho nividianana "bonbons sucettes". Ny minisitry ny fampianarana ambony no miandraikitra vonjimaika ny toerany.

  • 30/05/2020 - 13:30 : CORONAVIRUS: Niampy iray ny maty nampiakatra ny isa ho 6 eto amintsika. 60 kosa ny tranga androany.

  • 29/05/2020 - 17:00 : RAHARAHA BONBONS SUCETTES: Tsy mbola navoaka tao amin’ny kitapom-bolam-panjakana ilay vola 8 miliara ariary. Tsy mpangalatra na mpanao ny tsy mety izahay, olon’ny asa aho ary tany amin’ny tany misy dolara no nody aty amin’ny tany mandray Ariary, hoy ny Minisitry ny Fanabeazana Rijasoa Andriamanana.

  • 29/05/2020 - 16:30 : AMBOLOKANDRINA; Lehilahy anankiroa, 27 sy 43 taona no amoy ny ainy nianjeran'ny tany ny maraina teo. Ora maro no nikarohana ny razana.

  • 29/05/2020 - 14:30 : CORONAVIRUS: 42 ny tranga vaovao notaterina androany. Tafiakatra 698 ny voa rehetra hatramin'izay. 529 mbola tsaboina, ka ny 9 ahiana mafy ny ainy.

  • 29/05/2020 - 14:00 : CORONAVIRUS-VAOVAO LEHIBE: Olona 3 no namoy ny ainy tao Toamasina omaly, ka nampiakatra ny isa ho 5 hatramin'izay nidiran'ny covid-19 teto Madagasikara, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta.

  • 19/05/2020 - 13:25 : COVID-19: Olona 4 vaovao indray no notaterina fa voa androany, ka 2 tany Toamasina, ary 2 teto Antananarivo. 326 ny fitambaran'ny voa hatramin'izay. Nihatsara ilay "forme grave" iray teny Anosiala, ary efa tsy ampiasana "oxygène" intsony.

  • 19/05/2020 - 13:15 : COVID-19: Nohamafisin'ny CCO Covid-19 tamin'ny alalan'ny Pr Vololontiana Hanta ny fahafatesan'ilay Filipianina tao Ambatovy. Tsy notsaboina tamin'ny alalan'ny CVO izy io, hoy ity Profesora ity.

  • 18/05/2020 - 23:00 : VAOVAO LEHIBE-CORONAVIRUS: Teratany Filipianina iray antsoina hoe Ryan Reyes namoy ny ainy tany Ambatovy androany 18 may. Ny taona 2012 izy no nanomboka niasa tao.

  • 17/05/2020 - 12:40 : VAOVAO LEHIBE-CORONAVIRUS: Olona iray 57 taona tao Toamasina no namoy ny ainy vokatry ny coronavirus. Iray tamin'ireo tena natahorana na "formes graves" izy ary nisy tosidrà sady voan'ny diabeta.

Voir plus d'infos...

//

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20200430

Misongadina

Fanoherana ny tetikasan’ny Filoha Olona 1 maty, miaramila 1 naratra

30/04/2020

Niverina nidina an-dalambe ireo andian’olona manohitra ny fanorenana tsena manara-penitra ao Berary, izay fampanantenan’ny filohan’ny Repoblika teto Ambovombe Androy omaly alarobia 29 aprily.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Fivoriana ara-potoanan’ny antenimiera Miankina amin’izay hambaran’ny Filoha ny 2 mey

30/04/2020

Ny lalàmpanorenana ao amin’ny andininy faha-75 no mamaritra fa mivory ara-potoana in-droa isan-taona mandritra ny 60 andro avy ny ny antenimieram-pirenena. Manomboka ny talata voalohany amin’ny volana mey ny voalohany,

Hamaky ny tohiny...

Antoko HVM “Tsy tokony amidy eny an-tsena ny Covid Organics.”

30/04/2020

Mandrara ny fivarotana ny ody antsoina hoe “remède secret” ny andininy faha 110 ao amin’ny lalana 2011-002, hoy ny fampahatsiahivana nataon’ny antoko politika Hery vaovao ho an’i Madagasikara omaly.

Hamaky ny tohiny...

Fampihavam-pirenena Fotoanany izao !

30/04/2020

Ambetin-dresaky ny filoham-pirenena ny hoe “tsy mora ny fandraisana fanapahan-kevitra”. Efa samy nanao antso tamin` ireo izay tokony hisian` izay fakan-kevitra anefa ireo hery politika hafa.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Gazety Tia tanindrazana Azo jifaina amin’ny endriny elektronika

30/04/2020

Manoloana ny fivoaran’ny teknolojia sy ho fanamaivanana ny fahasahiranan’ny mpanjifa ao anatin’izao fahamehana ara-pahasalamana izao dia efa azo vidiana amin’ny endriny elektronika

Hamaky ny tohiny...

Guinée Bissau Notoloran'ny fanjakana Malagasy CVO 11 500 isa

30/04/2020

Tonga teny Ivato omaly ny fiaramanidina nalefan’ny Filoham-pirenen’i Guinée Bissau Umaro El Mokhtar Sissoco Embalo naka ny tambavy Covid organics na CVO mitotaly 11 500 isa, milanja iray taonina sy sasany natolotry ny fanjakana Malagasy ho an-dry zareo.

Hamaky ny tohiny...

Zandarimariam-pirenena Nampitandrina ireo mafimafy fanehoan-kevitra

30/04/2020

Hahatairana ny an’ireo mpikirakira tambazotran-tserasera omaly nahita ny fanambarana avy amin’ny fiadidiana ny zandarimariam-pirenena mampitandrina ireo olompirenena mafimafy fanehoan-kevitra.

Hamaky ny tohiny...

Fanodikodinana vatsy tsinjo Miaramila iray no nidoboka am-ponja

30/04/2020

Tohin` ny raharaha fanodinana ny fanampiana avy amin`ny filohan`ny Repoblika teny amin`ny fokontany Ambohimanala Andoharanofotsy.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Miantso vonjy ny rehetra e !

30/04/2020

Tsy sanatria fitia te hanakihana sy hitsikera be fahatany, fa mahavalalanina ihany ny mandinika ny serasera ampiasain’ny fanjakana amin’izao raharaha coronavirus izao.

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana

Kamio lehibe mivezivezy Nandraisana fepetra manokana ireo mitatitra PPN

30/04/2020

Averina tsikelikely amin’ny fiainana andavandro ny olona. Ny kamio rehetra eto Antananarivo tsy hoe rehefa te handeha dia mandeha, fa ireo mitondra ireo filan’ny olombelona, toy ny PPN, ny rano, solika,…

Hamaky ny tohiny...

Taxi-brousse miazo an’Itasy Hosaziana izay tratra mampiakatra saran-dalana

30/04/2020

Hosaziana ireo taxi-brousse manararaotra tratra mampiakatra saran-dalana miazo ny Faritra Itasy

Hamaky ny tohiny...

Taxi be Mifandimby miasa ny eny Ambohimanambola

30/04/2020

Ho an’ny zotra fitaterana iombonana miasa ety amin’ny kaominina mampitohy an’Ambohimanambola sy Ambohijatovo kosa dia nametraka fandaminanana manokana ireo kaoperativa 7 ahitana Taxi be miisy 40 miasa amin’izany ka

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo sy ny manodidina 15 %n'ireo Taxibe sisa no miasa

30/04/2020

Ny 15 %-n’ireo mpitatitra eto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina ihany sisa amin’izao no miasa raha araka ny fanadihadiana natao.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Fanadinana bakalorea Mety ahemotra ny fe-potoana fisoratana anarana

30/04/2020

Mifanarana anio 30 aprily ny fisoratana anarana ho an’ireo mpianatra hanala ny fanadinam-panjakana. Maro anefa no tsy afaka nameno ny antontan-taratasy. Zara raha 3% ny taham-pisoratana anarana ho an’Antananarivo manokana.

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana

Mandripak'olona ny tazomoka Efa ho 50 no maty any Betroka

30/04/2020

Tsy latsaky ny 50 isa ireo olona ireo efa matin` ny tazomoka ao anatin` ny kaominina 22 mandrafitra ny distrikan` i Betroka, hoy ny solombavamhoaka Nicolas Randrianasolo.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Rivellino Ravelomahazo “Tokony sokafana kokoa amin’izay ireo seha-pihariana!”

30/04/2020

Fanahiana amin’ny fiiban’ny toekarena no antony tsy nanaovantsika malagasy ny atao hoe fihibohana tanteraka na “confinement total”, hoy ny fanamarihan’ny mpandinika raharaham-pirenena, Rivellino Ravelomahazo.

Hamaky ny tohiny...

Ambohimiarina Mananjary Naato ny orinasa grika mpitrandraka volamena

30/04/2020

Naato vonjimaika ny fitrandrahana volamena ataona orinasa grika iray any Ambohimiarina Mananjary, araka ny naoty navoakan’ny Prefektiora.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Fahasalamana, toakarena, sosialy Nanome tohana 20,8 tapitrisa dolara ny ONU

30/04/2020

Mampitombo hatrany ireo tohana sy ezaka hoenti-manampy an’i Madagasikara hiatrehana ny covid-19 ny Firenena Mikambana [ONU]. Nanolotra 20 858 952 dolara izy ireo ny talata 28 aprily teo.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Vono olona tany Belo Tsiribihiana Lehilahy iray no voasambotra

30/04/2020

Lehilahy iray no voasambotry ny polisim-pirenena avy ao amin’ny CSPD Belo/Tsiribihina noho ny fandraisany anjara tamina vono olona izay nitranga ny alakamisy faha 23 aprily lasa teo ka nahafatesana lehilahy iray.

Hamaky ny tohiny...

Lehilahy tsy fanta-pihaviana Novonoina tamin’ny fomba feno habibiana

30/04/2020

Lehilahy iray sahabo ho 40 taona, no hita faty tao amina toeram-panjonoana iray eny an-tsaha na labadin-dRamalagasy, 1 kilometatra miala avy eo Bealanana tampon-tanana, amin’ny lalana mankany Ambatoriha, ny talata lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Sambava Mpamboly lavanila iray nisy namono

30/04/2020

Mpamboly lavanila iray monina ao amin'ny Fokontany Ambolomadinika, kaominina Nosiarina any amin’ny distrikan’i Sambava no nisy namono tamin’ny fomba mahatsiravina ny alahady lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

Ambohimanambola Tokantrano 1220 no notolorana Vatsy Tsinjo

30/04/2020

Tao anatin’izay nampiharana ny hamehana ara-pahasalamana teto amintsika izay ka nanatanterahana ny fijanonana an-trano hoan’ny rehetra dia nanambara ny ben’ny tanànan’ity kaominina ambanivohitra Ambohimanambola ity,

Hamaky ny tohiny...

Sehatra Lavanila Nahazo vatsy 3 tapitrisa dolara avy amin'ny USAID

30/04/2020

Misy ny fiaraha-miombon’antoka amin’i firenena Malagasy sy ny fanjakana amerikana eo amin’ny sehatry ny lavanila.

Hamaky ny tohiny...

Olona narary teny amoron-dàlana Tsy norarahian’ny 913 sy ny zandary…

30/04/2020

Nisehoana tranga nampiahiahy teny Ampanotokana omaly. Araka ny fitantarana, dia nisy olona nandeha tongotra hita reraka be.

Hamaky ny tohiny...

Orinasa afaka haba eny Andraharo 1000 indray no very asa

30/04/2020

Mpiasa miisa 1000 indray no very asa teny amina orinasa afaka haba iray teny Andraharo.Efa ho iray volana sy tapany no tsy niodina ny orinasa;

Hamaky ny tohiny...

Fitsarana ireo ady madio Hanomboka ny alatsinainy 4 mey

30/04/2020

Hitohy ny manomboka ny alatsinainy 4 mey ny raharaham-pitsarana eny Anosy. Ireo didim-pitsarana tokony nivoaka tao anatin’ny fihibohana ihany anefa no handeha.

Hamaky ny tohiny...

Covid 19

Ambaniala Itaosy Mpianatra iray nahiana ho voan’ny coronavirus

30/04/2020

Tovovavy mpianatra iray, manovo fahalalana amina sekoly tsy miankina iray eny Ambaniala Itaosy, distrikan’Antananarivo Atsimondrano omaly no nahiahiana ho lasibatry ny tsimok’aretina coronavirus.

Hamaky ny tohiny...

Tsy mora ny fitsaboana Mety miova endrika in-32 ny Coronavirus

30/04/2020

Miisa 3107 ny fitiliana vita hatramin’izay. Tsy nisy ny tranga vaovao omaly, fa nisy kosa ny 8 sitrana,

Hamaky ny tohiny...

Tence Mena "Mandresy hatrany rehefa miaraka amin'Andriamanitra"

30/04/2020

Nivaly omaly 29 aprily maraina ny fitiliana ny mpanakanto Tence Mena rehefa “négatif” ny valin’ny fitiliana faha-9 natao azy, ary natao fitiliana faha-10 avy eo 48ora taorian’izay, ka mbola “négatif” ihany.

Hamaky ny tohiny...

Fizarana ny Tosika Fameno Lasa famoriam-bahoaka mihoatra ny 50 isa

30/04/2020

Filaharana lavareny ny teny Alarobia omaly noho ny fizarana ilay Tosika Fameno 100 000Ar isam-pianankaviana ataon’ny fanjakana.

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus vao manomboka “Mety mbola avotry ny réflexo-thérapie.”

30/04/2020

Manana anjara toerana lehibe ny mpitsabo amin’ny alalan’ny retsika na “réflexo-therapeute” ao anatin’izao fahamehana ara-pahasalamana izao, hoy ny mpisehatra ao anatin’izany etsy Analamahitsy, Yvon Andrianantenaina, fantatry ny rehetra amin’ny hoe Mr Aina.

Hamaky ny tohiny...

Voan’ny Coronavirus teny Alasora Mbola tsy fantatra hoe iza sy taiza marina

30/04/2020

Mbola tsy nampahafantarina ny mpitantana ao amin’ny Kaominina Alasora ny mombamomba ilay olona voalaza fa tratry ny coronavirus. Hatramin’izao tsy fantatra hoe iza sy taiza teto Alasora no nisy ilay “cas contact”

Hamaky ny tohiny...

Arotava Efa mihavitsy ireo tsy manao azy

30/04/2020

Efa mihavitsy ireo olona tsy manao aron-tava mandehandeha eny amin’ny arabe amin’izao. Raha araka ny tatitry ny zandarimariam-pirenena dia sady manao fanentanana izy ireo no mizara ho an’izay tsy manana nefa manasazy ihany koa.

Hamaky ny tohiny...

Kaominina Ambohimanambola Nisy 7 tratra tsy nitondra arotava

30/04/2020

Raha nahatratra 20 ireo tratra tsy nitondra arotava teny amin’ny renivohitry ny

Hamaky ny tohiny...

Vaovao momba ny covid-19 Azo arahina amin’ny “WhatsApp”

30/04/2020

Hoentina hanamorana ny fanarahan’ny vahoaka ny tsara ho fantatra rehetra mikasika ny covid 19, dia namorona tambajotra WathsApp ny CCO Covid-19,

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana