Fil d'actualités du 19/05/2020

  • 19/05/2020 - 13:25 : COVID-19: Olona 4 vaovao indray no notaterina fa voa androany, ka 2 tany Toamasina, ary 2 teto Antananarivo. 326 ny fitambaran'ny voa hatramin'izay. Nihatsara ilay "forme grave" iray teny Anosiala, ary efa tsy ampiasana "oxygène" intsony.

  • 19/05/2020 - 13:15 : COVID-19: Nohamafisin'ny CCO Covid-19 tamin'ny alalan'ny Pr Vololontiana Hanta ny fahafatesan'ilay Filipianina tao Ambatovy. Tsy notsaboina tamin'ny alalan'ny CVO izy io, hoy ity Profesora ity.

  • 18/05/2020 - 23:00 : VAOVAO LEHIBE-CORONAVIRUS: Teratany Filipianina iray antsoina hoe Ryan Reyes namoy ny ainy tany Ambatovy androany 18 may. Ny taona 2012 izy no nanomboka niasa tao.

  • 17/05/2020 - 12:40 : VAOVAO LEHIBE-CORONAVIRUS: Olona iray 57 taona tao Toamasina no namoy ny ainy vokatry ny coronavirus. Iray tamin'ireo tena natahorana na "formes graves" izy ary nisy tosidrà sady voan'ny diabeta.

  • 13/05/2020 - 19:00 : LAMA: Maty noho ny ratra nahazo azy i Norbert Ramandiamanana na Lama izay tratra teny Analamahitsy ny maraina teo. Voatifitra teo amin'ny foto-peny izy.

  • 13/05/2020 - 14:15 : CORONAVIRUS: Olona 20 no voamarina fa voa araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta androany. 15 tany Tomasina, 3 tany Moramanga, 2 teto Antananarivo. Fitiliana omaly 12 mey ireo.

  • 12/05/2020 - 12:00 : JEAN JACQUES RATSIETISON: Aleo fohanana ny fihibohana fa ny hanohanana no hahafaty olona eto fa tsy ny aretina, ary ny olona anefa ny mitakosona ihany. Mila ampiakarina ny fitiliana. Raha tena mahomby ny covid organics efa nofoanana ny fihibohana.

  • 07/05/2020 - 15:10 : TOAMASINA: Tsy maty fa mbola manaraka fitsaboana sy tsy misy ahiana ny ain'ilay zazalahikely 9 volana fa tsy araka ny resaka mandeha amin'ny tambajotra facebook.

  • 07/05/2020 - 14:45 : CORONAVIRUS: Olona 35 no indray voan'ny Coronavirus androany 7 mey, ka 22 eto Antananarivo Renivohitra.

  • 07/05/2020 - 14:45 : CORONAVIRUS: Olona 35 no indray voan'ny Coronavirus androany 7 mey, ka 22 eto Antananarivo Renivohitra, ary 13 any Toamasina.

Voir plus d'infos...

28/05/2020

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20200427

Misongadina

Zaza 9 taona tratry ny Covid-19 Tandindonin-doza ireo olona marefo

27/04/2020

Miisa 82 ny fitiliana natao teny amin’ny Institut Pasteur de Madagascar [IPM] ny alakamisy 23 aprily ka hatrain’ny sabotsy 25 aprily tamin’ny 12ora atoandro, ka olona iray no voamarina fa tratry ny coronavirus tao anatin’ireo, nampiakatra ny isa ho 123. Lehilahy 35 taona any Toamasina izy io.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Praiminisitra Ntsay Christian Nakisaka an-tsisy tosy sa tsy te haloto ?

27/04/2020

Zara raha hita ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta Ntsay Christian tato anatin’ny raharaha Coronavirus. Takona tanteraka ary tsy dia misy fampitam-baovao firy momba azy sy izay ataony, raha toa ka saika isan’andro no

Hamaky ny tohiny...

Finoana

Arsevekan’Antananarivo Nanamafy ny mbola fikatonan’ny EKAR

27/04/2020

Samy mangetaheta ny hihaona any am-piangonana hiara-midera sy misaotra an'Andriamanitra indrindra tamin'ny fetin'ny Paka teo isika; nefa tsy afa-nanoatra isika.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Ministeran’ny Tanora sy Fanatanjahantena Nizara arotava niisa 20.000

27/04/2020

Ny Ministeran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena dia nahatanteraka ny fanentanana sy ny fizarana ny arotava ho fiarovana amin'ny aretina Covid-19 tamin’ny zoma 24 aprily lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana

Fametrahana GPS 2300 ireo fiara fitaterana nisitraka izany

27/04/2020

Ho fampivoarana sy ho fanatsarana ny sehatra fitateram-bahoaka dia natomboka teo anivon’ny Koperativa UCTS (Union des Coopératives Transporteurs Standardisés) ilay tetikasa fametrahana GPS.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Fanarenana ny toekarena Mihazakazaka ny firenena manankarena

27/04/2020

Tsy misy resabe fa asa avy hatrany no tanterahin’ireo firenena manankarena voakasiky ny aretina coronavirus. Sina,

Hamaky ny tohiny...

Sopromer Niasa hatrany, tsy nisy fatiantoka

27/04/2020

Orinasa roa izany izao no tsy miankina fantatra fa miasa ara-dalàna tamin'ity fihibohana ity.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Fampandrian-tany tany Ambanja Polisy iray no namoy ny ainy

27/04/2020

Polisy iray no namoy ny ainy tany Antsifatra Analabe, distrikan’Ambanja taorian’ny ratra mafy nahazo azy nandritra ny hetsika fampandrian-tany nataony.

Hamaky ny tohiny...

Any Ivelany

Korea Avaratra Tsy hay na maty na velona I Kim Jung-Un

27/04/2020

Miely amin’ny haino amanjery maro any ivelany ny resabe momba toe-pahasalaman’i Kim Jong-Un (36 taona), mpitondra an’i Korea Avaratra, nandova Fanjakana tamin’ny Rainy sy Raibeny.

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

Depiote Alaina Ratsimbazafy “Ny teo an-tanako sy ireo vokatry ny antso avo no zaraiko”

27/04/2020

Ilay fanampiana ataon'i Alain Ratsimbazafy Depioten’Atsimondrano ve avy any amin’ny fanjakana foibe? Haveriko fa noho ny antso maro voaraiko noho ny olana ao anatin'izao fihiboana dia maro no tratry ny olana mafy,

Hamaky ny tohiny...

Tale Jeneralin’ny Kraoma Mitaky ny fialany ihany koa ny fiarahamonina

27/04/2020

Ankoatry ny fanambarana izay efa nataon'ireo agents d'encadrement sy ny agents de maîtrise miaraka tamin’ny solotenan'ny mpiasa tany Brieville, dia nihetsika nanampy ny mpiara-monina nitaky sy nanamafy ny fitakiana hialan'ny Tale Jeneraly ankehitriny,

Hamaky ny tohiny...

Jiro sy ranon'Antananarivo Manomboka tapaka matetika

27/04/2020

Maty manomboka tamin'ny 7 ora maraina ny jiro tamina faritra maro teto an-drenivohitra sy ny manodidina omaly alahady ary tsy niverina raha tsy tamin ny 5ora 30 hariva toy ny teny Anosipatrana.

Hamaky ny tohiny...

Djamanjar-Nosy Be Tovolahy hita faty nihantona

27/04/2020

Tovolahy iray antsoina hoe Christian na i Gida no hita faty nihantona tao anaty tranony tao Djamanjar Nosy Be Helle Ville.

Hamaky ny tohiny...

Covid 19

Fiantraikan’ny Covid Organics Renim-pianakaviana iray nitantara ny nanjo azy

27/04/2020

Renim-pianakaviana iray no nanao fanehoan-kevitra karazana fanairana ho an’ny siantifika sy ny mpitsabo ary manampahaizana taorian’ny fisotroany ilay tambavy covid organics. Rehefa avy nisotro ilay CVO ny tenako dia izao no

Hamaky ny tohiny...

Fanaovana arotava Tsy filam-banona fa tena fiarovana

27/04/2020

Tsy maintsy manao arotava ny isam-batan’olona izay mivoaka ny trano manomboka anio alatsinainy 27 aprily rehefa noraisin’ny fanjakana ny fanapahan-kevitra

Hamaky ny tohiny...

Tence Mena "Négatif" ny valin'ny fitiliana...

27/04/2020

36 taty aorian'ny nidirany hopitaly teny Anosiala - Ambohidratrimo, milaza fa efa tena reraka i Tence Mena.

Hamaky ny tohiny...

Sénégal Tsy mbola nikaomandy Covid Organics izany !

27/04/2020

Nambaran’ny Filoha Rajoelina ny faran’ny herinandro teo fa niarahaba an’i Madagasikara tamin’ny fahitana ilay tambavy Covid organics ny firenena Sénégalais tamin’ny alalan’ny Filohany Macky Sall.

Hamaky ny tohiny...

Tsy fitondrana arotava Mety ho maro ireo voasazy…

27/04/2020

Anio alatsinainy 27 aprily no voafaritra fa tsy maintsy hitondran’ny olom-pirenena rehetra tsy an-kanavaka arotava raha ny toromarika avy amin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina.

Hamaky ny tohiny...

Covid organics Voafetra ireo olona mampiasa azy

27/04/2020

Manamafy ny fiarovana vatana, miaro amin` ny tsimok` aretina, miaro amin`ny tazo sy aretin` ny havokavoka sy ny fahasemporana. Ireo no tombony amin` ny fisotroana ny tambavy Covid Organics (CVO).

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana any Toliara Efa nijanona ny fanerena hisotra covid-organics

27/04/2020

Mbola misalasala be ihany amin’ny fanerena an’ireo mpianatra hisotro ny tambavy covid-oraganics toy ny niseho tamin’ny alarobia 22 aprily 2020 tao amin’ny Lycée iray tao antampon-tanànan’i Toliara

Hamaky ny tohiny...

Prefen'Antananarivo Manahy ny hipariahan'ny covid-19 any am-piangonana

27/04/2020

Tsy misy mahazo misokatra ny fiangonana FJKM tsy naka alalana manokana amin’ny Prefektioran’Antananarivo, hoy ny Prefe Jeneraly Ravelonarivo Angelo Christian ny sabotsy teo.

Hamaky ny tohiny...

Tambavy Covid Organics Vita Malagasy tokoa ve ?

27/04/2020

Maro ny adihevitra mahakasika ny tambavy Covid Organics amin` izao fotoana izao. Manasitrana sa miaro fotsiny? Eken` ny OMS sa tsia? Ny ankizy Malagasy no atao sorona amin` izao…

Hamaky ny tohiny...

Famokarana ny Covid Organics Tena misy resaka tsy mazava…

27/04/2020

Tsy fanakianana na fanaratsiana be fahatany ny covid organics ambara fa hitan’ny Sampam-pikarohana Malagasy dia ny IMRA, fa kosa misy toe-javatra manjavozavo ilàna fanazavana.

Hamaky ny tohiny...

Tosika Fameno Tokantrano 189 400 hahazo 100 000Ar avy

27/04/2020

Natomboka ny sabotsy 25 aprily 2020 teny amin’ny Lisea teknika Alarobia ny fizarana ny vola fanampiana "Tosika Fameno", tohana ara-tsosialy avy amin’ny fanjakana malagasy sy ny Banky Iraisam-pirenena entina hanampiana ireo tokantrano tena sahirana sy marefo.

Hamaky ny tohiny...

Fahamehana ara-pahasalamana Mampametra-panontaniana maro

27/04/2020

Tsena mora, Vatsy tsinjo, Loharano sy izay hafa efa misy rehetra dia santionany amin’ireo karazana rafitra sy tetikasa sosialy natsangana tato anatin’ity fitondrana ity, indrindra,

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana