Fil d'actualités du 04/06/2020

  • 04/06/2020 - 17:00 : AFERA BONBONS SUCETTES: Nesorina tamin'ny toerany androany ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena Rijasoa Andriamanana Josoa noho ilay raharaha mahasaringotra azy dia ilay afera 8,4 miliara malaza ho nividianana "bonbons sucettes". Ny minisitry ny fampianarana ambony no miandraikitra vonjimaika ny toerany.

  • 30/05/2020 - 13:30 : CORONAVIRUS: Niampy iray ny maty nampiakatra ny isa ho 6 eto amintsika. 60 kosa ny tranga androany.

  • 29/05/2020 - 17:00 : RAHARAHA BONBONS SUCETTES: Tsy mbola navoaka tao amin’ny kitapom-bolam-panjakana ilay vola 8 miliara ariary. Tsy mpangalatra na mpanao ny tsy mety izahay, olon’ny asa aho ary tany amin’ny tany misy dolara no nody aty amin’ny tany mandray Ariary, hoy ny Minisitry ny Fanabeazana Rijasoa Andriamanana.

  • 29/05/2020 - 16:30 : AMBOLOKANDRINA; Lehilahy anankiroa, 27 sy 43 taona no amoy ny ainy nianjeran'ny tany ny maraina teo. Ora maro no nikarohana ny razana.

  • 29/05/2020 - 14:30 : CORONAVIRUS: 42 ny tranga vaovao notaterina androany. Tafiakatra 698 ny voa rehetra hatramin'izay. 529 mbola tsaboina, ka ny 9 ahiana mafy ny ainy.

  • 29/05/2020 - 14:00 : CORONAVIRUS-VAOVAO LEHIBE: Olona 3 no namoy ny ainy tao Toamasina omaly, ka nampiakatra ny isa ho 5 hatramin'izay nidiran'ny covid-19 teto Madagasikara, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta.

  • 19/05/2020 - 13:25 : COVID-19: Olona 4 vaovao indray no notaterina fa voa androany, ka 2 tany Toamasina, ary 2 teto Antananarivo. 326 ny fitambaran'ny voa hatramin'izay. Nihatsara ilay "forme grave" iray teny Anosiala, ary efa tsy ampiasana "oxygène" intsony.

  • 19/05/2020 - 13:15 : COVID-19: Nohamafisin'ny CCO Covid-19 tamin'ny alalan'ny Pr Vololontiana Hanta ny fahafatesan'ilay Filipianina tao Ambatovy. Tsy notsaboina tamin'ny alalan'ny CVO izy io, hoy ity Profesora ity.

  • 18/05/2020 - 23:00 : VAOVAO LEHIBE-CORONAVIRUS: Teratany Filipianina iray antsoina hoe Ryan Reyes namoy ny ainy tany Ambatovy androany 18 may. Ny taona 2012 izy no nanomboka niasa tao.

  • 17/05/2020 - 12:40 : VAOVAO LEHIBE-CORONAVIRUS: Olona iray 57 taona tao Toamasina no namoy ny ainy vokatry ny coronavirus. Iray tamin'ireo tena natahorana na "formes graves" izy ary nisy tosidrà sady voan'ny diabeta.

Voir plus d'infos...

10/08/2020

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20200416

Misongadina

Antananarivo Mitombo isa ny voan'ny Coronavirus

16/04/2020

Nisy olona 2 vaovao voan’ny coronavirus indray omaly, ka nampiakatra ny isa ho 110. Samy eto Antananarivo avokoa ireo voa ireo, ka teny Antetezanafovoany sy Faravohitra no nahitana azy ireo, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta Marie Danielle.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Rodoben’ny mpanohitra Mitaky mangarahara bebe kokoa

16/04/2020

Nivory nanao jery todika ny resaka fahamehana ara-pahasalamana eto amin’ny tanin’ny Repoblikan'i Madagasikara omaly ny avy eo anivon’ny Rodoben’ny mpanohitra eto Madagasikara.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Dia an-tongotra Mahasalama saingy tsy tokony hatao be loatra

16/04/2020

Zary lasa fiainan’ny maro hatramin’ny nanombohan’ny fihibohana no mankaty ny fandehanana dia an-tongotra ho an’ireo izay tsy maintsy mivoaka ny trano.

Hamaky ny tohiny...

Arphine Helisoa Nolavina indray ny fangatahana LP

16/04/2020

Mbola nolavina indray ny fangatahana fahafahana vonjimaika [LP] ho an’ny mpanao gazety Arphine Helisoa, raha ny fanazavan’ny mpisolovava azy tetsy Ankadifotsy, Willy Razafinjatovo na Olala, omaly.

Hamaky ny tohiny...

Fitotonganan’ny vidin-tsolika iraisam-pirenena Mbola tsy misy fiantraikany eto Madagasikara

16/04/2020

Mbola tsy hita ny fiantraikan’ny fidinan’ny vidin’ny solika manerantany amin’izao fotoana izao raha ny eto Madagasikara araka ny fanazavan’ny Mpahay toekarena eo anivon’ny CREM, Rakotobe Vololonirina.

Hamaky ny tohiny...

Holafitry ny mpanao gazety “Mbola mamahan-dalitra ihany ny Ministera”

16/04/2020

Eo anatrehan’ny fanamelohana sy tsy fanekena ny fitànana am-ponja vonjimaika ny mpanao gazety Rahelisoa Arphine dia manamarika ny Biraon’ny Filan-kevitry Holafitry ny mpanao gazety na OJM araka ny fanambarana omaly hariva fa :

Hamaky ny tohiny...

Paositra money special covid-19 Maimaimpoana ny fakana sy fandefasana vola

16/04/2020

Tsy misy sarany avokoa ny fametraham-bola, ny fakana vola sy ny fandefasana vola mandritry ny 35 andro amin’ny alalan’ny “Paositra money special covid-19”,

Hamaky ny tohiny...

Mpizahatany tavela eto Madagasikara Homena fahazoan-dàlana manokana hivezivezy

16/04/2020

Misy ny famoahana fahazoan-dalana manokana avy amin’ny sampan-draharaha misahana ny pasipaoro,

Hamaky ny tohiny...

Edito

Tototry ny kihana

16/04/2020

Takon’ny raharaha coronavirus ny aferam-pifidianana teto Madagasikara, izay tena nafana sy tsy nahamarin-toerana mihitsy ny fitondram-panjakana. Sarotra ny raharaha teo,

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Harikaren’i Madagasikara Hiharatsy tanteraka ny taona 2020

16/04/2020

Nahatratra 5,2% ny tahan’ny fitombon’ny harinkarena ny taona 2018 araka ny tatitra navoakan’ny Banky Foiben’i Madagasikara (BFM) izay azo lazaina ho ambony raha oharina ny taona 2017.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Vaky trano teny Andoharanofotsy 15 lahy nifanjevo tamin’ny zandary

16/04/2020

Raha ny fanazavan’ny depioten’Atsimondrano, Andry Ratsivahiny, dia ny alin’ny 14 aprily tamin’ny 10 ora sy 56 izy no nahazo antso vonjy fa misy manafika eny Morarano Andoharanofotsy.

Hamaky ny tohiny...

Any Ivelany

JEFF BEZOS Nitombo 24 miliara dolara ny hareny

16/04/2020

Mahatratra 553 miliara dolara ny fantiantoka ny fihenan’ny haren’ny mpanefoefo 500 eto ambonin’ny tany noho ny coronavirus.

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

Fanapoizinana ara-tsakafo Zaza 4 taona matin'ny Paty sy Mayonnaise

16/04/2020

Zaza iray vao efa-taona monja no namoy ny ainy vokatry ny fihinanana paty nisy maionezy tany Mahajanga ny Alahadin’ny paska teo.

Hamaky ny tohiny...

Vola fisotroan-dronono Mila manaraka daty tsara ny taratasy

16/04/2020

Ramatoa iray avy any sabotsy namehana no nandeha an-tongotra 15 km nanatitra ny dosieny teny amin ny tahirimbolam-panjakana Antaninarenina.

Hamaky ny tohiny...

Fahazoana ilay fanampiana 100 000 ariary Misy fanontaniana 10 tsy maintsy valiana

16/04/2020

Hotanterahina tsy ho ela ny fizarana ilay fanampiana ara-bola 100.000 Ar ho an’ireo fianakaviana hita fa sahirana sy marefo manerana ireo Boriborintany 6 eto an-drenivohitra.

Hamaky ny tohiny...

Taxi-moto, bisikileta ary sarety Handraisana fepetra manokana

16/04/2020

Nilaza ny handray fepetra manokana amin'ny taxi-moto sy bisikileta ary sarety mitondra olona an-tsokosoko ny fanjakana.

Hamaky ny tohiny...

Orinasa JB Amboditsiry Mpiasa an-tselika 686 tamin’ny asany

16/04/2020

Mitombo isa hatrany ireo olona tsy an’asa eto amintsika. Taorian’ireo karazana orinasa maro samihafa dia tonga amin’ny dingana tsy azo hanoharana tsy

Hamaky ny tohiny...

Tohana ara-tsosialy Mitombo ireo mangataka amin'ny fitondrana

16/04/2020

Mivoaka mitady vola izahay hamelomana ny vady aman janakay, hoy ireo mpanera hazo eny Andravohangy sy Ambodivona.

Hamaky ny tohiny...

Mponin' Ambatomaro Mangataka mba aterina isan-trano ny fanampiana

16/04/2020

Mahatratra 2.000 isa ireo olona sahirana ara-pivelomana monina ao amin’ny Fokontany Ampanotokana, Ambatomaro, kaominina Antananarivo renivohitra amin’izao.

Hamaky ny tohiny...

Olona mitsirara tetsy sy teroa Mitoetra hatrany ny ahiahy

16/04/2020

Mampanahy ihany ny nahita ireo olona efatra izay nitsirara tetsy sy teroa teto an-drenivohitra.

Hamaky ny tohiny...

Covid 19

Vatsy Tsinjo Lany amin’ny fanadihadiana ny fotoana

16/04/2020

Raha tokony ho tamin’ny 7 ora maraina no nanomboka ny fitsinjarana ny Vatsy Tsinjo tetsy amin’ny CEG Avaradoha dia nisy fahatarana ora 2 be izao vao nampidirina ny olona miisa 10 voalohany.

Hamaky ny tohiny...

Ady amin'ny Coronavirus Fitaovana milanja 2 taonina tonga teny Ivato

16/04/2020

Tonga teny Ivato omaly tokony ho tamin’ny 10 ora maraina ny fanampiana andiany faharoa milanja 2 taonina eo ho eo avy amin’ny Fondation Jack Ma tantanin’ilay mpanefoefo Sinoa Jack Ma sy ny OMS.

Hamaky ny tohiny...

Mpandeha an’arivony tonga ao Mahajanga Maro be ireo nanao sambo nilentika

16/04/2020

Misy ny antso avo natao ho an’ireo olona an’arivony maro tonga tao Mahajanga nandritra ny telo andro (7-9 aprily) nanomezan’ny Filoham-pirenena fahalalahana hody an’ireo tavela teto Antananarivo.

Hamaky ny tohiny...

Ady amin'ny Coronavirus 444,1 tapitrisa dolara no vola azon'i Madagasikara

16/04/2020

Mitentina 444,1 tapitrisa dolara ny fanampiana avy any ivelany azon'i Madagasikara mba hiadiana amin'ny Coronavirus araka ny nambaran'ny ministeran'ny toekarena sy ny fitantanam-bola omaly.

Hamaky ny tohiny...

Lalatiana Andriatongarivo "Hihamafy ny fepetra raha mbola goragora isika"

16/04/2020

Nanao ny tatitra tamin` ny haino aman-jerim-panjakana momba ny COVID-19 ny minisitry ny serasera sy kolontsaina no sady mpitondra tenin'ny governemanta, Lalatiana Andriatongarivo omaly.

Hamaky ny tohiny...

Mararin'ny Coronavirus eto Madagasikara Mijanona ho tsiambaratelo aloha ny momba azy ireo

16/04/2020

Ny minisiteran’ny fahasalamana no tompon'andraikitra feno momba ireo marary tsaboina noho ny Coronavirus.

Hamaky ny tohiny...

Olona mody an-tanindrazana Voaramaso tsara ve ny fahasalaman'izy ireny?

16/04/2020

Mbola maro ny olona no mamonjy ny tanindrazana na lavitra aza noho ny tahotry ny Covid-19.

Hamaky ny tohiny...

Mpitsabo 2 voan` ny Coronavirus Efa miha salama

16/04/2020

Miisa telo ny sokajin` olona voalaza ho marefo ka mora handairan`ny aretina “coronavirus”.

Hamaky ny tohiny...

Famokarana arovava Efa manomboka tratra ny 150 000 isan-andro

16/04/2020

Nisy didim-pitondrana nivoaka mibaiko amin` ny fanaovana arovava. Maro ireo mpitandro filaminana no miezaka manentana ny rehetra amin`ny fanaovana izany fiarovana manokana izany.

Hamaky ny tohiny...

Fahazoan-dàlana manokana Hanara-maso akaiky ireo fiara ny fanjakana

16/04/2020

Anisan’ny nahazoana fitarainana ny mikasika ny fahazoan-dàlana manokana nosoniavin’ny Filohan’ny CCO Covid-19.

Hamaky ny tohiny...

Olona voan` ny Covid-19 efa sitrana Voahilika eny amin` ny fiarahamonina

16/04/2020

Mahatsiaro tena voahilika eny amin` ny fiarahamonina ireo olona sitrana izay nitondra ny tsimokaretina COVID-19, araka ny fitarainana voaray teny anivon` ny Brigade d`intervention special (BIS).

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana