Fil d'actualités du 04/06/2020

  • 04/06/2020 - 17:00 : AFERA BONBONS SUCETTES: Nesorina tamin'ny toerany androany ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena Rijasoa Andriamanana Josoa noho ilay raharaha mahasaringotra azy dia ilay afera 8,4 miliara malaza ho nividianana "bonbons sucettes". Ny minisitry ny fampianarana ambony no miandraikitra vonjimaika ny toerany.

  • 30/05/2020 - 13:30 : CORONAVIRUS: Niampy iray ny maty nampiakatra ny isa ho 6 eto amintsika. 60 kosa ny tranga androany.

  • 29/05/2020 - 17:00 : RAHARAHA BONBONS SUCETTES: Tsy mbola navoaka tao amin’ny kitapom-bolam-panjakana ilay vola 8 miliara ariary. Tsy mpangalatra na mpanao ny tsy mety izahay, olon’ny asa aho ary tany amin’ny tany misy dolara no nody aty amin’ny tany mandray Ariary, hoy ny Minisitry ny Fanabeazana Rijasoa Andriamanana.

  • 29/05/2020 - 16:30 : AMBOLOKANDRINA; Lehilahy anankiroa, 27 sy 43 taona no amoy ny ainy nianjeran'ny tany ny maraina teo. Ora maro no nikarohana ny razana.

  • 29/05/2020 - 14:30 : CORONAVIRUS: 42 ny tranga vaovao notaterina androany. Tafiakatra 698 ny voa rehetra hatramin'izay. 529 mbola tsaboina, ka ny 9 ahiana mafy ny ainy.

  • 29/05/2020 - 14:00 : CORONAVIRUS-VAOVAO LEHIBE: Olona 3 no namoy ny ainy tao Toamasina omaly, ka nampiakatra ny isa ho 5 hatramin'izay nidiran'ny covid-19 teto Madagasikara, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta.

  • 19/05/2020 - 13:25 : COVID-19: Olona 4 vaovao indray no notaterina fa voa androany, ka 2 tany Toamasina, ary 2 teto Antananarivo. 326 ny fitambaran'ny voa hatramin'izay. Nihatsara ilay "forme grave" iray teny Anosiala, ary efa tsy ampiasana "oxygène" intsony.

  • 19/05/2020 - 13:15 : COVID-19: Nohamafisin'ny CCO Covid-19 tamin'ny alalan'ny Pr Vololontiana Hanta ny fahafatesan'ilay Filipianina tao Ambatovy. Tsy notsaboina tamin'ny alalan'ny CVO izy io, hoy ity Profesora ity.

  • 18/05/2020 - 23:00 : VAOVAO LEHIBE-CORONAVIRUS: Teratany Filipianina iray antsoina hoe Ryan Reyes namoy ny ainy tany Ambatovy androany 18 may. Ny taona 2012 izy no nanomboka niasa tao.

  • 17/05/2020 - 12:40 : VAOVAO LEHIBE-CORONAVIRUS: Olona iray 57 taona tao Toamasina no namoy ny ainy vokatry ny coronavirus. Iray tamin'ireo tena natahorana na "formes graves" izy ary nisy tosidrà sady voan'ny diabeta.

Voir plus d'infos...

05/06/2020

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20200103

Misongadina

Marc Ravalomanana Nanolotra vahaolana hivoahana amin’ny krizy

03/01/2020

Nandritra ny lanonana fifampiarahabana noho ny taom-baovao 2020 teny amin’ny trano fonenany eny Faravohitra omaly no nanambaran’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana fa ny fahatsapana fa miha sahiranana ny vahoaka Malagasy.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Senatera Riana Andriamandavy VII Nanakiana mafy ny fitondrana Rajoelina

03/01/2020

Hita tamin’ny pejy facebook’ny loholona Riana Andriamandavy VII omaly ny fanambarana nanao hoe : “rehefa natao ny fampitahana Andriamatoa filoha dia mbola ny zava-bitanao no misongadina sy azo tsapain-tanana ka mbola isitrahan’ny mpitondra ankehitriny”.

Hamaky ny tohiny...

Rivolala Kohen “Ho mafy ho an’ny Fitondrana Rajoelina ny taona 2020”

03/01/2020

Tena taona mafy ho an’ny fitondrana Rajoelina sy ny ekipany ity taona 2020 vaovao ity hoy Kohen Rivolala, mpitarika ny finoana Jodaisma hebraika, mpitsabo amin’ny alalan’ny ctic ctac dou eny Ambonisoa Itaosy.

Hamaky ny tohiny...

Vondron’ny mpanohitra Hanatanteraka kongresy lehibe ny RMDM

03/01/2020

Fantatra omaly nandritra ny kabarin’i Marc Ravalomanana teny Faravohitra fa hanao ny kongresy lehibe voalohany ny Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia ( RMDM) amin’ ity taona ity.

Hamaky ny tohiny...

Antoko Teza "Tsy mifanaraka ny nofinofin'ny mpitondra sy ny tetibola"

03/01/2020

"Sehoseho ivelany no tena vontoatin'ny asa tanterahin'ny fitondrana hatramin'izao" hoy ny antoko Teza araka ny tombana ankapobeny ny dingana vitan'ny mpitondra.

Hamaky ny tohiny...

Fanakonana fahantrana « Kitolotolotra no ataon’ny fanjakana »

03/01/2020

Tsy tokony ho variana amin’ireo fanomezana kely hitan’ny maso sy mahavita iray andro fotsiny ataon’ny fanjakana ny vahoaka Malagasy hoy ny Solombavam-bahoaka teo aloha, Marie Zenaïde Ramampy Lechat.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Faritra Andrefan’ny Nosy Ahiana ho tondraka ny rano

03/01/2020

Naharitra tokoa saingy madinika ny rotsak’orana teto Antananarivo nanomboka ny alin’ny 31 desambra ka hatramin’ny halina.Somary natevina kosa ny tany amin’ny faritra hafa.

Hamaky ny tohiny...

Fitsarana Misy foana ny fampandehanan-draharaha

03/01/2020

Mandeha miadana ireo ratsam-pitsarana amin'ny vanim-potoanan'ny fialan-tsasatry ny fitsarana toy izao.

Hamaky ny tohiny...

Zandary nitifitra olona Efa nidoboka any am-ponja

03/01/2020

Efa notanana am-ponja avy hatrany ilay zandary nitifitra raim-pianakaviana iray vokatry ny hasarotam-piaro teny Ivato ny alin’ny 31 desambra 2019 teo araka ny fampitam-baovao eo anivon'ny zandarimariam-pirenena.

Hamaky ny tohiny...

Fitsinjarana ranon’ny JIRAMA Ho avy ny manampahaizana vahiny hanadio ireo fantsona

03/01/2020

Nivaky ny filoha Rajoelina nandritra ny kabariny ny 31 desambra lasa teo fa tena mandohalika ny orinasa Jirama noho ny olana eo amin’ny fitantanana, fahanteran’ny fitaovana.Mihoatra ny 60 taona ny ankamaroan’ireo fitaovana toa ny fantsona mitondra rano,

Hamaky ny tohiny...

Jeneraly Richard Ravalomanana Namporisika ny zandary hazoto hiasa any ambanivohitra

03/01/2020

Omaly 02 janoary 2020 tamin’ny 08 ora sy sasany maraina tao amin’ny Toby Jeneraly Philibert Ramarolahy Betongolo no nanatanterahana ny lanonana ara-miaramila fiarahaban’ny mpiara-miasa an’Andriamatoa Jeneraly

Hamaky ny tohiny...

Sport

Barea 2020 Ludovic Ajorque no mety ho laharana faha 9 vaovao

03/01/2020

Hatramin’ny taona 2018 no efa nanomboka ny fifandresen-dahatra teo amin’ny mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina Kitra na ny Barean’i Madagasikara,

Hamaky ny tohiny...

Grand Defi de Kick Boxing Ady miisa 40 no hatrehana

03/01/2020

Hikarakara hetsika lehibe antsoina hoe “Grand défi de Kick Boxing” etsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina amin’ny alahady 05

Hamaky ny tohiny...

Basikety ALL STAR 2019 Lavon’ny faritra Avaratra ny faritra Atsimo

03/01/2020

Nifarana tamin’ny alahady 29 desambra lasa teo ny fifaninanana basikety All Star Toliara 2019 ka nandavoan’ny faritra Avaratra

Hamaky ny tohiny...

Basket Tournoi Challenge Baobab 2019 Samy nanao poa-droa ny Sepa sy Jsb

03/01/2020

Nifarana tamin’ny alahady 29 desambra 2019 lasa teo tao amin’ny Complexe Sportif ao Mahajanga ny fifaninanana basikety “ Tournoi Challenge Baobab ”

Hamaky ny tohiny...

Edito

Vazivazy zaritenany !

03/01/2020

Taona 2020. Taona 20/20. Izany no vazivazy fanirian’ireo mirary ny haha taon-jina tsy misy tomika ity taona vaovao 2020 ity.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Fizahan-tany 348 660 ireo nitsidika an’i Madagasikara tamin’ny 2019

03/01/2020

Mbola mila ezaka hatrany i Madagasikara eo amin’ny Sehatra fizahan-tany.

Hamaky ny tohiny...

Lamba landy Mampiseho ny tena maha-Malagasy

03/01/2020

Misy ny akanjo mariazy vita amin'ny lamba landy ary efa maro ireo tanora manorina tokantrano no liana amin’izany. "Mariazy mampanofinofy" no lohahevitra tamin'ny fampiratiana andiany

Hamaky ny tohiny...

Seha-pihariana eto Madagasikara Misy paikady maro tokony hampahafantarina

03/01/2020

Mametraka ny fahamarinan-toeran'ny fitondrana eo amin'ny lafin'ny iraisampirenena sy ny eto an-toerana no nataon’ny filoham-pirenena tao anatin’ny kabariny firarian-tsoa ho an’ny taona vaovao, raha ny fahitan’ny mpanao politika, Dany Rakotoson, azy.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Ministeran’ny fanabeazam-pirenena Hijery ny fari-piainan'ny mpiasa

03/01/2020

Tetikasa maro hanatsaràna ny kalitaon'ny fanabeazana no vinavinain'ny ministeran' ny fanabeazam-pirenena sy fampianarana teknika ary fanofanana arak'asa amin'izao taona 2020 izao hoy ny minisitra Volahaingo Marie Thérèse.

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

RINDRINA NIHOTSAKA NAMONO OLONA

03/01/2020

Dimy no maty teto an-drenivohitra tamin’ny taom-baovao. Ny efatra tamin’ireo dia ankohonana iray tetsy Ambohidrapeto.

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

Taona 2020 15 andro no tsy hiasana

03/01/2020

Miisa 15 ireo andro tsy hiasana amin’ity 2020 ity noho ireo fety sy daty manokana manamarika ny fiainam-pirenena, efa andro alahady anefa ny 6 amin’izy ireo , izany hoe efa

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo renivohitra sy ny manodidina “6 maty, 22 ny mpanendaka tratra nandritra ny fety”

03/01/2020

Olona efatra maty nianjeran’ny rindrim-bato teny amin’ny faritra Ambohidrapeto, Itaosy nandritra ny fety, raha ny tatitry ny polisim-pirenena raha ny tatitry ny polisim-pirenena tamin’ny mpanao gazety omaly , teny amin’ny efitrano fiasan’ireo mpitandro filaminana Anosy.

Hamaky ny tohiny...

Rotsak’orana be loatra Nandray fepetra ny BNGRC

03/01/2020

Manoloana ny rotsak’orana betsaka sy mifanesy eto Antananarivo amin’izao fotoana izao dia misy amin’ireo tany sy vato indray no ahiana hihotsaka.

Hamaky ny tohiny...

Tanjombato Nitsoraka tao ambany tetezana ilay taksi

03/01/2020

Nitohana izay tsy izy ny fifamoivoizana teny Tanjombato omaly maraina, tsy fanamboaran-dalana akory fa noho ny loza izay nitranga.Fiara Peugeot 205, izay taksi no tsy tafavily

Hamaky ny tohiny...

Fitsirihana tahan’ny alikaola amin’ny mpamily Nahoana moa no tsy atao mandava-taona ?

03/01/2020

Matetika amin’ny vaninandro fety tahaka ny hoe krismasy, faran’ny taona, Paska, Pentekosta izay mampitombo ny fifamoivoizana no manao ilay fitsirihana

Hamaky ny tohiny...

Dossier

Famahana ny olan’ny JIRAMA Tetikasa maro no hotanterahina amin’ity taona ity

03/01/2020

Maro ireo tetikasa hotanterahina ho fanatsarana ny famatsian-drano eto Andrenivohitra sy manerana ny Nosy tahaka ny hatao any Amoronakona sy Mandroseza.

Hamaky ny tohiny...

Tranga

Fanendahana anaty taksibe Tra-tehaka ilay mpandrovitra poketra sy tarehy

03/01/2020

Lehilahy 34 taona, mpanendaka no tra-tehaky ny fokonolona sy ny polisy avy ao amin’ny boriboritany faha-6 Ambohimanarina teny Andranomena ny talata 31 desambra teo tokony ho tamin’ny 1 ora tolak’andro . Zotram-pitaterana mankany Ivato nanala olona teo Andranomena no nidiran’ity lehilahy mpanendaka ity.

Hamaky ny tohiny...

Jery todika fety - HJRA Betsaka ireo vehivavy mamoifo

03/01/2020

Antsasaky ny lehilahy latsaka ny salanisan'ny vehivavy niditra tao amin'ny Hjra nandritran'ny fetin'ny faran'ny taona sy ny afak'omaly taom-baovao. 166 ny fitambaran'ny tovolahy sy raim-pianakaviana raha 69 ny andriambavilanitra.

Hamaky ny tohiny...

Alasora Voasambotra ireo mpivarotra merkiora sandoka

03/01/2020

Lehilahy roa no voasambotry ny Polisin’Alasora ny alatsinainy teo rehefa avy nisoloky olona saika hividy merikiora sandoka izay vatan’akondro sy tantely tamin’ny tavohangy ary ody gasy maro sy gazety nofonosana lambamena no tao anatiny .

Hamaky ny tohiny...

Reraky ny fety ny mponina Mirongatra ny asan-jiolahy eny Itaosy

03/01/2020

Nanararaotra ny harerahan'ny mponina vokatry ny fety sady tao anaty orana ny jiolahy teny amin'ny tanana iray tao Ambavahaditokana Itaosy.

Hamaky ny tohiny...

Jiolahin’Antanimena sy Vasakaosy Roa lahy mitondra antsy tratran’ny mponina nanendaka

03/01/2020

Lehilahy 2 no voasambotry mponina ka natolotra ny polisy avy tao amin’ny PPA Antaniavo ny harivan’ny faran’ny taona 2019, tamin’ny 7 ora sasany teo teny Vasakaosy noho ny resaka fanendahana mitondra antsy.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana