Fil d'actualités du 05/04/2020

  • 05/04/2020 - 23:00 : ANDRY RAJOELINA: Mitohy mandritra ny 15 andro ny fihibohana. Mihantra manerana ny nosy ny tsy fahafaha-mivezivezy amin'ny 8ora alina hatramin'ny 5 ora maraina, ny fivorivoriana samihafa. Miato ny fampiarana rehetra. Voarara ny fifamezivezena na ho an'ny taxi na ho an'ny taksibe eto Antananarivo.

  • 05/04/2020 - 14:00 : COVID-19: Olona iray indray no voamarina fa tratran'ity aretina ity eto Madagasikara. Mpandeha tamin'ny sidina AF934 tonga ny 17 martsa io. Olona 2 kosa no sitrana, ka 69 izany ireo voa amin'izao fotoana izao.

  • 04/04/2020 - 16:30 : FILANKEVITRY NY MINISITRA: Tapaka fa mitohy mandritra ny 15 ny hamehana ara-pahasalamana eto amin'ny tanin'ny Repoblikan'i Madagasikara.

  • 04/04/2020 - 14:00 : ARP HELISOA: Nadoboka am-ponja vonjimaika i Arphine Helisoa, izay ambara fa naniratsira ny filoha sy miantso fankahalana araka ny fitoriana nataon'ny fanjakana.

  • 03/04/2020 - 18:00 : ASA FANAOVAN-GAZETY: Nampanantsoin'ny Sampan-draharaha miandraikitra ny Cybercriminalité i Arphine na Arp Helisoa mpanao gazetin'ny Valosoa noho izy voatonona ho naniratsira ny Filoham-pirenena ka notorian'ny Fitondram-panjakana. Tànana eny amin'ny BC Anosy izy amin'izao fotoana izao.

  • 03/04/2020 - 13:30 : COVID: Niampy olona 6 indray ny voa ka vokatry ny fifampikasohana tamin'ireo efa voa avokoa ireo tranga ireo. 65 izany izao no voamarina fa mitondra ny Covid-19 eto Madagasikara.

  • 03/04/2020 - 12:45 : FANAMPIANA: Nahatratra 452 tapitrisa ariary ny vola voaangona ankoatra ny fanampiana mivantana mba hiatrehana ny coronavirus.

  • 03/04/2020 - 10:30 : AFRIQUE-MAGHREB: Miisa 58 ny maty any Algérie, ary 847 ny trangana Covid-19; Egypte koa 52 ny maty ary 779 ny tranga; 38 no namoy ny ainy ho an'i Maroc ary 676 no voamarina fa voa; 12 kosa ny maty hatreto an'i Tunisie ary 423 ireo olona mitondra ny Coronavirus.

  • 03/04/2020 - 10:00 : ANTOHOMADINIKA 3G HANGAR: Hitangoronan'ny olona eo amin'ny Biraon'ny Fokontany amin'izao fotoana izao. Tsy mangarahara sy feno kolikoly ny fomba nizarana ny fanampiana, hoy ireo olona.

  • 03/04/2020 - 09:30 : ANTOHOMADINIKA 3G HANGAR: Raikitra ny sakoroka amin'ny fizarana ny fanampiana avy amin'ny fanjakana. Mampiaka-peo ireo milaza fa isan'ireo sahirana kanefa tsy nahazo, ary milaza fa misy ny kolikoly sy kinamanamana.

Voir plus d'infos...

06/04/2020

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20191206

Misongadina

Eddy Boaderozy Gadra 5 taona, lamandy 2 miliara

06/12/2019

Dimy taona sazy mihatra ao Tsiafahy ary lamandy roa miliara ariary. Izay no sazy azon’i Eddy Maminirina na « Eddy Boaderozy » noho ny aferana boaderozy anenjehana azy.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Fleury Rakotomalala Miantso ny Malagasy higrevy….

06/12/2019

“Ndao !!! Sabotsy 7 desambra amin’ny 11 ora eny amin’ny arabe akaiky antsika no fotoana. Ento ny vilany, ny bidons jaunes, ary ny banderoles hanehoantsika fa tsy faly isika. Ampy izay !”.

Hamaky ny tohiny...

Nosy manodidina « Iles éparses » Tsy ilana adihevitra fa an’i Madagasikara, hoy ny Andriana Robert

06/12/2019

« Ny rariny sy ny hitsiny no tokony hapetraka, raha efa nisy hatry ny fahagola ireo nosy dia tsy ilana adihevitra akory ny maha Madagasikara azy.

Hamaky ny tohiny...

Fahamarinana amin’ny fifidianana Tsy raharahan’ny antoko TIM irery intsony

06/12/2019

Tsy afaka tsy hiresaka ny manodidina ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolotsaina isika satria mivoatra ny vaovao.

Hamaky ny tohiny...

Ankilabao taorian’ny fifidianana Mitokona ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana

06/12/2019

Tsy misy ampahafolon'ny tambin-karama azon'ireo mpitsara no omena ny mpiraki-draharaha niantsoroka ny fifidianana kanefa samy manao ny asa fikirakirana ny hahatomombana izany.

Hamaky ny tohiny...

RMDM “Foano any fa feno hosoka ny fifidianana”

06/12/2019

Velona ahiahy mafy manoloana ny fanitsakitsahana miverimberina ny lalàna fototra velona eto amin’ny tany sy ny firenena ataon’ny mpitondra isan’ambaratonga nandritr’ireo fifidianana nifanesy,

Hamaky ny tohiny...

Chandoutis Raoera Ny fanjakana tan-dalàna no hahafahana mampandroso ny firenena

06/12/2019

Ny fanjakana tan-dalàna ihany, hoy i Chandoutis Raoera, directeur des études eo anivon’ny sekoly ambony ESD no hahafahana mampandroso ny firenena.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Fanapoizinana ara-tsakafo Mpanjifa enina saika matin’ny maiônezy

06/12/2019

Olona enina narary mafy, saika tsy avotra raha tsy naiditra hopitaly, efa nakaton’ny fitondram-panjakana ireo mpivarotra hani-masaka teny Ambolokandrina.

Hamaky ny tohiny...

Finoana

Ho an’i Kristy Hetsika natao hamondronana ny Kristianina rehetra

06/12/2019

Notanterahina nanomboka omaly etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina haharitra efatra andro ilay hetsika hamondronana ireo Kristianina rehetra misehatra amin’ny ara-barotra….

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

CNR – Minisiteran’ny fampianarana ambaratonga ambony Ahiana tsy handray karama hatramin`ny aprily 2020

06/12/2019

Miisa 9 ny ivontoeram-pirenena misahana ny fikarohana (Centres nationaux de recherche) eto Madagasikara. Rantsamangaika eo

Hamaky ny tohiny...

kolontsaina

Rock Malagasy Tena ilaina ny famoronana

06/12/2019

Olana hatrany ny famoronana na dia betsaka aza ireo manan-talenta hoy ny tarika Ziv mpiangaly ny mozika Rock tetsy amin’ny Telozoro Andrefan’Ambohijanahary.

Hamaky ny tohiny...

Any Ivelany

Krizy sy fitokonana Mikatso tanteraka ny any Frantsa

06/12/2019

Fitokonana maherin’ny 250 isa no mitranga any Frantsa ary dia mikatso tanteraka ny asa aman-draharaha, ny fitaterana…

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

Dokotera Joseph Ramiandrisoa « Nidina ny fari-piainan’ny olona, dia nalaina nifidy izy ireo »

06/12/2019

Niaraha-nahita fa nihena ho 25% ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy tonga nifidy, ny 27 novambra teo.

Hamaky ny tohiny...

Fotodrafitrasa ao amin’ny faritr’i Sofia Mampitsoaka mpandraharaha

06/12/2019

Ny fametrahana ny rafitra momba ny fidiram-bolan’ny faritr’i Sofia no nataonay voalohany indrindra, raha voatendry ho

Hamaky ny tohiny...

Vakinankaratra Tovovavy iray saika namidy70 tapitrisa Ariary

06/12/2019

Olona efatra malaza amin’ny fivarotana sy fanondranana olona no saron’ny zandary avy ao amin’ny GAPJ Vakinankaratra ny talata lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Rano tapa-dava eto an-drenivohitra Eo am-pitadiavana vahaolana ny JIRAMA

06/12/2019

Nitondra fanazavana mahakasika ny rano tapa-dava eto an-drenivohitra omaly ny orinasa JIRAMA.

Hamaky ny tohiny...

Dossier

Vondrona Eoropeanina “Efa maro ireo vola natontona ho an’i Madagasikara”

06/12/2019

Nisy ny tatitra nataon’ny Vondrona Eoropeanina (UE) tamin’ny mpanao gazety natao tetsy amin’ny foibeny Tour Zital Ankorondano omaly.

Hamaky ny tohiny...

Madagasikara sy Frantsa Famatsiam-bola miisa 4 no natao sonia

06/12/2019

Nanome fanampiana ho fampandrosoana an’Antananarivo sy ny manodidina ny Masoivoho Frantsay ho amin’ny fampandrosoana (AFD).

Hamaky ny tohiny...

Tranga

Ankazoabo atsimo Olona telo maty notapahin-doha

06/12/2019

Mihorohoro ny mponina ao amin’ny distrikan’Ankazoabo atsimo amin’izao fotoana izao. Olona 3 no maty notapahin-doha, ka vehivavy ny iray ary lehilahy ny 2 tamin’ireo.

Hamaky ny tohiny...

Camera de surveillance Mitaky fitoriana ny fanenjehana jiolahy amin’ny zava-misy

06/12/2019

Efa ezahan’ny fitondram-panjakana rakofana «caméra de surveillance» eto an-drenivohitra,

Hamaky ny tohiny...

Vola sandoka 580 000 ariary Mila hamarinina ireo mari-bola 20 000 ariary

06/12/2019

B98570831 sy B98570849 ary B98570850 no laharana vola sandoka izay mipariaka avy any Ambositra.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana