Fil d'actualités du 13/12/2019

  • 13/12/2019 - 10:00 : FANKAN-KEVITRA:Mitohy hatrany ny fakan-kevitra ataon'ny fanjakana mahakasika ny fanitsiana ny Fehezandalàna mifehy ny harena ankibon'ny tany, ny Zoma faha-20 Desambra 2019 manomboka amin'ny 9 ora maraina eny amin'ny Mining Business Center Ivato no fotoana manaraka.

  • 13/12/2019 - 09:00 : FATAMPAHANJIRO:Ireto avy ny toerana mety ahitana fatapahan'ny herinaratra anio:Talamaty-Ambohiotrakely-Iavoloha-residence Iavoloha-Ambatomaro-Tsarahonenana-Andraisoro-Ampadrian'omby-Gendarmes fort du Chesne.manomboka amin'izao ora izao ka hatramin'ny 5 ora hariva.

  • 12/12/2019 - 15:10 : FANATANJAHATENA:Lavon'ny Afrika Atsimo tamin'ny "tire au but"ny Barea Madagasikara sokajy U20 teo amin'ny lalao fiadiana ny manasadalan'ny COSAFA.

  • 12/12/2019 - 14:30 : AMPASIMBAZIMBA-KAOMININA IBITY: Noraisim-potsiny tao an-tranony, taorian'ny fampitam-baovao avy amin'olon-tsotra, ireo dahalo roa niaraka tamin'ny basy vita gasy ny odigasy marobe.

  • 12/12/2019 - 14:00 : TOE-KARENA:Ny fianakaviamben'ny Tahirimbolam-panjakana malagasy dia faly miarahaba an' Andriamatoa RANJALAHY Ihajambolatiana voatendry ho Tale Jeneralin'ny Tahirimbolam-panjakana vaovao, araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Toe-karena sy ny Fitantanam-bola nandritry ny Filankevitry ny Minisitra omaly 11 desambra 2019.

  • 12/12/2019 - 13:45 : FANATANJAHATENA:Mitarika 2-0 isaika malagasy amin'izao fotoana izao eo amin'ny lalao baolina kitra COSAFA U20.

  • 12/12/2019 - 11:30 : FANAMBARANA:Manoloana ny feo miparitaka mahakasika ny fiakaran’ny vidin’entana (poketra, kiraro, kilalao, …) izay voalaza fa noho ny fiakaran’ny haban-tseranana, dia mitondra izao fanamarihana manaraka izao ny Foibem-pitantanan’ny Fadintseranana : • Ny tahan’ny haban-tseranana dia voafaritra amin’ny alalan’ny Lalana mifehy ny tetibolam-panjakana irery ihany. • Ny Fadintseranana dia tsy mikitikita taha anelanelan’ny taona ary tsy niova ny taha ny 01 january 2019 no nakaty. • Ny fiovanan’ny vidin’entana dia tsy miankina amin’ny Fadintseranana kanefa kosa maro ireo antony mety hahatonga izany toy ny fiakaran’ny vidin’ny entana any amin’ny mpamokatra na ny tombony alain’ny mpanafatra entana.

  • 12/12/2019 - 11:00 : FANATANJAHATENA:Anio no hiatrika ny lalao manasa-dalana ny Barea cosafa U20 izay ihaona amin'ny bafana bafana,azoi lazaina ho lalao miverina ity lalao ity.

  • 12/12/2019 - 10:30 : POLITIKA:Hisy ny dinika iharahin'ny solombavambahoaka sy ny praiminisitra Christian Ntsay anio etsy Tsimbazaza.

  • 12/12/2019 - 10:00 : TOE-KARENA:Araka ny volavolan-kevitra naroson'ny minisitry ny fanajarina ny tany dia nolaniana nandritra ny filan-kevitry ny minisitra ny filazana ny filan'ny fanjakana ny toerana manemotra ny "voie rapide"mampitohy ny lalam-pirenena faharoa sy seranatsambon'ny Toamasina.

Voir plus d'infos...

06/12/2019

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20191202

Misongadina

Naina sy Rina 5113 monja ny elanelam-bato

02/12/2019

Mandresy i Naina Andriantsitohaina amin’ny fifidianana ben’ny tanàna eto Antananarivo Renivohitra, raha ny vokatra navoakan’ny CENI.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Fanirisoa Ernaivo « Gadrao ny CENI fa mpandika lalàna »

02/12/2019

Efa hita tamin’ity fifidianana filoha sy depiote daholo ireo hosoka sy hala-bato tamin’ity fifidianana ity saingy ny fandeferana sy fisorohana ny korontana,

Hamaky ny tohiny...

Fahalainan’ny mpifidy Manome vahana ny politika maloto

02/12/2019

Raha oharina tamin’ny fifidianana solombavambahoaka teo dia ambany dia ambany ny taham-pandraisana anjara tamin’ny fifidianana kaominaly raha manodidina ny 25% izy hatreto, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko politika,

Hamaky ny tohiny...

Andranomavo-Soalala Feno bileta tokana mialoha ny vata mangarahara

02/12/2019

Mpikambana miisa 5 tao amin’ny birao fandatsaham-bato tao amin’ny biraom-pifidianana iray ao amin’ny fokontany Antsirabe, kaominina Andranomavo,

Hamaky ny tohiny...

Fanavaozana ny lisi-pifidianana Ilaina ny fandraisan’anjara ny rehetra

02/12/2019

Araka ny voafaritry ny lalàna dia ny 01 desambra no hanokafana indray ny lisi-pifidianana hahafahana manao ny fanavaozana.

Hamaky ny tohiny...

Demokrasia eto Madagasikara “Mbola lavitra ny lalan-kaleha”

02/12/2019

Nampalahelo ny havitsian’ny olona tonga nifidy, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko politika ABA, Dany Rakotoson.

Hamaky ny tohiny...

Kandidan’ny IRK Mitady hanao bodongerona any amin’ny sisiny

02/12/2019

Re ankehitriny fa mitady hanao bodongerona sy tery vaimanta ireo kandida IRK na dia efa resy mazava be izao ary.

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana feno lesoka Tezitra amin’ny CENI ny olona

02/12/2019

Nisokatra nanomboka omaly 1 desambra ho an'ny olompirenena ny lisi-pifidianana, izay azo jerena sy hamarinina isam-pokontany. Araka ny lalàna, isan-taona,

Hamaky ny tohiny...

Antenimieram-pirenena Tsimbazaza Ny Irk maro an’isa indray no manondrana

02/12/2019

Nahagaga ny mpanara-baovao politika eto amintsika fa ireo solombavambahoaka mpanohatra toa an-dry Fidèle Razarapiera avy any Ambatondrazaka sy ireo

Hamaky ny tohiny...

Fanavaozana ny lisi-pifidianana Nanomboka omaly eny anivon’ny fokontany

02/12/2019

Nanomboka omaly alahady 01 desambra 2019 ka hatramin’ny 15 mey taona 2020 ny fanaovana ny lisi-pifidianana hiantsorohan’ny komity eny ifotony misahana ny fifidianana na ny “commission electorale des electeurs”.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Rugby aty Afrika Montsan’ny XV Makis 63-03 ny Black Stallions

02/12/2019

Montsan’ny XV Makis de Madagascar 63-03 teo amin’ny kianjan’i Mahamasina,

Hamaky ny tohiny...

Seksion’ny baolina kitra Antananarivo Renivohitra Nangotraka ireo lalao manasa-dalana D-2 omaly

02/12/2019

Tena nangotraka ara-bakiteny tokoa, teny amin’ny kianjan’Alarobia omaly 01 desambra 2019, ireo lalao manasa-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny seksion’ny baolina kitra eto Antananarivo-Renivohitra sokajy D-2.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Edito Ny firenena no resy

02/12/2019

5 andro izay no vita ny fifidianana. Ao anatin’ny fiandrasana izay mety ho valin’izany ny rehetra ankehitriny.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Harena ankibon’ny tany “Be loatra ny tataon-ketra”, hoy i Ahmad Mohamad

02/12/2019

Tao anatin’ny ora valo no nandinihan’ireo solombavambahoaka ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana ho amin’ny taona 2020 (LFI 2020) ny sabotsy lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana Andrasana ny akony amin’ny toekarena

02/12/2019

Lany teny anivon’ny Antenimieram-pirenena ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana ho amin’ny taona 2020. Nolanian’ireo solombavambahoaka tetsy amin’ny lapan’ny Antenimieram-pirenena Tsimbazaza tamin’ny sabotsy farany teo izany.

Hamaky ny tohiny...

Naivo Raholdina “Tsy ekena ny tandrevaka amin’ny ny fitantanam-bolam-panjakana”

02/12/2019

Andrasana ny akon’ny fandaniana ny lalànan’ny fitantanam-bola amin’ny vahoaka Malagasy, hoy ny solombavam-bahoaka Naivo Raholdina, voafidy teny amin’ny boriborintany faha-5.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Diplaoma iraisampirenena amin’ny politeknika Hisokatra ny 5 desambra ny fifaninanana

02/12/2019

Ny ankamaroan’ny tanora malagasy nahavita fianarana teny amin’ny ambaratonga ambony dia sahirana amin’ny fitadiavana asa na misehatra amin’ny asa tsy mifanaraka amin’ny

Hamaky ny tohiny...

kolontsaina

Tarika 'Zay Afa-po ny mpankafy, feno hipoka ny Palais des Sports

02/12/2019

Fahombiazana tanteraka no azon’ny tarika Zay sy ny Ivenco ary ny orinasam-pifandraisana Orange omaly tetsy amin’ny lapan’ny

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

Fiatrehana ny loza voajanahary Hanome 50 tapitrisa dolara ny Banky Iraisam-pirenena

02/12/2019

Hotontosaina amin’ity volana desambra ity ny famoaham-bola 50 tapitrisa dolara avy amin’ny banky iraisam-pirenena, izay tohana ara-bola ho an’i Madagasikara.

Hamaky ny tohiny...

Madagasikara Mbola ezaka be ny fampananan’asa ny tanora

02/12/2019

‘Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny sabotsy lasa teo ny seraben’ny asa andiany fahatelo tany amin’ny distrikan’i Farafangana faritra Atsimo Atsinanana izay natrehan’ny minisitry ny asa ny fampananana asa, ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy,

Hamaky ny tohiny...

Foara VIDY VAROTRA Lasan-dRandriamanantena Eric ilay tany mirefy 300 m²

02/12/2019

Nifarana omaly alahady rehefa naharitra efatra andro ilay foara Vidy Varotra andiany faha-11 notanterahina tetsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina.

Hamaky ny tohiny...

Mpampianatra FRAM Hampitomboina ho 15.000 ireo raisina ho mpiasam-panjakana

02/12/2019

Hampitomboina ho 15.000 isa ireo mpampianatra FRAM raisina ho mpiasam-panjakana amin’ny taona 2020 ho avy io, hoy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana ara-teknika ary ny fanofanana arak’asa Rtoa Volahaingo Marie Therese raha 8.500 teo aloha.

Hamaky ny tohiny...

Mananara Avaratra Vehivavy bevohoka teraka teny ambony sambo

02/12/2019

Vehivavy bevohoka iray nitaingina sambo niainga tao Mananara Avaratra hihazo an’i Soanierana Ivongo no teraka teny ambonin’ity

Hamaky ny tohiny...

Ankatoky ny fety Manome tolotra zakan’ny rehetra ny Baolai

02/12/2019

Rehefa ankatoky ny fetin'ny faran'ny taona toy izao dia ny milina mandeha amin'ny herinaratra no mahasarika ny besinimaro.

Hamaky ny tohiny...

Dossier

Tetibolam-panjakana 2019 Raima sy valo ny fandaniana azy teny Tsimbazaza

02/12/2019

Nolanian’ireo solombavambahoaka rehetra teny Tsimbazaza tamin’ny fomba tsotra sy maika ny sabotsy hariva teo ny Volavolan-dalàna

Hamaky ny tohiny...

Tranga

Mitombo ireo manao SOS Lafo loatra ho an’ny Malagasy ny fitsaboana

02/12/2019

Araka ny fampitam-baovaon’ny fianakaviany, tratry ny tsy fahasalamana mafy i Fabrice Rakotondrabary izay raim-pianakaviana ary tsy maintsy hatao handalo fandidiana na “intervention

Hamaky ny tohiny...

Misy olana eny Mandroseza Ahiana hisotro rano maloto Antananarivo

02/12/2019

Nihotsaka babangoana manatona ny fiangonana sy ny sekoly katolika ao Mandroseza ilay toerana heverina fa hanary rano maloton’ny JIRAMA nivarina any Ikopa.

Hamaky ny tohiny...

Fenoarivo Atsimondrano Nirongatra ny lozan’ny Sprinter

02/12/2019

Ora roa mahery ny elanelany. Nitrangana lozam-pifamoivoizana roa samy hafa tamin’ny lalam-pirenena voalohany, omaly tolakandro.

Hamaky ny tohiny...

Tsy fandriampahalemana Hiarony fiaran’Ambatondrazaka ny mpitandro filaminana

02/12/2019

Nofaritana ny tetikady hotanterahin’ny zandary ao anatin’ny Faritra Alaotra-Mangoro hiarovana iny lalam-pirenena iny mandritry ny fety faran’ny taona sy ho amin’ny hoavy.

Hamaky ny tohiny...

Fisolokiana teny 67 HA Tra-tehaka ireo roalahy mpivarotra vovo-bolamena hosoka

02/12/2019

Roa tamin’ireo telo lahy nisoloky vovo-bolamena tamina vehivavy iray no tratran’ny polisy, ny alakamisy teo.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana