Fil d'actualités du 06/12/2019

  • 06/12/2019 - 15:30 : KOLONTSAINA:Misolo tena ny Minisitry ny Serasera sy Kolontsaina Lalatiana ANDRIATONGARIVO nandritra ny lanonana fanambarana ofisialy ny fitsangan'ny vovonan'ny mpanao vako-drazana malagasy ara-panjakana tao amin'ny CEMDLAC ny Tale Jeneralin'ny OFNAC Niry RAKOTONDRABE

  • 06/12/2019 - 15:00 : JIRAMA TOAMASINA:Nisy nangalatra ny tarobian-jiro mirefy 2 km, izay mitondra ny herinatra avy any Volobe mankany Toamasina, androany tokony hoe tamin'ny 1 ora maraina.

  • 06/12/2019 - 14:30 : POLITIKA:Manatanteraka kongresy nationaly etsy foibe toerana Andravoahangy ny antoko KFM.

  • 06/12/2019 - 14:00 : FILAZANA MANOKANA MOMBA NY RIVODOZA NY 06 DESAMBRA 2019 TAMIN'NY 04 ORA MARAINA: -Nitombo hery hatrany ka lasa Forte Tempête Tropicale ilay rovodoza “BELNA” ao Avaratry ny Nosy. -Tamin’ny 03 Ora maraina teo dia any amin’ny 545 Km Avaratry Antsiranana no misy ny foibeny. -Niakatra ho 90 Km/ora ny rivotra entiny izay arahina tafiotra 130 Km/ora. -Mikisaka miakandrefana somary Atsimo Andrefana ny diany ka mahafaka 13 Km/ora. -Araka izao fivoarana izao sy ny vinavina dia hitombo hery hatrany izy ka ho lasa rivodoza mahery vaika rahampitso. -Manambana ny tapany Avaratra sy Avaratra Andrefan’ny Nosy izy amin’ny fiandohan’ny herinandro ho avy. -Noho izany dia tsy miova ny filazana voarain’ireo faritra efa nahazo izany dia : SAVA, DIANA, SOFIA, BOENY sy MELAKY. -Ny mpampiasa ranomasina amin’ny morontsiraka Avaratra dia entanina mba tsy hiandrika intsony manomboka ny Zoma tolak’andro fa hihamamfy ny fitsoky ny rivotra.

  • 06/12/2019 - 11:30 : FAMPIANARANA:Niresaka mivantana tamin'ireo Mpampianatra-Mpianatra ary Mpandraharaha ary nijery mivantana ny toerana hanorenana ny "Campus présidentiel" any amin'ny faritra analanjirofo, izay haorina ao fenoarivo atsinana renivohitry ny faritra ny Minisitra Blanche Nirina RICHARD. .

  • 06/12/2019 - 11:00 : DINIKA NOSY MALAGASY:Mitaona ny rehetra mba handray anjara amin’ny "Dinika Nosy Malagasy", fakan-kevitra izay hatao eny amin’ny CCI Ivato amin’ny 9, 10,11 desambra 2019 ny Jly Richard Rakotonirina Ministry ny Fiarovam-pirenena (MDN).

  • 06/12/2019 - 10:30 : POLITIKA:Mangataka ny fanafohanana ny fifidianana kaominaly teto Antananarivo ny vondron'antoko RMDM.

  • 06/12/2019 - 10:00 : ECOFARM:Nanatanteraka fitsidihina ny “Ferme” iray tao Faravohitra ny Lehiben’ny Faritra sy ny ekipany, Mpandraharaha iray vao erotrerony nefa hita ho efa tena matihanina tanteraka.

  • 06/12/2019 - 09:30 : JIRAMA:Ireto indray ny toerana mety ahitana fatampahan-jiro amin'ity anio ity:Amanotokana-Ambatomirahavavy-Ambalabe-Ambohimiadana-Antsevabe-Ankazobe-Andranovelona.

  • 06/12/2019 - 09:00 : FANATSARANA NY FIFAMOIVOIZANA:Nisy ny fanandramana ireo fitaovana hitiliana ny tahan'ny alikaola hoan'ireo mpamily manomboka ny 16 Desambra 2019 ho avy izao.

Voir plus d'infos...

06/12/2019

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20191112

Misongadina

Clément Jaona Hiady ho an’i Faniry Ernaivo ny SMM

12/11/2019

Izy tenany no nampahafantatra ahy fa voaroaka izy ary tamin’ny alalan’ny “compte fake” fa hatreto tsy mbola nisy fanambarana ofisialy avy amin’ny Filankevitra ambonin’ny Mpitsara (CSM),

Hamaky ny tohiny...

Politique

Mpiara-dia amin` Fanirisoa Ernaivo “Didy politika iny nivoaka iny”

12/11/2019

Taorian`ny fanapahan-kevitra noraisin`ny fanjakana momba ny raharaha Fanirisoa Ernaivo, dia naheho ny tsy fahafaliany ireo mpanara-dia azy.

Hamaky ny tohiny...

Kandidan’ny IRD efa voaheloky ny fitsarana Nametraka fitoriana ny kandida Aristide ao Brickaville

12/11/2019

Nitory any amin’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana ao Toamasina mba hanintsanana ny kandida laharana faha-4 Randrianasolo José Clément, izay atolotry ny IRD ao amin’ny kaominina Ambanivohitr’i Brickaville ny kandida laharana faharoa Randriatovoniaina Aristide.

Hamaky ny tohiny...

Kandidà Tonton Josè “Soalandy Mifankatia sy Miara-miasa no Mandroso”

12/11/2019

Tsy mba misora-tena toa voatango na midera tena toa papelika ny kandida Herinaivo Ravaojanahary, raha eo amin’ny lafiny asa fampandrosoana ny tanàna no resahina.

Hamaky ny tohiny...

Fanotana ireo bileta tokana Ho vita anio 12 novambra

12/11/2019

Ho vita tanteraka anio 12 novambra ny fanotana ireo bileta tokana ilaina sy ampiasaina amin’ny fifidianana ben’ny tanàna sy ny mpanolotsaina izay atao ny 27 novambra ho avy izao,

Hamaky ny tohiny...

Boriborintany voalohany Saika HVM sy TIM avokoa ireo sefo fokontany nesorina

12/11/2019

Sefo fokontany miisa 13 amin’ireo fokontany miisa 44 mandrafitra ny boriborintany voalohany eto Antananarivo Renivohitra no nesorina sy nosoloina tamin’ny toerany ny herinandro teo, raha ny fampitam-baovao voaray.

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina Tsy arakaraky ny kabary ny asa…

12/11/2019

Mihazakazaka amin’ny fampanantenana hatrany ny filoha Andry Rajoelina, saingy tsy arakarak’izay ny zava-misy.

Hamaky ny tohiny...

Dede Ankadimanga “Hatao Mangarahara ny fitantanana »

12/11/2019

Anisan`ireo kandidà ben`ny tanàna tohanan`ny antoko Tia Tanindrazana Rakotondrafara Jean De Dieu na “Dede”, mitondra ny lah. faha-06 ao amin`ny kaominina Ankadimanga.

Hamaky ny tohiny...

Kaominina Anosizato andrefana Asa maro no ho vita rehefa tsara tantana ny vola

12/11/2019

Tena nihoapampana ny famoaham-bola teny anivon’ny kaominina Anosizato Andrefana tamin’ny fotoan’androny.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Savorovoro ao amin’ny JIRAMA Tale maromaro nesorina

12/11/2019

Nirarakopana ny fanesorana tompon’andraikitra tao amin’ny orinasa Jirama omaly.

Hamaky ny tohiny...

Aretin’ny voasarin’Ambohijafy Nahitan’ny VSM fanafana

12/11/2019

Nankalazaina tetsy amin’ny Tahala Rarihasina omaly ny andro iraisam-pirenena ho an’ny Siansa.

Hamaky ny tohiny...

Ady tanin’ny Silamo sy ny Hindou Niravona ihany 150 taona aty aoriana

12/11/2019

Nampahafantarina tetsy amin’ny masoivohon’i India tetsy Tsaralàlana omaly ny fivoahan’ny didim-pitsarana mahakasika ny ady tany nifanaovan’ny Silamo sy ny Hindou eo amin’ilay tempoly Babri- Ram Janambhoomi.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Basikety Tetikasa IBF EPP Antsararay Nofaranana tanteraka omaly

12/11/2019

Nofaranana ofisialy omaly alatsinainy 11 novambra 2019 maraina ilay tetikasa IBF “Fampianarana ny taranja basikety eny anivon’ny sekoly”

Hamaky ny tohiny...

Rugby ady volabe teny Malacam Norombahin’ny CNaPS Rugby nanoloana ny Cosfa

12/11/2019

Ny ekipan’ny CNaPS Rugby no nandrombaka ny amboara vola be natolotra teny amin’ny kianja Malacam Antanimena tamin’ny alahady

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana

Fisorohana ny lozam-pifamoivozana Tsy ankitsitsy ny fampiharana lalàna manomboka eto

12/11/2019

Nitombo avo 2 heny ny lozam-pifamoivoizana nisy teto Madagasikara tamin’ity taona 2019 ity raha oharina ny taona 2018.

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

Orinasa mpanao Goudron eny Alasora Mbola olana tsy mety voavaha…

12/11/2019

Taorian’ny hetsika nataon’ireo mponina monina eny Ankazobe Alasora mikasika ny tokony hanalana tsy misy hatak’andro ilay orinasa mpanodina goudron terena hatsangana eny an-toerana dia nisesy ny fidinana ifotony nataon’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny toy ny avy ao amin’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany, ny ofisim-pirenena misahana ny tontolo iainana…

Hamaky ny tohiny...

Tetikasa PECEB via logiciel VIEN Tsy ho taraiky amin’ny fahaizana lalàna intsony ny vahoaka

12/11/2019

Tsy mahay lalàna ny ankamaroan’ny sarambabem-bahoaka ankoatra ireo nianatra izany manokana.

Hamaky ny tohiny...

Dossier

Fanohizana fianarana any ivelany Mahasarika ny maro ny any Kanada

12/11/2019

Orinasa iray manampy ireo rehetra te hipetraka any Kanada ny “VJ Consulting”.

Hamaky ny tohiny...

Tranga

Nombana kely Niharan’ny areti-maso mampiahiahy…

12/11/2019

Mandray ny fahatelo taonany i Nombana Rakotoarison, monina any Talata Volonondry no tratran’ny areti-maso mampivarahontsana. Raha ny filazan’ny ray aman-dreniny, herinandro taorian’ny fakany fialantsasatra tany Mahajanga no niseho ny soritr’aretina.

Hamaky ny tohiny...

Lalana amboarina etsy Besarety Amin’ny 14 desambra vao azo handehanana

12/11/2019

Tapaka nanomboka ny sabotsy lasa teo ny lalana amboarina etsy Besarety. Amin’ny 14 desambra ho avy izao, vao azo ampiasaina tanteraka ity lalana ity, hoy ireo mpiasa.

Hamaky ny tohiny...

Beloha Androy Tra-tehaka ireo 8 lahy nandroba 20 tapitrisa ariary…

12/11/2019

Ny talata 22 oktobra teo, nisehoana fanafihana mitam-piadiana nataona andian-jiolahy maromaro tao amina tokantrano iray tao amin'ny kaominina Tranoroa,

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana