Fil d'actualités du 15/11/2019

  • 15/11/2019 - 16:15 : FILAMINAM-BAHOAKA:mpitandron'ny filaminana miisa 1 500 no ahetsika mandritra ny lalaon'ny barea rahampitso ka misy sivily miisa 200 hanaramaso ny anatiny sy ivelany.

  • 15/11/2019 - 15:45 : BAREA:Nampitandrina ny prefet manoloana ireo mpivarotra tapakila sandoka sy ny fivarotana tapakila mihoatra ny vidiny tena izy.

  • 15/11/2019 - 14:30 : ILES EPARSES:Araky ny tapaka tamin'ny filan-kevitry ny Minisitra ny faha 13 Novambra 2019 dia ho dinihina amin'ny alatsinainy 18 Novambra etsy amin'ny lapa Andafiavaratra, miaraka amin'ny solotenan'ny fitondrana frantsay ny mikasika ireo Nosy Malagasy aty amin'ny ranomasimbe indianina.

  • 15/11/2019 - 14:00 : ANOSY:Notanterahina androany zoma faha 15 novambra 2019 tetsy amin’ny lapan’ny fitsarana tampony Anosy ny fianianan’ny Governoran’ ny Banky foibe vaovao Andriamatoa Henri Edmond RABARIJOHN izay nisolo toerana an’Andriamatoa Alain RASOLOFONDRAIBE .

  • 15/11/2019 - 12:00 : AMBATONDRAZAKA: Misy olana ny famatsiana solika, vitsy ireo station ahitana ESSENCE ary hilarana mihintsy ny mividy izany. sary indrana.

  • 15/11/2019 - 11:00 : FILAZANA:Ny Ministeran'ny Fiarovam-pirenena dia manentana ny Malagasy rehetra hanangana ny sainam-pirenena ny alatsinainy 18 Novambra 2019 ho fiaraha-mientana mandritra ny fivoriana izay hatao ao amin'ny lapan' Andafiavaratra handinihana ny hoavin'ny Nosy Manodidina.

  • 15/11/2019 - 10:30 : HERINARATRA:Nanome tohana ara-bola mitentina 104 lavitrisa ny Vondrona Eoropeana

  • 15/11/2019 - 10:00 : FAMATSIANA RANO:Handrasana ny vahaolana aroson'ny filoha anio.

  • 15/11/2019 - 09:30 : JIRAMA:Hiusy ny fatampahan-jiro androany amin'ireto faritra ireto:Ambohidroa;Tanjombato zone forello;Mandroseza.

  • 15/11/2019 - 09:00 : AMBATOMAINTY:Nahitana zazakely iray narian-dreniny tao anaty fakop ny maraina teo.

Voir plus d'infos...

15/11/2019

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20191004

Misongadina

Savorovorom-panadinana Mety hofoanana ny Bakalorea…

04/10/2019

Amin’ny 9 ora alina mbola misy mpanala fanadiana bakalorea miatrika ny laza adina siansa teny Ambohimangakely omaly 3 oktobra.Efa tena sangy mihoatra ny loha, amin’ny 6 ora hariva no nozaraina ny laza adina…

Hamaky ny tohiny...

Politique

Constant Raveloson

04/10/2019

“Mifameno tsara ireo foto-kevitra telon’ny Tia Tanindrazana” “Teboka telo ny tarigetra heverin’ny antoko TIA Tanindrazana

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo BAR sisa tsy nidiran’ireo kandida…

04/10/2019

Toa efa misarintsarina propagandy ny zava-misy eto Antananarivo amin’izao iray volana mahery tsy hidirana amin’ny fammpielezan-kevitra izao.

Hamaky ny tohiny...

Fernand Cello “Tonga ny fotoana hampandrosoana ny tanàna”

04/10/2019

Efa ela no niady ho an’ny vahoakan’Andohan’Ilakaka satria maro ny tolona sy ady natrehina sy ny fiarovana ny vahoaka ianjadian’ny tsindrihazolena eny anivon’ny fokontany sy ny kaominina,

Hamaky ny tohiny...

Rodoben’ny mpanohitra Mangataka ny hanesorana ireo governora

04/10/2019

Tafapetraka omaly teny anivon’ireo andrim-panjakana mpanao lalàna miisa 2 dia ny antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza sy ny antenimierandoholona etsy Anosy ny taratasy

Hamaky ny tohiny...

Fampandrosoana an’Ambavahaditokana Hametraka ny dian-tanany Ramamonjisoa Zo

04/10/2019

Fitiavan-tanindrazana sy fitiavana manompo firenena no nandrisika ahy hirotsaka ho ben’ny tanàna ao amin’ny kaominina Ambavahaditokana, hoy Rtoa Ramamonjisoa Zo,

Hamaky ny tohiny...

Feno Harison “Aleo hisy laharana ny bileta tokana.”

04/10/2019

Voalazan’ny lalàna fa lisitra 2 samihafa ny an’ny ben’ny tanàna sy mpanolotsaina ka tsy hitako ny olana, hoy ny kandida laharana faha-5 eto Antananarivo, Feno Harison.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Andohanimandroseza Mpiasan’ny Jirama ihany no nampangalatra herinaratra

04/10/2019

Trano lehibe iray, ahitana rihana roa, ao amin’ny fokontany Andohanimandroseza no tra-tehaka noho ny fangalarana herinaratra.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Fifaninanana ASIEF nasionaly any Antsiranana Nahazo tsodrano tamin’ny praiminisitra Ntsay Christian

04/10/2019

Nahazo tsodrano tamin’ny anaran’ny governemanta tarihany sy tamin’ny anaran’ny tenany manokana ny tompon’andraikitra mitantana sy mikarakara ny ASIEF na “Association Sportive Interministérielle pour l’Entretien des Fonctionnaires” notarihan’ny filohany, Botosera John Love,

Hamaky ny tohiny...

Champion’s League any Eoropa Ireo mendriky ny andro faharoa

04/10/2019

Tontosa tamin’ny talata 01 sy alarobia 02 oktobra lasa teo ny andro faha-2 amin’ny fifaninanam-bondron’ny Champion’s League any Eoropa.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Fandraharahana Mbola malalaka ny lalana amin’ny “cacao”

04/10/2019

Ho an’ny eto Madagasikara dia haharitra 5 andro ny fankalazana ny andro iraisam-pirenana ho an’ny cacao sy ny sokola izay atao eny amin’ny musee de la photo Andohalo.

Hamaky ny tohiny...

Mpandraharaha Malagasy Vonona ny tanora saingy…

04/10/2019

Tsy ampy mihitsy ny fampiofanana mpandraharaha raha ny eto Antananarivo, mainka moa ny any amin’ny faritany.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Mpampianatra-mpikaroka Tsy mivoaka any ivelany raha tsy hankatoavin`ny filoham-pirenena

04/10/2019

Nandritra ny “COPRES Elargi” ny 3 septambra farany teo dia nisy fampahafantarana (note de service) maromaro navoakan`ny fitondram-panjakana. Manitsaka tanteraka ireo lafiny efatra eo amin`ny fahaleovantenan`ny oniversite izany, hoy ny SECES Mahajanga.

Hamaky ny tohiny...

Bakalorea andro faha-4 Tara indray ny fanombohan’ny taranja Frantsay

04/10/2019

Nisy fahatarany indray ny fanombohan’ny fanadinana taranja frantsay amin’ny bakalorea, omaly raha ny hita teny amin’ny foibem-panadinana, LMA Ampefiloha, ny teny Alarobia ary ny tany Sabotsy Namehana.

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

Madagasikara Mbola tena tsy voahaja ilay “asa mendrika”

04/10/2019

Mbola lavitr’ilay “ asa mendrika” isika eto Madagasikara. Raha araka ny fanazavan-dRakotomanga Barison, sekretera jeneraly eo anivon’ny sendika mivondrona ao amin’ny Industriall Union Building

Hamaky ny tohiny...

Ambohitrimanjaka Miverina amin’ny laoniny ny famatsian-drano

04/10/2019

Efa miverina amin’ny laoniny ny fizarana rano eny Ambohitrimanjaka amin’izao,

Hamaky ny tohiny...

Minisiteran’ny asa – CNaPS Nidina tany Ambanja ny Task Force

04/10/2019

5 volana izao no nitsangana ny task force an’ny fiahiana ara-tsosialy,

Hamaky ny tohiny...

Dossier

Fandoroana tanety Mampigadra 5 ka hatramin’ny 10 taona

04/10/2019

Mampigadra dimy ka hatramin’ny folo taona an-tranomaizina ny fandoroana tanety. Mampigadra dimy ka hatramin’ny folo taona an-tranomaizina ny fandoroana tanety.

Hamaky ny tohiny...

Jirama sy Jovena Hitsahatra ny fiaraha-miasa

04/10/2019

Ny faran'ny volana septambra teo no nandefa taratasy fangatahana fampitsaharana ny fifanaraham-piaraha-miasan’ny JIRAMA amin'ny orinasa JOVENA ny fitondram-panjakana Malagasy sy ny filankevi-pitantanana.

Hamaky ny tohiny...

Tranga

Bakalorea Andramasina Rotiky ny oram-baratra ny taratasim-panadinana

04/10/2019

Rotiky ny rambondanitra ny kopia na ny taratasin’ny valim-panadinan’ny mpianatra nanala bakalôrea tao Andramasina, ny talata tolakandro teo, araka ny fampitam-baovaon’ny borigadin’ny zandarimariam-pirenena any an-toerana.

Hamaky ny tohiny...

Taksibrosy nivadika - RN7 Zaza 10 volana no namoy ny ainy

04/10/2019

Nitrangana lozam-pifamoivoizana matetika teto amintsika sy tany amin’ny faritra tato ho ato.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana