Fil d'actualités du 16/10/2019

  • 16/10/2019 - 09:30 : JIRAMA:Tapaka tanteraka ny famatsiana RANO eny :ANDOHARANOFOTSY - MAHALAVOLONA - BONGATSARA - MANDRIAMENA amin'izao fotoana izao.Antony: Nisy nangalatra ny taribin-jiro mitondra ny herinaratra mampiodina ny tobim-pamokarana rano eny ANKADIVORIBE

  • 16/10/2019 - 09:00 : JIRAMA:Hisy fahatapahana ny JIRO anio Alarobia 16 Oktobra 2019, manomboka amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 04 ora folakandro eny AMBOHIMANGAKELY. Antony :asa fikojakojana fanao isaky ny fotoana voafetra.

  • 15/10/2019 - 15:30 : FANDAMINANA NY FIFAMOIVOIZANA:Araka ny nambaran'ny sekretera jeneraly ny kaominina Antananarivo renivohitra dia manomboka rahampitso Alarobia 16 Octobra dia afaka manintsy eo amin'ny tsenan'ny pochard ireo taxibe hihazo an'Ankazomanga,Andraharo,Ambohimanarina.

  • 15/10/2019 - 15:00 : BAKALOREA:Tafiakatra 59 ny voasambotra tamin'ny famoahana laza adina ka 19 amin'ireo no naiditra am-ponja vonjimaika.

  • 15/10/2019 - 14:30 : ANALAKELY:mpivady teratany karana nitondra moto no dominy tobila teratany sinoa etsy Analakely amin'izao fotoana izao,tsy nisy ny aina nafoy fa tapaka ny tongotr'ilay Ramatoa terantany karana.

  • 15/10/2019 - 11:30 : FIBATANA FONJAM-BY:Noho ny fanadinana fizarana faharoa ny bakalorea dia mihemotra ny Alahady 03 Novembre amin'ny 2 ora tolakandro ny fifaninana "AMATEUR BODYBUILDING CHAMPIONSHIP".. Mitohy hatramin'ny Sabotsy 26 Octobre ny fisoratanana anarana noho izany. (BodyBuilding, Men's Physique, Miss Bikini)

  • 15/10/2019 - 11:00 : FIKAROHANA MOMBA NY FANDOTOANA NY RIVOTRA: Notanterahina nanomboka ny 14 oktobra, ary haharitra dimy andro, eny amin’ny hotely Panorama, ny fampianarana mahakasika singa ao anatin’ny rivotra. Tanjona ny hamaritana ny fiavian’ny fandotoana rivotra sy hanitarana ny fikarohana momba izany.

  • 15/10/2019 - 10:30 : AMBOSITRA:Hisy ny hetsika manokana hoan'ny vehivavy tantsaha anio izay tanterahina any Ambositra.

  • 15/10/2019 - 10:00 : FANATANJAHANTENA:Ho tanterahina ny Sabotsy 19 Octobra ho avy izao ny lalao miverina eo amin'ny Barea sy Namibie.Raha toa ka nandresy 1-0 isika tamin'ny lalao mandroso hanao ahoana kosa ary ny lalao miverina?

  • 15/10/2019 - 09:30 : POLITIKA:Hisokatra amin'ny fomba ofisialy amin'ity anio ity ny fivoriana ara-potoana faharoa ataon'ny eo anivon'ny antenimiera hadinihina ny tetibolam-panjakana 2020.

Voir plus d'infos...

15/10/2019

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20190930

Misongadina

Raharaha Ambohitrimanjaka Mikoropaka ny fitondrana !

30/09/2019

Re izao fa may volon-tratra ny ao an-dapa, indrindra fa ny ekipa eny Ambohitsorohitra izay misy ny departemanta serasera eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika na ny Prezidansa.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Sehatra iraisam-pirenena Resin`i Ntsay lavitra Rajoelina

30/09/2019

Nihaona sy niresaka tamin’ny Sekretera Jeneralin’ny Firenena Mikambana ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta Ntsay Christian nandritra ny diany niatrika ny Fivoriambe faha-74 ho an’ny Firenena Mikambana.

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana ben’ny tanàna Hanara-maso akaiky ny TIM

30/09/2019

Fifidianana azo arahi-maso tsara ny fifidianana ben’ny tanàna ary ny antoko TIM manokana dia efa manana ny ezaka sy paikady amin’izao

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Valan-javaboaharin’Ankarafantsika Ala an-jatony hekitara ravan’ny afo

30/09/2019

Manodidina ny 572 ha no voalaza fa may tao amin'ny valanjavaboahary Ankarafantsika teo anelanelan'ny 12 hatramin'ny 19 septambra teo, raha ny vaovao niparitaka.

Hamaky ny tohiny...

Orinasa Jirama Ny Tetezamita no tena namotika azy

30/09/2019

Misokatra ny fandraisana ny dosie sy antontan-taratasy ho an’ireo maniry ny Tale Jeneraly sy Tale Jeneraly lefitra ho an’ny orinasam-panjakana JIRAMA.

Hamaky ny tohiny...

Afera CEG Analamahitsy Tsy any am-ponja akory ilay atidoha ?

30/09/2019

Misy resaka mivoaka amin’izao fa tsy migadra any am-ponja velively ilay heverina fa tena atidoha izay voarohirohy tamin’ny raharaha famarotana ny tany misy ny CEG eny Analamahitsy. Anisan’ireo naiditra am-ponja vonjimaika izy io.

Hamaky ny tohiny...

Finoana

Pastera Heritiana - Vahao ny Oloko “Mpandamina izahay fa tsy mpanakorontana”

30/09/2019

Mpandamina izahay fa tsy mpanakorontana araka ny fanenjehan’ireo tsy tia, hoy ny pastera Heritiana Randriarimalala, filoha mpanorina ny fiangonana Vahao ny oloko eto Madagasikara.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Baolina kitra Afrikanina 2019 Raraka avokoa ny Fosa Juniors sy ny CNaPS Sport

30/09/2019

Nifarana teo amin'ny fihodinana faharoa ny lalana ho an'ny CNaPS Sport amin’ny fifaninanana fiadiana ny amboaran’ny kaonfederasiona Afrikanina 2019/2020.

Hamaky ny tohiny...

Rugby à XV “GOLD TOP20-2019” Tena nangotraka tokoa teny amin’ny kianjan’i Makis

30/09/2019

Tontosa tamin’ny sabotsy 28 sy omaly alahady 29 septambra 2019 teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny andro voalohany amin’ilay

Hamaky ny tohiny...

Open Grand Prix de Karate tany Turquie Medaly volamena 1 sy volafotsy 1 ary alimo 1 no azon’ny Malagasy

30/09/2019

Tapitra omaly alahady 29 septambra ilay fifaninanana Open Grand Prix d e Karate notontosaina tany Turquie.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Todian’ny natao!

30/09/2019

Manao toy ny mpitari-bato vilam-bava, ka hafa ny tondroin’ny molotra, ary hafa ny ataon’ny tànana, hoy ilay fomba fitenintsika.

Hamaky ny tohiny...

kolontsaina

Fihavanana Malagasy Hatao vakoka tsy hita maso

30/09/2019

Tapitra tamin’ny faran’ny herinandro teo ny fivoriana fahatelo farany nataon’ny Komitin’ny Fampihavanam-Pirenena (CFM).

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Monja Roindefo “Efa tena tsy rariny ny halatra omby any atsimo”

30/09/2019

Nandefa taratasy miantefa mankany amin’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny praiminisitra teo aloha Monja Roindefo Zafitsimivalo manoloana ny raharaha fanagiazana omby any Atsimo,

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

Fahaleovantena ara-tsakafo Hampitomboina avo efatra heny ny voka-bary

30/09/2019

Tantsaha amina tokantrano miisa 1 600 ao amin`ny kaominina dimy (Ambonanindovoka, Ambohimahamasina, Ambohimandroso,

Hamaky ny tohiny...

Fandrosoan’ny firenena Ilaina ny fananana siantifika

30/09/2019

Mihavitsy an’isa hatrany ny mpianatra Malagasy tia sy mirona amin’ny taranja siantifika araka ny tatitra nandritra ny fankalazana ny faha-130 taonan’ny IOGA (Insititut Observatoire Geo-physique d’Antananarivo).

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny tsy fanjariantsakafo Hampandraisina anjara ireo parlemantera mpamolavola lalàna

30/09/2019

Manana tanjona ny hamondrona an’ireo parlemantera eto amintsika, amin’ny maha mpanao lalàna azy ireo, ny vovonana HINA, na ny Hetsika Iraisana Natokana ho an’ny Ady amin’ny Tsy fanjariantsakafo.

Hamaky ny tohiny...

Tranga

Fanafihana teny Ivato Nongotan’ireo jiolahy ny «grille de protection»

30/09/2019

Mahazo vahana ny asan-jioalhy eny Ivato sy ny manodidina ankehitriny.

Hamaky ny tohiny...

CENAM 67HA Voasambotra ilay mpanenjika vehivavy amin’ny sabatra

30/09/2019

Zava-maranitra no entin’ny jiolahy iray manenjika olona, indrindra vehivavy am-pandehanana lehilahy iray,

Hamaky ny tohiny...

Andravoahangy Ramatoa iray tratra nampiasa vola sandoka

30/09/2019

Vehivavy zokiolona iray no heverina fa hanapitra ny andro sisa hiainany any am-ponja.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana