Fil d'actualités du 05/12/2019

  • 05/12/2019 - 16:00 : FAMPAFANTARANA:- "Lasa Dépression Tropicale" ilay rivodoza miforona ao Avaratry ny Nosy. - tamin’ny 09 Ora teo dia any amin’ny 650 Km Avaratra somary Avaratra Atsinanan’Antsiranana no misy ny foibeny. - nahitana fivoarana izy tao anatin’ny 12 Ora lasa ka heverina ho lasa Tempête Tropicale Moderée anio alina. - 55 Km/ora ny rivotra entiny, arahina tafiotra 75 Km/ora. - tombanana hitombo hery izy ao anatin’ny 03 na 04 andro ho avy - manambana ny tapany Avaratra sy Avaratra Andrefan’ny Nosy iny amin’ny faran’ny herinandro na ny fiandohan’ny herinandro manaraka. Noho izany dia mbola mihatra ny filazana MILOKO MAITSO ho an'ny faritra SAVA, DIANA ary SOFIA. Manoloana ny fivoaran’ny vinavina kosa dia iangaviana ny mponina amin’ny faritra BOENY sy MELAKY mba hiomana ka hampiatra ihany koa ny fepetra mikasika ny loko MAITSO.

  • 05/12/2019 - 15:50 : FANATANJAHATENA:Lavon'ny Barea tamin'ny isa 3 noho 0 ny ekipa Lesotho teo amin'ny lalao fiadina ny amboara COSAFA U20 sokajy lehilahy.

  • 05/12/2019 - 15:30 : VOHEMAR:Fiara 4x4 avy any Antalaha hihazo an'i CR Ampanefena no nandona olona telo teo amin'ny lalan'ny Tsaratanana,maty tsy tra-drano moa ireo olona ireo ka natao ny fifampiraharahana ka nanaiky ny andoa 90 millions isaky ny razana ireo Sinoa nitondra ilay fiara.

  • 05/12/2019 - 15:00 : FANDRIAM-PAHALEMANA:Nisy ny fidinana ifotony nataon'Andriamatoa Minisitry ny Fiarovam-pirenena taty amin'ny faritra Itasy androany 05 desambra mba hamerenana indray ny fandriam-pahalemana any amin'iny toerana iny.

  • 05/12/2019 - 14:30 : MINISITERAN'NY FAHASALAMANA:Nanao fanambarana ny teo anivon'ny ministeran'ny fahasalamana fa ny asa rehetra iandreketan'ny DRH eo anivon'ny ministera dia maimaimpoana avokoa.Izany no hatao mba hiadiana amin'ny kolikoly.

  • 05/12/2019 - 14:15 : FIFAMOIVOIZANA:Nanao fanentanana teny amin ny fasan -karana ny teo anivon 'ny ATT androany izay niarahana tamin'ny tale jeneralin 'ny ATT ny jeneraly Reribake Jeannot mba ho fanentanana ireo mpitatitra sy ny "guichetier" ny amin 'ny lalana mifehy ny fifamoivoizana mba hanamafisana ireo fahaiza-manao an'izy ireo sy mba hanenana arak' izay tratra ny lozam- pifamoivoizana eny an-dalana .

  • 05/12/2019 - 14:00 : FAMOKARANA AGOVO :Efa nivoaka ireo renim-pianakaviana 12 nofanina manokana mahakasika ny famokarana angovo azo avy amin'ny herin'aratra ka Fianakaviana 600 eo ho eo no afaka hisitraka herinaratra azo avy amin’ny masoandro any amin’ireo toerana saro-dalana any Nosy-be, Betioky Atsimo, Ambatomainty Ambatolampy.

  • 05/12/2019 - 11:30 : TOE-TRANDRO:Mikasika ilay rivo-doza dia mintsagana ny saina maintso hoan'ny faritra avaratra iraimanontolo.

  • 05/12/2019 - 11:00 : FANATANJAHANTENA:Anio ny lalao voalohany hikatroan'i Barea ny Madagasikara sy ny ekipa Lesotho eo amin'ny lalao Cosafa U20 sokajy lehilahy.

  • 05/12/2019 - 10:00 : TATITRY NY FILANKAVITRY NY MINISITRA:Atoa Ranadalison Angelo dia voatendryu ho sekretera jeneralin'ny filank'evitra ambonin'ny mpitsara.

Voir plus d'infos...

04/12/2019

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20190924

Misongadina

Mpiasan’ny fahitalavitra MBS Hita faty niantona tao an-tranony i Herizo

24/09/2019

Nodimandry i Herizo Rajaonarivony, mpaka sarin’ny fahitalavitra MBS. Hita nihantona tao an-trano fonenany teny Anosipatrana ny nofo mangatsiakan’ity mpiasa amina haino aman-jery ity omaly.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Kaominina Alasora Vavahadin’Antananarivo, homena endrika miavaka

24/09/2019

Teboka telo lehibe no azo tsinjraina ny zava-bita nandritra izay efa-taona izay, hoy Marc Ramiaranjatovo, ben’ ny tanàna ao amin’ ny kaominina Alasora. Voalohany, ny fametrahana ny fepetra rehetra hamerenana ny fitantana ara-dalàna sy mahomby teo anivon’ ny

Hamaky ny tohiny...

Fikambanana VAR “Hanenenana io tsy mifidy io !”

24/09/2019

Fifidianana manakaiky vahoaka ny fifidianana ben’ny tanàna izay atsy ho atsy, hoy ny filohan’ny fikambanana VAR, Jerry Rakotoarijaona.

Hamaky ny tohiny...

Ranesa Firiana “Mafy loha ny Malagasy kanefa be zavatra takiana”

24/09/2019

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana ben’ny tanànan’Iarivo Laharana faha 2 ny TIM, faha 4 ny IRD

24/09/2019

Raha anio 24 septambra no nofaritan’ny lalàna hivoahan’ny lisitra ofisialin’ireo kandida nahafeno fepetra handray anjara amin’ny fifidianana ben’ny tanàna ny 27 novambra,

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Asam-panjakana ambony Mbola mihafihafy aloha ny tanora

24/09/2019

Noventesin’ ny Filoha Rajoelina ary nivoiziny mafy hatrany fa ny tanora no apetraka hitondra sy hitantana ny firenena.

Hamaky ny tohiny...

Fanamboaran-dàlana Misy olana goavana ny famatsiam-bola…

24/09/2019

Hentitra ny Vondrona Eoropeanina nandefa taratasy ofisialy niantefa tamin’ny fanjakana tamin’ny Alalan’ny Minisitry ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy, Atoa Hajo Andrianainarivelo.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Basikety Analamanga sokajy U 18 Tompondaka ny Mb2All vehivavy sy ny Dtsc lehilahy

24/09/2019

Voahosotra ho tompondakan’ny taranja basikety sokajy U 18 vehivavy 2019 eto anivon’ny ligin’Analamanga ny ekipan’ny Mb2All vehivavy izay nandresy 51-42

Hamaky ny tohiny...

Edito

Aiza no aleha ?

24/09/2019

Efa nahazo filoham-pirenena isika izao ary nahazo depiote izay nolazaina hatrany moa hatramin’izay fa “solombavantsika”. Eo am-piomanana amin’ny fizahana izay ho ben’ny tanàna indray izany izao.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Fahazoana tany sy fandraharahana Songonan'ny vahiny eto amin'ny taniny ny Malagasy

24/09/2019

Tena mihazakazaka tato anatin'ny 10 taona izao ny fanotorana tany eto Antananarivo sy ny manodidina. Tahaka.izany koa ny famaritana velaran-tany goavambe eny hatramin'ny torapasika sy moron-dranomasina any amin'ny faritra maro.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Voka-panadinana ratsy “Tompon’andraikitra ny fitondram-panjakana!”

24/09/2019

Ny filoha malaza afrikanina tatsimo teo aloha, Nelson Mandela, mihitsy no efa niteny fa raha tiana ny hampandroso firenena dia ny fanabeazana no mila atao lohalaharana, hoy ny filohan’ny antokom-bahoaka Malagasy na antoko politika ABA, Dany Rakotoson.

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

Mpamonjy voinan’Antananarivo Novatsian’ny CUA fitaovana

24/09/2019

Tafiditra ao anatin’ny ivon’ny fankalazana ny faha-70 taonan’ny Vondrona Mpamonjy Voina ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) niforona tamin’ny janoary 1949, ny andro omaly nanaovana hetsika teny amin’ny Parvis Analakely .

Hamaky ny tohiny...

Cosafa Women’s Cup 2019 Resin’i Madagasikara 16-0 i Seychelles

24/09/2019

Raha lavon’i Botswana 6-0 ny ekipam-pirenena vehivavy Malagasy sokajy U 17

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana