Fil d'actualités du 16/09/2019

  • 16/09/2019 - 11:30 : FANATANJAHAN-TENA:handray an'i Namibie isika @ Alahady hoavy izao, dingana farany hikarana @ dingan'ny famaranana @ CHAN 2020 hatao any Cameroun io.

  • 16/09/2019 - 10:30 : JIRAMA:Hisy fahatapahana ny JIRO eny AMBATOFOTSY ATSIMO anio Alatsinainy 16 septambra 2019 manomboka amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 04 ora tolakandro. Antony :Asa fikojakojana fanao isaky ny fotoana voafetra.

  • 16/09/2019 - 10:00 : ASA FANAOVAN-GAZETY:Anio amin'ny 1 ora no hiverina eny amin'ny fitsarana ireo mpanao gazety nahazo fahafahana vonjimaika tamin'ny raharaha filazana vaovao tsy marina izay nitranga tetsy Mahamasina.

  • 16/09/2019 - 09:30 : FANDRIAM-PAHALEMANA:Miaramila vitsivitsy nanatontosa iraka fampandrian-tany any amin'ny Distrikan'i Benenitra no nomena famaizana hentitra noho ny fitondran-tena tsy mendrika sy ny fanararaotam-pahefana nasehon'izy ireo teo am-panatanterahana ny adidiny.

  • 16/09/2019 - 09:00 : AMBANJA:Tanin-drongony mirefy 20ha nisy voly 150.000 fototra izay milanja 1680 kg sy Rongony maina mitotaly 1300 kg no nopotehina nandritra ny hetsika 10 andro tamin'ny "Ady Jamala" tao anatin'ny distrikan'Ambanja sy Ambilobe.

  • 13/09/2019 - 15:30 : FAMORIANA FIARAKODIA:Ho tanterahina ny faha 11-12-13 Octobra ho avy izao any Moramanga ny "Rallye international de Madagascar (RIM)" andiany faha 40

  • 13/09/2019 - 15:00 : ASA FANATSARANA:Notanterahina tao amin'ny Hotely Colbert Antaninarenina ny atrikasa fankatoavana ny fanitsiana ireo fenitra efa nisy mba hametrahana Fenitra Nasionaly ho an'ny tao-trano mahatanty ireo loza voajanahary eto Madagasiikara.

  • 13/09/2019 - 14:30 : POLITIKA:Hilatsaka mpanolontsaina an'Antananarivo I Rtoa Clemance Raharinirina.

  • 13/09/2019 - 14:00 : TOAMASINA:Trano fandihizana iray nakaton'ny fanjakana,misy olona maromaro miditra ho mpanelanelana mitaky ny hanokafana azy.

  • 13/09/2019 - 11:30 : AMBOHIMANGAKELY:Hatomboka ny faha 16 septambra ho avy izao ny fanalana ilay vatobe eny Tsarahasina – Ambohimangakely.

Voir plus d'infos...

13/09/2019

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20190823

Misongadina

Hafa mihitsy i Madagasikara Ny fitondrana indray no manohitra ny mpanohitra....

23/08/2019

Hafa mihitsy ny politika eto Madagasikara fa mitsimbadika ambony ambany.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Mpanohitra sy mpitondra Mpiara-miasa fa tsy mpifahavalo, hoy ny CFM

23/08/2019

Manoloana ny tsy fandraisan’anjaran’ny antoko Tiako i Madagasikara tamin’ny fandaniana ny sata mifehy ny mpanohitra sy ny mety hitranga aorian’izany dia nilaza ny fahitany ny toe-draharaha ny filoha lefitry ny komitin’ny fampihavanana malagasy na CFM,

Hamaky ny tohiny...

Mpitondra fanjakana « Hahita afaka 5 taona… »

23/08/2019

Nahagaga ny nivoahan’ny depiote TIM tamin’ny fifidianana lehiben’ny mpanohitra teny Tsimbazaza satria raha tsy diso aho dia 100%,

Hamaky ny tohiny...

Fiainam-pirenena Variana amin`ny adilahy politika ny maro

23/08/2019

Ny politika amin`ny ankapobeny dia tsy misy “adilahy” fa fombany io. Misy no tsy mitovy hevitra ary lojika raha misy ny adihevitra politika.

Hamaky ny tohiny...

Fitantanana ny firenena Mahatsiaro atao an-jorom-bala ny zanak’i Toamasina

23/08/2019

Efa nanao antso avo ny fikambanana Adopt ny teo momba ny fanaovana an-jorom-bala ny zanak’i Toamasina, indrindra ireo mpiasam-panjakana sy ireo avara-pianarana.

Hamaky ny tohiny...

Lalàna Brunelle Fasan'ny demokrasia

23/08/2019

Adihevitra tsy vita ny tolo-dalàna 01-2019/PL Razafitsiandraofa Jean Brunelle nanovana ny lalàna mifehy ny fanoherana sy ny antoko mpanohitra, izay efa nolanian’ireo depiote mpomba ny fitondrana.

Hamaky ny tohiny...

Fitsinjaram-pahefana Afaka mahavita tena ireo vondrom-paritra raha…

23/08/2019

Maro ireo vahaolana azo eritreretina amin`ny fametrahana ny tena fitsinjaram-pahefana.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Fiaram-panjakana nanararao-pahefana Voasazy avy hatrany ilay Tale

23/08/2019

Namoaka taratasy ofisialy fialan-tsiny omaly ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka ny Pr Rakotonirina Julio.

Hamaky ny tohiny...

Lahatra Andriamahatsangy “Tena ilaina ny tanàn-dehibe vaovao saingy…”

23/08/2019

Tena ilaina ny fisian’ny tetikasa tanàn-dehibe. Ny fahitako azy amin’ny ankapobeny,

Hamaky ny tohiny...

Finoana

Fahatongavan`ny Papa Ray Masina Vonona ny mpitandro filaminana

23/08/2019

Nivory ny OMC NAT (Organisme de conception mixte national) tao amin`ny toby Ratsimandrava omaly niaraka tamin`ireo minisitra mpikambana ao anatin`ny governemanta, izay misahana ny fandriampahalemana eto amin`ny tany sy ny fanjakana.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Tambin-karaman’ny Barea Mbola ny ampahefany no azo

23/08/2019

Ankoatra ny fisaorana tamin’ny fomba ofisialy ny mpanohana ny ekipam-pirenena rehetra ka nahazoana iny vokatra nahavelom-bolo nandritry ny tompondakan’i Afrika eo amin’ny taranja

Hamaky ny tohiny...

Nicolas Dupuis Mpanolotsaina teknikan’ny governemanta hatreto

23/08/2019

Mbola miandry ny fipetrahan’izay ho filoha vaovaon’ny federasionina malagasin’ny baolina kitra hatreto ny fitohizan’ny fifanarahana amin’ny mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra teo aloha, Nicolas Dupuis.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Edito Entin’ny tsy fahalalana !

23/08/2019

Tsy misy izany krizin’angovo sy hanoanana ary tontolo iainana izany fa ny krizin’ny tsy fahalalana no tena manjaka eto amin’izao tontolo izao, hoy manampahaizana iray.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

FEOI andiany faha-12 Hitrandraka ny tsenan’i Afrika

23/08/2019

Hotanterahina any Saint Dénis La Réunion amin’ny 25 hatramin’ny 27 septambra ho avy izao ny Fihaonambe ara-Toekaren’ny Oseana Indiana (FEOI) andiany faha-12.

Hamaky ny tohiny...

Hetsika goavana « Haona Fi 2019 » Eny amin’ny Village Voara Andohatapenaka ny fotoana

23/08/2019

Hatao ny 30 aogositra hatramin’ny 2 novambra eny amin’ny Village voara ny hetsika goavana « Rodorodo Haona Fi 2019 » andiany faharoa, karakarain’ny foibe FJKM (Fiangonan’i Jesosy Kristy eto Madagasikara),

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

Antananarivo madio sy milamina no tanjona Nesorina avy hatrany ireo mpandoto tanàna

23/08/2019

Araka ny vinan’ny ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra Lalao Ravalomanana : “Antananarivo Soa Iombonan’ny Malagasy”, dia niara-nisalahy avokoa ireo hery velona rehetra teo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) nanomboka tamin’ity herinandro ity,

Hamaky ny tohiny...

Besarety niova endrika Misy manangana tsena sahady amin’ny sisin-dalana

23/08/2019

Tsikaritra tato ho ato fa efa misy manomboka manangana tsena ny sisin-dalana eny Besarety na dia tsy mbola miverina amin’ny laonina akory aza ny fifamoivoizana, ary tena miditra ao anaty arabe rah any fahitana ilay izy.

Hamaky ny tohiny...

Dossier

Fitsarana ireo dosie mafana ao amin’ny PAC Ho hentitra ny fanaraha-maso sy ny fitandroana ny filaminana

23/08/2019

Maro ireo dosie mafampana hotsaraina eo anivon’ny PAC na “Pôle Anti-Corruption” tsy ho ela.

Hamaky ny tohiny...

Fambolena “Algue” ataon’ny Sinoa Mampihena ny vokatra amin’ny jono any Vohemar

23/08/2019

Ny minisitry ny jono teo aloha Augustin Andriamananoro no nanao sonia ny fahazoan-dalàna manao fikarohana sy andrana fambolena Algue rouge ho an’ireo sinoa tany Vohemar.

Hamaky ny tohiny...

Tranga

Miaramila sandoka teny Analakely Fanamian’ny rainy efa maty no entiny manala azy

23/08/2019

Tovolahy iray mpisandoka ho miaramila no nifanehitra tamin’ireo tena miaramila mpanao fisafoana amin’ny alina.

Hamaky ny tohiny...

Bar – karaoke – Discothèque Mila alalana any amin’ny prefe raha hanitatra ny ora fisokafana

23/08/2019

Ny ankamaroan’ireo Bar misokatra ao amin’ny Boriborintany fahatelo dia saika manaja ny ora fidina amin’ny 9 ora alina avokoa, saingy, mbola misy ny manidy ny varavarana fotsiny, nefa mbola misy olona misotro ao anatiny.

Hamaky ny tohiny...

Trafikana zavamahadomelina Rongony 86 kg indray no tratra tany Port-Berger

23/08/2019

Eo am-pidinana ifotony hizaha ny mpandray any Mahajanga sy mpivarotra ambongadin'ny rongony avy any Ambanja ary ireo roalahy tafaporitsaka ny mpitandro filaminana.

Hamaky ny tohiny...

Halatra 120 tapitrisa ariary tany Antsirabe Ny mpiasany ihany no namadika ilay mpambongady

23/08/2019

Nahazo vahana tato ho ato ny fivadiham-pitokisana niafara tamin’ny halatra vola be, indrindra amin’ny fotoana androtsahana izany amin’ny banky.

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny lozam-pifamoivoizana sy kolikoly Nanentana ny mpampiasa lalana ny CIRGN Toliara

23/08/2019

Mitohy hatrany ny fanentanan’ny CIRGN Toliara na Circonscription inter-régionale de la gendarmerie nationale ho an’ireo mpamily mampiasa ny lalam-pirenena faha-7 ho fiarovana amin’ny lozam-pitaterana.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana