Fil d'actualités du 17/09/2019

  • 17/09/2019 - 15:30 : VAOVAO AVY ANY IVELANY:Nanapakevitra ny filohan'ny Amerikanina fa hanatsahatra ny ady arabarotra teo amin'ny Chine sy Etats-Unis ka noho izany dia hisy ny fifanarahana ara-barotra izay ataon'ny roa tonta.

  • 17/09/2019 - 15:00 : FAMPIANARANA:Ho tanterahina ny faha 23 sy 24 Octobra ho avy izao ny fanadinana hidirana taona voalohany ao amin'ny "Institut Superieur de Technologie (IST)"

  • 17/09/2019 - 14:30 : CCI IVATO:Nisokatra androany tamin'ny 9 ora maraina teny amin'ny CCI Ivato ny "Forum international des investissements".

  • 17/09/2019 - 14:00 : FANOLORANA FITAOVANA Mitohy hatrany ny ezaka hiadiana amin'ny kolikoly, notolorana fitaovana ara-kajy mirindra ny biraom-paritry ny fiarovana eo anivon'ny distrikan'i Toamasina 1 sy Fenoarivo Antsinana mba hanatsarana ny fanatanterahana ny asa.

  • 17/09/2019 - 12:00 : TOETRY NY ANDRO: hiverina indray ny hirifiry ny faran'ny herinandro izao, raha ny fampitam-baovao avy eo anivon'ny sampana mpaminavina ny mety ho toetry ny andro.

  • 17/09/2019 - 11:30 : FAMINDRAM-PITANTANANA:Mitohy hatrany fifamindram-pitantanana eo anivon’ireo "Trésoreries Générales". Anjaran’ny Ambatondrazaka indray no nanatanterahana izany. I RABARY Jean Michel izay Trésorier Général Toamasina teo aloha no voatendry hitantana ny TG Ambatondrazaka. Tontosa ny fifamindram-pitantanana teo aminy sy i RABEARISON Andrianalimanana Jhonson Emile. Ity farany izay voatendry ho TG Miarinarivo,

  • 17/09/2019 - 11:00 : JIRAMA:Misy fikorontanana ny famatsiana RANO amin’ny faritra manaraka ireto :Zone Centre : Mandrosoa , Ambohijatovo, Faravohitra , Manjakaray, Amboditsiry,Tsiadana , Campus, Ambolokandrina ,Ankatso , Andohamandry, Cité Ambohipo, Fort Voyron , Mahamasina, Befelatanana.noho ny fahasimban'ny milina iray eny amin’ny Toby famokaran-drano eny MANDROSEZA ny maraina teo. Efa eo am-panarenana ny fahavoazana ny ekipa teknikan'ny JIRAMA

  • 17/09/2019 - 10:30 : FITSARANA MPANAO GAZETY:Handrasana amin'ny Alakamisy ny valin'ny fitsarana.

  • 17/09/2019 - 10:00 : BEPC:Vinavinaina hivaly ny faran'ny herin'andro izao ny fanadinam-panjakana BEPC ho an'Antananarivo.

  • 17/09/2019 - 09:30 : JIRAMA:Hisy fahatapahana ny JIRO anio Talata 17 septambra 2019, manomboka amin'ny 08 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva eny AMPASAPITO. manomboka amin'ny 12 ora atoandro ka hatramin'ny 02 ora tolakandro eny SOANIERANA Antony :Asa fanoloana "TRANSFORMATEUR" sy asa fanarenana tambazontra mitondra herinaratra.

Voir plus d'infos...

16/09/2019

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20190813

Misongadina

Rivo Rakotovao “Aza atao bontolo ny fandaniana lalàna …”

13/08/2019

Nomen’ny filohan’ny antenimierandoholona Rivo Rakotovao ny hafatra mavesatra ny governemanta sy ny fitondram-panjakana tamin’ny ankapobeny omaly nandritra ny lanonam-panokafana ny fivoriana tsy ara-potoana faharoa an’ity andrim-panjakana ity.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Fanotofana ny lemak’Ambohitrimanjaka Aza potehina ny fiainam-bahoaka, hoy ny Depiote Rodin

13/08/2019

Efa tamin’ny andron’ny Itompokolahy Pr Zafy Albert no niketrehan-dRaboanarijaona Holijaona an’io IEM io, hoy ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tany Arivonimimamo Rakotomanjato Rodin.

Hamaky ny tohiny...

Fanovana ny lalàna momba ny fanoherana Tsy misy idiran’ny governemanta, hoy ny praiminisitra

13/08/2019

Hanolotra ny programa ankapoben’ny fanjakana na ny PGE eny amin’ny antenimieram-pirenena ny praiminisitra lehiben’ny governemanta,

Hamaky ny tohiny...

Politika ankapoben’ny fitondrana «Aoka tsy hosafosafoina fotsiny !»

13/08/2019

Mafonja ny lahadinika mikasika ny fitsipika anatin’ny antenimieram-pirenena mandritra ity fivoriana ety Tsimbazaza nosokafana androany ity (TTF : Omaly), hoy ny depioten’Ambositra, Monique Rasoazananera.

Hamaky ny tohiny...

Roland Ravatomanga “Fiarovana ny demokrasia ny antom-piasan`ny mpanohitra”

13/08/2019

“Zava-dehibe ny nahitana an`ireo mpiantsehatra satria mitovy hevitra ary miara-mihetsika ny antoko mpanohitra sy fikambanana rehetra vonona hijoro amin`izany”, hoy i Roland Ravatomanga, mpanao politika sady minisitra teo aloha.

Hamaky ny tohiny...

Profesora Joseph Ramiandrisoa “Tsy sahy miatrika fifidianana ny fitondrana”

13/08/2019

“Tsy sahy miatrika fifidianana ny fitondram-panjakana”, hoy ny minisitra teo aloha, ny dokotera Joseph Ramiandrisoa.

Hamaky ny tohiny...

Tetika hanilihana an-dRavalo Tezitra sy mampiaka-peo ny TIM

13/08/2019

Mifanohitra tanteraka amin’ilay lalàna tena misy ilay volavolan-dalàna nataon’ny depiote Brunelle Razafitsiandraofa momba ny sata mifehy ny mpanohitra, hoy ny fanambaran’ireo depiote avy amin’ny Antoko TIM omaly teny Tsimbazaza.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Tsy avela hilatsaka an-davaka

13/08/2019

Antananarivo , an'ny Malagasy tsy an-kanavaka Renivohitr'i Gasikara, ka tsy azo avela hilatsaka an-davaka Mahasaropiaro antsika ka mila olona mahay mitantana Ben'ny tanàna tanora sady tia tanindrazana.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Kianja Rabemananjara Mahajanga Tena efa mila soloina ny bozaka Sentetika

13/08/2019

Ankoatra ny fefy manasaraka ny kianja sy ny mpijery ilaina amin’ny lalao iraisam-pirenena sy ireo toerana fijerem-baolina (tribune sy gradin) izay tena mila fanavaozana goavana ao amin’ny kianja Rabemanjara Mahajanga

Hamaky ny tohiny...

Rallye du Boeny 2019 Hahatratra 236,92 km no hodiavin’ireo mpifaninana

13/08/2019

Hotontosaina any Mahajanga amin’ny 15,16 ary 17 aogositra izao ny “rallye vacances” na Ralllye du Boeny 2019 andiany faha-14 sady andiany faha-5 amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara 2019 karakarain’ny Club TMF RALLYE eo ambany fanotronan’ny FSAM.

Hamaky ny tohiny...

Tournoi de vacances ASSCAB 2019 any Mahajanga Faritra enina no efa manana solontena

13/08/2019

Faritra enina izao no efa misy solontena handray anjara amin’ny « Tournoi de Vacances 2019 » karakarain’ny A.S.S.C.A.B « AMITIE SPORTIVE ET SOCIO-CULTURELLE ANALAMANGA-BOENY »

Hamaky ny tohiny...

Edito

Mandrehitra afo hatrany!

13/08/2019

Demokrasia tahaka ny ahoana no tiana hapetraka eto amin’ny tany sy ny fanjakana ity ?

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Jirofo Malagasy Mbola mila ezaka ny fanatsarana ny kalitao

13/08/2019

Misokatra nanomboka omaly alatsinainy 12 aogositra 2019 ary mifarana ny zoma 20 septambra ho avy izao ny fandraisana ireo antontan-taratasy fangatahana fankatoavana ho an’ny taom-piotazana 2019-2020 ny amin’ny fanondranana jirofo.

Hamaky ny tohiny...

Fampiroboroboana ny tontolo ambanivohitra Miainga amin’ny fanohanana ny tantsaha

13/08/2019

Vondron’ny tantsaha rejionaly miisa 10 no nahazo famatsiam-bola 8 hetsy dolara na 2 933 552 000 Ariary (1dolara=3666,94 Ar) avy amin’ny fandaharanasam-panjakana DEFIS. Faritra 3 dia ny faritra Amoron’i Mania,

Hamaky ny tohiny...

Fahombiazan’ny firenena Mila tanora mianatra

13/08/2019

Nankalazaina omaly alatsinainy 12 aogositra ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Tanora. Hadino tanteraka ny tanora hatramizay, hoy ny minisitry ny tanora sy fanatanjahantena Tinoka Roberto kanefa manome 60% amin’ny vahoaka Malagasy.

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

Fanadinana CEPE Ny taranja kajy no mbola tena atahoran’ny mpiadina

13/08/2019

Hotanterahina ny 27 aogositra ho avy izao ny fanadinana CEPE manerana ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara.

Hamaky ny tohiny...

Anosy Nivadika vato ny telefaonina novidiana

13/08/2019

Voan’ny maso be tsy mahita ve sa tratry ny hafainganan-tanana ? Loza no nahazo ity tovolahy iray fa nijerijery ary tapa-kevitra fa hividy telefaonina na finday ny alahady hariva teo.

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny aretina lefakozatra Zaza 2.542.712 no kendrena ho vita vaksiny

13/08/2019

Notanterahina nanomboka omaly alatsinainy 12 aogositra manerana ireo distrika 55 ao anatin’ny faritra folo eto Madagasikara ilay hetsika fanaovam-baksiny iadiana amin’ny aretina lefakozatra andiany faha-15.

Hamaky ny tohiny...

Kaominina Ampitatafika Hampiasa ny teknolojia avo lenta amin’ny fitakian-ketra

13/08/2019

Tsy mbola niova mihitsy ny fitakian-ketra teto amintsika tato anatin’ny 40 taona izao, hoy ny orinasa “Digital Afrique telecom” manana ny foiben-toerany any Côte d’Ivoire.

Hamaky ny tohiny...

Loza teny amin’ny fasan’ny karana Nitolo-batana ilay mpamily nahafaty mpiambina sarety

13/08/2019

Lehilahy iray sahabo 27 taona no notanan’ny polisy misahana manokana ny lozam-pifamoivoizana na (BAC) ny zoma lasa teo rehefa avy nandona sarety maromaro teny amin’ny fasan’ny karana ka nahafaty olona iray.

Hamaky ny tohiny...

Tranga

Kidnapping teny Ampefiloha Olona 2 no voasambotra hatreto

13/08/2019

Mbola ao anatin’ny fanadihadiana lalina ny mpitandro filaminana, roa tamin’ireo mpaka an-keriny no efa tra-tehaka.

Hamaky ny tohiny...

Distrikan’i Betroka Dahalo 3 maty notifirin’ny fokonolona

13/08/2019

Dahalo telo maty voatifitry ny fokonolona tao Amberomena, fokontany Irotsoka, Kaominina Ambalasoa, Betroka, ny zoma 9 aogositra tamin’ny 3 ora tolakandro.

Hamaky ny tohiny...

Halatra fiara teny Ambohimangakely Olona 6 nidoboka eny Tsiafahy sy Antanimora

13/08/2019

Natolotra ny fitsarana teny Anosy omaly ireo 7 mianadahy voasaringotra tamin’ilay halatra fiara teny Ikianja noravana teny Ambohidratrimo.

Hamaky ny tohiny...

Omby miakatra eto Antananarivo “Tokony haraha-maso akaiky”

13/08/2019

Any amin’ny fokontany, kaominina, indrindra, iny faritry ny Bara sy Toliara iny dia fantatra fa betsaka ny zavatra azo atao ifampifehezana,

Hamaky ny tohiny...

Fikarohana jiolahy ikoizana Mampiasa kara-panondro hosoka maro i Del Kely

13/08/2019

«Nanova anarana i Del kely izay jiolahy ikoizana ary manao kara-panondro hafa nony efa efa niha nalaza tamin’ny asa ratsy », hoy zandarin’i Betsiboka, nitafa manokana tamin’ny mpanao gazety.

Hamaky ny tohiny...

Kivy tanteraka ny mponin’Ambohimahasoa Dahalo mamono olona, mpitandro filaminana mamono olona…

13/08/2019

Tofoka sy leo ny tsy fandriampahalemana ny vahoaka any amin`ny distrika Ambohimahasoa ary tsy te hahalala zon’olombelona intsony.

Hamaky ny tohiny...

Fitafiana tsy ara-dalàna Mandeha ny tsenan’ny akanjo mitovy amin’ny an’ny mpitandro filaminana

13/08/2019

Mahazo vahana ny varotra ireo akanjo mitovy amin’ny miaramila tato ato ary voalazan’ny mpivarotra fa tsara ny tsena.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana