Fil d'actualités du 19/07/2019

  • 19/07/2019 - 16:00 : TOETRANDRO:Hidina be ny maripana ka hanakaiky ny 0°C ny 21 - 23 Jolay 2019. Any vakinankaratra sy ny faritry ny afovoantany no ahitana izany. Voalazan'ny météo fa tamin'ny taona 2013 no nahitana tranga toy izao farany.

  • 19/07/2019 - 15:45 : LOZAM-PIFAMOIVOIZANA:Fiara sprinter iray no nivarina tany antanimbary anio maraina,maty tsy trahadrano ilay sofera ary mpandeha maromaro no naratra.

  • 19/07/2019 - 15:30 : Notokanana tamin'ny fomba ofisialy androany ny Canal Olympia trano fijerevana oronan-tsary vaovao etsy amin'ny village voir Andotapenaka.

  • 19/07/2019 - 15:00 : FIAINAM-PIRENENA:Anio amin'ny 3 ora sy sasany tolak'andro ny fanendrena praiminisitra vaovao eny amin'ny lapan'Iavoloha.ho entina miandalana eto ihany ny tohin'ny vaovao.

  • 19/07/2019 - 14:30 : LALAO NY NOSY:Anio no nisokatra ny lalao ny nosy andiany faha 10 izay notanterahina atsy amin'ny nosy Maurice.

  • 19/07/2019 - 14:00 : CAN 2019:Andefa mivantana ny lalao famarana fiadina ho tompondaka ny Afrika ny kaominina Sabotsy Namehana.

  • 19/07/2019 - 11:00 : ASA TAGNAMARO:Rahampitso ny andihany faha 5 amin'ny asa tanamaro izay haton'ireo minisitera maro mùanerana ny Nosy.

  • 19/07/2019 - 10:30 : CAN 2019 :Anio ny famaranana ny fiadihana ny CAN 2019 izay ihaonan'i Algerie sy Sénégal.

  • 19/07/2019 - 10:00 : MPAMONJY VOINA:Feno 70 taona anio ny mpamonjy voina ka hisy ny vondrombavaka iraisam-pinoana izay ho tanterahina eny amin'ny chapelle eny Amparibe.

  • 19/07/2019 - 09:30 : FAMINDRAM-PAHEFANA:Anio ny famindram-pahefana eo anivon'ny birao maharitry ny antenimieram-pirenena.

Voir plus d'infos...

19/07/2019

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20190710

Misongadina

Fiainam-pirenena, fifidianana.. Hanao Kongresy lehibe ny TIM

10/07/2019

Hanatanteraka Kongresy lehibe eny amin’ny Magro Tanjombato ny Antoko Tiako I Madagasikara (TIM) tarihin’i Marc Ravalomanana ny zoma 12 sy ny sabotsy 13 jolay izao.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Fiarahamonim-pirenena Mba misy mihaino ihany ve ?

10/07/2019

Marobe ny fitakiana fahamarinana mikasika ny fifidianana teto Madagasikara efa nalefa teny anivon’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na HCC ary tsy vao izao fa saika isak’izay

Hamaky ny tohiny...

Fanoherana ny hosoka sy halabato Manomana fihaonambe ny “Collectifs des candidats”

10/07/2019

Mitohy ny tolona hiadiana amin’ny halabato sy ny hosoka izay ataon’ireo “collectifs des candidats”. Taorian’ny fihaonambe teny amin’ny “Live Hôtel”,

Hamaky ny tohiny...

Depiote vao voafidy Samy miketrika mafy…

10/07/2019

Na dia ny talata 16 jolay izao ny fivoriana manokana ireo solombavambahoaka vao voafidy amin` ny handinihin` izy ireo ny ho mpikamban` ny birao maharitra ao amin` ny lapan` Tsimbazaza dia fantatra fa samy mikaondoha avokoa ireo depiote isanisany.

Hamaky ny tohiny...

Raharaham-panjakana Herinandro tsy misy filoha i Madagasikara

10/07/2019

Any Egypte nanomboka tamin’ny lalao ampahavalon-dalan’ny CAN 2019 ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ombam-bady aman-janaka. Mbola hijery ny lalao rahampitso alakamisy hariva hiaraka amin’ireo delegasionina andiany faharoa izy.

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana ben’ny tanàna Mody adala, tsy taitra ny mpanao politika…

10/07/2019

Afaka 10 andro dia hisokatra ny fandraisana ny antontan-taratasin’ireo hilatsaka hofidiana ben’ny tanàna sy mpanolontsain’ny tanàna, ka ny 03 aogositra no hiafarany.

Hamaky ny tohiny...

Kaominin’Ankaraobato Mbola kandida Ben’ny tanàna i Randriamiarisoa Gilbert

10/07/2019

Mbola hilatsaka hofidiana ho Ben’ny tanànan’Ankaraobato Randriamiarisoa Gilbert amin’ny fifidianana hotanterahina ny volana oktobra ho avy izao.

Hamaky ny tohiny...

Tsy fisian’ny fitoniana ara-politika sy ara-tsosialy Sakana ho an’ny fandrosoan’i Afrika

10/07/2019

Anisan`ny mbola mibahana betsaka mandritra ny fihaonana an-tampony ny Vondrona Afrikanina izay notanterahina tany Niamey Niger ny fitoniana ara-politika sy ara-tsosialy manerana ny kaontinanta afrikanina amin`ny ankapobeny.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Taratasin’i Jean Aza tia kely !

10/07/2019

Izay ihany ilay mahavoa anareo ry Jean a ! Efa hita izao fa ny fanampian-dry Jean Malalatanana an’ilay kilonganareo no nampivoatra azy hiala amin’io mikandra sahady io dia lazainareo fa ataony fitaovana indray ny zanakareo.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Andrin-jiro eny Ampitatafika Maty sahady ny 40 amin’ireo 256 isa

10/07/2019

Mikasika ireo mpivarotra sy mpitsinjara rongony eto Ampitatafika, hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana, Rado Ramparaoelina, dia nisy mpivady efa tratra ary nalefa any Antanimora, 3 volana lasa izay.

Hamaky ny tohiny...

Fitandroana fihetseham-po mijery Barea « Ilaina ny sakafo maivana, fadiana ny rongony ! »

10/07/2019

Zava-misy maneran-tany ny hoe mihetsipo rehefa ny ekipam-pirenen’ny tena no mandray anjara amina fifaninanana goavana toy ny amboaran’i Afrika eo amin’ny taranja baolina kitra, hoy ny dokotera Domoina Soakanto Rakotonoely.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Lalaon’ny Barea sy Tonizia Hosorohana ny delestazy eto Iarivo, hoy ny Jirama

10/07/2019

Hampitomboina ny tanjaky ny herinaratra vokarin’ny Jirama eto Antananarivo ho an’ny rahampitso alakmisy 11 jolay hisian’ny lalao baolina kitra goavana hifanandrinan’i Tonizia sy ny Barean’i Madagasikara eo amin’ny dingana ampahefa-dalan’ny CAN 2019.

Hamaky ny tohiny...

eTech 10 taona Hikarakara « Jeux Corporatifs » eLalao

10/07/2019

Ao anatin’ny fankalazana ny faha-10 taonany teo amin’ny sehatry ny fikarakarana ny antsoina hoe « Transformation Digitale », taty amin’ny Faritry ny Ranomasimbe Indianina sy teto Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

CAN Orange Kitra 2019 Hiditra amin’ny 1/4-dalana sy 1/2-dalana amin’ny sabotsy

10/07/2019

Hiditra amin’ny lalao ampahefa-dalana sy manasa-dalana ihany koa amin’ny sabotsy 13 jolay 2019 ny fifaninanana CAN Orange Kitra 2019 fanafanana ny lalao CAN tontosaina any Egypte izay

Hamaky ny tohiny...

Hijery Barea sy Tonizia amin’ny alakamisy Anio amin’ny 12 ora atoandro ny fara-fisoratana anarana

10/07/2019

Ny alakamisy 11 jolay ho avy izao no lalao ampahefa-dalana hifanandrinan’ny Barean’i Madagasikara sy ny Tonizia, lalao izay atao any Cairo ao Caire Ejipta. Efa tonga teto an-tanindrazana afak’omaly ireo mpanohana ny ekipa Malagasy.

Hamaky ny tohiny...

Ampahefa-dalan’ny CAN 2019 Betsaka ny herijika handresen’ny Barea

10/07/2019

Efa any Le Caire ny Barean’i Madagasikara amin’izao fotoana, manoman-tena fatratra amin’ny ady goavana hatrehina rahampitso alakamisy 11 jolay hifanandrinana amin’ny Aigles de Carthage ekipam-pirenena Tonizianina eo amin’ny dingana ampahefa-dalan’ny CAN 2019 any Egypte.

Hamaky ny tohiny...

Basket Asief Analamanga Hiditra amin’ny andro faha-5

10/07/2019

Hiditra amin’ny andro faha-5 sahady ny fifaninanana fiadiana ny ho tompondakan’Analamanga eo amin’ny taranja basikety karakarain’ny ASIEF « Association Sportive Interministérielle pour l’Entretien des Fonctionnaire » amin’ity faran’ny herinandro hitsahana ity.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Aza lotoina amin’ny politika !

10/07/2019

Hita taratra kely ihany ny fampidirana loko politika amin’ny fanohanana ny Barean’i Madagasikara mandray anjara sy mahomby amin’ny fiatrehana ny CAN 2019.

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana

Taratasy hosoka fitsirihana fiarakodia Niakatra fampanoavana omaly ny telo tamin’ireo tratra

10/07/2019

Omaly no niakatra fampanoavana raha ny loharanom-baovao azo ny telo tamin’ireo olona valo tratra nanao antontan-taratasy hosoka mikasika ny fitsirihana fiarakodia sarona teto an-drenivohitra ny faran’ny herinandro teo.

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana

Olona maty tampoka Efa narary fo, hoy ny dokotera

10/07/2019

Nitondra fanazavana mikasika ireo olona maty vokatry ny fihetseham-po ny dokotera Fidy Bariniaina, omaly. Nambarany fa olona efa narary fo ireny maty tampoka ireny amin’ny ankapobeny.

Hamaky ny tohiny...

kolontsaina

Ofisim-pirenena misahana ny sarimihetsika Hiroso amin` ny fanovana

10/07/2019

Nankatoavin` ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ny didy hitsivolana 2019-008 manafoana ny lalàna 2011-007 natolotrin` ny ministeran` ny serasera sy ny kolotsaina mba hifehezana ny tontolon`ny sarimihetsika teo Mada.

Hamaky ny tohiny...

Any Ivelany

Afghanistan Hiala ny tafika Amerikanina

10/07/2019

Hanatanteraka fivoriana goavana any Doha any Qatar ireo mpiantsehatra politika afghanina sy amerikanina maro,

Hamaky ny tohiny...

Sicile-Italia Hakatona ilay ivontoerana mandray mpifindra monina

10/07/2019

Nanapa-kevitra ny minisitry ny atitany Italianina, Matteo Salvini, fa hakatona ilay ivontoerana iray mandray mpitsoa-ponenana sy mpifindra monina tao Sicile noho ny fandaniam-bola be loatra.

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

Fitombon’ny mponina eto Madagasikara Maro anaka kokoa ireo vehivavy tsy nandia fianarana

10/07/2019

Amin’izao ankatoky ny andro eran-tany ho an’ny mponina izao dia tsara ny mahafantatra fa mitombo 1,5 tapitrisa isa-kerinandro ny isan’ny mponina maneran-tany.

Hamaky ny tohiny...

Fikatonan’ny “Future Textile Mada” Mpiasa 600 no very asa

10/07/2019

Tratry ny fahasahiranana ny orinasa afakaba Future Textile Mada etsy Ankadimbahoaka ka nanakatona ny orinasa nanomboka ny alatsinainy lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Collier Alefa Barea, Bapampa, Fehin-tanana Mahalany roa baoritra isan’andro ny mpivarotra iray

10/07/2019

Taorian’ny fandresena miezinezina azon’ny ekipam-pirenena Barean’i Madagasikara ny alahady lasa teo, ankoatra ny mpivarotra ny polon’ny Barea,

Hamaky ny tohiny...

Ankadilalampotsy Valo lahy nanendaka mpivady avy niasa

10/07/2019

Mitaraina mafy noho ny firongatry ny mpanendaka ao amin’ny faritra misy azy ny sefom-pokontany sy ny lefiny ao Ankadilalampotsy, kaominina Ankaraobato.

Hamaky ny tohiny...

Dossier

Madagasikara Tokony hahavita tena ara-bary amin’ny 2020

10/07/2019

Nisy ny atrikasa fampahafantarana ny vokatry ny tetikasa Papriz 2 izay notohanan’ny governemanta japoney ho fampiroboroboana ny voka-bary eto Madagasikara.

Hamaky ny tohiny...

Tombola BNI Madagascar Nanolorana valisoa ireo nandray anjara

10/07/2019

Tsy nanadino ireo olona nandray anjara tamin’ilay tombola nokarakarainy tamin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera facebook ny banky BNI Madagascar mikasika ny fandraisan’ny ekipam-pirenena BAREA anjara amin’ny lalao CAN 2019.

Hamaky ny tohiny...

Tranga

Halatra omby Nanararaotra ny fandresen’ny Barea ireo dahalo

10/07/2019

Nohararaotin’ireo jiolahy ny harerahan’ny mpiompy avy niari-tory noho ny hafaliana noho ny fandresen’ny ekipam-pirenena Barea.

Hamaky ny tohiny...

Asa fanaovan-gazety Ny CUA no niantoka ny vatampaty sy ny fiara nitondrana an’i Jacob

10/07/2019

Maty am-perinasa teo am-piandraiketana ny serasera sy ny fampitam-baovao (attaché de presse) teo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) i Jacob Haingonirina. Tonga nanatanteraka famangiana ny mpiasa maroben’ny CUA izay notarihin’ny Lefitra voalohan’ny ben’ny tanàna, Olivier Randrianarisoa.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana