Fil d'actualités du 22/08/2019

  • 22/08/2019 - 12:00 : ASA SOSIALY:Nitondra ambavaka sy nanome fanampiana ireo mpanala fanadinana CEPE tao amin'ny EPP Ankeniheny Ambodirano ny boriborintany faha 6.notarihin'ny delege Fehizoro Andriamananjezika sy ny mpiaramiasa aminy, Izany no tanteraka dia araka ny toromarika avy amin'ny ben'ny tanana Lalao Ravalomanana.

  • 22/08/2019 - 10:30 : LOZAM-PIFAMOIVOIZANA:Misy loza mitranga amin'izao eny amin'ny polisy mandrosoa ivato devant shel,fiara nidona tamina moto,raka ny vaovao voray dia tsy misy ny aina nafoy fa ilay mpitondra moto no naratra mafy ka efa nihazo ny hopitaly.

  • 22/08/2019 - 10:00 : ANTSIRABE:Nanoloana ilay hain-trano nitranga omaly alina tetsy Atsinanantsena Sabotsy dia nanolotra simenitra 40 kitapo ho an’ireo niharam-boina ny Ben’ny tanànan’Antsirabe RAZANAKOLONA Paul entina hanampiana azy ireo amin’izao fahavoazana izao.

  • 22/08/2019 - 09:30 : JIRAMA:Hisy fikorontanana sy fahatapahana ny famatsiana RANO rahampitso Alakamisy 22 Aogositra 2019 manomboka amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 09 ora alina eny amin'ny faritra: Ankadilalana- Mahamasina Atsimo- Mahamasina Avaratra- Ambaninampamarinana- Befelatanana- Fort Voyron. Antony: Hisy asa fanoloalana sy fanarenana fantson-drano (DN 200) simba eny Ankadilalana.

  • 22/08/2019 - 09:00 : POLITIKA:Fantatra izao fa tapitra rahampitso ny fivorian'ireo antenimieram-pirenena sy ny antenimieran-doholona.

  • 21/08/2019 - 16:00 : TOLO-TANANA:Hizara fitaovam-pianaran'ny mpianatra ao amin'ny EPP Imerintsiatosika ny Clioba mpankafy "Peugeot 405" ny faha 28 ny volana Aogositra ho avy izao.

  • 21/08/2019 - 15:30 : ASA SOSIALY:Rehefa voadio ny tanàna dia niroso tamin’ny fandrarahana na famendrahana ranom-panafody famonoana bibikely sy otrik’aretina teny amin’ireo toerana voadio toy ny tsena, ny toeram-pivoahana, ny lalam-bahoaka, ny biraom-pokontany indray ireo ekipan’ny Boriboritany Voalohany sy ny avy eo anivon’ny Departemanta misahana ny fahasalamam-bahoaka eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra tamin’ity andron’ny Alarobia 21 Aogositra 2019 ity, mba ho fisorohana ny fiparitahan’ny valan’aretina sy ho fitandroana ny fahasalamana.

  • 21/08/2019 - 15:00 : POLITIKA:Nihaona tamin'ny Filohan'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana Jean-Eric RAKOTOARISOA androany ny Ambasadaoro Pelletier sy ny Mpanolotsaina misahana ny raharaha politika sy toe-karena Julia Jacoby, niresaka momba ny andraikitra lehibe sahanin'ny HCC eto Madagasikara.

  • 21/08/2019 - 14:30 : NOSY BE:Tatran’ny velam-pandrikin’ny polisim-pirenena tao amin'ny seranam-piatamanidina Fascene Nosy Be ireo 3 lahy avy any Antananarivo nikasa teti-dratsy hanondana antsokosoko volamena ho any ivelany.

  • 21/08/2019 - 12:00 : FAMPIANARANA:Miantso vonjy amin'ny fanjakana Malagasy ireo zanaka Malagasy mandranto fianarana any Maroc. Amin’izao fotoana izao efa zara raha misy sakafo ireo mpianatra Malagasy ireo. 250$ × 195 étudiants ny allocations. Allocations 2018 tsy mbola voaray 2019.

Voir plus d'infos...

21/08/2019

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20190709

Misongadina

Fihetseham-po tamin’ny Barea Olona 6 namoy ny ainy…

09/07/2019

amam-bahona tokoa ny fiainana satria nisy fiantraikany tsara sy toe-javatra somary nanamaloka azy ny fiatrehantsika ny fiadiana izay tompondakan’i Afrika eo amin’ny taranja baolina kitra na ny CAN 2019 tanterahina any Egipta.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Fifidianana kaominaly « Asakasak’izay hilatsaka »

09/07/2019

Raha mba ohatry ny baolina kitra ny fandrosoan’ny firenentsika, hoy ny filohan’ny antoko politika Teza, Jean Louis Rakotoamboa,

Hamaky ny tohiny...

Fiara-mitantana ny nosy Eparsa Misy misitery

09/07/2019

Efa nanambara ny avy eo anivon’ny firenena mikambana fa mila hajaina ny fiandrianan’ireo firenena voazanaka fahiny efa nomena fahaleovantena.

Hamaky ny tohiny...

Raharaham-pirenena Miharatsy ny fifandraisan-dRajoelina sy ny Polisy

09/07/2019

Tambin-karama tamin’ny fitandroana filaminana na « indemnité de sécurisation » tamin'ny 26 jona teo 10 000Ar isan’olona ho an’ny polisy miisa 500 no tsy nomena, raha ny vaovao azo.

Hamaky ny tohiny...

Fitantanana ny firenena Tsy maintsy ovaina ny lalàmpanorenana ?

09/07/2019

Hiroso amin’ny fivoriana manokana ireo solombavambahoaka vao voafidy ny talata 16 jolay izao. Ny IRD rahateo no mitarika ny fahazoana maro an’isa eny anivon`ity andrim-panjakana ity.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Miverina indray ny delestazy Manomboka tezitra vahoaka…

09/07/2019

Velon-tairaina ny ankamaroan’ny mponina eto an-dRenivohitra sy ny manodidina satria saika isan’andro no hisiana fahatapahan-jiro amin’ny toerana samihafa. Ao anatin’ny fotoana fanarahana ny Lalaon’ny CAN 2019 anefa isika,

Hamaky ny tohiny...

Harena sy vola azo tamin’ny tsy ara-dalàna Neken’ny HCC ho manan-kery sy ampiharina

09/07/2019

Nankatoavin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ny didy hitsivolana lah. 2019-015 momba ny fanagiazana ny fananana sy ny vola azo amin’ny fomba tsy ara-dalàna na « recouvrement des avoirs illicites ».

Hamaky ny tohiny...

Sport

Jeux Corporatifs Ndao eLalao Natao hampivondronana ny orinasa rehetra

09/07/2019

Hotanterahina eny amin’ny kianjan’i Mahamasina ny 20 sy 21 jolay ho avy izao ny « jeux corporatifs » Ndao eLalao.

Hamaky ny tohiny...

Ampahefa-dalana CAN 2019 Hifandona amin’i Madagasikara i Tonizia

09/07/2019

Anisan’ireo ekipa goavana nihintsana ihany koa omaly ny Blackstars an’i Ghana resin’i Tonizia tamin’ny alalan’ny “Tirs au but” 5 – 4 rehefa nanao ady sahala 1-1 ny roa tonta tao anatin’ny 90 minitra sy taorian’ny fanalavam-potoana.

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina “Fiaramanidina roa no hoentina amin’ny manaraka”

09/07/2019

Misaotra an’ireo mpilalaon’ny Barea manokana sy ny mpanazatrany aho amin’izao nahatafakaran’izy ireo amin’ny lalaon’ny 1/4-dalan’ny fifaninanana CAN 2019 tontosaina aty Egypte izao, hoy ny Filoham-pirenena Malagasy Andrinirina Rajoelina omaly tany amin’ny kianjan’Alexandria any Egypte.

Hamaky ny tohiny...

Federasiona Malagasin’ny Volley-ball Tohizana indray ny fikarakarana ny « Coll volley »

09/07/2019

Rehefa najanona nandritra ny fotoana naharitra dia tohizan’ny FMVB “Federasiona Malagasin’ny taranja Volley-ball”

Hamaky ny tohiny...

Atletisme Rodorodon’Alaotra andiany voalohany I Hervé Patrick no nahery teo amin’ny Open 10 km

09/07/2019

Fahombiazana tanteraka no azo hilazana ny hetsika Atletisma Rodorodon’Alaotra andiany voalohany nokarakarain’ny ligin’ny Atletisma any Alaotra Mangoro teo ambany fiahian’ny FMA

Hamaky ny tohiny...

Edito

Edito Nipoitra daholo !

09/07/2019

Nipoitra daholo ankehitriny fa hay misy fitiavan-tanindrazana natory ihany tao anatin’ny malagasy tao. Heverina fa mendrika ny hisaorana indrindra noho izany ireo izay namoha azy io.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Anjerimanontolo « Miroso mankany amin`ny avo lenta”

09/07/2019

Tontosa ny faran`ny herinandro lasa teo ny fametrahana amin`ny toerany ny filohan`ny oniversiten`i Fianarantsoa amin`ny alalan`ny Dr Rafamantanantsoa Andrainjato.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Fanadinana CEPE andrana Hozaraina amin’ny herinandro ny laza adina

09/07/2019

Efa miomana tanteraka amin’ny fiatrehana ny fanadinana CEPE andrana andiany faharoa ireo sekoly miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana eto an-drenivohitra ankehitriny.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Fanafihan-jiolahy Olona roa maty voatifitra, telo naratra

09/07/2019

Nisehoana asan-jiolahy indray tao amin’ny distrikan’i Miandrivazo, ka nahafatesana sy nandratrana olona.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Amnesty International Nanakiana ny mpitandro filaminana Malagasy

09/07/2019

Nanao fanambarana indray ny Amnesty International ary nilaza fa ilaina ny ezaka

Hamaky ny tohiny...

Any Ivelany

British Airways Voasazy nandoa onitra 204 tapitrisa euros

09/07/2019

Taorian`ny famoahana vaovao manokana momba an`ireo mpanjifany ny taona 2018 dia nivoaka ny sazy ho an`ny kaompania ana habakabaka, Britsih Airways (IAG).

Hamaky ny tohiny...

Iran Nandrenesana horohorontany indray

09/07/2019

Nandrenesana horohorontany 5.6 amin’ny maridrefy Richter indray tany atsimo andrefan'i Iran omaly.

Hamaky ny tohiny...

Praiminisitra vaovao ao Grèce Tsara toerana i Mitsotakis

09/07/2019

Nanjakan`ny antoko “Nouvelle democratie” ny fifidianana solombavambahoaka ka nitarika lavitra manoloana ny praiminisitra grika Alexis Tsipras ny 07 jolay 2019.

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

Ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo Hametraka paikady maharitra ny ONN-PAM-KOICA

09/07/2019

Nisy ny fitsidihina ireo toby fanaraha-maso momba ny fanjarian-tsakafo tany Atsimon’ny Nosy, izay notanterahin’ny delegasion’ny repoblikan’ny Korea eto Madagasikara sy matihanina avy ao amin’ny PAM ny 1 hatramin’ny 5 jolay lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Mpianatra malagasy any Maraoka Miantso vonjy, fa mbola tsy nandray vatsim-pianarana

09/07/2019

Manao antso avo amin'ny fitondram-panjakana izahay mpianatra aty Maraoka. Antony, nohon'ny tsy mbola naharaisanay ny vatsy "allocation 2017-2018”, izay vola, voalaza fa efa nivoaka ny volana janoary 2019, saingy tsy mbola tonga any amin’izy ireo amin’izao,

Hamaky ny tohiny...

JAONA ELITE Halevina rahampitso eny Ankatso

09/07/2019

Halevina rahampitso alarobia 10 jolay eny amin’ny fasan-drazany eny Ankatso ny nofo mangatsiakan-dRandriarimalala Harijaona, fantatry ny maro amin’ny anarana Jaona Elite.

Hamaky ny tohiny...

Jirama Antananarivo Renivohitra Hotohizana ny fampiakarana ny tanjaky ny herinaratra

09/07/2019

Tsy mandritra ity CAN 2019 ity ihany no hiezaka hampitombo ny tanjaky ny herinaratra amin’ireo faritra maro eto an-drenivohitra ny orinasa JIRAMA, raha araka ny fanazavana azo.

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo Izaràna pilifera ny mpianatry ny EPP

09/07/2019

Tanjon’ny drafitrasa nasionaly ho an’ny fanjarian-tsakafo andiany fahatelo (PNAN 3) ny hampihena ho 38% ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka eto amintsika, hatramin’ny taona 2021.

Hamaky ny tohiny...

Soalihy Moussa “Efa tena tsara ny ezaka nataon’ny Barea…”

09/07/2019

Efa tena tsara ny ezaka ny nataon’ny ekipam-pirenena Barea, raha araka ny fanazavan’Atoa Soalihy Moussa omaly, sekretera jeneralin’ny “Cercle de reflexion musulmane”.

Hamaky ny tohiny...

Sinto-mahery 67ha Mpangarom-paosy nifanenjehan’ny polisy ka tratra

09/07/2019

Nampiaiky ny tany ama-monina sy ny mpandalo teny amin’ny faritra 67ha ny fifanenjehana teo amin’ireo mpitandro filaminana sy ny mpanendaka.

Hamaky ny tohiny...

Tsenan’Andravoahangy Tsy mifankahazo ny mpivarotra sasany sy ny delege

09/07/2019

Mitaraina vokatry ny fakana volabe ataon’ireo delegen’ny tsena sy ny lehiben’ny tsenan’Andravoahangy, ireo mpivarotra mivondrona ao anatin’ny fikambanana FI.MPI.E.A na Fikambanan’ny Mpivarotra Etale Andravoahangy.

Hamaky ny tohiny...

Tranga

Lozam-pifamoivoizana Anjozorobe Vaky ny lohan’ilay mpitondra moto cross

09/07/2019

Samy naratra ireo mpitondra cross roa nifanehitra ary ny iray aza tsy tana ny ainy. Vaky mantsy ny lohan’ity farany, nentina nihazo ny hopitalin’ny distrika na CHD Anjozorobe,

Hamaky ny tohiny...

Anosibe sy Andavamamba Tra-tehaka ny mpamaky trano sy fiangonana

09/07/2019

Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny boriborintany fahadimy ny tovolahy iray vao 19 taona voarohirohy fa mpamaky trano sy tamin’ny famakiana fiangonana, ny talata 2 Jolay teo tokony ho tamin’ny 8ora maraina tamin’iny faritra Andavamamba iny.

Hamaky ny tohiny...

Fanarahana ny lalao CAN tao Vondrozo Tapaka ny jiro, raikitra ny torabato

09/07/2019

Tezitra ny mponina ary nisafoaka, ka nirohotra nankeny amin’ny biraon’ny jirama tao amin’ny distrikan’i Vondrozo, faritra Vatovavy Fitovinany, ka nitorabato tsy nifandrenesana tao amin’io birao io.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana