Fil d'actualités du 23/08/2019

  • 23/08/2019 - 15:30 : SOSIALY:nanao hetsika fanadiovana faobe sy fandaminana ny teny anivon’ny tsenan’i Namontana ny ben'ny tanàna Lalao Ravalomanan androany maraina.

  • 23/08/2019 - 15:00 : POLITIKA:Miantso ny rehetra ho tony ny CFM amin'ny fijoroan'ny antoko mpanohitra.

  • 23/08/2019 - 14:30 : TOAMASINA:Miketrika fitokonana ireo mpianatry ny oniversite ny Barika dimy noho ny falafosan'ny ofantrano sy ny tsy faneken'ny tompon'andraikitra ny hihaona amin'izy ireo.

  • 23/08/2019 - 14:00 : ASA SOA:Nanome ra maimaim-poana ho an’ireo mpiray tanindrazana amin’izy ireo ny Sampana Mpamonjy Voina ao amin'ny kaominina Antananarivo Renivohitra tetsy amin’ny tobiny Tsaralalàna ny andron’ny Zoma 23 Aogositra 2019.

  • 23/08/2019 - 12:00 : FANATANJAHAN-TENA:Efa manao fanazarantena aminy kianja any Maurice ny FOSA amizao,vonona tanteraka handavo an'ny Pamplemousse any aminy taniny izy ireo aminy match retour ity.

  • 23/08/2019 - 11:45 : ANTSAHAMANITRA:Nitrangana fanafihan-jiolahy teny Antsahamanitra ny maraina teo tokony tamin'ny 09 ora. Arakin'ny fampitam-baovao azo eto am-pelatananay dia fiara iray nitondra vola no narahana Jiolahy, namaly ireo mpitondra vola nampian'ireo polisy teny amin'ny manodidina. Vokany lavo ny bala ny jiolahy roa ary ny sisa tafatsoaka.

  • 23/08/2019 - 11:30 : ASA SOSIALY:Ho esorina izay mpandoto ny tanàna, hampiharina ny lalàna.Nisy ny fivoriana notarihin’ny sekretera jeneralin’ny kaominina Antananarivo renivohitra (CUA), Randriamasinoro Tahiry Ny Riana tao amin’ny lapan’ny tanàna Analakely androany maraina 23 aogositra, amin’ny lamina vaovao: fandaminana sy fanadiovana ny tanàna manerana ny boriborintany 6 eto Antananarivo Renivohitra.

  • 23/08/2019 - 10:30 : TSARASAOTRA IVATO:Misy andian'olona misikotra ny vato kely eny amin'ny sisin'arabe.

  • 23/08/2019 - 10:00 : FANDRIAM-PAHALEMANA:Mpangalatra moto RSZ no maty voafitry ny polisy teo amin'ny lalamby Ampefiloha io maraina io,efa tafaverina amin'ny tompony kosa ilay moto.

  • 23/08/2019 - 09:30 : TRANGAM-PIARAHAMONINA:Fiara 4x4 mitondra laharana takelaka mena no nandefa anjomara fanakisahana fiara omaly teny Ampefiloha be ny tafitohana ka naneho ny atezerany ka fantatra fa firan'ny Tale ny ministeran'ny fahasalamana ilay fiara ka nahazo fampitandremana avy anttrany ilay Tale.

Voir plus d'infos...

23/08/2019

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20190516

Misongadina

Marc Ravalomanana Manome toky an’Antananarivo

16/05/2019

Avy nitety an’i Madagasikara : Atsimo Andrefana, Morondava, Belo Tsiribihina, Toliara, Fianarantsoa, Ambatondrazaka,… i Marc Ravalomanana.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Fanjakana Rajoelina Maro ny fanapahan-kevitra petatoko

16/05/2019

Toe-javatra maneho ny tsy fahamatoran’ny mpitondra fanjakana ankehitriny ny fanendrena amina toerana ambony an’i Boudi Serdos Olivier ho kandida mpisolo toerana an’Atoa Jocelyne Rahelihanta,

Hamaky ny tohiny...

Actualits

EPP Iavoloha, ny hetsika Nanaovan’ny prezidansa « Asa tana-maro »

16/05/2019

« Miainga avy any amin’ny andrim-panjakana ambony indrindra ny maodely amin’ny fifanohanana sy fiaraha-mientana, indrindra fotoana izao hifanomezan-tanana hanarenana ny firenena iombonana »,

Hamaky ny tohiny...

Kolikoly avo lenta Tsy ho afa-bela ihany koa ny MAPAR...

16/05/2019

Henjehina ny olon'ny HVM fa hoe nandray 50 tapitrisa ariary. Io ilay resaka malety tamin’ny fampandaniana ny lalàna fehizoro momba ny fifidianana ny volana aprily 2018.

Hamaky ny tohiny...

Fivadibadihan’ny toetr’andro Tandidomin-doza ireo valanjavaboary eto Madagasikara

16/05/2019

Anisan’ny firenena marefo mora andairan’ny voka-dratsin’ny fivadibadihan’ny toetr’andro i Madagasikara, raha ny tatitra nomen’ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny tontolo iainana sy ny Madagascar National Parc ary ireo rafitra iraisam-pirenena miara-miasa aminy tetsy amin’ny Colbert Antaninarenina omaly.

Hamaky ny tohiny...

Cua sy ny boriborintany fahefatra Mampianatra informatika maimaimpoana vehivavy miisa 54

16/05/2019

Legende : Faly avokoa ireo vehivavy tompon’andraikitra ao amin’ny Boriborintany faha-efatra nahazo fiofanana

Hamaky ny tohiny...

Edito

Edito Tsy azo terena !

16/05/2019

Kolikoly, tsy fandriampahalemana, gaboraraka, tsimatimanota, sy izay endrika tsy fahavanonana rehetra nanjaka teto amin’ity firenena ity hatramin’izay sy tsy mety afaka aminy hatramin’izao dia tsy misy azo terena ho afaka aminy vetivety.

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana

Lalàna vaovao mifehy ny fifamoivoizana Toherin’ireo mpitatitra ny fampiharana azy

16/05/2019

Somary nisy fifanoherana kely ihany ny fihaonana teo amin’ireo mpitatitra sy ny mpitandro ny filaminana ary ny birao mahaleotena iadiana amin’ny kolikoly sy ny Pnud omaly tetsy amin’ny le pavé Antaninarenina.

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana

Ady amin’ny aretina homamiadana Hanampy antsika i Inde

16/05/2019

Tonga nanatitra ny taratasy maniraka azy ho masoivohon’i Inde eto Madagasikara tetsy amin’ny lapan’Iavoloha omaly alarobia 15 mey , ny ambasadaoro vaovaon’ity firenena ity, Abhay Kumar.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Fiarovana ara-tsosialy sy fanomezan-danja ny vehivavy 90 tapitrisa dolara no nomen’ny Banky Iraisam-pirenena

16/05/2019

Natao omaly alarobia 15 mey tetsy amin’ny lapam-panjakana Mahazoarivo ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa fanampiny nataon’ny minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola sy ny tahirim-panampiana ho an’ny fampandrosoana (FID).

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

FANAFIHAN-DAHALO

16/05/2019

Nitrangana fanafihan-dahalo tao amin’ny fokontanin’ Andranolavamena, Amparafaravola ny talata alina teo, omby 46 no lasan’ny dahalo ary olona 5 no voatifitra

Hamaky ny tohiny...

BE VAOVAO ANDRAVOAHANGY

16/05/2019

Mirongatra ny mpangarom-paosy amin’ny faritra manodidina an’Andravoahangy, indrindra amin’iny faritra afaka an’i Behoririka sy manamorona an’Andravoahangy tsena iny.

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

Fanentanana momba ny fiahiana ara-tsosialy Miara-misalahy ny CNaPS sy ny minisiteran’ny asam-panjakana

16/05/2019

Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy omaly alarobia 15 mey 2019 teny amin’ny foiben’ny CNaPS Ampefiloha ny fanokafana ny fanentanana lehibe hivoizana ny « Asa mendrika ho an’ny rehetra sy fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara ».

Hamaky ny tohiny...

Fanitarana ny lalana eto an-drenivohitra Nijery ny fizotry ny asa ireo mpamatsy vola

16/05/2019

Nidina ifotony nijery ny asa fanamboarana ny lalana amin’ny rocade Avaratra atsinanana-atsinanana, omaly ireo mpamatsy vola toy ny AFD, ny vondrona Eoropeanina … taorian’ny 12 volana nanatanterahana ny asa.

Hamaky ny tohiny...

Sekoly Sainte Famille Mahamasina Mpampianatra 47 notolorana mari-boninahitra

16/05/2019

Fotoana nanan-danja ho an’ireo sekoly lasalianina miisa 12 tantanan-dry frera manerana ny Nosy ny datin’ny omaly alarobia 15 mey.

Hamaky ny tohiny...

Dossier

Harena ankibon’ny tany Manana akora tena be mpitady maneran-tany i Madagasikara

16/05/2019

Ahitana harena ankibon’ny tany antsoina hoe Lithium izay singa ampiasaina amin’ny fanamboarana finday sy fakan-tsary ary koa manana “Carbone”

Hamaky ny tohiny...

Malagasy Maro no roboka amin’ny filokana

16/05/2019

Vintana sa fahaizana ? Inona no tokony hatao raha te handresy amin’ireny loka st tsapa vintana ireny ?

Hamaky ny tohiny...

Tranga

Trafikana zava-mahadomelina Rongony 30 gony tratra tao anaty “Camion citerne”

16/05/2019

Rongony 700kg tratran’ny zandary tao Ankaramena noho ny fanomezam-baovaon’ny olona tsara sitrapo. Omaly tamin'ny 3ora maraina, nahazo antso an-tariby ny mpiara-miasa iray ao amin’ny paositry ny zandarimaria Ankaramena.

Hamaky ny tohiny...

Ankadimainty Mahitsy Lehilahy hanatitra « versement » maty voatifitra

16/05/2019

Hatairana ny an’ny olona teny Ankadimainty Mahitsy omaly atoandro naheno feo nipoaka mafy dia mafy taorian’ny fandalovana moto iray.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana